Aoka isika hanamafy ny fatokiantsika an’i Jehovah amin’ny fianarana amim-pahazotoana ny teniny
“Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako aminareo anio (...). Fa tsy zava-poana (teny tsy misy vidiny, MN ) ho anareo izany, fa izany no fiainanareo”. — DEOTERONOMIA 32:46, 47.
1, 2. a) Vonona hanao inona moa ny firenen’Isiraely raha nilasy tao amin’ny tany lemak’i Moaba izy? b) Famporisihana inona moa no nomen’i Mosesy an’io firenena io?
NANAKAIKY ny farany ny fitoerany ela tany an’efitra. Ny rano miolakolak’i Jordana sisa nanasaraka izany firenena izany tamin’ny Tany nampanantenaina, izay efa nonofisiny hatramin’ny ela erỳ. Raha nahita azy vonona hiditra tao amin’io tany io i Mosesy, mpitarika azy, dia nandinika ny tarehin-javatra tamim-pahazavan-tsaina. Tsaroany fa tamin’ny lasa dia solafaka ny Isiraelita noho ny tsy fahampiam-patokiana an’i Jehovah ary nolavina tsy hiditra tao Kanana. — Nomery 13:25 ka hatramin’ny 14:30.
2 Nangonin’i Mosesy tao amin’ireo lohasaha lemak’i Moaba àry ny vahoaka. Rehefa avy nampahatsiahy ny tantaran’io firenena io sy namerina ny Lalàn’Andriamanitra i Mosesy, dia nanonona izay nantsoina hoe ny hirany ambony indrindra. Tamin’ny teny poetika manana hatsarana maningana no namporisihany ny Isiraely hametraka ny fitokisany amin’i Jehovah sy hankatò an’ilay “Andriamanitra mahatoky (izay) tsy misy ratsy ao aminy; (an’ilay) marina sy mahitsy”. Ho famaranana, dia nanosika ny Isiraelita hiasa tamin’izao teny izao i Mosesy: “Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako aminareo anio, izay handidianareo ny zanakareo hotandremany sy hankatoaviny, dia ny teny rehetra amin’ity lalàna ity. Fa tsy zava-poana (teny tsy misy vidiny, MN ) ho anareo izany, fa izany no fiainanareo”. — Deoteronomia 32:4, 46, 47.
“Alatsaho ao am-ponareo” ny Tenin’Andriamanitra
3, 4. a) Tokony ‘handatsaka ao am-pony’ inona moa ny Isiraelita, ary inona no hevitr’izany? b) Rehefa nandeha ny fotoana, tamin’ny fomba ahoana moa no nampiharan’ny Jiosy ny torohevitr’i Mosesy?
3 Namporisika ny Isiraelita i Mosesy ‘handatsaka ao am-pony’, tsy ny hirany manetsiketsika fotsiny, fa ny soratra masina rehetra koa. Tokony ‘hihaino tsara’ izy ireo (Ny Baibolinao), “hieritreritra” (Pirot-Clamer, fanamarihana) ny Lalàn’Andriamanitra, ‘hihevitra izany ho zava-dehibe’. (Teny frantsay mahazatra.) Amin’ny fahafantarana tanteraka izany ihany no hahafahany ‘mandidy ny zanany hitandrina sy hankatò ny teny rehetra amin’izany lalàna izany’. Izany no antony, ao amin’ny Deoteronomia 6:6-8, nanoratan’i Mosesy hoe: “Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, (...) ary fehezo ho famantarana eo amin’ny tànanao ireny, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin’ny handrinao.”
4 Ao amin’ny fanazavany momba ny Baiboly, W. Davey dia mampahafantatra antsika fa, tatỳ aoriana, “ny Jiosy dia nandray ireo teny ireo ara-bakiteny ary nampihatra izany tamim-pinoanoampoana. Nanoratra andininy (...) teo amina sila-koditr’ondry manify izay nafatony teo amin’ny sandry sy teo amin’ny handrina tamin’ny fotoan’ny vavaka izy”. Tamin’ny andron’i Jesosy izy ireny dia nitondra filakitera, “cassettes” nosokirina manify nirakitra andalan-teny ao amin’ny Soratra masina, tahaka ny mbola ataon’ny mpikambana amin’ny antokom-pivavahana jiosy sasany ankehitriny (Matio 23:5.) Nefa manampy Davey hoe: “Tsy nampiseho tamin’ny fomba fiainany fa nitandrina ny didy ireny adala ireny fa nianina kosa tamin’ny fitondrana teny aminy, kopian’ny tenin’ny Lalàna.”
