Tsy Maintsy Evanjelisitra ny Kristiana Marina Rehetra
“Ataovy ny asan’ny evanjelista [na, misionera].” — 2 TIMOTY 4:5.
1. Inona ilay vaovao tsara izay notorin’ireo evanjelisitra tamin’ny taonjato voalohany?
MIDIKA ho inona amin’izao andro izao ny maha-evanjelisitra ny tena? Iray amin’izany ve ianao? Ny teny hoe ‘evanjelisitra’ dia avy amin’ny teny grika eu·ag·ge·li·stesʹ, izay midika hoe “mpitory ny vaovao tsara”. Hatramin’ny niorenan’ny kongregasiona kristiana tamin’ny 33 am.f.i., ny vaovao tsara kristiana dia nampisongadina ny fomba famonjen’Andriamanitra, ary nanambara fa mbola hiverina i Jesosy Kristy atỳ aoriana mba hanomboka ny fanapahan’ilay Fanjakany eo amin’ny taranak’olombelona. — Matio 25:31, 32; 2 Timoty 4:1; Hebreo 10:12, 13.
2. a) Tamin’ny ahoana izay raketin’ny vaovao tsara no nanjary nitombo amin’izao androntsika izao? b) Adidy inona no mipetraka eo amin’ny Kristiana marina rehetra amin’izao andro izao?
2 Hatramin’ny 1914 no ho mankatỳ, dia nanomboka nisavovona ireo porofo fa ny famantarana nomen’i Jesosy mikasika ny fiverenany sy ny fanatrehany tsy hita maso dia eo am-pahatanterahana. (Matio 24:3-13, 33). Eto indray koa, ny vaovao tsara dia mahatafiditra ilay fitenenana hoe “akaiky ny fanjakan’Andriamanitra”. (Lioka 21:7, 31; Marka 1:14, 15). Tsy azo lavina fa tonga ny fotoana izay ahitan’ilay faminaniana nataon’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:14 (NW ) fahatanterahana lehibe: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; ary avy eo, dia ho tonga ny farany.” Noho izany, ny fanaovana ny asan’ny evanjelisitra amin’izao fotoana izao dia mahafaoka fanambarana amin-jotom-po ilay Fanjakan’Andriamanitra efa miorina sy ireo fitahiana hoentiny tsy ho ela ho an’ny taranak’olombelona mankatò. Ny Kristiana rehetra dia eo ambanin’ny didy hanao io asa io sy ‘hanao mpianatra’ — Matio 28:19, 20; Apokalypsy 22:17.
3. a) Manana heviny fanampiny inona ny teny hoe “evanjelisitra”? (Jereo ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, Boky faha-3 Dr-Ha, pejy 504, tsanganana faha-2, fehintsoratra 1.) b) Mampipoitra fanontaniana inona avy izany?
3 Ankoatra ny fitoriana ny vaovao tsara amin’ny ankapobeny, ny Baiboly dia mampiasa ny teny hoe ‘evanjelisitra’ amin’ny heviny manokana mahakasika ireo izay mandao ny faritany nahabe azy mba hitory ny vaovao tsara any amin’ireo faritra mbola tsy nitoriana mihitsy. Tamin’ny taonjato voalohany, dia nisy evanjelisitra misionera maro, sahala amin’i Filipo, i Paoly, i Barnabasy, i Silasy sy i Timoty. (Asan’ny Apostoly 21:8; Efesiana 4:11). Ahoana anefa ny amin’ny fotoana manokana misy antsika hatramin’ny 1914? Moa ve ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro izao manaiky ny ho tonga evanjelisitra eo an-toerana ary koa ho misionera?
Fandrosoana nanomboka tamin’ny 1919
4, 5. Nanao ahoana ny fahatsinjovana ny asan’ny evanjelisitra fotoana fohy taorian’ny 1914?
4 Rehefa nadiva hifarana ny Ady Lehibe Voalohany tamin’ny 1918, dia nahita fanoherana nitombo hatrany ireo mpanompon’i Jehovah, avy tamin’ny mpivadi-pinoana sy ny klerjin’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana ary ireo mpiandany aminy ara-politika. Raha ny marina, ny tena asan’ny evanjelisitra kristiana marina dia saika niato tanteraka tamin’ny Jona 1918, rehefa nomelohina 20 taona am-ponja noho ny fiampangana lainga ireo anisan’ny mpitondra nitantana ny Fikambanana Watch Tower tany Etazonia. Moa ve ireo fahavalon’Andriamanitra nahavita namarana ny asa fitoriana ny vaovao tsara?
5 Tamin’ny fomba tsy nampoizina, dia navoaka ireo anisan’ny mpitondra ny Fikambanana tamin’ny Martsa 1919, ary tatỳ aoriana, dia nafahana madiodio tamin’ireo fiampangana lainga izay nahatonga azy ireo hatao am-ponja. Noho io fahafahana vao azo indray io, dia takatr’ireo Kristiana voahosotra ireo fa mbola nisy asa betsaka tokony hatao alohan’ny hanangonana azy ireo ho amin’ny valisoany any an-danitra amin’ny maha-mpiray lova ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra azy. — Romana 8:17; 2 Timoty 2:12; 4:18.
6. Ahoana no nandrosoan’ny asan’ny evanjelisitra teo anelanelan’ny 1919 sy 1939?
6 Hatreo amin’ny 1919, dia nisy latsaky ny 4 000 no nandefa rapaoro momba ny fandraisany anjara tamin’ny fampielezana ny vaovao tsara. Nandritra ny roapolo taona nanaraka, dia nisy lehilahy maro nanolo-tena ho evanjelisitra misionera, ary ny sasany dia nalefa tany amin’ireo tany any Afrika sy Azia ary Eoropa. Hatreo amin’ny 193[9], rehefa afaka 20 taona nitoriana ilay Fanjakana, dia nitombo ka nahatratra 73 000 mahery ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Io fitomboana niavaka natao tao anatin’ny fanenjehana be io dia nitovy tamin’izay nitranga tamin’ireo taona voalohandohany nisian’ny kongregasiona kristiana. — Asan’ny Apostoly 6:7; 8:4, 14-17; 11:19-21.
7. Toe-javatra nitovy inona no nisy mikasika ny asan’ny evanjelisitra kristiana tamin’ny taona 47 am.f.i. sy 1939?
7 Na dia izany aza, ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany dia nivangongo tany amin’ny tany protestanta miteny Anglisy. Raha ny marina, dia maherin’ny 75 isan-jaton’ireo mpitory ny Fanjakana 73 000, no avy any Aostralia, Grande-Bretagne, Kanada, Nouvelle-Zélande, ary Etazonia. Toy izay nitranga tany amin’ny taona 47 am.f.i. tany ho any, dia nisy zavatra nilaina mba hampirisihana ireo evanjelisitra hanisy fiheverana kokoa an’ireo faritra tsy dia voasa loatra eto an-tany.
8. Hatraty amin’ny 1992, inona no zava-bitan’ny Sekolin’i Gileada?
8 Ireo fameperana tamin’ny fotoan’ny ady sy ny fanenjehana dia tsy afaka nanakana ny fanahy masin’i Jehovah mahery tsy hanosika ireo mpanompony mba hiomana ho amin’ny fitarana lehibe kokoa. Tamin’ny 1943, raha teo amin’ny fara heriny ny Ady Lehibe Faharoa, ny fandaminan’Andriamanitra dia nanangana ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada Alamin’ny Watchtower ho fikendrena ny hanaparitahana ny vaovao tsara any amin’ny faritra midadasika kokoa. Tamin’ny Martsa 1992, io sekoly io dia efa nandefa misionera 6 517 tany amin’ny tany 171 samy hafa. Fanampin’izany, dia nisy lehilahy maro nampiofanina mba hikarakara ireo sampan’ny Fikambanana Watch Tower any an-tany hafa. Tamin’ny 1992, teo amin’ireo mpampifandrindra ny Komitin’ny Sampana 97, dia 75 no niofana tany Gileada.
9. Fandaharam-pampiofanana inona avy no nandray anjara tamin’ny fandrosoan’ny asan’ny evanjelisitra sy ny asa fanaovana mpianatra?
9 Ankoatra ny Sekolin’i Gileada, dia misy fandaharam-pampiofanana hafa manome fitaovana ny vahoakan’i Jehovah mba hanitarany sy hanatsarany ny asan’ny evanjelisitra ataony. Ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika ohatra, dia miasa ao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Io fandaharana io, miaraka amin’ny Fivoriana Momba ny Asa isan-kerinandro, dia nampiofana mpitory ilay Fanjakana an-tapitrisany maro mba hahita vokatra eo amin’ny fanompoana ampahibemaso. Eo koa ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana, izay manome fampiofanana sarobidy ho an’ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa mba hahafahan’izy ireo hikarakara tsara kokoa ireo kongregasiona mitombo hatrany. Ny Sekolin’ny Mpisava Lalana dia nanampy evanjelisitra manontolo andro maro mba hahita vokatra kokoa eo amin’ny asa fitoriana ataony. Vao haingana kokoa, dia niasa tany amin’ny tany samy hafa ny Sekolin’ny Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana mba hanampiana ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa tsy manambady ho tonga Timoty amin’izao andro maoderina izao.
10. Inona no vokatry ny fampiofanana tsara dia tsara rehetra nomena tamin’ny alalan’ny fandaminan’Andriamanitra? (Ampidiro ny fanazavana ao amin’ny faritra voafefy.)
10 Inona no vokatr’izany fampiofanana rehetra izany? Tamin’ny 1991, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nahatratra tampon’isa maherin’ny efatra tapitrisa teo amin’ny mpitory ilay Fanjakana miasa any amin’ny tany 212. Kanefa tsy toy ny toe-javatra nisy tamin’ny 1939, fa maherin’ny 70 isan-jato amin’izy ireo dia avy any amin’ny tany katolika, na ortodoksa, na tany tsy kristiana, na tany hafa izay tsy itenenana ny fiteny anglisy. — Jereo ilay faritra voafefy hoe “Fitarana Hatramin’ny 1939”.
Anton’ny fahombiazana
11. Iza no nolazain’ny apostoly Paoly fa tompon’andraikitra tamin’ny fahombiazany tamin’ny naha-minisitra azy?
11 Tsy milaza ny Vavolombelon’i Jehovah fa avy amin’ny tenany izany fitarana izany. Mihevitra ny asa ataony kosa izy ireo toy izay nataon’ny apostoly Paoly, araka ny fanazavany ao amin’ny taratasiny ho an’ny Korintiana. “Koa inona moa Apolosy, ary inona moa Paoly? Mpanompo ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, dia samy araka ny nomen’ny Tompo azy avy. Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo. Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra izay mampitombo no izy. Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay; ary sahan’Andriamanitra sy trano arafitr’Andriamanitra hianareo.” — 1 Korintiana 3:5-7, 9.
12. a) Inona no anjara asan’ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny asan’ny evanjelisitra kristiana mahomby? b) Iza no voatendry ho Lohan’ny kongregasiona kristiana, ary inona no fomba iray lehibe anehoantsika ny fanekentsika ny maha-Lohany azy?
12 Tsy misy isalasalana fa ny fitomboana mahagaga hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia vokatry ny fitahian’Andriamanitra. Izany dia asan’Andriamanitra. Noho ny fahatakarany izany zava-misy izany, dia manohy mikely aina izy ireo eo amin’ny fianarana tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra. Ampioreniny amin’ny Baiboly izay zavatra rehetra ampianariny eo amin’ny asan’ny evanjelisitra ataony. (1 Korintiana 4:6; 2 Timoty 3:16). Ny zava-dehibe hafa iray mahatonga ny asan’ny evanjelisitra ataon’izy ireo hahomby, dia ny fanekeny tanteraka an’Ilay voatendrin’Andriamanitra ho Lohan’ny kongregasiona, dia i Jesosy Kristy Tompo. (Efesiana 5:23). Naneho izany ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ireo izay notendren’i Jesosy ho apostoly. Ireny lehilahy ireny, niaraka tamin’ireo loholona hafa tao amin’ny kongregasionan’i Jerosalema, dia nahaforona ny fitambara-mpitantana kristiana tamin’ny taonjato voalohany. Avy any an-danitra, i Jesosy Kristy Tompo dia nampiasa io antokona Kristiana matotra io mba handaminana ireo zavatra nahatonga ady hevitra, sy mba hanomezana fitarihana ho an’ny asan’ny evanjelisitra. Ny fiaraha-miasa tamin-jotom-po nasehon’i Paoly tamin’io fandaharana nataon’Andriamanitra io dia niteraka fitomboana teo amin’ireo kongregasiona notsidihiny. (Asan’ny Apostoly 16:4, 5; Galatiana 2:9). Toy izany koa amin’izao andro izao fa, rehefa mihazona mafy ny Tenin’Andriamanitra sy miara-miasa amin-jotom-po amin’ny fitarihana avy amin’ny Fitambara-mpitantana ireo evanjelisitra kristiana, dia mahazo antoka ny amin’ny fahombiazany eo amin’ny fanompoany. — Titosy 1:9; Hebreo 13:17.
Fiheverana ny hafa ho ambony
13, 14. a) Torohevitra inona no nomen’ny apostoly Paoly araka izay voarakitra ao amin’ny Filipiana 2:1-4? b) Nahoana no zava-dehibe ny hitadidiana io torohevitra io rehefa mandray anjara amin’ny asan’ny evanjelisitra?
13 Naneho tena fitiavana marina an’ireo mpitady ny fahamarinana ny apostoly Paoly, ary tsy nampiseho fihetsika nanambony tena na nanavakava-bolon-koditra. Araka izany, dia afaka nanoro hevitra ireo mpino namany izy mba “hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany”. — Filipiana 2:1-4.
14 Amin’ny fomba toy izany, ireo evanjelisitra kristiana amin’izao andro izao dia tsy mihevi-tena ho ambony rehefa mifampiraharaha amin’olona tsy mitovy firazanana na tsy mitovy ivom-piainana aminy. Hoy ny Vavolombelon’i Jehovah iray avy any Etazonia, izay voatendry hiasa amin’ny maha-misionera atsy Afrika: “Fantatro fotsiny fa tsy ambony izahay. Angamba manam-bola sy manana izay antsoina hoe fianarana ofisialy bebe kokoa izahay, kanefa izy ireo [ireo olona eo an-toerana] dia manana toetra tsara mihoatra noho izay anananay.”
15. Ahoana no ahafahan’ireo voatendry hiasa any an-tany hafa mampiseho tena fanajana marina an’ireo izay azo inoana fa ho tonga mpianatra?
15 Azo antoka fa, amin’ny fanehoana tena fanajana marina an’ireo izay izarantsika ny vaovao tsara, isika dia manao izay hahatonga ny hafatry ny Baiboly ho mora ekena kokoa ho azy ireo. Manampy koa ny fanehoan’ny evanjelisitra misionera iray ny hafaliany miara-miaina amin’ireo olona izay notendrena hampiany. Ny misionera nahita fahombiazana iray izay nandany ireo 38 taona farany tatsy Afrika dia nanazava hoe: “Tsapako lalina ato anatiko fa io no tranoko, ary ireo izay ao amin’ny kongregasiona nanendrena ahy no rahalahiko sy anabaviko. Rehefa niverina tany Kanada aho, tamin’ny fialan-tsasatra, dia tsy tena nahatsiaro tena ho tany an-trano aho. Tokotokony ho tamin’ny herinandro farany tany Kanada, dia tsy andriko tsotra izao fotsiny izay hodiana. Toy izany foana no tsapako. Lazaiko amin’ireo olona ampianariko ny Baiboly sy amin’ireo rahalahy sy anabavy ny hafaliako tafaverina indray, ary ankasitrahan’izy ireo ny hoe te hiaraka amin’izy ireo aho.” — 1 Tesaloniana 2:8.
16, 17. a) Zava-tsarotra tsy maintsy resena inona no neken’ny misionera maro na evanjelisitra eo an-toerana hatrehina mba hahitana vokatra kokoa eo amin’ny fanompoany? b) Fanandraman-javatra inona no hitan’ny misionera iray noho izy niteny tamin’ny fiteny teo an-toerana?
16 Rehefa hitan’izy ireo fa misy faritra lehibe mitokana iray miteny amin’ny fiteny hafa ao amin’ny faritanin’izy ireo, dia nanao fiezahana ny sasany mba hianarana ilay fiteny, ka nasehony tamin’izany fa nihevitra ny hafa ho ambony izy ireo. “Any amin’ny tapany atsimon’i Afrika”, hoy ny fanamarihan’ny misionera iray, “dia misy tsy fifampitokiana izany indraindray eo amin’ireo manam-piaviana afrikana sy ireo manam-piaviana eropeana. Ny fitenenanay ny fiteny eo an-toerana anefa dia mampisinda haingana izany fihetseham-po izany.” Ny fitenenana ny fitenin’ireo izarantsika ny vaovao tsara dia fanampiana lehibe mba hanohinana ny fony. Mitaky asa mafy sy fikirizana amim-panetren-tena izany. Nanazava toy izao ny misionera iray any amin’ny tany aziatika: “Mety ho tonga fisedrana ny fanohizana manao fahadisoana na dia miezaka aza ny tena, nefa amin’izay indray ihomehezan’ny olona foana amin’ireo fahadisoana ataon’ny tena. Mety ho toa mora kokoa ny mamela izany.” Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana anefa dia nanampy an’io misionera io haharitra. — Marka 12:30, 31.
17 Takatra mora foana raha tohina ny olona rehefa misy vahiny iray miezaka mafy hizara ny vaovao tsara amin’ny fiteniny. Indraindray izany dia miteraka fitahiana tsy ampoizina. Ny misionera iray tao amin’ny tanànan’i Lesotho atsy Afrika, dia niteny Sesotho tamina vehivavy iray niasa tao amin’ny magazay mpivarotra temitra. Nitsangantsangana tao amin’ilay toeram-piasana ny minisitry ny governemanta avy tany amin’ny tany afrikana hafa iray ary nandre tsy nahy ilay resaka. Nanatona azy ilay minisitra ary nidera azy tamin-kafanam-po. Noho izany ilay misionera dia nanomboka niresaka tamin’ilay minisitry ny governemanta tamin’ny fitenin’io manokana. “Nahoana ianao no tsy mankany amin’ny [taniko] ary miasa eo amin’ny vahoakanay, satria ianao mahay miteny Swahili koa?” hoy izy nanontany. Tamim-pahaiza-mandanjalanja dia namaly toy izao ilay misionera: “Ho tsara dia tsara tokoa izany. Saingy Vavolombelon’i Jehovah aho, ary amin’izao fotoana izao dia raran’ny lalàna ny asanay any amin’ny taninareo.” “Aoka re ianao tsy hihevitra fa izahay rehetra dia manohitra ny asanareo e”, hoy izy namaly. “Maro aminay no momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Angamba indray andro any ianareo dia ho afaka hampianatra malalaka eo amin’ny vahoakanay.” Fotoana kelikely taorian’izay, dia nientam-po ilay misionera nahafantatra fa nomena fahafahana hanao fanompoam-pivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’io tany io.
Vonona ny hamoy zo
18, 19. a) Tamin’ny fomba lehibe inona no niezahan’i Paoly mafy hanahaka an’i Jesosy Kristy, ilay Mpampianatra azy? b) Milazà fanandraman-javatra iray (ilay eo amin’ny fehintsoratra na ny anao manokana) mba hampisehoana fa zava-dehibe ny hanalavirana ny fanaovana izay hahatafintohina ireo olona izarantsika ny vaovao tsara.
18 Rehefa nanoratra ny apostoly Paoly hoe: “Aoka hanahaka ahy hianareo, dia tahaka ny anahafako an’i Kristy”, dia vao avy niresaka ny amin’ny ilana hanalavitra ny fanaovana izay hahatafintohina ny hafa izy tamin’ny filazana hoe: “Koa amin’izany, na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany. Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan’Andriamanitra, dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin’ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena.” — 1 Korintiana 10:31-33; 11:1.
19 Ireo evanjelisitra sahala amin’i Paoly, izay vonona ny hihafy ho tombontsoan’ireo izay itoriany, dia mijinja fitahiana maro. Tany amin’ny tany iray atsy Afrika, ohatra, dia nisy mpivady misionera nankany amin’ny hotely iray teo an-toerana mba hisakafo ho fankalazana ny fitsingerenan’ny andro nivadian’izy ireo. Tamin’ny voalohany dia nikasa ny hanafatra divay niaraka tamin’ny sakafo izy ireo, satria ny fampiasana zava-pisotro misy alkaola amin’ny antonony dia tsy melohin’ny Baiboly. (Salamo 104:15). Avy eo anefa dia nanapa-kevitra ny tsy hanao izany izy ireo sao dia mety hanafintohina ny olona eo an-toerana izany. “Tsy ela loatra tatỳ aoriana”, hoy ilay lehilahy nahatsiaro, “dia nifanena tamin’ny lehilahy iray izay filohan’io hotely io izahay, ary nanomboka fianarana Baiboly niaraka taminy. Tatỳ aoriana kokoa, dia izao no nolazainy taminay: ‘Tsaroanareo moa ilay ianareo nankany amin’ny hotely iny mba hisakafo? Tao ambadiky ny varavaran’ny lakozia daholo izahay rehetra nandinika anareo. Ireo misioneran’ny fiangonana mantsy dia nilaza taminay fa ratsy ho anay ny misotro. Rehefa mankany amin’ny hotely anefa ry zareo, dia manafatra divay betsaka. Nanapa-kevitra àry izahay fa, raha manafatra zavatra hosotroina misy alkaola ianareo, dia tsy hihaino anareo izahay rehefa tonga mitory any aminay ianareo.’ ” Amin’izao fotoana izao, io filoha io sy olon-kafa sasany niasa tao amin’ilay hotely dia Vavolombelona vita batisa.
Mbola misy zavatra maro be hatao
20. Nahoana no iankinan’ny aina ny hiaretantsika amin’ny maha-evanjelisitra be zotom-po antsika, ary tombontsoa mahafaly inona no azon’ny maro?
20 Arakaraka ny anatonan’ny faran’ity fandehan-javatra ratsy ity haingana, dia maro no mbola maniry mafy handre ny vaovao tsara, ary ho an’ny Kristiana tsirairay, dia mahadodona mbola tsy nisy toy izany ny hiaretana amin’ny maha-evanjelisitra mahatoky. (Matio 24:13). Moa ve ianao afaka manitatra ny fandraisanao anjara amin’io asa io amin’ny fahatongavana ho evanjelisitra amin’ny heviny manokana sahala amin’i Filipo, i Paoly, i Barnabasy, i Silasy, ary i Timoty? Maro no manao toy izany amin’ny fanatevenana ny laharan’ireo mpisava lalana, ary amin’ny fanaovana izay hahavonona ny tenany hanompo any amin’ny toerana izay ilana mpitory bebe kokoa.
21. Tamin’ny fomba ahoana no nisian’ny ‘varavarana lehibe hahazoana miasa tsara’ nivoha ho an’ny vahoakan’i Jehovah?
21 Tsy ela izay, dia nisy saha midadasika fanaovana ny asan’ny evanjelisitra nisokatra ao amin’ny tany maro atsy Afrika, sy Azia ary any Eoropa Atsinanana, izay nandrarana taloha ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Toy izay nitranga tamin’ny apostoly Paoly, dia misy ‘varavarana lehibe voavoha hahazoana miasa tsara’ ho an’ny vahoakan’i Jehovah. (1 Korintiana 16:9). Ireo evanjelisitra misionera izay tonga vao haingana tao Mozambique, atsy Afrika, ohatra, dia tsy manana fotoana ampy mba hianarana ny Baiboly miaraka amin’ny olona rehetra izay maniry izany. Endre ny hafaliantsika noho ny nanekena ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’io tany io tamin’ny 11 Febroary 1991!
22. Na voasa tsara na tsia ny faritanintsika eo an-toerana, dia tsy maintsy tapa-kevitra ny hanao inona isika rehetra?
22 Any amin’ireo tany izay nananantsika foana fahafahana hanao fanompoam-pivavahana, ireo rahalahintsika dia mahita fitomboana tsy an-kijanona koa. Eny, na aiza na aiza toerana iainantsika, dia mbola misy zavatra maro be ‘efaina ao amin’ny asan’ny Tompo’. (1 Korintiana 15:58). Koa satria izany no izy, dia aoka isika hanohy hampiasa amim-pahendrena ny fotoana sisa tavela eo am-panaovantsika tsirairay ‘ny asan’ny evanjelisitra, sy eo am-panatanterahantsika ny fanompoantsika amin’ny fomba feno’. — 2 Timoty 4:5; Efesiana 5:15, 16.
Afaka Manazava ve Ianao?
◻ Inona no atao hoe evanjelisitra?
◻ Tamin’ny ahoana izay raketin’ny vaovao tsara no nanjary nitombo taorian’ny 1914?
