Hira 126
Torio ny Fahamarinana Momba Ilay Fanjakana
1. Tiantsika ny fahamarinana,
Mahafaly ny mpandefitra.
Torintsika ’lay Fanjakana,
Ka isika tsy matahotra.
2. Entintsika isan-trano koa
Ilay vaovao tsara mahasoa;
Ka ny hery omen’ny Tompo,
Mahatonga antsika hazoto.
3. Fitahiana ny fitoriana,
Hifaly ’reo ampahorina.
Rehefa tonga ’lay Fanjakana,
Dia ho foana ny fijaliana.
4. Torintsika maneran-tany
Fa efa manjaka i Kristy.
Notendren’i Jehovah izy
Hanamasina ny anarany.