5. Inona moa no fampiharana marina ireo tenin’i Mosesy voarakitra ao amin’ny Deoteronomia 6:6-8?
5 Tsy teo amin’ny tànany na teo amin’ny handriny ara-bakiteny no tokony hisy ny Lalàn’Andriamanitra, fa tao ‘amin’ny fony’. Raha tonga amin’ny fankamamiana lalina ny Lalàna izy fa tsy manangona fotsiny ny fahalalana izany, dia tsy hanadino izany na oviana na oviana. Ho toy ny hoe nosoratana teo amin’ny takelaka napetraka teo anoloan’ny masony na nafatotra teo amin’ny tànany izany.
Fandaharana mba hianarana ny Lalàn’Andriamanitra
6, 7. a) Fandaharana inona avy moa no noraisin’i Jehovah mba hifankazaran’ny Isiraelita tamin’ny Lalàn’i Mosesy? b) Tamin’ny andro fahagola, inona no namela ireo mpanompon’Andriamanitra hampianarin’ny Teniny?
6 Nefa ahoana no nahafahan’ny Isiraelita nianatra ireo fizaràna eo amin’ny 600 mahaforona ny Lalàna? Tsy isalasalana fa ankavitsiana ireo kopian’io Lalàna io tao anatin’ireo fotoana voalohany. Ny ho tonga mpanjaka tsirairay avy teo amin’ny Isiraely dia tsy maintsy ‘handika ho azy amin’ny boky izany lalàna izany, (...) hamaky ao amin’izany amin’ny andro rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra an’i Jehovah Andriamaniny ka hitandremany ny teny rehetra amin’izao lalàna izao’. (Deoteronomia 17:18, 19.) Nandray fandaharana Andriamanitra mba hamakiana ny Lalàna isaky ny fito taona amin’ny fotoan’ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo (Deoteronomia 31:10-13). Azo antoka fa nampiorina ny fivoriana nomanina tamin’io fotoana io, nefa tsy nitranga matetika mba hamela ny olona hanana fahalalana lalina ny Lalàna.
7 Nanendry ny fokon’i Levy Jehovah mba ‘hampianarany an’i Jakoba ny fitsipiny ary an’Isiraely ny Lalàny’. (Deoteronomia 33:8, 10; jereo Malakia 2:7.) Tamin’ny fotoana sasany, ny Levita dia nanao fitetezan-tanàna mba hampianarana ny firenena manontolo (2 Tantara 17:7-9; Nehemia 8:7-9). Rehefa nandeha ny fotoana, tamin’ny farany ny vahoaka dia toa nanana teo am-pelatanany, fara fahakeliny tapany sasany amin’ny Tenin’Andriamanitraa. Izany no antony nahafahan’ny mpanao salamo nanoratra hoe: “Sambatra ny olona (izay) ny lalàn’i Jehovah no sitrany; eny, ny lalàny no saintsaininy (vakiny amin’ny feo iva, MN ) andro aman-alina.” (Salamo 1:1, 2). Tamin’ny famporisihana ny Isiraelita ‘handatsaka ao am-pony ny Tenin’Andriamanitra’, Mosesy àry dia nandidy azy ireo hianatra amim-pahazotoana ny Baiboly.
Isika koa, ‘aoka isika handatsaka ao am-po’ ny Tenin’Andriamanitra
8. Nihaino ny famporisihan’i Mosesy ve ny Isiraelita, ary inona no vokatr’izany?
8 Tsy nihevitra ny famporisihan’i Mosesy ny firenen’Isiraely. Rehefa nanome ho an’ny tenany fitondran’ny mpanjaka izy tamin’ny farany, ny ankamaroan’ireo mpanjakany dia toa tsy nisahirana ‘nandika ho azy amin’ny boky izany lalàna izany na namaky tao amin’izany tamin’ny andro rehetra niainany’. Tamin’ny andron’i Josia mpanjaka, tamin’ny taonjato faha-7 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia very fotsiny izao “ny bokin’ny lalàna” (2 Mpanjaka 22:8-13). Tsy isalasalana fa ny ohatra mampalahelo navelan’ireo mpitondra an’ilay firenena dia namarina azy io tao amin’ny fivadiham-pinoana. Mifanaraka amin’ny fampitandremana nomen’i Mosesy, izy io dia nahita loza aman’antambo ara-pirenena tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana. — Deoteronomia 28:15-37; 32:23-35.
9. Amin’ny androntsika, amin’ny heviny ahoana moa ny kristiana no ao anatin’ny tarehin-javatra sahala amin’ny an’ireo Isiraelita tamin’ny andro fahagola?
9 Sahala amin’ireo Isiraelita tamin’ny andro fahagola, ny kristiana amin’izao andro izao dia eo an-tokonan’ny Tany nampanantenaina iray: ny izao tontolo izao vaovao sy marina nampanantenain’Andriamanitra (2 Petera 3:13). Misy fisehoan-javatra mahagaga hita soritra eny amin’ny faravodilanitra: ny fanambarana hoe: “Fiadanana sy filaminana!”, ny fandravana an’i “Babylona Lehibe” ary ny fanafihan’i ‘Gogan’i Magoga’. Hizaha toetra ny fatokiantsika an’i Jehovah ireny fisehoan-javatra ireny. Ilaina maika àry ny ‘handatsahantsika ao am-pontsika ny Tenin’Andriamanitra dieny ankehitriny. — 1 Tesaloniana 5:3; Apokalypsy toko faha-18; Ezekiela toko faha-38.
10. Nahoana moa ny sasany no manao tsirambina ny fianarana manokana?
10 Kanefa mety ho faran’izay manahirana izany amin’izao “andro fanapahan-javatra sy sarotra” iainantsika izao (2 Timoty 3:1, MN ). Ny asa, ny fanabeazana ny ankizy, ny sekoly, ireo andraikitra teokratika, izany rehetra izany dia mety haka tapany lehibe amin’ny fotoanantsika. Mety hanana fironana àry isika hitady fialan-tsiny ho an’ny tenantsika sy hanao tsirambina ny fianarantsika ny Baiboly amin’ny fieritreretana ‘fa manao antonony mba hijanonana ho tsy milentika’. Nefa mandefa izao famporisihana izao ho an’ny kristiana tsirairay ny Baiboly: “Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’izany”. (1 Timoty 4:15, 16). Aoka hodinihintsika ny antony lehibe vitsivitsy tokony hanaovantsika izany.
Aoka isika hanamafy ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra
11, 12. a) Inona moa no vokatry ny fahalalana akaiky kokoa an’Andriamanitra teo amin’i Joba? b) Amin’ny androntsika, nahoana no azo atao ny mahafantatra tsara kokoa an’Andriamanitra noho ny tamin’ny andron’i Joba?
11 “Natahotra an’Andriamanitra ka nifady ny ratsy” i Joba. Nefa rehefa avy niseho taminy tao anatin’ny tafio-drivotra Jehovah, dia afaka niteny taminy izy hoe: “Fandrenesan’ny sofina ihany no nandrenesako Anao; fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao”. (Joba 1:1; 42:5). Amin’izao andro izao, moa ve isika afaka “mahita” an’Andriamanitra; izany hoe tsy hoe mahalala fotsiny fa misy izy, fa mahafantatra tsara koa ireo lafiny maro amin’ny maha-izy azy? Izany tokoa! Ao amin’ny Baiboly, Jehovah dia manambara momba azy, zavatra maro kokoa noho izay fantatry ny tenan’i Joba teo aloha.
12 Manavaka mazava kokoa ny halalin’ny fitiavan’Andriamanitra isika rehefa mahafantatra fa “tiany aoka izany izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany lahitokana”! (Jaona 3:16, MN.) Manambara amintsika ireo soritra lehiben’ny asany ny faminaniana ao amin’ny Baiboly, ary izany dia hatramin’ny faran’ny Arivo taona (Apokalypsy toko faha-18 ka hatramin’ny faha-21). Ananantsika ny fitantarana ny amin’izay nataon’Andriamanitra ho tombontsoan’ny kongregasiona kristiana: ny fandraisana ny Jentilisa ho eo anivony, ny fanendrena “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina “mba hanome hanina ny mpanompony, ary ny fanangonana “vahoaka betsaka” voaforon’olona manantena ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa an-tany (Matio 24:45; Apokalypsy 7:9, 14-17, MN; Efesiana 3:3-6). Rehefa avy nandinika tsara ireo zava-dalina momba an’Andriamanitra isika ary nibanjina ny asa mahatalanjona tanterahiny ho antsika, dia tsy afaka ny tsy hihiaka hoe: “Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany!” — Romana 11:33.
13. Ahoana no ahazoantsika ‘mitady an’Andriamanitra’, ary soa inona no azontsika amin’ny fanaovana toy izany?
13 “Tamin’ny foko rehetra no nitadiavako Anao”, hoy ny nambaran’ny mpanao salamo. Afaka manahaka azy isika amin’ny fandinihana ny Soratra masina isan’andro, ka izany dia mandray anjara be dia be amin’ny fanamafisana ny fatorana mampiray antsika amin’i Jehovah. Ny fianarana tsara ny Baiboly dia mandray anjara ihany koa amin’ny ‘fanorenana mafy ny lalantsika mba hitandrina ny didin’Andriamanitra’. — Salamo 119:5, 10.
Manampy antsika hiaro ny finoantsika ny fianarana
14. Hazavao ny maha-zava-dehibe ny ho ‘vonona hiaro’ ny fanantenantsika kristiana.
14 “Tsy mandray ny Vavolombelon’i Jehovah ato an-tranoko aho!” hoy ny fihiakan’ny Ganeana iray indray andro teo anatrehan’ny mpitory roa tonga hitsidika azy. Avy eo dia nanakiana ireo izy noho ny “tsy fetezana hampidiran-dra sy ny tsy fiarahabana saina”. Matetika isika no mahita izany karazam-panoherana izany eo amin’ny fanompoantsika. Endrey ny ho fahafaham-baraka sy fietrena, raha tsy afaka manolotra ‘fiarovana eo anoloan’izay manontany ny anton’ny fanantenana ao amintsika’ isika! (1 Petera 3:15.) Soa ihany ireo Vavolombelona roa fa nahay nampiasa tamim-pahombiazana ny Baiboly mba hanazavana tamin’ilay niresaka taminy izay ampianariny momba ny ra sy ny fihetsika voalanjalanjan’ny kristiana, izay manaja ireo sainam-pirenena no sady mitandrin-tena amin’ny fanompoan-tsampy. Inona no vokatr’izany? Nanaitra an’ilay lehilahy ny valin-teny mazavan’izy ireo. Vavolombelon’i Jehovah izy sy ny vadiny ankehitriny.
15. Amin’ny fomba ahoana ny fianarana manokana no manome fitaovana antsika ho amin’ny fanompoantsika?
15 Manome izao torohevitra izao i Paoly: “Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.” Ny fianarana manokana dia manampy antsika, tsy hitoetra ao amin’ny lalan’ny fiainana fotsiny, fa ho ‘ampy fahaizana feno, ho ampy fitaovana tanteraka’ koa mba hanampiana ny namantsika hanao toy izany koa. — 2 Timoty 2:15; 3:17, MN.
Aoka isika hanalavitra ireo fandrik’i Satana
16. Inona moa ny sasany amin’ny fandrika velarin’i Satana amin’ny mpanompon’i Jehovah?
16 Amin’izao androntsika izao, dia tafihin’ny dokam-barotra mampisongadina “ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao” isika. (1 Jaona 2:16.) Manandratra ny fahalotoana momba ny lahy sy ny vavy ny filazam-baovao, ary mamporisika izany ny mpiara-miasa sy mpiara-mianatra amin’ny Vavolombelona maro. Mifanohitra amin’ny sitrapony, ny sasany amintsika dia maharay any aminy, soratra mihantsy avy amina mpivadi-pinoana. Noho ny fahalianana ta-hahalala zavatra, dia nisy Vavolombelona namaky ireny soratra maloto ireny, ka nanimba ny finoan’izy ireo izany vakiteny izany. Ao koa ny “fanahy (toe-tsaina, MN )” tia tena sy ara-nofo “izay miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsi-fanarahana”. Endrey fa mora ery ny manaiky ho voaloton’izany sy ny mampitombo toe-tsaina tsy manorina sy manakiana! — Efesiana 2:2.
17, 18. Amin’ny fomba ahoana no iarovan’ny fianarana manokana antsika tsy “hindaosina hiala”?
17 Marina aloha fa vitsy ny kristiana mitsarapaka an-tsitrapo ao amin’ireo fandrik’i Satana. Noho ny fanaovany tsirambina ny fianarany manokana kosa no nahatonga azy ireny tsikelikely “hindaosina hiala”, toy ny sambo iray novahana amin’ny fatorany, ary manjary ianjadian’ny famelezan’i Satana izy (Hebreo 2:1). Araka izany, taorian’ny nananany fitondrantena maloto tamin’ny mpiara-mianatra vavy, no nanambaran’ny Vavolombelona tanora iray hoe: “Nahatsapa aho fa ny fitondrantena ratsiko dia vokatry ny tsy fahampian’ny sakafo ara-panahy indrindra. Satria tsy nianatra manokana aho dia tsy nahatohitra ny fakam-panahy.” Nanampy an’io Vavolombelona io hanatanja-tena eo amin’ny lafiny ara-panahy anefa ny fandaharam-pianarana manokana.
18 Tapa-kevitra ny hanimba mpanompon’Andriamanitra maro araka izay azony Satana. Afaka misoroka ireo fandriny isika amin’ny famahanana tsy an-kijanona ny saintsika amin’ireo zavatra tsara avy amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny mpitandrin-draharahany mahatoky (Filipiana 4:8). Ny Baiboly sy ny zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana dia mirakitra fampahatsiahivana maro izay mampitandrina antsika amin’ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo, ny fahalotoana momba ny lahy sy ny vavy, ny fivadiham-pinoana, ary ny toe-tsaina tsy manorina. Raha manokana ho azy ireny fiheverana mihoatra noho ny mahazatra isika dia tsy hindaosina hiala na oviana na oviana.
Manampy antsika ny fandaminan’i Jehovah
19. Amin’ny ahoana izay nitranga tamin’ilay ionoka etiopiana no mampiseho fa mila fitarihana ara-panahy isika?
19 Mitaky fahazarana be dia be ny fianarana. Azontsika atao àry ny ho velom-pankasitrahana ny fandaminan’i Jehovah noho ny fanampiana sarobidy entiny ho antsika. Tao anatin’izao taona faramparany izao, dia nanambara ny sasany fa tokony havela ny tsirairay hanazava manokana ny Baiboly. Nefa moa ve ilay ionoka etiopiana tsy niaiky ankarihary fa nila fitarihana ara-panahy izy? Kanefa, tamin’ny naha-proselyta voafora azy, dia efa nanana marina tokoa fahalalana nitatra ny Baiboly izy. Izany no asehon’ny fitadiavany hahatakatra faminaniana lalina ery toy ny Isaia 53. Kanefa, rehefa nanontany azy Filipo raha azony izay novakiny, dia niaiky izy fa nila fanampiana, tamin’ny fanontaniana hoe: “Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra (mitari-dalana, MN ) ahy?” — Asan’ny apostoly 8: 26-33.
20. a) Manonòna sasantsasany amin’ireo fandaharana noraisin’ny fandaminan’i Jehovah mba hanampiana antsika hianatra manokana ny Baiboly. b) Ahoana ny hevitrao ny amin’izany fanampiana izany?
20 Toy izany koa, amin’izao androntsika izao, ny mpanompon’Andriamanitra dia mila fitarihana ara-panahy. Koa satria maniry “hiray teny” izy rehetra ny amin’ny zavatra ara-panahy, dia ankamaminy ny fanampiana sarobidy aoka izany atolotry ny fandaminan’i Jehovah azy ireo (1 Korintiana 1:10). Ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! dia loharanom-panazavana tsy mety ritra. Manana boky sy bokikely maro miresaka foto-kevitra isan-karazany ao amin’ny Baiboly isika. Ananantsika koa ny tombontsoa manokana afaka mampiasa ireo Index amin’ny bokin’ny Fikambanana Watch Tower, fiasana izay ahafahana ‘manohy mitady ny fahendrena toy ny volafotsy sy toy ny harena afenina’. — Ohabolana 2:2-4.
21. a) Ahoana no nampisehoan’ny apostoly Paoly ny fahalianana nananany tamin’ny fianarana manokana? b) Fanoloran-kevitra inona avy no mety hanamora ny fianarana manokana?
21 Moa ve ianao mandray soa feno avy amin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana amin’ny fampiasana izany mba hianarana sy hanaovana fikarohana? Sa kosa tsy manao afa-tsy ny mameno ny fitehirizam-bokinao izy ireny? Aoka homarihintsika fa ny apostoly Paoly dia nangataka an’i Timoty mba hitondra ho azy, any Roma, “ny boky, indrindra fa ireo boky hoditra”. Ny tiany horesahina dia toa tapany amin’ny Soratra hebreo (2 Timoty 4:13). Nirin’i Paoly marina tokoa ny hanana izany teo am-pelatanany mba hianarany sy hanaovany fikarohana maro kokoa. Raha mbola tsy nanao izany ianao, nahoana no tsy manomboka mamorona ho anao tahirim-boky amin’ireo zavatra vita an-tsoratra teokratika mba hahafahanao, dia ianao koa, manao fikarohana? Tandremo mba ho mora raisina ireny zavatra vita an-tsoratra ireny, voalamina amin’ny fomba mety ary madio tsara. Manokàna ho anao toerana milamina sy mazava tsara mba hianarana. Manokàna tsy tapaka fotoana ho an’ny fianarana manokana.
22. Amin’ny androntsika, nahoana moa no zava-dehibe tsy misy toy izany ny ‘mandatsaka ao am-pontsika ny Tenin’Andriamanitra’?
22 Sahala amin’ireo Isiraelita izay nilasy tao amin’ny tany lemaka mahavokatr’i Moaba, isika dia akaiky hiditra ao amin’izao tontolo izao vaovao. Ilaintsika tsy misy toy izany ny mianatra amim-pahazotoana ny Tenin’Andriamanitra. ‘Aoka isika hanararaotra ny fotoana’ ho an’ny fianarana, angamba amin’ny fakàna amin’izay atokantsika ho an’ny fanaovan-javatra hafa, ohatra ny fijerena televiziona (Efesiana 5:16). Mandefa amintsika izao famporisihana izao i Petera: “Maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka (an’ny teny, MN ) mba hitomboanareo amin’izany”. Tsy hoe mba hanatrarana ny fahamasahana fotsiny, fa mba ‘hahazoana ny famonjena’ koa. (1 Petera 2:2; jereo Hebreo 5:12-14.) Tandindomin-doza ny fiainantsika. Aoka isika hiady amin’ny fironana rehetra hanao tsirambina ny fianarantsika manokana. Mifanohitra amin’izany, dia aoka isika hanokana ho an’izany, toerana tsara mba hampitomboana ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny fatokiantsika azy. Eo am-panaovana izany, dia ho tonga koa amin’ny fankamamiana bebe kokoa ny fandaminana ampiasainy mba hanampiana antsika isika. Eny, ‘aoka isika handatsaka ao am-po ny Tenin’Andriamanitra’, amim-pahazotoana ary tsy tapaka. “Fa tsy teny tsy misy vidiny ho anareo izany, fa izany no fiainanareo.”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia nahazatra ny nampiasa vakivakin-tanimanga, na “ostraca”, ho toy ny fanoratana tsy nisy vidiny loatra. Izao no vakina momba izany ao amin’ny boky iray misy fanamarihana (The International Standard Bible Encyclopedia [1986]): “Ny ‘ostraca’ dia teo am-pelatanan’ny mahantra kokoa, izay tsy afaka nanana fanoratana hafa.” Tsy fantatra hoe hatraiza no nampiasan’ny Isiraelita tamin’ny andro fahagola “ostraca” mba hanamarihana andalan-teny ao amin’ny Baiboly. Tany Egypta anefa dia nahitana “ostraca” efa tamin’ny taonjato faha-7 alohan’ny fanisan-taona iraisana ary mirakitra andinin-tenin’ny Baiboly, ka izany dia mamela hieritreritra fa tamin’izay fotoana izay dia nampiasa izany ny sarambabembahoaka mba hanondroana tapany ao amin’ny Baiboly.
Famerenana
◻ Nahoana moa i Mosesy no namporisika ny Isiraelita ‘handatsaka ao am-pony ny Tenin’Andriamanitra’, ary ahoana no tokony hampiharany an’io torohevitra io?
◻ Amin’ny fomba ahoana moa no anamafisan’ny fianarana manokana ny Baiboly ny fatorana mampiray antsika amin’Andriamanitra, ary ahoana no anampiany antsika hiaro ny finoantsika?
◻ Ahoana no mety hanampian’ny fianarana manokana antsika hisoroka ireo fandrik’i Satana?
◻ Fandaharana inona avy moa no noraisin’ny fandaminan’i Jehovah mba hanampiana antsika hianatra ny Tenin’Andriamanitra?
[Sary, pejy 11]
Tsy nanoratra ny lalàn’Andriamanitra tao am-pony ny Jiosy fa nitondra “cassettes” izay nirakitra andalan-teny ao amin’ny Soratra masina.