-
Tany Iray ho Afaka Amin’ny FijalianaTena Miahy Antsika ve Andriamanitra?
-
-
hahatratra ny fahatanterahana ny olona ary hiaina mandrakizay ao anatin’ny fahasambarana ao amin’ny paradisa eto an-tany. Ireo maty aza dia hatsangana ka hanana ny fahafahana hiaina mandrakizay!
3, 4. Nahoana ireo olona ireo no feno fatokiana momba izany fomba fiheviny izany?
3 Moa ve nofinofy fotsiny, nofy antoandro ihany, izany fomba fihevitra ny amin’ny hoavy izany? Tsia, tsy izany velively. Izany dia mifototra amin’ny finoana mafy orina fa tsy azo sorohina ny fahatongavan’io Paradisa io. (Hebreo 11:1). Nahoana izy ireo no mahazo antoka aoka izany ny amin’izany? Satria ilay Mpamorona Tsitoha izao rehetra izao no nampanantena izany.
4 Momba ireo fampanantenan’Andriamanitra, dia milaza ny Baiboly hoe: “Tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan’i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.” “Andriamanitra tsy mba olona ka handainga (...) Moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? Na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?” “Jehovah, Tompon’ny maro, efa nianiana hoe: Araka izay noheveriko no hatao aminy, ary araka izay nokasaiko no hotovina aminy.” — Josoa 23:14; Nomery 23:19; Isaia 14:24.
5. Fanontaniana inona avy no mila valiny?
5 Kanefa, raha fikasan’Andriamanitra ny hanorina paradisa eto an-tany ho afaka amin’ny fijaliana, nahoana izy no namela ny zava-dratsy hitranga akory? Nahoana izy no niandry enina arivo taona vao hanitsy izay tsy mety? Moa ve ireny taonjato maro be nisian’ny fijaliana ireny mety hampiseho fa tsy dia tena miahy antsika Andriamanitra, na koa fa tsy misy mihitsy aza izy?
-
-
Ny Fomba Ahafahantsika Mahafantatra fa Misy AndriamanitraTena Miahy Antsika ve Andriamanitra?
-
-
Fizarana Faha-3
Ny Fomba Ahafahantsika Mahafantatra fa Misy Andriamanitra
1, 2. Fitsipika inona no manampy antsika hamaritra raha misy Andriamanitra?
NY FOMBA iray hamaritana raha misy Andriamanitra dia ny fampiharana ity fitsipika miorina tsara ity: Mitaky ny hisian’ny mpanao azy ny zavatra natao iray. Arakaraka ny maha-sarotra ny zavatra natao iray no maha-tsy maintsy ho mahay ilay nanao azy.
2 Jereo, ohatra, ny ao an-tranonao. Samy mitaky ny hisian’ny nanao azy avokoa ireo latabatra, seza, birao, fandriana, siny, vilany, lovia ary fitaovana fisakafoana hafa, ary toy izany koa ireo rindrina, ngorodona ary valindrihana. Ireo zavatra ireo anefa dia somary mora atao ihany. Koa satria mitaky ny hisian’ny mpanao azy ny zavatra tsotra, moa ve tsy araka ny fandrindran-kevitra ny hitakiana ny hananan’ireo zavatra be kojakojany, mpanao azy kinga saina kokoa aza?
Izao tontolo izao mahatahotra misy antsika
3, 4. Ahoana no anampian’izao rehetra izao antsika hahafantatra fa misy Andriamanitra?
3 Mitaky ny hisian’ny mpanao famantaranandro ny famantaranandro iray. Ahoana ny amin’ny rafi-masoandro misy antsika izay be kojakojany kokoa, izay misy ny Masoandro sy ireo planetany mihodina manodidina azy araka ny marina aoka izany tao anatin’ireo taonjato maro nisesy? Ahoana ny amin’ny galaxie mahatahotra misy antsika, antsoina hoe Vahindanitra, izay misy ireo kintany maherin’ny iray hetsy tapitrisa? Efa mba niato ve ianao indray alina mba hibanjina ny Vahindanitra? Nanohina anao ve izany? Avy eo, dia eritrereto izao rehetra izao, izay tsy azo saintsainina ny fidadasiny ary misy galaxies toy ny Vahindanitra misy antsika an’arivony tapitrisa tsy hita isa! Eo koa ireo zavatra eny amin’ny lanitra izay azo ianteherana aoka izany ny fihetsehany nandritra ireo taonjato maro nisesy, hany ka nampitahaina tamina famantaranandro marina tsara izy ireny.
4 Raha toa ny famantaranandro iray, izay tsotra ihany, ka milaza ny amin’ny fisian’ny mpanao famantaranandro, dia azo antoka fa izao rehetra izao, izay be kojakojany lavitra sy mahatahotra lavitra, dia milaza ny amin’ny fisian’ny mpamolavola sady mpanao azy. Izany no antony anasan’ny Baiboly antsika ‘hanandratra ny masontsika ka hijery’, sy anontaniany hoe: “Iza no nahary ireny?” Ny valiny: “Izy [Andriamanitra] no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy noho ny haben’ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.” (Isaia 40:26). Araka izany, izao rehetra izao dia misy noho ny hery iray tsy hita maso, mahay mifehy ary kinga saina — Andriamanitra.
Ny tany novolavolaina tamin’ny fomba tsy manam-paharoa
5-7. Zava-misy inona avy momba ny tany no mampiseho fa nanana Mpamolavola azy izy io?
5 Arakaraka ny ianaran’ireo mpahay siansa momba ny tany, no ahatsapany fa novolavolaina tamin’ny fomba tsy manam-paharoa mba ho fonenan’ny olombelona, izy io. Tena eo amin’ny elanelan-toerana mety tsara avy any amin’ny masoandro izy io, mba hahazoana habetsahana hazavana sy hafanana araka ny tokony ho izy. Ao anatin’ny herintaona izy dia mahodidina ny masoandro, ka amin’ny fihilanana tena mety indrindra mba hisian’ny vanintaona any amin’ny faritra maro amin’ny tany. Mihodina eo amin’ny tenany isaky ny 24 ora koa ny tany, ka manome fe-potoam-pahazavana sy haizina tsy tapaka. Manana atmôsfera misy ny fifangaroana etona mety tsara mba hahafahantsika hiaina sy ho voaro amin’ny taratra manimba avy any amin’ny habakabaka, izy io. Manana ny rano sy ny tany tena ilaina mba hambolena sakafo, koa izy io.
6 Raha tsy eo ireo lafin-javatra rehetra ireo, sy ny hafa koa, izay miara-miasa, dia tsy afaka ny hisy ny fiainana. Avy amin’ny kisendrasendra ve izany rehetra izany? Milaza toy izao ny Vaovao momba ny Siansa (anglisy): “Toa toy ny hoe tsy afaka ny hipoitra araka ny kisendrasendra ireo lafin-javatra manokana sady marina tsara ireo.” Tsia, tsy ho afaka ny ho izany izy ireo. Nisy famolavolana nisy zava-kendrena nataon’ny Mpamolavola tsara dia tsara iray, tamin’izany.
7 Raha toa ka miditra ny trano tsara tarehy iray ianao, ka mahita fa voavatsy amin’ny sakafo tondraka izy io, fa misy fitaovana ho amin’ny fanafanana sy fampangatsiahana faran’izay tsara ao, ary koa fa misy fahafahana hahazo rano mandeha tsara ao, inona moa no ho fanatsoahan-kevitrao? Fa tongatonga ho azy fotsiny ve izy io? Tsia, azo antoka fa hanatsoaka hevitra ianao hoe nisy olona kinga saina namolavola sy nanao azy tamim-pitandremana lehibe. Novolavolaina sy natao tamim-pitandremana lehibe koa ny tany mba hanomezana ireo mponina eo aminy izay ilainy, ary be kojakojany lavitra sy voavatsy lavitra noho izay trano hafa rehetra izy io.
8. Zavatra hafa inona eo amin’ny tany no mampiseho ny fiahian’Andriamanitra antsika amim-pitiavana?
8 Ary diniho koa ireo zavatra maro be izay manampy fifaliana eo amin’ny fiainana. Jereo ireo karazana voninkazo miloko tsara tarehy maro be aoka izany manana famerovero mahafinaritra ankafizin’ny olombelona. Eo koa ireo karazan-tsakafo maro be izay matsiro erỳ. Eo ireo ala, tendrombohitra, farihy ary zavatra noforonina hafa mahafinaritra ny maso. Ary ahoana ny amin’ny masoandro mody tsara tarehy izay manampy ho amin’ny fankafizantsika ny fiainana? Ary eo amin’ny fiainan’ireo biby, moa ve isika tsy ravoravo mahita ireo zanak’alika kely, na zana-tsaka kely, na zana-biby kely hafa, izay tia lalao sy falifaly ary maha-te ho tia? Ny tany àry izany dia manome zava-mahagaga maharavoravo maro nefa tsy dia ilaina mba hahafahana hiaina. Izy ireo dia mampiseho fa novolavolaina tamim-pitandremana feno fitiavana ho an’ny olombelona ny tany, tsy mba hahafahantsika hiaina fotsiny, fa mba hankafizantsika ny fiainana koa.
9. Iza no nanao ny tany, ary nahoana izy no nanao azy io?
9 Noho izany, ny fanatsoahan-kevitra ara-dalàna dia ny fanekena ilay Mpanome ireo zavatra rehetra ireo, toy ny nataon’ilay mpanoratra ny Baiboly izay nilaza momba an’i Jehovah Andriamanitra hoe: “Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.” Ho amin’ny fikasana inona? Nanome ny valin’izany izy tamin’ny filazalazana an’Andriamanitra ho ilay “namorona ny tany sy nahavita azy (Izy no nandamina azy; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana)”. — Isaia 37:16; 45:18.
Ilay sela velona mahagaga
10, 11. Nahoana no mahagaga aoka izany ny sela velona iray?
10 Ahoana ny amin’ireo zavamananaina? Mitaky mpanao azy ve izy ireo? Diniho ohatra ny sasantsasany amin’ireo toetra mahagaga ananan’ny sela velona iray. Ao amin’ny bokiny hoe Fivoarana miandalana: Tsangan-kevitra iray mandalo fotoan-tsarotra (anglisy), i Michael Denton, manam-pahaizana momba ny môlekiola, dia nanambara toy izao: “Na dia ireo rafitry ny zavamiaina tsotra indrindra eto an-tany amin’izao andro izao aza, izany hoe ny selan’ireo bakteria, dia zavatra be kojakojany tsy misy toy izany. Na dia tsy azo saintsainina aza ny hakelezan’ireo selan’ny bakteria madinika indrindra, (...) ny tsirairay avy amin’izy ireo, raha ny marina, dia tena orinasa madinika kely, misy môlekiola miendrika milina maro loha an’arivony maro voavolavola amim-pahaizana aoka izany (...) izay sarotra lavitra noho izay milina rehetra namboarin’olombelona sady tsy manana ny mitovy aminy mihitsy eo amin’ny tontolon’ny tsy manana aina.”
11 Momba ny rafi-pandovan-toetra ao amin’ny sela tsirairay avy, dia nanambara toy izao izy: “Ny fahafahan’ny ADN hitahiry fanazavana dia mihoatra lavitra noho izay rafitra fantatra hafa rehetra; mandaitra aoka izany izy io, hany ka ireo fanazavana ilaina rehetra mba hamaritana zavamiaina be kojakojany iray toy ny olombelona, dia milanja latsaka ny iray ampahatapitrisany maro amin’ny grama iray. (...) Raha oharina amin’ny hakingan-tsaina sy ny fahasarotan-javatra ahariharin’ny môlekiola miendrika milina eo amin’ny fiainana, ny [zava-bitantsika] ary fomba indrindra dia hita ho tsizarizary. Mampanetry tena antsika izany.”
12. Inona no nolazain’ny mpahay siansa iray momba ny niandohan’ny sela?
12 Manampy teny toy izao i Denton: “Ny fahasarotan-javatra hita eo amin’ny karazan-tsela tsotra indrindra fantatra dia lehibe aoka izany, hany ka tsy azo atao ny manaiky fa izany zavatra izany dia nety ho namboarin’ny zava-niseho iray tsy araka ny fahita sy tsy azo inoana velively, tamin’ny kisendrasendra sady tampoka.” Tsy maintsy ho nanana mpamolavola sady mpanao azy izy io.
Ny atidohantsika mahatalanjona aoka izany
13, 14. Nahoana ny atidoha no mahagaga kokoa ihany noho ny sela velona aza?