◻ Ahoana no nandrosoan’ny asan’ny evanjelisitra hatramin’ny 1919?
◻ Antony lehibe inona avy no nandray anjara tamin’ny fahombiazan’ny asan’ny evanjelisitra?
[Efajoro, pejy 19]
Fitarana Hatramin’ny 1939
Hevero ireo ohatra avy any amin’ny kaontinanta telo izay nandefasana misionera nahazo fiofanana tany Gileada. Tamin’ny 1939, tatsy Afrika Andrefana dia tsy nisy afa-tsy 636 ny mpitory ny Fanjakana izay nandefa ny rapaorony. Tamin’ny 1991, dia efa nitombo maherin’ny 200 000 io isa io any amin’ny tany 12 atsy Afrika Andrefana. Nandray anjara tamin’ny fitomboana mahagaga tao amin’ireo tany any Amerika Atsimo koa ireo misionera. Iray amin’izany i Brezila izay nitombo avy tamin’ny mpitory ilay Fanjakana 114 tamin’ny 1939, ho amin’ny 335 039 tamin’ny Aprily 1992. Nisy fitomboana nitovy tamin’izany nanaraka ny fahatongavan’ireo misionera tany amin’ireo tany any Azia. Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, ireo Vavolombelon’i Jehovah vitsy an’isa tany Japana dia nenjehina tamin’ny fomba henjana, ary nanjary niato ny asan’izy ireo. Avy eo, tamin’ny 1949, dia nisy misionera 13 tonga mba hanampy amin’ny fandaminana indray ny asa. Tamin’io taom-piasana io, dia latsaky ny folo ny mpitory teratany namerina filazana asa ho an’i Japana iray manontolo, kanefa tamin’ny Aprily 1992, dia nahatratra 167 370 ny totaliben’ny isan’ny mpitory.
[Efajoro, pejy 21]
Ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana sy ny Zava-manahirana eo Amin’ny Fitenenana
Nanao fiezahana tamim-pahatsorana mba hianarana ny fiteny vahiny ny sasany tamin’ireo misioneran’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana, fa ny maro kosa dia nanantena ireo olona teo an-toerana hiteny amin’ny fiteniny eoropeana. Izao no fanazavana nataon’i Geoffrey Moorhouse ao amin’ny bokiny hoe The Missionaries:
“Ny zava-nanahirana dia hoe ny fahaizana ny fitenin’ireo teratany dia noheverina matetika loatra ho fomba nentina handikana ny Soratra Masina fotsiny. Na teo amin’ny isam-batan’olona izany na teo anivon’ireo fikambanana nampiasa azy ireo, dia azo lazaina hoe kely ihany ny ezaka natao mba hiantohana ny hahafahan’ny misionera iray hiresaka amin’ny teratany iray amin’ny fitenin’io manokana, amin’ny fomba misosa tsara izay hany afaka mahatonga fifankahazoana lalina eo amin’ny olon-droa. Ny misionera tsirairay dia nianatra sombintsombim-pahalalana momba ny voambolana eo an-toerana (...) Ankoatra izay, ny fifampiresahana tamin’ny ankapobeny dia natao tamin’ilay filanton-teny mahatsiravina sy toa adaladala lazaina fa Anglisy pidgin izay nilaza an-kolaka fa ny teratany afrikana dia tsy maintsy nanaraka ny fitenin’ireo Anglisy vahiny. Ny ratsy indrindra momba izany dia izao: fisehoana hafa iray sahady ny amin’ny fanamboniana firazanana izy io.”
Tamin’ny 1922, ny School of Oriental and African tany Londres dia nanao tatitra momba ny zava-manahirana eo amin’ny fitenenana. “Mihevitra izahay”, hoy ilay tatitra, “fa ny antsalany eo amin’ny ambaratongam-pahalalana tsara ananan’ireo misionera mikasika ny fitenim-paritra (...) dia mampalahelo fa ambany dia ambany amin’ny fomba mampidi-doza mihitsy aza.”
Nihevitra foana ireo misioneran’ny Fikambanana Watch Tower fa ny fianarana ny fiteny eo an-toerana dia zavatra tsy maintsy atao, ka izany dia manazava ny fahombiazan’izy ireo eo amin’ny saha misionera.