Tsy Niahotra Izy Ireo Nanao Fanambarana
1 Ny anarantsika hoe Vavolombelon’i Jehovah dia mampahafantatra antsika sy milazalaza ny zavatra ataontsika. Vavolombelona manao fanambarana momba ireo toetra faran’izay tsaran’ilay Andriamanitsika, dia i Jehovah, isika. (Isaia 43:10, 12). Ny tsirairay dia tsy maintsy mandray anjara amin’io fanaovana fanambarana io raha tiany ny ho tonga mpikambana ao amin’ny kongregasiona. Ny fanaovana fanambarana dia atao voalohany indrindra amin’ny alalan’ny fanompoana ampahibemaso ataontsika. Anisan’izany ny fitsidihana olona isan-trano sy ny fanaovana fiverenana mitsidika ary ny fitarihana fampianarana Baiboly. Ampirisihina mafy ara-drariny isika rehetra mba hiezaka handray anjara feno amin’izany. — 1 Kor. 15:58.
2 Kanefa ny mpikambana sasany ao amin’ny kongregasiona dia voafetra raha ny amin’ny habetsahan’izay azony atao. Mety hitana azy ireo ao am-pandriana na ao an-trano ny aretina mafy na ny kilema. Mety hametraka fanakantsakanana lehibe ny havana manohitra. Mety hampiharan’ny rainy na ny reniny tsy mpino fameperana ny tanora iray. Mety hahatsapa ho tsy afa-manoatra ireo izay mipetraka any amin’ny faritra mitokana, tsy misy fitaterana. Mety hahatonga ireo saro-kenatra hisalasala ny fahasarotan-kenatra voajanahary. Ny mpitory sasany ao anatin’ireo tarehin-javatra ireo na ny mitovy amin’ireo dia mety hahatsapa fa tsy mahafeno ireo fepetra takina amin’ny Kristiana, satria latsaka lavitra noho izay ataon’ny hafa sy latsaka noho izay tena tiany hatao no vitany. Tsy misy antony tokony hanamavoan’izy ireo ny ezaka ataon’ny tenany. (Gal. 6:4). Afaka mahita fampiononana izy ireo amin’ny fahafantarana fa faly i Jehovah rehefa manao ny faran’izay azony atao izy ireo, na inona na inona tarehin-javatra misy azy ireo. — Lioka 21:1-4.
3 Fahitana fomba handraisana anjara: Fanandraman-javatra an’arivony maro no efa notantaraina nampiseho fa nisy olona tao anatin’ny toe-javatra sarotra, tsy namela ireo vato misakana hampijanona azy ireo tsy hanao fanambarana. Nampiasa ny fahaizany mahita hevitra izy ireo ka namorona fomba maro samihafa mba hanaovana fanambarana tsy ara-potoana. Ireo izay voatana ao an-trano dia nampiasa ny telefaonina mba hamohana varavarana hanaovany fanambarana. Ny mpitsidika tsirairay dia heverina ho toy ny olona mety hihaino. Na dia mety tsy ho afaka hanao fanambarana ao an-tranony aza ny vehivavy manambady iray eo anivon’ny fianakaviana manohitra, dia manararaotra ireo fahafahana hiresaka amin’ireo mpifanila trano na amin’olon-kafa hitany eo am-pisahanany ireo fanaony mahazatra isan’andro izy.
4 Mety horaran’ny rainy na ny reniny tsy mpino tsy handray anjara amin’ny fanaovana fanambarana ampahibemaso ataontsika ny tanora iray. Tsy hanaiky izany ho toy ny vato misakana tsy azo ihoarana izy, fa azony atao kosa ny mihevitra ireo mpiara-mianatra aminy sy ireo mpampianatra azy ho toy ny “faritaniny” manokana. Mety ho azony atao àry ny hanao fanambarana tsara dia tsara ary angamba aza hitarika fampianarana Baiboly. Olona maro mipetraka any amin’ny toerana mitokana no afaka nandray anjara, tamin’ny fanoratana taratasy. Ireo izay atosiky ny zotom-po kristiana dia hahita fomba foana tsy hahatongavana ho “malaina na tsy hahavokatra (...) amin’ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy Tompontsika”. — 2 Pet. 1:8.
5 Raha ny amin’ny fandraisantsika anjara amin’ny asa fanaovana fanambarana, dia namela fari-pitsipika iray mitovy ho an’ny rehetra i Jehovah, dia ny hoe tokony hataontsika “amin’ny fo” izany. (Kol. 3:23). Na dia tsy hitovy aza ny habetsahan’ny ora lanintsika sy izay tanterahintsika, ilay antony manosika fototra dia mitovy — fitiavana marina izay mipoitra avy amin’ny “fo manontolo”. (1 Tant. 28:9, NW; 1 Kor. 16:14). Raha manao ny faran’izay azontsika atao isika, dia tsy hanana na oviana na oviana antony hahatsapana fa tsy manana finoana isika na hoe tsy misy ilana antsika ao amin’ny kongregasiona, satria hoe kely no vitantsika. Toa an’i Paoly, dia afaka milaza araka ny marina isika fa ‘tsy niahotra isika nilaza ireo zavatra mahasoa na nampianatra ampahibemaso’. — Asa. 20:20, NW.