13 Avy eo io mpahay siansa io dia milaza hoe: “Raha ny amin’ny fahasarotan-javatra no resahina, ny sela iray dia tsinontsinona rehefa oharina amin’ny atidohan’ny zavamananaina mampinono. Ny atidohan’olombelona dia voaforona selan-kozatra an’aliny tapitrisa maro. Ny selan-kozatra tsirairay avy dia mamoaka tsiratsiraka mpampitohy eo anelanelan’ny iray alina sy iray hetsy, izay ifandraisany amin’ireo selan-kozatra hafa ao amin’ny atidoha. Ny totalin’isan’ireo fampitohizana rehetra ao amin’ny atidohan’olombelona dia manakaiky (...) ny arivo tapitrisa tapitrisa.”
14 Manohy ny teniny toy izao i Denton: “Na dia ny iray ampahazaton’ireo fampitohizana ao amin’ny atidoha monja aza no voalamina amin’ny fomba voafaritra tsara, izany dia mbola hampiseho rafitra iray misy fampitohizana voafaritra tsara betsaka lavitra noho ny fandaharam-pampifandraisana manontolo misy eto ambonin’ny Tany.” Avy eo izy dia manontany hoe: “Nety ho nisy fanaovan-javatra araka ny kisendrasendra ranofotsiny ve ho afaka nanakambana rafitra toy izany?” Miharihary fa ny valin’izany dia tsy maintsy ho hoe “tsia”. Tsy maintsy ho nanana Mpamolavola sady Mpanao azy feno fiahiana, ny atidoha.
15. Teny inona avy no nataon’ny hafa koa momba ny atidoha?
15 Ny atidohan’olombelona dia mahatonga ny ôrdinatera ary fomba indrindra ho toa toy ny tamin’ny andron’ny ntaolo. Nilaza toy izao i Morton Hunt, mpanoratra momba ny siansa: “Ny fahatsiarovana miasa ao anatintsika dia mihazona fanazavana avo an’arivony tapitrisa maromaro heny noho ny ôrdinatera mahay mikaroka lehibe iray amin’izao androntsika izao.” Noho izany, dia nanatsoaka hevitra toy izao ny Dr. Robert J. White, mpitsabo mpandidy ny atidoha: “Tsy manan-tsafidy hafa afa-tsy ny hanaiky ny fisian’ny Saina Ambony iray aho, dia izay fototry ny famolavolana sy fanamboarana ny fifandraisana mahatalanjona misy eo amin’ny atidoha sy ny saina — zavatra izay ambony lavitra noho ny fahaizan’ny olombelona ny fahatakarana azy. (...) Tsy maintsy mino aho fa nanam-piandohana mitory fahaiza-misaina izany rehetra izany, fa nisy Fisiana iray nanao izay hahatongavan’izany.” Tsy maintsy ho Fisiana iray feno fiahiana koa izany.
Ny rafi-pikorianan-dra tsy manam-paharoa
16-18. a) Amin’ny ahoana avy ny rafi-pikorianan-dra no tsy manam-paharoa? b) Tokony ho tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra hoe ahoana isika?
16 Diniho koa ny rafi-pikorianan-dra tsy manam-paharoa izay mitatitra zavatra mamelona sy ôksizenina ary miaro amin’ny fifindran’ny aretina. Momba ireo liomena (sela mena ao amin’ny ra), izay ny lehibe indrindra anisan’io rafitra io, dia manambara toy izao ny boky hoe Ny abidin’ny vatan’ny olombelona (anglisy): “Ny ra indray mitete dia misy selan-dra miavaka tsara maherin’ny 250 tapitrisa (...) Ny vatana angamba dia misy 25 tapitrisa tapitrisa amin’izy ireo, izany hoe, raha velarina, dia ampy mba hanaronana kianja filalaovana tenisy efatra. (...) Misy fanoloana ireo sela tranainy, ka mahatratra sela vaovao 3 tapitrisa isan-tsegondra ny hafainganam-pandehan’izany.”
17 Momba ireo liofotsy (sela fotsy ao amin’ny ra), izay lafiny hafa iray amin’ny rafi-pikorianan-dra tsy manam-paharoa, io boky io ihany dia milaza amintsika toy izao: “Tsy misy afa-tsy karazana liomena iray monja, kanefa ireo liofotsy dia misy karazany maro samihafa, ka ny tsirairay avy aminy dia afaka manao ny ady ataon’ny vatana amin’ny fomba hafa avy. Ny karazany iray, ohatra, dia manapotika ireo sela maty. Ireo karazany hafa dia mamokatra mpisetra (anticorps) manohitra ireo viriosy, manala ny poizina avy amin’ireo tenan-javatra avy any ivelany, na mihinana sy mandevona ara-bakiteny ireo bakteria.”
18 Rafitra voalamina fatratra sy mahagaga toy inona moa izany! Azo antoka fa izay zavatra rehetra nakambana tsara toy izany sy mitondra fiarovana amin’ny fomba lalina toy izany dia tsy maintsy manana mpandamina kinga saina sady feno fiahiana tokoa — Andriamanitra.
Zava-mahagaga hafa
19. Inona no asehon’ny fampitahana ny maso amin’ireo fitaovana nataon’olona?
19 Misy zava-mahagaga maro hafa ao amin’ny vatan’olombelona. Ny iray amin’izany dia ny maso, voavolavola amin’ny fomba mahatalanjona aoka izany, ka tsy misy fakan-tsary na dia iray aza afaka maka tahaka azy. Nilaza toy izao i Robert Jastrow, mpandinika ny habakabaka: “Toa novolavolaina ny maso; tsy misy mpamolavola teleskaopy na dia iray aza ho afaka nanao zavatra tsara noho izy io.” Ary ny boky hoe Sary tian’ny olona (anglisy) dia mitantara hoe: “Ny mason’olombelona dia mahita karazan’antsipirian-javatra betsaka lavitra noho ny pellicule iray. Mahita sary mivongana izy ireo, hatrany amin’ny zoro faran’izay mivelatra, tsy misy fanolanana izay hita, tsy mitsaha-mihetsika (...) Tsy mety ny fampitahana ny fakan-tsary amin’ny mason’olombelona. Ny mason’olombelona dia mitovy kokoa amin’ny ôrdinatera iray ary fomba aoka izany izay manana hakingan-tsaina noforonina, fahaizana mandray fanazavana, hafainganam-pandeha ary fomba fanaovan-javatra izay ambony lavitra noho izay fitaovana, ôrdinatera na fakan-tsary nataon’olona.”
20. Lafin-javatra mahagaga hafa inona avy no hita eo amin’ny vatan’olombelona?
20 Eritrereto koa ny amin’ny fomba iarahan’ireo taova maro loha ao amin’ny vatana miasa, kanefa tsy misy ezaka amim-pahalalana avy amintsika. Ohatra, isika dia mampiditra karazan-tsakafo sy fisotro maro samy hafa ao am-bavonintsika, ary ny vatana dia manova azy ireny ka mamokatra hery. Manandrama ange mampiditra karazan-javatra toy izany ao amin’ny fitoeran-dasantsin’ny fiara iray, ary jereo hoe tonga hatraiza io fiara io e! Eo koa ny fahagagana ny amin’ny fiterahana, ny famokarana zazakely mahafatifaty iray — tsy misy hafa amin’ny ray aman-dreniny — ao anatin’ny sivy volana monja. Ary ahoana ny amin’ny fahaizan’ny zaza iray tsy ampy firy taona akory mianatra fiteny sarotra iray?
21. Rehefa mandinika ireo zava-mahagaga eo amin’ny vatana ireo olona misaina, inona moa no lazainy?
21 Eny, ireo zavatra noforonina maro be mahagaga sady maro loha ao amin’ny vatan’olombelona dia mameno haja miharo tahotra antsika. Tsy misy injeniera na dia iray aza afaka maka tahaka ireo zavatra ireo. Mety ho zavatra nateraky ny kisendrasendra jamba fotsiny ve izy ireo? Azo antoka fa tsia. Rehefa mandinika ireo lafin-javatra mahatalanjona rehetra ao amin’ny vatan’olombelona kosa ireo olona misaina, dia milaza, toy ilay mpanao salamo, hoe: “Hidera Anao [Andriamanitra] aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovanao ahy; mahagaga ny asanao.” — Salamo 139:14.
Ilay mpanamboatra fara tampony
22, 23. a) Nahoana isika no tokony hanaiky ny fisian’ny Mpamorona? b) Inona no lazain’ny Baiboly araka ny marina momba an’Andriamanitra?
22 Manambara toy izao ny Baiboly: “Ny trano rehetra dia amboarin’olona, fa Andriamanitra kosa no nanamboatra ny zavatra rehetra.” (Hebreo 3:4, Kat.) Koa satria tsy maintsy ho nanana mpanamboatra azy ny trano tsirairay avy, na tsotra toy inona aza, dia tsy maintsy ho nanana mpanamboatra azy koa izao rehetra izao izay be kojakojany lavitra, miaraka amin’ireo karazam-piainana maro be eto ambonin’ny tany. Ary koa, satria isika manaiky fa nisy olona namorona ny fitaovana toy ny fiaramanidina, ny televiziona ary ny ôrdinatera, moa ve isika tsy tokony hanaiky koa ny fisian’Ilay nanome ny olombelona ny atidoha hanaovana ireo zavatra ireo?
23 Ny Baiboly dia manaiky izany, ka miantso azy hoe “Jehovah, ilay Andriamanitra marina, ilay Mpahary ny lanitra sy Ilay Lehibe nanenjana azy; Ilay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Ilay manome fofonaina ny olona eo aminy.” (Isaia 42:5, NW). Manambara ara-drariny toy izao ny Baiboly: “Hianao, Tomponay sy Andriamanitray [“Jehovah, dia ilay Andriamanitray mihitsy”, NW], no miendrika [“mendrika”, NW] handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.” — Apokalypsy 4:11.
24. Ahoana no ahafahantsika mahafantatra fa misy Andriamanitra?
24 Eny, afaka mahafantatra isika fa misy Andriamanitra avy amin’ireo zavatra nataony. “Fa ny toetrany [ny an’Andriamanitra] tsy hita maso dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao no ho mankatỳ, satria hita amin’ireo zavatra nataony [Andriamanitra] izy ireo.” — Romana 1:20, NW.
25, 26. Nahoana ny fampiasana amin’ny fomba ratsy ny zavatra iray no tsy manaporofo ny tsy fananany mpanao azy?
25 Ny fampiasana amin’ny fomba ratsy ny zavatra natao iray dia tsy midika hoe tsy nanana mpanao azy izy io. Azo ampiasaina ho amin’ny zava-kendrena tsy misy ady ny fiaramanidina iray, ho toy ny fitaterana. Kanefa azo ampiasaina mba handringanana koa izy io, ho toy ny mpandatsaka baomba. Ny fampiasana azy mba hamonoana dia tsy midika hoe tsy nanana mpanao azy izy.
26 Mitovy amin’izany koa, ny nahatongavan’ny olombelona ho ratsy matetika aoka izany dia tsy midika hoe tsy nanana Mpanao azy izy, hoe tsy misy Andriamanitra. Noho izany, dia manao izao fanamarihana araka ny marina izao ny Baiboly: “Endrey izato fahadalanareo [“faharatsianareo”, NW]! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ka ny natao va hilaza izay nanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy?” — Isaia 29:16.
27. Nahoana isika no afaka manampo fa hamaly ireo fanontaniantsika momba ny fijaliana Andriamanitra?
27 Nampiseho ny fahendreny tamin’ny alalan’ny fahasarotan-javatra mahagaga hita eo amin’izay nataony ny Mpamorona. Nasehony fa tena miahy antsika izy tamin’ny fanaovana ny tany hety tsara indrindra mba hahafahantsika hiaina eo amboniny, tamin’ny fanaovana ny vatantsika sy ny saintsika tamin’ny fomba mahatalanjona aoka izany ary tamin’ny fanaovana zavatra maro be aoka izany mba hankafizintsika. Azo antoka fa hampiseho fahendrena sy fiahiana mitovy amin’izany koa izy amin’ny fampahafantarana ny valin’ny fanontaniana toy ny hoe: Nahoana Andriamanitra no namela ny fijaliana hisy? Inona no hataony momba azy io?
[Sary, pejy 5]
Ny tany, sy ny atmôsferany miaro, dia fonenana tsy manam-paharoa novolavolain’ny Andriamanitra feno fiahiana iray ho antsika
[Sary, pejy 6]
Natao tamim-piahiana feno fitiavana ny tany mba hahafahantsika hankafy ny fiainana amin’ny fomba feno
[Sary, pejy 7]
‘Ny atidoha iray dia misy fampitohizana betsaka kokoa noho ny fandaharam-pampifandraisana manontolo misy eto ambonin’ny Tany.’ — Manam-pahaizana momba ny môlekiola
[Sary, pejy 8]
“Toa novolavolaina ny maso; tsy misy mpamolavola teleskaopy na dia iray aza ho afaka nanao zavatra tsara noho izy io.” — Mpandinika ny habakabaka
-
-
Mampahafantatra Antsika Momba ny Fikasany AndriamanitraTena Miahy Antsika ve Andriamanitra?
-
-
Fizarana Faha-4
Mampahafantatra Antsika Momba ny Fikasany Andriamanitra
1, 2. Ahoana no ahafantarantsika fa manome valiny ho an’ireo olona manontany amim-pahatsorana, Andriamanitra?
NY ANDRIAMANITRA be fitiavana iray dia tena mampiharihary tokoa ny fikasany amin’ireo olona tso-po mitady azy. Tena manome an’ireo olombelona maniry hahafantatra izy, ny valin’ny fanontaniana toy ny hoe nahoana izy no namela ny fijaliana hisy.
2 Manambara toy izao ny Baiboly: “Raha mitady Azy [Andriamanitra] hianao, dia hahita azy.” “Misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina.” “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony.” — 1 Tantara 28:9; Daniela 2:28; Amosa 3:7.
Aiza no misy ny valiny?
3. Aiza no ahitantsika ny antony amelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy?
3 Ny valin’ny fanontaniana toy ny hoe nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy, sy ny hoe inona no hataony momba azy io, dia hita ao amin’ny firaketana an-tsoratra nomeny tamin’ny tsindrimandry mba hahasoa antsika. Izany firaketana an-tsoratra izany dia ny Teniny, ny Baiboly Masina. “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” — 2 Timoty 3:16, 17.
4, 5. Inona no maha-boky tsy manam-paharoa ny Baiboly?
4 Tena boky tsy manam-paharoa marina ny Baiboly. Misy ny firaketana an-tsoratra marina indrindra ny amin’ny tantaran’olombelona izy io ary mitantara hatrany ambadiky ny famoronana ny olombelona mihitsy aza. Ankoatra izany, dia tsy lany andro izy io, satria ireo faminaniana ao aminy dia mifandray amin’ny zava-miseho amin’izao androntsika izao ary koa amin’ny hoavy tsy ho ela.
5 Tsy misy boky hafa na dia iray aza manana porofo fanamarinana toa azy io, raha ny amin’ny maha-marina azy eo amin’ny ara-tantara. Ohatra, ireo soratanan’ireo mpanoratra kilasika fahizay mbola misy dia vitsy monja. Kanefa ireo soratanana amin’ny Baiboly, tapany sy manontolo, dia maro be: 6 000 eo ho eo amin’ny Soratra Hebreo (ireo boky sivy amby telopolon’ny “Testamenta Taloha”), ary 13 000 eo ho eo amin’ny Soratra Grika Kristiana (ireo boky fito amby roapolon’ny “Testamenta Vaovao”).
6. Nahoana isika no afaka matoky fa ny Baiboly amin’izao andro izao, amin’ny fotony, dia mitovy amin’ny tamin’ny fotoana nanomezan’Andriamanitra azy tamin’ny tsindrimandry?
6 Nataon’ilay Andriamanitra Tsitoha, izay nanome ny Baiboly tamin’ny tsindrimandry, izay hitahirizana ny soratra manontolo tao aminy ao amin’ireo kopian’ireny soratanana ireny. Ny Baibolintsika amin’izao andro izao, amin’ny fotony, àry dia mitovy amin’ireo soratra voalohany azo tamin’ny tsindrimandry. Ny lafin-javatra hafa iray izay manampy antsika hahafantatra izany dia ny hoe: ny fahelan’ny sasany amin’ireo kopian’ny soratanan’ireo Soratra Grika Kristiana dia hatrany amin’ny zato taona taorian’ny fotoana nanoratana ilay tena izy voalohany. Ny fahelan’ireo kopian’ny soratanan’ireo mpanoratra tranainy vitsy mbola misy hatramin’izao, dia mahalana no hatrany amin’ny taonjato maromaro taorian’ireo mpanoratra azy voalohany aza.
Fanomezan’Andriamanitra
7. Manao ahoana ny fielezan’ny Baiboly?
7 Ny Baiboly no boky miely betsaka indrindra eo amin’ny tantara. Misy eo amin’ny telo arivo tapitrisa ny isan’ireo kopia natao pirinty taminy. Tsy misy boky hafa na dia iray aza manakaiky io tarehimarika io. Ankoatra izany, ny Baiboly na ny tapany aminy, dia nadika tamin’ny fiteny 2 000 any ho any. Noho izany, dia misy manombana fa ny 98 isan-jato amin’ny mponina amin’ny planetantsika dia afaka ny hahazo ny Baiboly.
-