FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • uw toko 6 p. 46-54
  • Ilay Raharaha Tsy Maintsy Atrehin’ny Zavatra Noforonina Rehetra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilay Raharaha Tsy Maintsy Atrehin’ny Zavatra Noforonina Rehetra
  • Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fihetsik’izy ireo teo anoloan’ilay raharaha
  • Inona no valin-teny omen’ny tenantsika manokana?
  • Ilay Raharaha Mahakasika Antsika Rehetra
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Ela loatra ve vao “tonga” ilay Fanjakana?
    “Ho Tonga Anie ny Fanjakanao”
  • Fanontaniana iray mikasika anao
    Ny Tena Fiadanana sy Filaminana—Avy Aiza no Hiaviany?
  • Ny Fijalian’olombelona — Nahoana Andriamanitra no Mamela Azy Io Hisy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Hijery Hafa
Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
uw toko 6 p. 46-54

Toko 6

Ilay Raharaha Tsy Maintsy Atrehin’ny Zavatra Noforonina Rehetra

1. a) Raharaha inona no napoitran’i Satana tany Edena? b) Ahoana no ampisehoan’izay nolazainy izany raharaha izany?

FONY nipoaka ny fikomiana tany Edena, dia nipoitra ny raharaha lehibe iray izay mahakasika ny zavatra noforonina rehetra. Nanatona an’i Eva i Satana ka namela azy hino fa niharam-pahavoazana lehibe izy sy i Adama vadiny. Nanontany azy toy izao izy: “Hanky! efa nataon’Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha?” Namaly i Eva fa momba ny hazo iray monja no nilazan’Andriamanitra hoe: “Aza ihinananareo na tendrenareo izany, fandrao maty hianareo.” Tamin’izay i Satana dia niampanga nivantana an’i Jehovah ho nandainga, tamin’ny filazana fa na ny ain’i Eva na ny an’i Adama dia tsy niankina tamin’ny fankatoavany an’Andriamanitra. Nanambara izy fa Andriamanitra dia nihazona zavatra tsara iray tsy ho azon’ny zavaboariny — ny fahafahana hametra ho an’ny tenany ireo fari-pitsipika tokony harahiny eo amin’ny fiainana. “Tsy ho faty tsy akory hianareo”, hoy ny fanantitranteran’i Satana. “Fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” (Gen. 3:1-5). Nitarika an’i Eva hino i Satana fa ho tsaratsara kokoa ny fiainany raha manao ny fanapahan-keviny manokana izy. Tamin’ny fanaovana izany, dia nihaika an-kolaka ny zon’Andriamanitra hanapaka sy ny fomba fanapahany izy. Ilay raharaha nipoitra, raha ny tena izy, dia nahakasika ny fiandrianana manerana izao rehetra izao.

2. Inona no ho afaka niaro ny mpivady olombelona voalohany?

2 Ny fitiavana an’i Jehovah dia ho afaka niaro an’i Eva. Ny fanajana ny naha-lohany ny vadiny koa dia ho afaka nanakana azy tsy hanao ratsy. Kanefa tsy nieritreritra afa-tsy izay toa ho tombontsoa teo no ho eo izy. Nanjary zavatra faniry teo imasony izay norarana. Voafitaky ny fanjohian-kevitr’i Satana tanteraka izy ka nandika ny lalàn’Andriamanitra. Avy eo izy dia nitarika an’i Adama hanaraka azy. Na dia tsy voafitaky ny laingan’i Satana aza i Adama, izy koa dia nampiseho tsy fankasitrahana tanteraka ny fitiavan’Andriamanitra. Nanamavo ny naha-lohany an’i Jehovah izy ary nifidy ny hanaraka ny vadiny mpikomy. — Gen. 3:6; 1 Tim. 2:13, 14, NW.

3. a) Raharaha fanampiny inona no mifamatotra akaiky amin’ny famelezan’i Satana ny fiandrianan’i Jehovah? b) Iza avy no voakasik’izany?

3 Tsy nifarana teo amin’ireo zava-niseho tany Edena ny famelezan’i Satana ny fiandrianan’i Jehovah. Ny toa fahombiazany tamin’izay dia narahin’ny fihaikany ny tsy fivadihan’ny hafa eo anatrehan’i Jehovah. Io àry dia nanjary raharaha faharoa nifamatotra akaiky tamin’ilay voalohany. Io fihaikany io dia nahakasika, tsy ny taranak’i Adama ihany, fa ireo zanak’Andriamanitra ara-panahy koa, eny na dia ilay Zanaka lahimatoa tian’i Jehovah indrindra aza. Tamin’ny andron’i Joba, dia nanambara i Satana fa ireo izay manompo an’i Jehovah dia manao izany, tsy noho izy ireo tia an’Andriamanitra sy noho ny fomba fanapahany akory, fa noho ny antony feno fitiavan-tena. Nanambara izy fa, rehefa tojo zava-tsarotra izy ireo, dia hanaiky ho resin’ny faniriana feno fitiavan-tena. Marina ve ny nolazainy? — Joba 1:6-12; 2:1-6; Apok. 12:10.

Ny fihetsik’izy ireo teo anoloan’ilay raharaha

4. Nahoana ny olona maro no tsy niaro ny fiandrianan’i Jehovah?

4 Tsy nanilika ny mety hisian’ny hafa hanaraka an’i Satana tamin’ny fikomiany i Jehovah. Raha ny marina, rehefa nanonona ny didim-pitsarany tany Edena izy, dia nanisy firesahana momba ireo izay hahaforona ny ‘taranaky ny menarana’. (Gen. 3:15). Anisan’izany ireo Fariseo izay niara-nioko hamono an’i Jesosy ary i Jodasy Iskariota izay namadika an’i Kristy. Tsy hoe solafaka talohan’ny nahatsapany azy fotsiny akory izy ireo. Fantatr’izy ireo izay mahitsy, kanefa ninia nanohitra an’i Jehovah sy ny mpanompony izy ireo. Misy hafa tsy hita isa anefa tsy nanaraka ireo zavatra notakin’i Jehovah noho ny tsy fahalalana. — Asa. 17:29, 30.

5. a) Tsy mitovy amin’i Eva, fa ahoana no niheveran’ireo olona nitoetra ho tsy nivadika tamin’i Jehovah ny teniny? b) Ahoana no nanaporofoan’i Noa ny tsy fivadihany, ary ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’ny ohatra nomeny?

5 Mifanohitra amin’ireo rehetra ireo, dia nisy lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana izay nikatsaka ny hahafantatra ny Mpamorona azy ireo ary nanaporofo ny tsy fivadihany teo anatrehany tamin’ny fanekena azy ho Tompom-piandrianana teo aminy. Nino an’Andriamanitra izy ireo. Fantatr’izy ireo fa niankina tamin’ny fihainoany azy sy ny fankatoavany azy ny fiainany. Iray tamin’izany i Noa. Rehefa nilaza tamin’i Noa àry Andriamanitra hoe: “Ny faran’ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako (...). Koa, manaova sambo-fiara ho anao”, dia nanaiky ny fitarihan’i Jehovah i Noa. Ny olon-kafa tamin’izany andro izany, na dia nomena fampitandremana aza, dia nanohy nisahana ireo asa fanaony andavanandro toy ny hoe tsy hisy zavatra tsy mahazatra hitranga. I Noa anefa nanamboatra sambo fiara goavana iray ary tsy nitsahatra nitory tamin’ny hafa momba ireo lalana mahitsin’i Jehovah. Araka ny lazain’ny fitantarana, dia “nataon’i Noa izany; araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy no nataony.” — Gen. 6:13-22; jereo koa Hebreo 11:7 sy 2 Petera 2:5.

6. a) Inona koa no nampiavaka ireo mpihazona tsy fivadihana? b) Ahoana no nanehoan’i Saraha ireo toetra tsara ireo, ary amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’ny ohatra nomeny?

6 Ny fanajany lalina ny fotopoto-pitsipika momba izay lohany, arahin’ny fitiavan’ny tenany manokana an’i Jehovah, dia nampiavaka koa ireo mpihazona tsy fivadihana. Tsy tahaka an’i Eva, izay naka ny fahefan’ny vadiny, izy ireo. Tsy tahaka an’i Adama, izay tsy niraharaha ny lalàn’Andriamanitra, koa izy ireo. I Saraha, vadin’i Abrahama, dia naneho ireo toetra tsara dia tsara ireo. Tsy teo amin’ny fiteniny ihany, fa tao am-pony koa, izy dia niantso an’i Abrahama hoe “tompo”. Ankoatra izany, nanam-pitiavana manokana an’i Jehovah ny tenany ary vehivavy nanam-pinoana izy. Niaraka tamin’i Abrahama, izy dia “nanantena hahazo ny tanàna [ny Fanjakan’Andriamanitra] misy fanorenana (...), Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany.” — 1 Pet. 3:5, 6; Heb. 11:10-16.

7. a) Tao anatin’ny toe-javatra nanao ahoana no niarovan’i Mosesy ny fiandrianan’i Jehovah? b) Amin’ny ahoana ny ohatra nomeny no mety hitondra soa ho antsika?

7 Tokony ho 430 taona taorian’ny nandaozan’i Abrahama ny tany nahaterahany, i Mosesy dia niaro ny fiandrianan’i Jehovah rehefa nifanandrina tamin’i Faraon’i Egypta. Tsy hoe natoky tena akory i Mosesy. Mifanohitra amin’izany kosa fa nisalasala ny amin’ny fahaizany nandaha-teny izy. Nankatò an’i Jehovah anefa izy. Noho ny fanohanan’i Jehovah sy ny fanampian’i Arona rahalahiny, dia nampita tsy an-kijanona ny tenin’i Jehovah tamin’i Farao izy. Mafy hatoka anefa i Farao. Nisy tamin’ireo zanak’i Isiraely aza nanakiana mafy an’i Mosesy. Kanefa i Mosesy dia nanatanteraka tamim-pahatokiana izay rehetra nandidian’i Jehovah azy, ary tamin’ny alalany dia nafahana avy tany Egypta ny Isiraely. — Eks. 7:6; 12:50, 51.

8. a) Inona no mampiseho fa mitaky mihoatra noho ny fanaovana izay nasainy nosoratana tamin’ny fomba voafaritra tsara ny tsy fivadihana eo anatrehan’i Jehovah? b) Amin’ny ahoana ny fahatakarana tsara io karazana tsy fivadihana io no manampy antsika hampihatra ny 1 Jaona 2:15?

8 Ireo izay tsy nivadika tamin’i Jehovah dia tsy nanjohy hevitra fa hoe ny hany takina dia ny hanarahana izay voasoratra ara-bakiteny tao amin’ny lalàna, ny tsy hankatoavana afa-tsy izay nasain’Andriamanitra nosoratana. Fony nanandrana ny hanangoly an’i Josefa mba hanana firaisana taminy, ho fanitsakitsaham-bady, ny vadin’i Potifara, dia tsy nisy didy avy tamin’Andriamanitra nandrara ny fanitsakitsaham-bady tamin’ny fomba hentitra. Kanefa, noho izay fantatr’i Josefa momba ny fandaharana ny amin’ny fanambadiana naorin’i Jehovah tany Edena, dia takany fa tsy hankasitrahan’Andriamanitra ny fananana firaisana tamin’ny vadin’olon-kafa. Tsy liana ny hitsapa izay fetra hamelan’Andriamanitra azy ho sahala amin’ireo Egyptiana i Josefa. Niaro ireo lalan’i Jehovah izy tamin’ny fisaintsainana momba ireo fifampiraharahan’Andriamanitra tamin’ny olombelona ary avy eo dia tamin’ny fampiharana izay takany fa sitrapon’Andriamanitra. — Gen. 39:7-12; ampitahao amin’ny Salamo 77:11, 12.

9. Tamin’ny ahoana no nanaporofoana niverimberina fa mpandainga ny Devoly raha ny amin’ilay fiampangana napoitrany tamin’ny andron’i Joba?

9 Na dia iharan’ny fitsapana mafy aza ireo izay mahafantatra marina an’i Jehovah, dia tsy mivadika aminy. Niampanga i Satana fa, raha namoy ny fananany rehetra i Joba, na raha nampiharana fitondrana ratsy ara-batana, na dia io olona noresahin’i Jehovah tamim-piheverana ambony io aza dia handao an’Andriamanitra. Nanaporofo anefa i Joba fa mpandainga i Satana, ary nanao izany izy na dia tsy fantany aza ny anton’ireo loza rehetra nitambesatra taminy. (Joba 2:3, 9, 10). Mbola nitady ny hanaporofo ihany i Satana fa nanana ny marina ny tenany. Koa tatỳ aoriana àry izy dia nampirisika ny mpanjakan’i Babylona iray nisafoaka mba handrahona ny hamono tanora hebreo telo lahy tao amin’ny lafaoro nirehitra, raha tsy niankohoka ho fanolorana fanompoam-pivavahana teo anatrehan’ny sary nataon’ilay mpanjaka, izy ireo. Rehefa voatery hifidy na ny fankatoavana ny baikon’ny mpanjaka na ny fanekena ny lalàn’i Jehovah mandrara ny fanompoan-tsampy izy ireo, dia nampahafantatra tamin’ny fomba hentitra fa nanompo an’i Jehovah izy ireo ary koa fa izy no Tompom-piandrianana Tampony teo aminy. Teo imason’izy ireo, dia sarobidy kokoa noho ny fiainana ny fahatokiana teo anatrehan’Andriamanitra. — Dan. 3:14-18.

10. Ahoana no ahafahantsika olombelona tsy tanteraka manaporofo fa tena tsy mivadika marina amin’i Jehovah isika?

10 Hanatsoaka hevitra avy amin’izany ve isika fa mba tsy hivadihana amin’i Jehovah, dia tsy maintsy ho tanteraka ny olona iray, ka izay manao fahadisoana dia tsy nahomby tanteraka? Tsy izany velively! Milaza amintsika amin’ny fomba voafaritra tsara ireo fahadisoana nataon’i Mosesy ny Baiboly. Tsy nankasitrahan’i Jehovah izany, kanefa tsy nanda an’i Mosesy izy. Ireo apostoly, na dia fakan-tahaka tamin’ny lafiny maro aza, dia nanana ny fahalemeny. Mitaky fankatoavana tsy tapaka avy amin’ny fo ny tsy fivadihana. Kanefa, mihevitra ny tsy fahatanterahana nolovantsika i Jehovah ka faly rehefa tsy minia manao tsirambina ny sitrapony isika na amin’ny lafiny inona na amin’ny lafiny inona. Raha toa, noho ny fahalemena, ka tafalatsaka ao anatin’ny fanaovan-dratsy isika, dia zava-dehibe ny hibebahantsika amim-pahatsorana sy ny hitandremantsika mba tsy hanaovana izany ho fahazarana. Mampiseho amin’izany isika fa tena tia marina izay lazain’i Jehovah fa tsara ary mankahala izay asehony fa ratsy. Miorina amin’ny finoantsika ny vidin’ny sorom-panavotan’i Jesosy, dia afaka manana toerana madio eo anatrehan’Andriamanitra isika. — Amosa 5:15; Asa. 3:19; Heb. 9:14.

11. a) Iza teo amin’ny olombelona no afaka nihazona fifikirana tamin’Andriamanitra tanteraka, ary manaporofo inona izany? b) Amin’ny ahoana ny ohatra nomeny no mahasoa antsika?

11 Na dia izany aza, sao dia tsy azon’ny olombelona atao àry ny hanana fifikirana amin’Andriamanitra tanteraka? Nandritra ny 4 000 taona teo ho eo, dia nitoetra ho “zava-miafina” ny valin’izany. (1 Tim. 3:16). I Adama, na dia noforonina tanteraka aza, dia tsy namela ohatra tanteraka raha ny amin’ny fifikirana amin’Andriamanitra. Iza no afaka nanao izany? Azo antoka fa tsy ireo taranany mpanota. I Jesosy Kristy no hany olona afaka nanao izany. Izay notanterahin’i Jesosy dia nanaporofo fa i Adama, izay niaina tao anatin’ny toe-javatra tsara kokoa, dia ho afaka ny hihazona tsy fivadihana tanteraka raha niriny izany. Tsy teo amin’ny asa famoronan’Andriamanitra ny tsiny. I Jesosy Kristy àry no ohatra tadiavintsika harahina amin’ny fanehoana, tsy hoe fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra ihany, fa fifikiran’ny tenantsika manokana amin’i Jehovah, ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao, koa.

Inona no valin-teny omen’ny tenantsika manokana?

12. Nahoana isika no tsy maintsy ho mailo mandrakariva raha ny amin’ny fihetsitsika eo anoloan’ny fiandrianan’i Jehovah?

12 Ny tsirairay avy amintsika ankehitriny dia tsy maintsy miatrika ilay raharaha mahakasika izao rehetra izao. Tsy afaka ny hihodivitra azy io isika. Raha nanambara an-karihary isika fa miandany amin’i Jehovah, dia hataon’i Satana lasibatra. Mitondra fanerena avy amin’izao lafiny rehetra izao izy, sady hanohy hanao izany hatramin’ny faran’ny fandehan-javany ratsy mihitsy. Tsy tokony hampihena ny fiambenantsika àry isika. (1 Pet. 5:8). Ny fitondran-tenantsika dia mampiseho hoe iza no iandaniantsika raha ny amin’ilay raharaha tampony.

13. a) Inona momba ny niandohan’ny lainga sy ny halatra no tokony hanosika antsika hanalavitra azy ireo? b) Valio tsirairay ireo fanontaniana eo amin’ny faran’ny fehintsoratra, izay mahakasika tarehin-javatra mety hanosika olona hanao ratsy.

13 Tsy afaka ny hamela ny tenantsika hihevitra ny fitondran-tena maneho fivadihana ho toy ny zavatra tsy dia manao ahoana isika satria fotsiny hoe fanao eo amin’izao tontolo izao izany. Ny fihazonana tsy fivadihana dia mitaky ny hampiharantsika ireo lalana marin’i Jehovah eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana. Ho ohatra, dia diniho ireto manaraka ireto:

1) Nampiasa lainga i Satana mba hitarihana ny ray aman-drenintsika voalohany hanota. Nanjary ny “rain’ny lainga” izy tamin’izany. (Jaona 8:44).

Ao anatin’ny toe-javatra inona avy indraindray ny tanora no tsy milaza ny marina amin’ny ray aman-dreniny? Nahoana no zava-dehibe ny hanalaviran’ny tanora kristiana izany? (Ohab. 6:16-19).

Fanao ara-barotra inona avy no mety hahatonga ny olona iray hitovy amin’ilay “rain’ny lainga” fa tsy amin’ilay Andriamanitry ny fahamarinana? (Mika 6:11, 12).

Raha milaza zavatra mba hisehoantsika ho tsara kokoa noho ny tena izy isika, misy maha-ratsy azy ve izany na dia tsy mitondra fahavoazana ho an’ny hafa aza? (Sal. 119:163; ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 5:1-11.)

Raha nanao ratsy lehibe iray ny olona iray, nahoana no zava-dehibe ny tsy hanandramany hanafina izany amin’ny fampiasana lainga? (Ohab. 28:13).

2) Rehefa nanaiky ny fampirisihan’i Satana mba hanao ny fanapahan-keviny manokana raha ny amin’izay tsara na ratsy i Eva, avy eo i Adama, ny zavatra voalohany nataon’izy ireo dia ny fakana zavatra izay tsy azy. Nanjary mpangalatra izy ireo.

Azo hamarinina ve ny halatra satria hoe mahantra ilay mpangalatra na hoe manam-be ilay angalarana? (Ohab. 6:30, 31, NW; 1 Pet. 4:15).

Moa ve kely kokoa ny tsiny satria hoe fanao mahazatra eo amin’ny manodidina antsika ny halatra, na koa hoe zavatra madinika ilay nalaina? (Rom. 12:2; Efes. 4:28; Lioka 16:10).

14, 15. a) Amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, fitsapana inona moa no hihatra amin’ny olombelona rehetra? b) Amin’ny ahoana ny ataontsika ankehitriny no hisy vokany eo amin’ny hanjo antsika amin’izay?

14 Mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, dia ho ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa i Satana sy ireo demoniany, tsy ho afaka ny hitaona ny olombelona. Ho fanamaivanana toy inona moa izany! Aorian’ireo arivo taona ireo anefa, dia hovahana mandritra ny fotoana kelikely izy ireo. I Satana sy ireo manaraka azy dia hampihatra fanerena amin’ireo “olona masina”, dia ireo anisan’ny taranak’olombelona tonga amin’ny fahatanterahana indray ka mihazona ny tsy fivadihany. Handroso hanao ady hamelezana “ny tanàna malala”, dia ilay Jerosalema Vaovao any an-danitra, izy amin’ny fanandramana ny hanaisotra ilay fahamarinana ho naorin’izy io teto an-tany. — Apok. 20:7-10.

15 Azo ampoizina tokoa fa, toy ny tamin’ny lasa, dia hampiasa fitaka i Satana, ary hampiasa koa ny fitiavan-tenan’ny olona sy ny avonavony mba hitaomana azy ireo hanao zavatra mampiseho fivadihana amin’i Jehovah. Raha tombontsoantsika ny ho velona amin’izay, hanao ahoana ny fihetsiky ny tenantsika? Ho aiza ny fontsika raha ny amin’ilay raharaha mahakasika izao rehetra izao? Koa satria ho tanteraka ny olombelona rehetra amin’izay, izay asa rehetra maneho fivadihana dia hiniana hatao ary hitarika ho amin’ny fandringanana mandrakizay. Mba hisehoantsika tsy hivadika amin’izay àry, dia iankinan’ny aina ny hambolentsika dieny izao, fahazarana hankatò avy hatrany sy amin’ny fomba manorina, izay fitarihana rehetra omen’i Jehovah antsika, na amin’ny alalan’ny Teniny izany, na amin’ny alalan’ny fandaminany! Rehefa manao izany isika, dia mampiseho ny fifikirantsika aminy amim-pahatsorana, amin’ny fanekena azy ho Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao.

Famerenana

● Inona moa ilay raharaha lehibe izay tsy maintsy atrehin’ny zavatra noforonina rehetra? Tamin’ny fomba ahoana isika no nanjary tafiditra tamin’izany?

● Inona no mampiavaka ny fomba nanehoan’ny tsirairay tamin’ireo lehilahy sy vehivavy aseho eo amin’ny pejy faha-49 tsy fivadihana teo anatrehan’i Jehovah?

● Nahoana no iankinan’ny aina ny fitandremana isan’andro mba hanome voninahitra an’i Jehovah amin’ny fitondran-tenantsika?

[Sary, pejy 49]

Niaro ny fiandrianan’i Jehovah izy ireo

Noa

Saraha

Mosesy

Josefa

Joba

Ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’ny ohatra nomeny?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara