Toko 4
Ilay Nambaran’ny Mpaminany Rehetra
1. Inona no asehon’ireo zava-misy mifandray amin’ny fisian’i Jesosy talohan’ny naha-olombelona azy, raha ny amin’ny fifandraisany amin’i Jehovah?
NILAZALAZA ny amin’ny fifandraisana mafana nisy teo aminy sy i Jehovah i Jesosy ka nanao hoe: “Ny Ray tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon’ny tenany”. (Jaona 5:19, 20). Izany fifandraisana akaiky izany dia nanomboka tamin’ny fotoana namoronana azy, an’arivony taona tsy hita isa talohan’ny nahaterahany ho olombelona. Zanaka lahitokan’Andriamanitra izy io, dia ilay hany noforoniny nivantana. Ny zavatra hafa rehetra, na ny any an-danitra na ny eto an-tany, dia noforonina tamin’ny alalan’io Zanaka lahimatoa izay tiany aoka izany io. Tenin’Andriamanitra na Mpitondra Tenin’Andriamanitra koa izy io, dia ilay nampiasaina mba hampita ny sitrapon’Andriamanitra tamin’ny hafa. Izy io, izay tian’Andriamanitra manokana, dia tonga ilay lehilahy olombelona hoe Jesosy Kristy. — Kol. 1:15, 16; Jaona 1:14; 12:49, 50.
2. Hatraiza ireo faminanian’ny Baiboly no mahakasika an’i Jesosy?
2 Talohan’ny nahaterahany ho olombelona tamin’ny fomba mahagaga, dia efa nisy faminaniana am-polony maro azo tamin’ny tsindrimandry momba azy noraisina an-tsoratra. Araka ny nohamarinin’ny apostoly Petera tamin’i Kornelio, dia “Izy no ambaran’ny mpaminany rehetra”. (Asa. 10:43). Lehibe aoka izany ny fanasongadinan’ny Baiboly ny anjara asan’i Jesosy mifandray amin’ny fanompoam-pivavahana marina, hany ka nilaza toy izao tamin’ny apostoly Jaona ny anjely iray: “Andriamanitra no tompoy; fa ho fanaovana fanambarana ny amin’i Jesosy no nanomezana faminaniana ara-tsindrimandry.” (Apok. 19:10, NW ). Ireo faminaniana ireo dia mampahafantatra mazava hoe iza izy ary manintona ny saina ho amin’ny lafiny sasany amin’ny fikasan’Andriamanitra mifandray aminy izay tena mahaliana antsika amin’izao andro izao.
Izay nahariharin’ireo faminaniana
3. a) Ao amin’ny faminaniana ao amin’ny Genesisy 3:14, 15, iza no asehon’ilay “menarana”? Ilay “vehivavy”? Ny ‘taranak’ilay menarana’? b) Nahoana no hahaliana ny mpanompon’i Jehovah ny ‘fanorotoroana ny lohan’ilay menarana’?
3 Ny voalohany amin’ireo faminaniana ireo dia nolazaina taorian’ilay fikomiana tany Edena. Voafaoka tao amin’ny fitsarana notononin’i Jehovah tamin’ilay menarana izy io. Hoy i Jehovah: “Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” (Gen. 3:14, 15). Inona no hevitr’izany? Nisy faminaniana hafa nomen’Andriamanitra tamin’ny fotoana nety mba hanazavana sy hanitarana azy io. Ho vokatr’izany, dia fantatsika fa ilay nanononana azy io ka nasehon’ilay menarana, dia i Satana Devoly. Ilay “vehivavy” dia ny fandaminan’i Jehovah mahatoky any an-danitra, izay toy ny vady mahatoky ho azy. Ny ‘taranak’ilay menarana’ voaforon’ireo anjely sy olombelona maneho ny toe-tsain’ny Devoly, dia izay manohitra an’i Jehovah sy ny vahoakany. Rehefa jerena ny fomba nampiasan’ny Devoly ilay menarana tao Edena, dia takatra avy amin’io faminaniana io fa ny ‘fanorotoroana ny lohan’ilay menarana’ dia manondro ny fandringanana farany an’io zanak’Andriamanitra mpikomy io izay nanendrikendrika an’i Jehovah ary nitondra alahelo lehibe ho an’ny olombelona. Fa raha ny amin’ilay ‘taranaka’ hanao ilay fanorotoroana kosa, dia nitoetra ho zava-miafina masina ela be izy io. — Rom. 16:25, 26, NW.
