FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/12 p. 29-31
  • Lahateny araka ny Baiboly manome voninahitra an’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Lahateny araka ny Baiboly manome voninahitra an’i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny toe-tsaina tsara
  • Anton-javatra telo tena lehibe
  • Valin’ireo Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Ahoana no Hahaizako Mandaha-teny?
    Mifohaza!—2004
  • Fandraisan-tsoa avy Amin’ny Lahateny Ampahibemaso Nohavaozina
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Nampirisihina Hanatanteraka ny Asany Ireo Mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/12 p. 29-31

Lahateny araka ny Baiboly manome voninahitra an’i Jehovah

JESOSY KRISTY izay niresaka matetika tamin’ny mpihaino maro be, dia tsy azo lavina fa mpandahateny tsy nanam-paharoa. Tamin’ny fifaranan’ny Toriteniny nalaza teo an-tendrombohitra tokoa, “dia talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany”. (Matio 7:28.) Tsy isalasalana fa ny Zanak’Andriamanitra dia netsehin’ny antony tsara indrindra ka ireo lahateniny dia nanome voninahitra ny Rainy any an-danitra. — Jereo Jaona 12:46-50.

Ireo mpianatr’i Jesosy voalohany koa dia nitory ny vaovao tsara ampahibemaso. Araka izany, tany Korinto, ny apostoly Paoly dia “niady hevitra isan-tSabata tao amin’ny synagoga (...) ka nampanaiky ny Jiosy sy ny jentilisa”. Nanao izao fampaherezana izao tokoa izy ho an’i Timoty mpiara-niasa taminy: “Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana.” (I Timoty 4:13). Hita àry fa ireo famakian-teny sy lahateny ampahibemaso, atao noho ny antony mendri-kaja, dia nanana ny toerany teo amin’ireo mpanompo mahatokin’i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany.

Na dia ao aza izany rehetra izany, dia ilaina ny fahamalinana. Indray andro Heroda, nitafy ny fitafiam-piandrianany, dia nanomboka nikabary tamin’ny vahoaka raha nanomboka niantsoantso ireo hoe: “Feon’Andriamanitra izany, fa tsy an’olona!” Niaraka tamin’izay, dia namely azy ny anjelin’i Jehovah. Nahoana? “Satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra izy.” — Asan’ny apostoly 12:21-23.

Ny toe-tsaina tsara

Amin’izao andro izao, ireo kristiana matotra izay manao lahateny ampahibemaso dia azo antoka fa mihevitra izany adidy izany ho tombontsoa tsy hay tombanana. Ho tsara anefa ny handinihan’ny tsirairay avy amin’ireny minisitra ireny ny fony mba hahafantarana hoe inona no tena antony manosika azy (Genesisy 8:21; Jeremia 17:9). Moa ve izany mikendry ny hanome voninahitra an’Andriamanitra sy hitondra zavatra ho an’ireo rahalahiny kristiana mbamin’ny olon-kafa? Sa mifaly indrindra kosa izy manana anjara amin’ny “lazan’ny mpandahateny” ka afaka manintona ny saina ho amin’ny tenany?

Raha manana antony tsara manosika isika, izany dia hiseho amin’ny fomba maromaro. Voalohany indrindra, dia hiaiky isika fa tena mila ny fanahin’i Jehovah mba hahavitana ny adidy natao hiresahana ny fahamarinan’Andriamanitra ampahibemaso. Amin’izany isika dia hanaraka fihetsika sahala amin’ny an’ny apostoly Petera izay nanoratra hoe: “Raha misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’Andriamanitra; raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’Andriamanitra azy; mba hankalazana an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.” — I Petera 4:11.

Ny fitiavana no tokony hanosika antsika hiresaka ny Baiboly ampahibemaso. Voalohany indrindra, dia ny fitiavana an’i Jehovah, izay hampirona antsika hanome voninahitra azy sy hanamasina ny anarany. Manaraka izany dia ny fitiavana an’ireo mpihaino antsika, izay hiseho amin’ny faniriana mafy hampianatra azy ireny sy hanosika azy hanao “asam-pitondrantena masina” sy “asam-pitiavam-pivavahana”. — II Petera 3:11, MN.

Mety ny haniriantsika fatratra amin’ny fontsika rehetra hampandroso ny mpiara-belona amintsika amin’ny ankapobeny, indrindra fa ireo rahalahintsika ao amin’ny finoana. Raha izany no izy, dia tsy hitady izay ‘hampangidihidy sofina’ an’ireo izay mihaino antsika isika amin’ny tsy filazana aminy afa-tsy izay iriny ho re (II Timoty 4:3). Ny finiavana hanatanjaka ara-panahy ny hafa dia hisakana antsika tsy hanao vazivazy na “teny tsara” mba hanala sorisory na hampihomehy azy ireny fotsiny. Tsy hampiasa fiteny namboamboarina koa isika na hanandrana hampideradera ny fahendrentsika mba hanaitra ny sain’izy ireny. Raha tena antony tsara manosika tokoa no mitarika antsika hiteny ampahibemaso, dia harahintsika kosa ny ohatra nomen’ny apostoly Paoly, izay nanolotra ho an’ireo mpihaino azy ‘fanehoan’ny Fanahy sy ny hery, mba tsy hiorenan’ny finoan’izy ireo amin’ny fahendren’ny olona, fa amin’ny herin’ny herin’Andriamanitra ihany’. — I Korintiana 2:3-5.

Anton-javatra telo tena lehibe

Ny fanaovana lahateny araka ny Baiboly iray dia sady avy amin’ny fo no avy amin’ny saina. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ireo mpandahateny kristiana dia tsy afaka mianina amin’ny fanarahana fihetsika tsara. Tokony hanan-javatra mahaliana holazaina koa izy ireo. Amin’izany dia ilaina ny hiheverana anton-javatra telo tena lehibe, dia ny Baiboly, ny fahamarinana sy ny fandrindran-kevitra.

Voalohany indrindra, dia zava-dehibe ny hahatsiarovana fa ny fototry ny famelabelarana araka ny Baiboly iray dia ao amin’ny tenin’ny Soratra Masina ampiasain’ny mpandahateny foana. Rehefa tsy maintsy manao lahateny àry ianao dia tokony hampiasainao tsara ny foto-kevitrao mba hahaizana, tsy hoe hanonona andinin-teny ao amin’ny Baiboly ihany, fa mba hamakiana izany amin’ny fomba tsara koa sy hampiharana azy amin’ny fomba marina. Tamin’ny Pentekosta taona 33 ny apostoly Petera dia nampiasa imbetsaka ny Soratra Masina ho fanamafisana ny teniny (Asan’ny apostoly 2:14-41). Tetsy andaniny koa, i Paoly dia nanorina mafy ny fanambarany tamin’ny Tenin’Andriamanitra, araka ny nety ho tsapan’ireo Beriana (Asan’ny apostoly 17:10, 11). Apolosy koa dia “naneho marimarina tamin’ny Soratra Masina fa Jesosy no Kristy”, dia ilay Mesia nandrasana aoka izany. — Asan’ny apostoly 18:28.

Marina fa amin’izao andro izao, ny fototra ara-tsoratra masina amin’ireo lahateny ampahibemaso dia voalazalaza ao amin’ireo planina omen’ny Fikambanana Watch Tower. Kanefa tsy misy maha-ratsy mihitsy ny fampiasana andinin-teny amboniny na mifanitsy raha mifanaraka amin’ny foto-kevitra izany ka tsy atao tafahoatra loatra. Mba hanaovana izany, ny minisitra kristiana dia tokony hitandrina mba tsy ho efa lany andro ny fahalalany, satria mihamitombo ny fahazavana ara-panahy. Ohatra, tsy hanao fahadisoana izy hampihatra ny teny voarakitra ao amin’ny I Korintiana 2:9 amin’ny Paradisa ho avy, rehefa mampiharihary ny teny manodidina (I Ko 2 andininy faha-7 sy faha-10) fa izany dia mahakasika ireo zava-dalina amin’ny fahendren’Andriamanitra.

Faharoa manaraka izany, dia anjaran’ny mpandahateny tsirairay avy ny manamarina ny tsy fisian’ny fahadisoana amin’ny zava-nitranga tantarainy mba hanohanana ny heviny. Tsy tokony hampisalasala na oviana na oviana izany, indrindra fa raha fisehoan-javatra mahatalanjona. Fahendrena, raha tsy holazaina aza fa tena ilaina, ny hahazoana antoka fa tena mifanaraka amin’ny fahamarinana ny fanambarana ataony. Ny tsara indrindra dia ny fahafahana foana manonona loharanom-panazavana azo antoka raha sendra ka misy olona mametraka fanontaniana. Tamin’ny andro Pentekosta i Petera dia nampahatsiahy zava-nitranga fantatry ny rehetra. Nanaraka ny ohatra nomeny i Paoly tamin’ny lahateny notononiny tao amin’ny Areopago (na havoan’i Mars), tany Atena. — Asan’ny apostoly 2:22; 17:22, 23, 28.

Fahatelo, dia ilaina tanteraka ny hahaiza-mampifandrindra hevitra. Ny mpandahateny kristiana dia tokony hahay hampieritreritra ny mpihaino azy. Mariho izay nosoratana ny amin’i Paoly: “Ary izy niady hevitra tamin’ny Jiosy sy ny proselyta tao amin’ny synagoga sy tamin’izay tafavory tany an-tsena isan-andro.” (Asan’ny apostoly 17:17). Ao amin’ny lahateny ampahibemaso iray, ny fanjohin-kevitra dia tokony hifandrindra, tsotra, mazava sy mora harahina. Mba hahatongavana amin’izany vokatra izany, dia mahasoa tokoa ny hampiasana mpampikambana manamarika ny fifamatorana misy amin’izay nolazaina sy izay holazaina.

Koa raha atolotra anao ny fahafahana hanao lahateny ampahibemaso, dia ataovy izay hitanana toe-tsaina tsara. Ataovy izay hahazoana antoka fa feno fitiavana an’Andriamanitra sy ny namanao ny fonao. Manangòna andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina sy toe-javatra voaporofo, avy eo dia asehoy araka ny filaharana mifandrindra izany. Raha izany no ataonao, dia ho voamarina aminao ilay ohabolana manambara hoe: “Ny lelan’ny marina dia fanasitranana”. (Ohabolana 12:18). Ireo lahateny araka ny Baiboly ataonao tokoa dia samy fomba fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ary ‘famonjena ny tenanao sy izay mihaino anao’. — I Timoty 4:16.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara