Hira 186
Ny Fifaliana avy Amin’Andriamanitra
1. Ilaina ny fifaliana
Mba hiaretantsika.
Mba hahafaly antsika,
Manàna finoana.
Tsy hoe mandalo fotsiny
’Lay fifaliantsika,
Fa toetra tena ilaina,
Takin’i Jehovah.
2. Ireo Vavolombelona
Dia faly koa satria
Mpanompon’Andriamanitra
Sy mpianatr’i Kristy.
Faly ’sika manantena
Ilay Paradisa,
Satria ny maty rehetra
Dia mbola hatsangana.
3. Raha mahay mianina ianao,
Ho sambatra tokoa.
Esory ny fialonana,
Arovy koa ny fo.
Mandritra ny andro rehetra,
Jehovah no derao.
Saintsaino foana izay tsara,
Fa ny ratsy ialao.
4. Na ory sy mahantra aza,
Dia faly isika
Satria manompo an’i Jah,
Midera azy foana.
Mampiavaka antsika tokoa
Ny fifaliantsika.
Zarao amin’ny olona
Ilay fifaliana.