FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • uw toko 5 p. 38-45
  • Ny Fahafahan’ireo Mpivavaka Amin’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fahafahan’ireo Mpivavaka Amin’i Jehovah
  • Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny hahitana fahafahana
  • Ny faniriana mafy hahazo karazana fahafahana hafa
  • Izay anombohan’ny zava-manahirana
  • Fahafahan’ireo Mpivavaka Amin’i Jehovah
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Ahoana no Hahazoana ny Tena Fahafahana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Vahoaka Afaka fa Ampamoahina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Aza Diso ny Zava-kendren’ny Fahafahana avy Amin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
Hijery Hafa
Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
uw toko 5 p. 38-45

Toko 5

Ny Fahafahan’ireo Mpivavaka Amin’i Jehovah

1, 2. a) Karazana fahafahana manao ahoana moa no nomen’Andriamanitra ny mpivady olombelona voalohany? b) Lazao ny sasantsasany amin’ireo lalàna nanapaka ny amin’ny zavatra nataony.

REHEFA namorona ny mpivady olombelona voalohany i Jehovah, dia nanome azy ireo fahafahana nihoatra lavitra noho izay mety hananan’ny olombelona amin’izao andro izao. Paradisa ny fonenan’izy ireo. Tsy nisy aretina nanimba ny fankafizany ny fiainana. Tsy niandry azy ny fahafatesana. Kanefa mba hanohizany hanana izany fahafahana izany, dia tena zava-dehibe ny hanajany ireo lalàn’Andriamanitra.

2 Mety ho tsy nambara mivantana ny sasany tamin’izany lalàna izany, kanefa ny fomba namoronana an’i Adama sy i Eva dia nahatonga ho ara-dalàna tsotra izao ny fankatoavany azy ireo. Araka izany, ny fahatsapana hanoanana dia nilaza taminy fa nila ny hisakafo izy; ny hetaheta, fa nila ny hisotro izy. Ny fodian’ny masoandro dia nampirisika azy haka ny fialan-tsasatra sy ny torimaso nilainy. Niresaka taminy koa i Jehovah ary nanome azy asa hataony. Raha ny tena izy, izany asa nanendrena azy hataony izany dia lalàna satria hanapaka ny amin’izay lalana harahin’izy ireo. Kanefa lalana nampiseho hatsaram-panahy sy nitondra soa toy inona moa izany! Izany dia nanome azy ireo asa nitondra fahafaham-po lalina ary nahatonga azy ireo ho afaka hampiasa ny fahaizany tamin’ny fomba feno sady nahasoa azy. Natao hanan-janaka koa izy ireo, hampihatra fahefana tamin’ireo biby teto an-tany ary hanitatra tsikelikely ny sisin-tanin’ny Paradisa mandra-pandrakony ny planeta manontolo. (Gen. 1:28; 2:15). Tsy nanafotra azy ireo tamin’ny tsipirian-javatra tsy nilaina Andriamanitra, fa namela azy hanana fahafahana malalaka mba hanaovany fanapahan-kevitra kosa. Zavatra hafa inona indray no mety hotadiavina mihoatra noho izany?

3. Inona no afaka nanampy an’i Adama hampiasa amim-pahendrena ny fahafahany rehefa hanao fanapahan-kevitra?

3 Mazava ho azy fa, rehefa nomena ny tombontsoa hanao fanapahan-kevitra i Adama, izany akory tsy nilaza fa izay fanapahan-kevitra rehetra mety hataony, na inona izany na inona, dia hitondra vokatra tsara avokoa. Narahina andraikitra ny fahafahana nananany. Afaka nandray fianarana avy tamin’ny fihainoana ny Rainy any an-danitra sy ny fandinihana ny asa nataony izy. Ankoatra izany, dia nomen’Andriamanitra fahiratan-tsaina izay hahatonga azy hampihatra izay nianarany i Adama. Koa satria i Adama noforonina “araka ny endrik’Andriamanitra”, ny fironany voajanahary dia ny hanome taratr’ireo toetran’Andriamanitra rehefa hanao fanapahan-kevitra izy. Hitandrina ny hanao izany tokoa izy raha velom-pankasitrahana marina noho izay nataon’Andriamanitra ho azy ary raha naniry ny hanao izay sitrak’Andriamanitra. — Gen. 1:26, 27; ampitahao amin’ny Jaona 8:29.

4. a) Moa ve nanala tamin’i Adama ny fahafahany ilay baiko nisy fameperana nomena azy? b) Nahoana no nety indrindra io fepetra notakina taminy io?

4 Mba hampahatsiahivana ny olombelona fa niankina tamin’ny Mpamorona sady Mpanome ny Fiainana azy izy, dia nanome azy izao baiko izao i Jehovah: “Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” (Gen. 2:16, 17). Moa ve io lalàna io nanala tamin’ny olombelona ny fahafahany? Tsy izany mihitsy. Nanana fahafahana hankatò na tsy hankatò i Adama. Tsy nametraka enta-mavesatra taminy io fandrarana io. Mbola nanana sakafo tondraka izy na dia tsy nikasika io hazo iray io aza. Kanefa nety indrindra ny hanekeny fa ny tany niainany dia an’Andriamanitra ary koa fa, amin’ny maha-Mpamorona azy, Andriamanitra dia manana ny zo ho Mpanapaka ny zavatra noforoniny. — Sal. 24:1, 10.

5. a) Tamin’ny fomba ahoana no namoizan’i Adama sy i Eva ilay fahafahana be voninahitra nananany? b) Inona no naka ny toeran’izy io, ary inona no vokany teo amintsika?

5 Inona anefa no nitranga? Natosiky ny fanirian-daza feno fitiavan-tena ny anjely iray ka namitaka an’i Eva tamin’ny fisehoana ho mpitari-dalana mendri-pitokiana ary nanome antoka azy ny amin’ny zavatra iray nifanipaka tamin’ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy nankatò ny Rainy i Adama fa nanaraka an’i Eva kosa tamin’io fandikan-dalàna io. Tamin’ny fitadiavana haka zavatra izay tsy azy, i Adama sy i Eva dia namoy ny fahafahana be voninahitra nananany. Nanjary tompon’izy ireo ny ota ary, araka ny nampitandreman’Andriamanitra azy ireo, dia tena niandry azy ireo tokoa ny fahafatesana. Ho vokatr’izany, lova inona no navelany ho an’ny taranany? Ny ota, izay hita miharihary amin’ny fironana voajanahary hanao ny ratsy, amin’ny fahalemena izay mahatonga ny olona iray ho mora voan’ny aretina ary amin’ny fihasimbana amin’ny farany noho ny fahanterana. Anisan’ny nolovany koa ny fahafatesana. Ny fironana nolovana hanao ny ratsy, hamafisin’ny fitaoman’i Satana, dia niteraka fiaraha-monina izay ahitana fa nanjary tsy azo ianteherana sady tandindomin-doza lava ny fiainan’ny rehetra. Endre ny fifanoheran’izany amin’ny fahafahana nomen’Andriamanitra ny olombelona tany am-boalohany! — Rom. 5:12; Joba 14:1; Apok. 12:9.

Ny hahitana fahafahana

6. a) Aiza no mety hahitana ny tena fahafahana? b) Karazana fahafahana manao ahoana moa no noresahin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 8:31, 32?

6 Noho ireo toe-piainana manjaka amin’izao andro izao, dia tsy mahagaga raha maniry fahafahana bebe kokoa ny olona. Aiza anefa no mety hahitana ny tena fahafahana? Nilaza toy izao i Jesosy Kristy: “Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” (Jaona 8:31, 32). Izany fahafahana izany akory tsy ilay karazana fahafahana voafetra izay antenain’ny olona ho azo rehefa manolo ny mpanapaka ara-politika iray na endri-pitondram-panjakana iray amin’ny hafa iray izy. Mankany amin’ny fototr’ireo zava-manahirana ny olombelona mihitsy izy io. Ilay noresahin’i Jesosy dia fahafahana amin’ny ota, fahafahana amin’ny fanandevozan’ny ota. (Jereo Jaona 8:24, 34-36.) Noho izany, raha tonga mpianatr’i Jesosy Kristy marina ny olona iray, izany dia miteraka fiovana miavaka eo amin’ny fiainany, fahafahana.

7. a) Amin’ny heviny ahoana àry isika no afaka amin’ny ota dieny ankehitriny? b) Mba hahazoana izany fahafahana izany, inona no tsy maintsy ataontsika?

7 Izany akory tsy milaza fa ankehitriny dia efa tsy mahatsapa intsony ireo vokatry ny fironana voajanahary hanota ny Kristiana marina. Mifanohitra amin’izany kosa aza fa misy ady tsy maintsy ataony noho izy io. (Rom. 7:21-25). Kanefa, raha tena miaina mifanaraka amin’ireo fampianaran’i Jesosy ny olona iray, dia tsy handevozin’ny ota intsony. Tsy ho toy ny mpanjaka manome baiko tokony hankatoavina intsony ny ota ho azy. Tsy ho voahidy ao anatin’ny fomba fiaina tsy misy zava-kendrena sady mampijaly ny feon’ny fieritreretany intsony izy. Hanana feon’ny fieritreretana madio eo anatrehan’Andriamanitra izy satria efa navela ny fahotany tamin’ny lasa, miorina amin’ny finoany ny soron’i Kristy. Mety hitady hanery azy ny fironana hanota, kanefa rehefa tsy manaiky ho resin’izany izy, satria mahatsiaro ireo fampianarana madion’i Kristy, dia hampiseho amin’izany fa tsy manjaka eo aminy ny ota. — Rom. 6:12-17, NW.

8. a) Fahafahana fanampiny inona koa no omen’ny Kristianisma marina antsika? b) Inona no tokony ho vokatr’izany eo amin’ny fihetsitsika eo anoloan’ireo mpanapaka eo amin’izao tontolo izao?

8 Amin’ny maha-Kristiana antsika, dia manana fahafahana lehibe isika. Nafahana tamin’ireo vokatry ny fampianaran-diso, tamin’ny fanandevozan’ny finoanoam-poana sy ny ota, isika. Ireo fahamarinana mahatalanjona momba ny toetran’ny maty sy ny fitsanganana amin’ny maty dia nanafaka antsika tamin’ny tahotra tsy azo fehezina ny fahafatesana mahery vaika izay manosika ny olona hampangina ny fieritreretany. Ny fahalalana fa hisolo toerana ireo fitondram-panjakan’olombelona tsy tanteraka ny Fanjakana marin’Andriamanitra dia manafaka antsika amin’ny tsy fananana fanantenana. Kanefa izany fahafahana izany dia tsy manamarina ny tsy firaharahana ny lalàna na ny tsy fanajana ireo manam-pahefan’ny fitondram-panjakana satria hoe hanjavona tsy ho ela ity fandehan-javatra tranainy ity. — 1 Pet. 2:16, 17; Titosy 3:1, 2.

9. a) Ahoana no anampian’i Jehovah amim-pitiavana antsika hanana fahafahana betsaka araka izay mety hananan’ny olombelona ankehitriny? b) Rehefa manao fanapahan-kevitra isika, ahoana no azontsika ampisehoana fa azontsika mazava tsara ny vokatry ny fampiasan’i Adama ny fahafahany tamin’ny fomba ratsy?

9 Tsy mamela antsika hitady samirery amin’ny alalan’ny fanandramana sy ny fahadisoana ataontsika, izay fomba fiaina tsara indrindra, i Jehovah. Fantany ny fomba nanaovana antsika, ny hoe inona no hitondra fahafaham-po marina sy fahatsapana fahamendrehan’ny tena ary soa maharitra indrindra ho antsika. Fantany koa ny fandaharam-potoanan’ny tenany manokana mba hanatanterahana ny fikasany. Noho izany, dia fantany koa ireo asa mendrika indrindra ny hanaovantsika azy. Fantany tsara koa ireo eritreritra sy fitondran-tena izay mety hampietry ny olona iray na hanimba ny fifandraisany amin’ny hafa, na hisakana azy mihitsy tsy hahazo ireo fitahiana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Mampahafantatra antsika amim-pitiavana momba ireo zavatra ireo amin’ny alalan’ny Baiboly sy ny fandaminany hita maso izy. (Gal. 5:19-23; Marka 13:10; ampitahao amin’ny 1 Timoty 1:12, 13.) Avy eo dia anjarantsika ny manapa-kevitra, amin’ny fampiasana ny safidy malalaka nomen’Andriamanitra antsika, ny amin’ny fihetsitsika eo anatrehan’izany. Raha nandray am-po izay lazain’ny Baiboly amintsika momba ny namoizan’i Adama ny fahafahana nomena ny olombelona tany am-piandohana isika, dia hanao izany fanapahan-kevitra izany amim-pahendrena. Hampiseho isika fa ny fifandraisana tsara amin’i Jehovah no zavatra ahintsika lehibe indrindra eo amin’ny fiainana.

Ny faniriana mafy hahazo karazana fahafahana hafa

10. Karazana fahafahana manao ahoana no notadiavin’ny sasany izay nilaza tena ho Kristiana?

10 Indraindray ny tanora sasany notezain’ny ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah, ary koa ny hafa efa lehibe kokoa, dia mihevitra fa mila karazana fahafahana hafa izy ireo. Mety ho toa hanintona erỳ izao tontolo izao, ary arakaraka ny hieritreretan’izy ireo azy io no hitomboan’ny faniriany hanao ireo zavatra ataon’ny olona eo amin’izao tontolo izao. Mety tsy hanam-pikasana ny hampiasa zavatra mahadomelina, hisotro tafahoatra na hijangajanga izy ireo. Kanefa manomboka mandany ny fotoanany aorian’ny fianarana na aorian’ny fiasana miaraka amin’ireo mpiray kilasy na mpiara-miasa eo amin’izao tontolo izao izy ireo. Mazava ho azy fa maniry ny heken’ireo namany vaovao izy ireo, ka manomboka manahaka ny fomba fiteniny sy ny fitondran-tenany. — 3 Jaona 11.

11. Avy aiza indraindray no iavian’ny fitaomana hanao izany?

11 Indraindray dia avy amin’ny olona hafa iray milaza ho manompo an’i Jehovah ny fitaomana hanaraka fitondran-tena araka an’izao tontolo izao. Izany no nitranga tany Edena rehefa namitaka an’i Eva i Satana, ary avy eo dia rehefa nampirisika an’i Adama hanaraka ny nataony i Eva. Marina koa izany teo amin’ireo Kristiana voalohany, ary mbola mitranga ihany koa amin’izao androntsika izao. Ny olona toy izany matetika dia tia ny fahataitairana ary maniry zavatra mitondra fahafinaretana mafy. Mampirisika ny hafa mba “hampifaly tena” izy ireo. ‘Fahafahana no ampanantenainy, kanjo ny tenany aza dia andevon’ny fahalotoana.’ — 2 Pet. 2:18, 19.

12. a) Inona avy ireo vokatra mampalahelon’ny fitondran-tena araka an’izao tontolo izao? b) Na dia mahalala ny ho vokany aza ireo izay manao izany zavatra izany, nahoana izy ireo no mikiry manao izany ihany?

12 Tsy mahafinaritra ny vokany. Miteraka fikorontanana ara-pihetseham-po ny firaisana tsy ara-dalàna. Mety hitarika ho amin’ny aretina koa izany, ho amin’ny fananana anaka tsy irina ary angamba ho amin’ny faharavan’ny fanambadiana. (Ohab. 6:32-35; 1 Kor. 6:18; 1 Tes. 4:3-8). Ny fampiasana zavatra mahadomelina dia mety hahatonga ho mora sosotra, tsy hahay hiteny mazava, hahita amin’ny fomba manjavozavo, ho fanina, tsy ho afa-miaina, hahita zavatra tsy misy akory ary ho faty mihitsy aza. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 23:29-35.) Mety hiteraka fahazarana aminy tsy mety afaka izany, ka izany indray dia hitarika ho amin’ny heloka bevava mba hanomezana fahafaham-po an’io fahazarana io. Ireo izay manaraka fitondran-tena toy izany mazàna dia mahafantatra izay mety ho fiafarany. Kanefa ny faniriany mafy hahatsapa fahataitairana sy fahafinaretan’ny nofo, dia mahatonga azy ireo hanidy ny sainy amin’izay ho vokany. Mampino tena izy ireo fa fahafahana izany, kanefa hitany avy eo, rehefa diso aoriana loatra, fa andevon’ny ota izy ireo, ary tompo lozabe toy inona moa ny ota! Ny fieritreretana momba izany ankehitriny dia afaka manampy antsika hiaro tena mba tsy hiharan-javatra toy izany. — Gal. 6:7, 8.

Izay anombohan’ny zava-manahirana

13. a) Inona matetika no mamelona ny faniriana miteraka ireo zava-manahirana ireo? b) Mba hahatakarana izay atao hoe “fifaneraserana ratsy”, ny fomba fihevitr’iza moa no ilaintsika? d) Rehefa mamaly ireo fanontaniana eo amin’ny faran’ny fehintsoratra ianao, dia asongadino ny fomba fihevitr’i Jehovah. Raiso tsirairay ireo fanontaniana.

