Toko 3
Tano Mafy Hatrany ny Tenin’Andriamanitra
1. a) Ahoana no nahatsapan’ny Isiraely fahizay ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra? b) Nahoana izany no mahaliana antsika?
FANTATRAREO ao amin’ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan’i Jehovah Andriamanitrareo anareo.” Izany no fampahatsiahivana nomen’i Josoa an’ireo loholon’ny Isiraely rehefa avy nanorim-ponenana tao amin’ny Tany Nampanantenaina izy ireo. Kanefa tamin’ireo taona nanaraka izany, dia niova izy ireo fa tsy nandray ny Tenin’Andriamanitra tao am-po na nampihatra azy io foana. Inona no vokany? Mampiseho mazava ny Baiboly fa, tsy misy hafa amin’ny nisehoan’ny fampanantenany hanome fitahiana ho mendri-pitokiana, dia toy izany koa fa notanterahiny izay nolazainy mialoha fa ho vokatry ny tsy fankatoavana. (Josoa 23:14-16). Izany firaketana an-tsoratra izany, ary koa ny tapany hafa rehetra amin’ny Baiboly, dia notahirizina ho fampianarana antsika — mba “hananantsika ny fanantenana” ary koa mba tsy hanaovantsika zavatra izay hitarika ho amin’ny famoizantsika izany fanantenana izany. — Rom. 15:4.
2. a) Amin’ny heviny ahoana ny Baiboly no avy tamin’ny “tsindrimandrin’Andriamanitra”? b) Noho ny fahafantarantsika izany, inona moa no andraikitsika?
2 Na dia nampiasa “mpitantsoratra” olombelona teo amin’ny 40 teo ho eo aza i Jehovah mba handraisana an-tsoratra ny Baiboly, dia izy no Mpanoratra azy. Milaza ve izany fa nitarika mivantana ny fanoratana ny zavatra rehetra ao izy? Eny. Araka ny nolazain’ny apostoly Paoly marina, ny “soratra rehetra [dia] nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra”. Noho isika miaiky ny amin’izany, dia mampirisika ny olona hatraiza hatraiza mba hitandrina azy io sy hanorina ny fiainany manodidina izay raketiny isika, tsy misy hafa amin’ny iezahan’ny tenantsika atao koa. — 2 Tim. 3:16; 1 Tes. 2:13.
Inona no hanampy ny hafa hankasitraka azy io?
3. Inona no fomba tsara indrindra hanampiana ny maro amin’ireo izay tsy miaiky fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly?
3 Mazava ho azy fa olona maro iresahantsika no tsy miaiky tahaka antsika fa tena Tenin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly. Ahoana no ahafahantsika manampy azy ireny? Matetika, ny fomba tsara indrindra dia ny fanokafana ny Baiboly sy ny fampisehoana amin’izy ireny izay raketiny. “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela (...) ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.” (Heb. 4:12). “Ny tenin’Andriamanitra” eto dia ny teny fampanantenana nataony, voarakitra ao amin’ny Baiboly. Tsy tantara maty akory izy io fa velona, ary mizotra tsy azo sakanana ho amin’ny fahatanterahany. Mandritra izany fotoana izany koa, dia manjary miharihary ny antony manosika ny fon’ireo izay mifandray aminy rehefa miezaka hahafeno ireo fepetra takina aminy izy ireo. Matanjaka lavitra noho izay rehetra mety holazain’ny tenantsika ny heriny.
4. Fanazavana tsotra momba ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly inona avy no nampiova ny fihetsiky ny olona sasany teo anatrehan’ny Baiboly? Nahoana?
4 Ny fahitana fotsiny ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Baiboly no nitondra fiovana lehibe teo amin’ny fiainan’ny olona maro. Ny hafa kosa nanapa-kevitra hianatra ny Baiboly rehefa avy nampisehoana izay lazain’izy io momba ny zava-kendren’ny fiainana, ny antony amelan’Andriamanitra ny faharatsiana hisy, ny hevitr’ireo fisehoan-javatra ankehitriny na ilay fanantenana tena izy miorina amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Any amin’ny tany izay ampijalijalian’ireo fanahy ratsy tsy an-kijanona ny olona, ny fanazavan’ny Baiboly ny amin’ny anton’izany sy ny fomba ahazoana fanafahana avy amin’izany dia nanaitra ny fahalianan’ny olona. Nahoana no manohina azy ireny aoka izany ireo fanazavana ireo? Satria ny Baiboly no hany loharanom-panazavana azo itokiana momba ireo zavatra tena lehibe ireo. — Sal. 119:130.
5. Rehefa milaza ny olona iray fa tsy mino ny Baiboly izy, inona no mety ho antony? Ahoana no azontsika anampiana azy?
5 Kanefa, ahoana raha milaza mivantana amintsika ny olona iray fa tsy mino ny Baiboly izy? Tokony hamarana ny resaka ifanaovantsika aminy ve izany? Tsia, raha vonona ny hanjohy hevitra izy. Tokony hahatsapa andraikitra hiteny amim-pahasahiana ho fiarovana ny Tenin’Andriamanitra isika. Mety hihevitra ny Baiboly ho bokin’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana izy. Ny tantaran’izy io miavaka noho ny fihatsarambelatsihy sy ny fitsabahana amin’ny politika ary ny fangataham-bola tsy an-kijanona no mety ho nahatonga azy hanana izany fihetsika izany eo anatrehan’ny Baiboly. Nahoana no tsy manontany azy raha izany tokoa no izy? Mety hanaitra ny fahalianany ny fanamelohan’ny Baiboly ireo fomban’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana manahaka izao tontolo izao. Toy izany koa ireo hevitra ifanoheran’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana sy ny Kristianisma marina. — Ampitahao amin’ny Matio 15:7-9; Jakoba 4:4; Mika 3:11, 12.
6. a) Inona no mampiaiky ny tenanao manokana fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly? b) Fomba fanjohian-kevitra hafa inona avy no ho azo ampiasaina mba hanampiana ny olona hahatakatra fa tena avy amin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly?
6 Ho an’ny hafa, dia hanampy azy ny fiaraha-mandinika amim-pahatsorana ireo porofon’ny maha-avy tamin’ny tsindrimandry ny Baiboly. Inona no manaporofo mazava aminao fa avy amin’Andriamanitra ny Baiboly? Izay lazain’ny Baiboly mihitsy ny amin’ny niaviany ve? (2 Tim. 3:16, 17; Apok. 1:1). Sa ireo faminaniana maro raketiny izay manome taratry ny fahalalana feno tsipirian-javatra ny amin’ny hoavy ka noho izany dia tsy maintsy ho avy tamin’ny loharano ambony noho ny olombelona izy ireo? (2 Pet. 1:20, 21; Isaia 42:9). Sao kosa ny firindrana anatin’ny Baiboly izany, na dia lehilahy maro aza no nanoratra azy sady tao anatin’ny fe-potoana naharitra 1 610 taona? Sa izany ny fahamarinany ara-tsiansa, izay mifanohitra amin’ireo soratra hafa tamin’izany fotoana izany? Sa ny fahatsoran’ireo mpanoratra azy kosa? Sa ny fiarovana azy hatramin’izao na dia teo aza ireo fiezahana feno haratsiam-panahy hamongorana azy? Na inona na inona nanohina anao dia azonao ampiasaina koa mba hanampiana ny hafa.
Ny famakiana ny Baiboly ataon’ny tenantsika manokana
7, 8. a) Inona no tokony hataon’ny tenantsika tsirairay avy momba ny Baiboly? b) Inona koa no ilaintsika, ankoatra ny famakiana manokana ny Baiboly, ary ahoana no ampisehoan’ny Baiboly izany mihitsy? d) Tamin’ny fomba ahoana no nahafantaran’ny tenanao manokana ireo fikasan’i Jehovah?
7 Ankoatra ny fanampiana ny hafa hino ny Baiboly, ny tenantsika koa dia mila ny maka fotoana mba hamakiana azy io tsy tapaka. Manao izany ve ianao? Amin’ireo boky rehetra natonta hatramin’izay, dia izy io no lehibe indrindra. Mazava ho azy fa izany akory tsy midika fa, rehefa mamaky ny Baiboly isika, dia tsy mila ny manao zavatra hafa intsony. Ny Soratra Masina dia mampitandrina antsika amin’ny fitokanan-tena sy amin’ny fieritreretana fa afaka mahatakatra ny zavatra rehetra amin’ny alalan’ny fikarohana ataon’ny tenantsika manokana tsy miankina amin’ny hafa, isika. Ny fianarana manokana sy ny fanatrehana tsy tapaka ireo fivoriana dia samy ilaina raha tiantsika ny ho Kristiana mahay mandanjalanja. — Ohab. 18:1; Heb. 10:24, 25.
8 Mba hahasoa antsika, ny Baiboly dia mitantara ny amin’ny mpiasam-panjakana etiopiana iray nalehan’i Filipo, Kristiana mpitory ny filazantsara. Notarihin’ny anjely iray ho any amin’io mpiasam-panjakana io, izay teo am-pamakiana ny faminanian’i Isaia, izy. Nanontany azy io i Filipo hoe: “Moa fantatrao va izay vakinao?” Namaly azy tamim-panetren-tena ilay Etiopiana hoe: “Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy?” Nampirisika an’i Filipo mba hanazava taminy ilay andinin-teny tao amin’ny Soratra Masina izy. I Filipo akory tsy mpamaky ny Baiboly nahaleo tena fotsiny ka hoe hanome ny fomba fiheviny manokana momba ny Soratra Masina. Tsia; ny fitantarana dia mampiseho fa nihazona fifandraisana akaiky tamin’ireo apostoly tao amin’ny kongregasionan’i Jerosalema izy sady mpikambana tao amin’ny fandaminan’i Jehovah hita maso. Koa afaka nanampy ilay Etiopiana handray soa avy tamin’ny fampianarana nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’io fandaminana io àry izy. (Asa. 6:5, 6: 8:5, 14, 15, 26-35). Toy izany koa amin’izao andro izao, iza amintsika moa no tonga samirery tamin’ny fahatakarana mazava sady araka ny marina ny fikasan’i Jehovah? Nila, ary mbola mila ihany, ny fanampiana omen’i Jehovah amim-pitiavana amin’ny alalan’ny fandaminany hita maso kosa isika.
9. Fandaharana famakiana ny Baiboly inona avy no afaka mitondra soa ho antsika rehetra?
9 Mba hanampiana antsika hampiasa sy hahatakatra ny Baiboly, dia manome fanazavana araka ny Soratra Masina faran’izay tsara ny fandaminan’i Jehovah ao amin’ireo Ny Tilikambo Fiambenana sy zavatra vita an-tsoratra hafa. Fanampin’izany, dia misy fandaharana ny amin’ny famakiana ny Baiboly tsy tapaka nalamina mifandray amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika atao ao amin’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ankoatra an’io, ny Vavolombelon’i Jehovah sasany dia manao famakiana ny Baiboly mitohy. Hisy soa lehibe ho azo avy amin’ny fotoana lany handinihana ny Soratra Masina. (Sal. 1:1-3; 19:7, 8). Moa ve ny tenanao efa namaky ny Baiboly manontolo? Raha tsy izany no izy, dia manaova fiezahana manokana mba hamakiana azy. Na dia tsy mahatakatra amin’ny fomba feno ny zavatra rehetra vakinao aza ianao, ny fanananao fahitana ankapobeny ny Baiboly dia hisy vidiny lehibe ho anao. Aoka hatao hoe mamaky pejy efatra na dimy monja isan’andro ianao. Ho vitanao ao anatin’ny herintaona eo ho eo ny famakiana ny Baiboly manontolo.
10. a) Amin’ny fotoana toy inona no anaovanao ny famakianao ny Baiboly? b) Nahoana no zava-dehibe ny hanaovana izany amin’ny fomba tsy tapaka?
10 Amin’ny fotoana toy inona ianao no afaka mandamina ny fanaovana io famakiana ny Baiboly io? Raha manokana 10 na 15 minitra monja isan’andro ianao, dia ho toy inona moa ny soa horaisinao! Raha tsy izany, dia manokàna fotoana tsy tapaka isan-kerinandro fara faharatsiny hanaovana izany, ary avy eo dia hajao izany fandaharam-potoana izany. Tokony ho fahazarana harahina mandritra ny androm-piainana manontolo, toy ny fisakafoana, ny famakiana ny Baiboly. Araka ny efa fantatrao, raha mamboly fahazaran-dratsy eo amin’ny fisakafoana ny olona iray, dia hisy fiantraikany eo amin’ny fahasalamany izany. Toy izany koa ny amin’ny fahasalamantsika ara-panahy. Miankina amin’ny famahanantsika tena tsy tapaka amin’ny “teny rehetra aloaky ny vavan’[i Jehovah, NW ]” ny fiainantsika. — Matio 4:4.
11. Inona no tokony ho zava-kendrentsika rehefa mamaky ny Baiboly isika?
11 Inona no tokony ho zava-kendrentsika rehefa mamaky ny Baiboly isika? Ho fahadisoana ny fanaovana izany mba hamitana isam-pejy sasantsasany fotsiny ary na dia mba hahazoana fiainana mandrakizay fotsiny koa aza. Mba handraisan-tsoa maharitra avy amin’izany, dia tsy maintsy manana antony manosika ambony kokoa isika — fitiavana an’Andriamanitra, faniriana ny hahafantatra azy tsaratsara kokoa, fahatakarana ny sitrapony ary fanompoana azy amin’ny fomba azony ekena. (Jaona 5:39-42). Ny fihetsitsika dia tokony ho sahala amin’ny an’ilay mpanoratra ny Baiboly nanao hoe: “Ampahafantaro ny làlanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho.” — Sal. 25:4.
12. a) Nahoana no tena ilaina ny fahazoana “fahalalana marina”, ary inona no fiezahana mety hilaina hatao rehefa mamaky ny Baiboly mba hahazoana azy io? b) Araka ny aseho eo amin’ny pejy faha-27, avy amin’ny lafin-javatra inona avy no ahafahana mamakafaka amin’ny fomba mahasoa izay vakintsika ao amin’ny Baiboly? d) Asehoy amin’ny alalan’ny ohatra ny tsirairay amin’ireo hevitra dimy ireo, amin’ny famaliana ireo fanontaniana omena eo amin’ny faran’ity fehintsoratra ity. Ataovy azo antoka ny hampiasa ny Baiboly.
12 Arakaraka ny andraisantsika izany fampianarana izany, ny faniriantsika dia tokony ho ny handray “fahalalana marina”. Raha tsy misy azy io, dia ahoana no hahafahantsika hampihatra tsara ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika manokana na hanazava azy araka ny tokony ho izy amin’ny hafa? (Kol. 3:10, NW; 2 Tim. 2:15). Ny hoe mandray fahalalana marina momba ny Tenin’Andriamanitra dia mitaky ny hamakiantsika azy amim-pitandremana, ary raha lalina ny andalan-teny iray, dia mety hila ny hamaky azy mihoatra ny indray mandeha isika mba hahatakarana ny heviny. Tena handray soa avy amin’ny famakiana ataontsika koa isika raha maka fotoana mba hisaintsainana momba ilay voalaza, ka mieritreritra momba azy io avy amin’ny fomba fijery samihafa. Misy lafin-javatra sarobidy dimy azo eritreretina asongadina eo amin’ny pejy faha-27 amin’ity boky ity. Tapany maro ao amin’ny Baiboly no azo fakafakaina amin’ny fomba mahasoa amin’ny fampiasana ny iray na ny maromaro kokoa amin’ireo hevitra ireo. Rehefa mamaly ireo fanontaniana eo amin’ireo pejy manaraka ianao dia ho hitanao ny maha-marina izany.
1) Matetika ilay tapany ao amin’ny Soratra Masina vakinao dia manome filazana momba ny hoe karazana persona manao ahoana moa i Jehovah.
Rehefa misaintsaina amim-pahaiza-mankasitraka izay lazain’ny Baiboly momba ireo asa famoronan’i Jehovah isika, hisy vokany manao ahoana eo amin’ny fihetsitsika eo anatrehany moa izany? (Sal. 139:13, 14; ao amin’ny Joba toko faha-38 ka hatramin’ny faha-42, dia mariho manokana ny Joba 38:1, 2 sy ny Joba 40:2, 8 ary ny Joba 42:1-6.)
Raha heverina izay nolazain’i Jesosy ao amin’ny Jaona 14:9, 10, hevitra inona moa no azontsika tsoahina momba an’i Jehovah avy amin’ny zava-niseho toy izay voarakitra ao amin’ny Lioka 5:12, 13?
2) Diniho hoe amin’ny ahoana ilay fitantarana vakinao no mifandray amin’ny fizotran’ny loha hevitry ny Baiboly, dia ny fanamarinana ny anaran’i Jehovah amin’ny alalan’ilay Fanjakana tarihin’i Jesosy Kristy, ilay Taranaka Nampanantenaina.
Amin’ny ahoana no ifandraisan’ireo loza folo nihatra tamin’i Egypta amin’io loha hevitra io? (Jereo Eksodosy 5:2; 9:16; 12:12.)
Ahoana ny amin’ilay fitantarana mampihetsi-po momba an’i Rota moabita? (Rota 4:13-17; Matio 1:1, 5).
Amin’ny ahoana ny fanambarana nataon’ny anjely Gabriela tamin’i Maria momba ny hahaterahan’i Jesosy tsy ho ela no mifandray tsara amin’izany? (Lioka 1:26-33).
Nahoana no zava-dehibe ny fanosorana ireo mpianatr’i Jesosy tamin’ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta? (Asa. 2:1-4; 1 Pet. 2:4, 5, 9; 2 Pet. 1:10, 11).
3) Misy fiantraikany eo amin’ny hevitry ny andinin-teny voafaritra tsara ny teny manodidina azy ireo.
Natao ho an’iza moa ireo teny voalaza ao amin’ny Romana 5:1 sy 8:16? (Jereo Romana 1:7.)
Moa ve ny teny manodidina ny 1 Korintiana 2:9 miresaka momba ny fiainana eto an-tany ao amin’ny Fandehan-javatra Vaovaon’Andriamanitra? Araka ny asehon’ny andininy faha-6 ka hatramin’ny faha-8, ny mason’iza sy sofin’iza moa no tsy nahatakatra ireo zavatra nosoratan’i Paoly?
4) Manontania tena ny amin’ny fomba hahafahanao hanao fampiharana manokana izay vakinao.
Zava-nitranga ara-tantara fotsiny ve ny fitantarana ny amin’ny famonoan’i Kaina an’i Abela, sa misy torohevitra ho antsika ao amin’izy io? (Gen. 4:3-12; 1 Jaona 3:10-15; Heb. 11:4).
Rehefa mamaky isika (ao amin’ny Eksodosy ka hatramin’ny Deoteronomia) momba ireo zavatra niainan’ireo Isiraelita tany an’efitra, fampiharana manokana inona moa no tokony hataontsika? (1 Kor. 10:6-11).
Moa ve ireo torohevitra momba ny fitondran-tena nosoratana ho an’ireo Kristiana voahosotra mihatra koa amin’ireo olona manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany? (Ampitahao amin’ny Nomery 15:16; Jaona 10:16.)
Na dia efa manana laza tsara eo amin’ny kongregasiona kristiana aza isika, moa ve misy ilana ny handinihana ireo fomba azontsika ampiharana amin’ny fomba feno kokoa ireo torohevitry ny Baiboly efa fantatsika? (2 Kor. 13:5; 1 Tes. 4:1).
5) Eritrereto ny fomba azonao ampiasana izay vakinao mba hanampiana ny hafa.
Iza no ho azo ampiana amin’ny alalan’ny fitantarana momba ny nananganana ny zanakavavin’i Jairo tamin’ny maty? (Lioka 8:41, 42, 49-56).
13. Vokatra inona avy no azontsika antenaina ho azo avy amin’ny fandaharana famakiana sy fianarana ny Baiboly mitohy miaraka amin’ny fandaminan’i Jehovah?
13 Valisoa tondraka toy inona moa no ho azo rehefa atao toy izany ny famakiana ny Baiboly! Tsy isalasalana fa zava-tsarotra tsy maintsy resena ny famakiana ny Baiboly — fandaharana izay azontsika iezahana hatao mandritra ny androm-piainantsika rehetra ka handraisantsika soa. Kanefa rehefa manao izany isika, dia hihamatanjaka ara-panahy. Hampanatona antsika akaiky kokoa an’i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana, izany, ary koa an’ireo rahalahintsika kristiana. Izany dia hanampy antsika hitandrina ilay torohevitra ny amin’ny tokony ‘hitanana mafy hatrany ny tenin’ny fiainana’. — Fil. 2:16, NW.
Famerenana
● Nahoana no nosoratana sy narovana hatramin’izao androntsika izao ny Baiboly?
● Ahoana no ahafahantsika manampy ny hafa hankamamy azy?
● Nahoana no mitondra soa ny famakiana manokana sy tsy tapaka ny Baiboly? Avy amin’ny lafin-javatra dimy inona avy no azontsika amakafakana amin’ny fomba mahasoa izay vakintsika?
[Efajoro/Sary, pejy 27]
Rehefa mamaky ny Baiboly ianao, dia diniho hoe —
Inona no lazain’ilay tapany vakinao aminao momba an’i Jehovah sy ny maha-izy azy
Ahoana no ifandraisan’ilay vakinao amin’ny loha hevitra ankapoben’ny Baiboly
Ny fiantraikan’ny teny manodidina eo amin’ny hevitry ny andalan-teny vakinao
Ny tokony ho vokatr’izay vakinao eo amin’ny fiainanao manokana
Ny fomba azonao ampiasana azy io mba hanampiana ny hafa