4. Amin’ny ahoana ny firazanan’i Jesosy no manampy antsika hamantatra fa izy no ilay Taranaka Nampanantenaina?
4 Tokony ho 2 000 taona taorian’ny fiandohan’ny tantaran’ny olombelona, dia nanome tsipirian-javatra fanampiny i Jehovah. Nampahafantariny fa hiseho ao amin’ny fianakavian’i Abrahama ilay Taranaka. (Gen. 22:15-18). Kanefa ny fisehoan’ilay Taranaka ao amin’io fianakaviany io akory tsy hiankina amin’ny tarehin-javatra ara-nofo fotsiny fa amin’ny safidin’Andriamanitra. Na dia teo aza ny fitiavan’i Abrahama an’i Isimaela, zanany naterak’i Hagara mpanompovavy taminy, dia nilaza taminy toy izao i Jehovah: “Ny fanekeko haoriko amin’Isaka, izay haterak’i Saraha aminao”. (Gen. 17:18-21; 21:8-12). Tatỳ aoriana, dia nohamafisina io fanekena io, tsy tamin’i Esao, zanak’i Isaka lahimatoa anefa, fa tamin’i Jakoba, izay niavian’ireo foko 12-n’ny Isiraely. (Gen. 28:10-14). Tamin’ny fotoana nety, dia nampahafantarina fa ho teraka ao amin’ny fokon’ny Joda, ao amin’ny fianakavian’i Davida, ilay Taranaka. — Gen. 49:10; 1 Tant. 17:3, 4, 11-14.
5. Raha vao tany am-piandohan’ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany mihitsy, zavatra hafa inona koa no nampiharihary fa izy no Mesia?
5 Maherin’ny 700 taona nialoha, ny Baiboly dia nanondro an’i Betlehema ho ny toerana hahaterahan’ilay Taranaka ho olombelona. Nampiharihary koa ny Baiboly fa izy io dia efa nisy “hatrizay hatrizay [“hatramin’ny fotoan’andro tsy voafaritra”, NW ]”, hatramin’ny fotoana namoronana azy tany an-danitra. (Mika 5:1). Ny fotoana hisehoany eto an-tany amin’ny maha-Voahosotr’i Jehovah, na Mesia, azy, dia efa nolazaina mialoha tamin’ny alalan’i Daniela mpaminany. (Dan. 9:24-26). Ary rehefa voahosotra tamin’ny fanahy masina izy, dia nisy feo avy tany an-danitra nampahafantatra hoe iza izy. (Matio 3:16, 17). Rehefa tonga mpanara-dia an’i Jesosy àry i Filipo, dia afaka nilaza tamim-piekena hoe: “Efa hitanay Ilay nosoratan’i Mosesy tao amin’ny lalàna, sy nosoratan’ny mpaminany, dia Jesosy, zanak’i Josefa [izay nanangana azy], avy any Nazareta.” — Jaona 1:45.
6. a) Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, inona no nanjary takatr’ireo mpanara-dia azy? b) Iza no ‘taranak’ilay vehivavy’ voalohany indrindra, ary inona no tiana holazaina amin’ny fanorotoroany ny lohan’ilay menarana?
6 Taorian’izay, dia nanjary nahatakatra ireo mpanara-dia an’i Jesosy fa nisy filazana ara-paminaniana am-polony maro momba azy tao amin’ireo Soratra Masina azo tamin’ny tsindrimandry. Taorian’ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin’ny maty, dia “nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra” ny tenany. (Lioka 24:27). Miharihary izao fa i Jesosy, voalohany indrindra no ilay ‘taranaky ny vehivavy’, ilay hanorotoro ny lohan’ilay “menarana”, hany ka ho ringana tsy hisy intsony i Satana amin’ny farany. Amin’ny alalan’i Jesosy, ny fampanantenana rehetra nataon’Andriamanitra tamin’ny olombelona, dia ny zavatra rehetra irintsika mafy, dia hotanterahina. — 2 Kor. 1:20.
7. Ankoatra ny fahafantarana an’ilay tondroin’ireo faminaniana ireo, zavatra hafa inona koa no mahasoa ny handinihana azy?
7 Rehefa namaky voalohany ny sasany tamin’ireo faminaniana ireo ianao, dia angamba nanontany, toy ilay ionoka etiopiana, hoe: “Iza moa no lazain’ny mpaminany amin’izany?” Rehefa nahazo ny valiny anefa ilay ionoka dia tsy nianina tamin’izay. Rehefa avy nihaino tamim-pitandremana ny fanazavana nomen’i Filipo izy, dia nahatakatra fa ny fankasitrahany noho ny fomba nanatanterahan’i Jesosy ilay faminaniana dia nitaky ny hanaovany zavatra, tamin’ny fanekena hatao batisa. (Asa. 8:32-38; Isaia 53:3-9). Manana fihetsika tahaka izany ve isika? Indraindray dia ny fomba isehoan’ny faminaniana iray no manohina lalina antsika. Na mety ho voatohin’ny fanatsoahan-kevitry ny Baiboly mihitsy koa ny fontsika, rehefa aseho amintsika ny fahatanterahan’ilay faminaniana.
8. Sary ara-paminaniana efatra mahakasika an’i Jesosy Kristy no dinihina eto. Manjohia hevitra amin’ny alalan’ireo fanontaniana sy andinin-teny omena mba hampisehoana ny fomba ikasihan’ireo faminaniana ireo antsika. Aza mijery afa-tsy fanontaniana iray isaky ny mandeha.
8 Mariho ny maha-marina izany amin’ireto fampanantenana sy sary ara-paminaniana momba an’i Jesosy Kristy ireto. Ireo fanontaniana dia natao hovalianao amin’ny alalan’ireo andinin-teny voalaza.
1) Amin’ny ahoana ny fitantarana momba ny saika nanoloran’i Abrahama an’i Isaka ho sorona no manampy antsika hankasitraka ny nataon’i Jehovah mba hanomezana avotra amin’ny alalan’ny Zanany? (Jaona 3:16; Gen. 22:1-18 [mariho ny fomba ilazalazana an’i Isaka eo amin’ny andininy faha-2.])
Tokony hanome toky inona ho antsika izany? (Rom. 8:32, 38, 39).
Inona anefa no takina amintsika? (Gen. 22:18; Jaona 3:36, NW).
2) Rehefa mampahafantatra ny Baiboly fa i Jesosy no ilay mpaminany tahaka an’i Mosesy, dia andraikitra lehibe inona moa no ampahatsiahiviny antsika? (Asa. 3:22, 23; Deot. 18:15-19).
Inona avy ny sasany amin’ireo zavatra nolazain’i Jesosy tamintsika, ary nahoana izy ireo no tena mety amin’izao andro izao? (Matio 28:18-20; 19:4-9; 18:3-6).
3) Rehefa manazava izay tena nasehon’ny fisoronan’i Arona ny Baiboly, dia toetra maninton’i Jesosy inona avy, amin’ny maha-mpisoronabe azy, no anintonany ny saina? (Heb. 4:15–5:3; 7:26-28).
Tokony hanao ahoana àry ny fihetseham-pontsika rehefa manatona an’Andriamanitra amin’ny vavaka amin’ny alalan’i Kristy isika mba hahazoana fanampiana mba handresena ny fahalementsika?
4) Rehefa jerena ny fahambonian’ny soron’i Jesosy (izay nasolo ireo sorona rehetra natolotra teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy), nahoana moa isika no tokony hitandrina mafy mba tsy ho latsaka ao amin’ny fahazarana hanao na inona na inona fantatsika fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra? (Heb. 10:26, 27).
Raha mankasitraka marina ny fanantenana ny amin’ny fiainana natolotry ny soron’i Jesosy isika, dia zavatra inona avy moa no hataontsika amim-pahazotoana? (Heb. 10:19-25).
Ahoana no ahafahantsika maneho ny finoantsika an’i Kristy?
9. Nahoana no tsy misy famonjena ho antsika ivelan’i Jesosy Kristy?
9 Rehefa avy nampiseho tamin’ny fitsarana ambony jiosy tany Jerosalema ny apostoly Petera fa tanteraka tamin’i Jesosy ireo faminaniana, dia namarana ny teniny tamin-kery toy izao izy: “Tsy misy famonjena amin’ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.” (Asa. 4:11, 12; Sal. 118:22). Mpanota avokoa ny taranak’i Adama rehetra, hany ka ny fahafatesana mihatra aminy dia fanamelohana azy noho ny fahotany ka tsy manan-kery hanavotra na iza na iza. I Jesosy anefa dia tanteraka, ary ny fanolorany ny ainy dia nanana vidin’ny sorona. (Sal. 49:6-9; Heb. 2:9). Nanolotra ho an’Andriamanitra avotra mifanandrify tsara amin’ny vidin’izay narian’i Adama ho an’ny taranany izy. Inona no soa azontsika avy amin’izany? — 1 Tim. 2:5, 6, NW.
10. Hazavao ny fomba iray nitondran’ny soron’i Jesosy soa lehibe ho antsika.
10 Izy io dia nahatonga hety ny fananantsika feon’ny fieritreretana madio noho ny famelana ny fahotantsika — zavatra izay ambony lavitra noho izay vitan’ireo sorona biby teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy ho an’ny Isiraely. (Asa. 13:38, 39; Heb. 9:13, 14). Mazava ho azy fa ny fananantsika izany dia mitaky ny hilazantsika ny marina amin’ny tenantsika ary koa ny hananantsika finoana amim-pahatsorana an’i Jesosy Kristy. Moa ve ny tenantsika manokana mahatakatra fa mila ny soron’i Kristy isika? “Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika. Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra.” — 1 Jaona 1:8, 9.
11. Nahoana ny batisa anaty rano no dingana lehibe mba hahazoana fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra?
11 Mazava ho azy fa misy olona sasany miaiky fa mpanota ny tenany ary milaza fa mino an’i Kristy, ka mandray anjara mihitsy amin’ny fanambarana amin’ny hafa momba ny Fanjakan’Andriamanitra toy ny nataon’i Jesosy, kanefa tsy maneho finoana feno an’i Jesosy. Ahoana izany? Araka ny aseho ao amin’ny Baiboly, rehefa nisy olona nanjary mpino marina tamin’ny taonjato voalohany, ahoana no nampisehoan’izy ireo izany ampahibemaso? Tamin’ny fanekeny hatao batisa. Nahoana? Satria nandidy ny hanaovana batisa ny mpianany i Jesosy. (Matio 28:19, 20; Asa. 8:12; 18:8). Rehefa tena voatohina marina noho ny fandaharana feno fitiavana nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy ny fon’ny olona iray, dia tsy hiahotra izy. Hanao izay fanitsiana rehetra ilaina eo amin’ny fiainany izy, hanolotra ny tenany ho an’Andriamanitra ary hanamarika izany amin’ny fandrobohana ao anaty rano. Araka ny asehon’ny Baiboly, amin’ny fanehoana ny finoany toy izany no ‘itadiavany fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra’. — 1 Pet. 3:21.
12. Raha mahatsapa isika fa nanao fahotana iray, inona no tokony hataontsika, ary nahoana?
12 Mazava ho azy fa na dia aorian’izany aza, dia mbola hiseho ihany ireo lafin-toetra mpanota. Inona no hatao amin’izay? “Izany zavatra izany no soratako ny aminareo mba tsy hanotanareo”, hoy ny apostoly Jaona. Tsy tokony hohamaivanintsika àry ny fahotantsika manokana, na miseho amin’ny asa izany, na amin’ny teny na amin’ny fihetsika. “Raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina; ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa.” (1 Jaona 2:1, 2). Milaza ve izany fa, na inona na inona ataontsika, raha mivavaka amin’Andriamanitra isika hoe ‘Mamelà ny helokay’, dia ho voalamina avokoa ny zava-drehetra? Tsia. Ny fototry ny fahazoana famelan-keloka dia ny fibebahana marina. Mety hilaina koa ny fanampiana avy amin’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona kristiana. Tsy maintsy manaiky ny maha-ratsy ilay nataontsika isika ary hahatsapa fanenenana amim-pahatsorana noho izany. Izany dia hanosika antsika hanao fiezahana marina mba tsy hamerina intsony. (Asa. 3:19; Jak. 5:13-16). Raha manao izany isika dia afaka matoky ny fanampian’i Jesosy. Miorina amin’ny finoantsika ny fahafahan’ny soron’i Jesosy hamela fahotana, dia azo atao ny mahazo indray ny fankasitrahan’i Jehovah, izay tena ilaintsika raha tiantsika ny hanekeny ny fanompoam-pivavahantsika.
13. a) Hazavao ny fomba hafa iray itondran’ny soron’i Jesosy soa ho antsika. b) Nahoana ny fanompoana ataontsika ho an’Andriamanitra no tsy mahatonga io valisoa io ho tokony ho antsika? d) Kanefa, raha tena manana finoana tokoa isika, inona no hataontsika?
13 Ny soron’i Jesosy dia namoha ho antsika koa ny fahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay — any an-danitra ho an’ireo “ondry vitsy”, ary eto an-tany voaova ho paradisa ho an’ny olona hafa an’arivo tapitrisany maro. (Lioka 12:32; Apok. 20:11, 12; 21:3, 4). Tsy valisoa tokony ho antsika akory izany. Na manao ahoana na manao ahoana habetsahan’ny ataontsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, dia tsy afaka ny hanana fahamendrehana aoka izany isika ka hoe tsy maintsy manome fiainana antsika Andriamanitra, toy ny hoe trosa ananantsika aminy. Ny fiainana mandrakizay dia “fanomezana omen’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika”. (Rom. 6:23, NW; Efes. 2:8-10). Na dia izany aza, raha manana finoana izany fanomezana izany isika, ary koa fankasitrahana noho ny fomba nahatonga azy io hety, dia hampiharihary izany isika. Raha mahatakatra ny fomba mahatalanjona nampiasan’i Jehovah an’i Jesosy mba hanatanterahana ny sitrapony isika, ary koa ny maha-tena zava-dehibe ny hanarahantsika rehetra akaiky ny dian’i Jesosy, dia hanao ny fanompoana kristiana ho ny zavatra lehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika isika. Ny finoantsika dia hiharihary amin’ny fomba feno fiekena iresahantsika amin’ny hafa momba io fanomezana mahatalanjona avy amin’Andriamanitra io. — Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:24.
14. Amin’ny ahoana ny finoana an’i Jesosy Kristy toy izany no miteraka firaisan-tsaina?
14 Endre ny vokatra tsara dia tsara sady mampiray entin’ny finoana toy izany! Noho izy io, dia voatosika isika hanatona akaiky an’i Jehovah sy ny Zanany ary ny hafa ao amin’ny kongregasiona kristiana. (1 Jaona 3:23, 24). Manosika antsika hifaly ny nanomezan’i Jehovah tamin-katsaram-panahy ho an’ny Zanany “ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra [ankoatra ny anaran’Andriamanitra], mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray.” — Fil. 2:9-11.
Famerenana
● Rehefa niseho ny Mesia, nahoana no nazava tamin’ireo izay nino marina ny Tenin’Andriamanitra izany?
● Tokony hisy vokany manao ahoana eo amintsika ireo sary ara-paminaniana tanteraka tamin’i Jesosy ary aseho eo amin’ny pejy faha-34?
● Amin’ny fomba ahoana avy no itondran’ny soron’i Jesosy soa ho antsika sahady? Ahoana no azontsika ampisehoana ny fankasitrahantsika noho izany?
[Efajoro/Sary, pejy 34]
Sary ara-paminaniana momba an’i Jesosy — Tokony hisy vokany manao ahoana eo aminao izy ireo?
Abrahama nanolotra an’i Isaka ho sorona
Mosesy, mpitondra tenin’Andriamanitra
Arona, mpisoronabe
Ireo sorona biby