13 Miatoa kely ary mieritrereta momba ny hoe aiza matetika no manomboka ireo zava-manahirana ireo. Manazava toy izao ny Baiboly: “Samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filany sy fitahiny izy. Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.” (Jak. 1:14, 15). Inona anefa no mamelona ireo faniriana ireo? Izay miditra ao an-tsaina, ary matetika izany dia vokatry ny fifaneraserana amin’ny olona tsy mampihatra fotopoto-pitsipika ara-baiboly. Mazava ho azy fa isika rehetra dia mahalala fa tokony handositra ny “fifaneraserana ratsy” isika. Ny fanontaniana anefa dia izao: Inona no atao hoe fifaneraserana ratsy? Inona no fomba fihevitr’i Jehovah momba izany? Ny fanjohiana hevitra momba ireto fanontaniana sy andinin-teny manaraka ireto dia tokony hanampy antsika ho tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra tsara.

Moa ve ny fisehoan’ny olona sasany ho mendri-kaja milaza fa tsara ifaneraserana izy ireo? (Ampitahao amin’ny Genesisy 34:1, 2, 18, 19.)

Moa ve ny resaka, angamba ny vazivazy ataony, mampiseho fa afaka ny ho anisan’ny namany akaiky isika? (Efes. 5:3, 4).

Misy antony tokony hampanahy antsika ve raha hita fa tsy mino ireo zavatra inoantsika momba ny fikasan’Andriamanitra izy ireo? (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 15:12, 32, 33.)

Hanao ahoana ny fihetseham-pon’i Jehovah raha mifidy ny hifanerasera amin’olona tsy tia azy isika? (Ampitahao amin’ny 2 Tantara 19:1, 2.)

Na dia miara-miasa na miara-mianatra amin’ny tsy mpino aza isika, ahoana no ahafahantsika manaporofo fa tsy mifidy azy ireo ho namana ifaneraserantsika isika? (1 Pet. 4:3, 4).

Ny fijerena televiziona, sy ny famakiana boky, gazetiboky ary gazety koa dia fomba ifaneraserana amin’ny hafa. Ny karazana inona amin’ireo zavatra ireo no ilana fitandremana indrindra amin’izao andro izao? (Ohab. 3:31; Isaia 8:19; Efes. 4:17-19).

Milaza inona amin’i Jehovah momba ny karazan’olona maha-isika antsika moa ny fifidianantsika ireo ifaneraserantsika? (Sal. 26:1, 4, 5; 97:10).

14. Fahafahana mahatalanjona inona no eo anoloan’ireo izay mampihatra amim-pahatokiana ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra ankehitriny?

14 Efa tena eo anoloantsika ny Fandaharan-javatra Vaovaon’Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny Fanjakany, dia hafahana amin’ny fitaomana manandevon’i Satana sy ny fandehan-javany ratsy manontolo, ny olombelona. Hesorina tsikelikely amin’ny olombelona ny vokatry ny ota rehetra. Hivelatra eo anoloan’izy ireo ny fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa. Amin’ny farany dia ho azon’ny zavatra noforonina rehetra ny fahafahana izay hifanaraka tanteraka amin’ny “fanahin’i Jehovah”. (2 Kor. 3:17, NW ). Ho araka ny fandrindran-kevitra ve ny hamoizana izany rehetra izany noho ny tsy firaharahana ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra amin’izao fotoana izao? Amin’ny fomba fampiasantsika ny fahafahana kristiana ankehitriny, dia enga anie isika rehetra hampiseho mazava tsara fa tena maniry tokoa “ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” isika. — Rom. 8:21, NW.

Famerenana

● Karazana fahafahana manao ahoana no nananan’ny mpivady olombelona voalohany? Nanao ahoana izany raha oharina amin’izay fantatry ny olombelona ankehitriny?

● Mifanohitra amin’ny hitan’izao tontolo izao, fahafahana inona no ananan’ny tena Kristiana? Ahoana no hetezan’izany?

● Inona no vokany tsy maintsy zakain’ireo izay mikatsaka ny karazana fahafahana ananan’izao tontolo izao?

● Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny hanalavirana ny “fifaneraserana ratsy”? Tsy toa an’i Adama, fa ny fanapahan-kevitr’iza momba izay ratsy no ekentsika?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara