FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ssb hira 76
  • Jehovah no Namana Tsara Indrindra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Jehovah no Namana Tsara Indrindra
  • Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah
  • Mitovitovy Aminy
  • Afaka ny ho Naman’i Jehovah Ianao
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Tian’Andriamanitra ho Namany Ianao
    Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!
  • Aoka isika hamboly ny kanto indrindra amin’ny fisakaizana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Namana?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah
Ssb hira 76

Hira 76

Jehovah no Namana Tsara Indrindra

(Isaia 41:8)

1. Sakaizantsika Jehovah,

’Lay Tsy Mivadika.

Ny fiainana mandrakizay

Homeny antsika.

Adama sy Eva anefa

Tsy nankatò azy.

Kanefa ireo mahatoky

Dia ho sakaizany.

2. Abrahama nahatoky

Dia sakaizan’i Jah,

Nozahan-toetra, kanefa

Tsy mba nivadika.

Ninoany fa hatsangana

Ny lahitokany.

Koa tian’i Jehovah izy

Satria nahatoky.

3. Tena tia antsika Kristy,

Ka nanome ny ainy

Sy nampihavana antsika

Tamin’ilay Rainy.

Ny Devoly nitaona azy

Handa ny marina,

Fa izy tsy nivadika

Tamin’i Jehovah.

4. Jehovah Ray sy Jesosy

No tena namana.

Tena tiany tokoa ’sika,

Homeny fiainana.

Ireo tia ’zao tontolo izao

Dia fahavalony.

Aok’ isika hahatoky,

Mba ho sakaizany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara