-
Ireo zavatra fanao ivelan’ny fianaranaNy Sekoly sy ny Vavolombelon’i Jehovah
-
-
Vavolombelon’i Jehovah izay manana andraikitra ny hifidy na tsia ny hampidirana ny zanany amin’ny kilioba na fikambanana any an-tsekoly toy izao na izao, raha ilaina izany.
Fampisehoana tantara an-tsehatra: Tsy mampaninona ny Vavolombelon’i Jehovah velively ny filalaovana an-tsehatra. Ny fampisehoana tantara ao amin’ny Baiboly aza dia anisan’ny mahaforona ny fandaharan’ireo fivoriamben’ny distrika ataony. Kanefa ny ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah dia handinika lafin-javatra sasany alohan’ny hanapahana hevitra raha hamela ny zanany handray anjara amin’ny fampisehoana tantara an-tsehatra iray na tsia. Ohatra, moa ve izay asehon’ilay tantara mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly? Ireo tanora Vavolombelon’i Jehovah dia tsy handray anjara amin’ny fampisehoana iray izay mankasitraka fitondrantena melohin’ny Baiboly. Manaraka izany, tafiditra amin’ny zavatra tokony hoheverina koa ny fotoana ho lany amin’ny famerenana, ary ny fifandraisana amin’ny naman-dratsy. Noho izany àry, dia handinika ireo lafin-javatra ireo amim-pitandremana ny ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah mba hahafahany manapa-kevitra raha havelany handray anjara amin’ny fampisehoana tantara an-tsehatra iray ny zanany na tsia.
Fanomezana ra sy fanomezana hafa: Any amin’ny sekoly maro be dia angatahina indraindray ny mpianatra mba hanao fanomezana ho an’ny fikambanana itsy na iroa. Indraindray izany dia fanomezana ra izay hampiasaina amin’ny fampidiran-dra amin’ny marary. Kanefa, araka ny fahazoany ny Baiboly, ilay baiko hita ao ny amin’ny tokony ‘hifadiana ny ra’, dia mandidy anay sady tsy hihinana ra no tsy hampiasa azy amin’ny fomba hafa. Noho izany, noho ny antony momba ny fieritreretana, dia sady tsy manome ra izahay no tsy mandray ra koa. — Genesisy 9:4-6; Levitikosy 17:10-14; Asan’ny apostoly 15:19, 20, 28, 29.
Araka ireo antony efa nohazavaina tany aloha tato amin’ity bokikely ity ihany, raha misy fangatahana mba hanome vola ho fampandrosoana hevitra ara-politika iray, na ho amin’ny fankalazana fety ara-pivavahana iray, dia tsy hanao izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Toy izany koa, izy ireo dia tsy handray anjara amin’ny loteria, na amin’ny lalao mifandray amin’ny vintana, na izay misy filokana rehetra. Misy tarehin-javatra sasany anefa izay hanapahan’ny kristiana iray hevitra manokana ny amin’ny tokony handraisany anjara amin’ny fanomezana na tsia. Ohatra, raha misy mpiara-mianatra aminy maratra na marary ka misy fangatahana mba hanome vola hividianana voninkazo na fanomezana hafa ho azy, dia ho faly izy ny handray anjara amin’izany, arakaraka ny fahafahany. — Asan’ny apostoly 20:35.
-
-
Fampianarana any an-tsekolyNy Sekoly sy ny Vavolombelon’i Jehovah
-
-
Fampianarana any an-tsekoly
Ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia mety hisy vokany koa eo amin’ny fihetsiny eo anoloan’ny fampianarana omena any an-tsekoly. Izao manaraka izao àry dia natao mba hampitomboana ny fifanarahana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpampianatra sy ireo ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah, satria mino izahay fa ireo ray aman-dreny indrindra no tompon’andraikitra ny amin’izay tokony hampianarina ny zanany.
Fampianarana ara-pivavahana sy vavaka: Any amin’ny sekoly sasany dia tafiditra ao amin’ny fandaharana ny fampianarana ara-pivavahana. Nisy fotoana tany Etazonia izay nangatahana ny ray aman-dreny raha tiany ny hampianarana ny zanany ny fivavahana katolika, na protestanta na jiosy. Ny ankizy iray izay tsy nisoratra anarana ho amin’ny fampianarana ara-pivavahana dia voatery tsy maintsy nandao ny efitrano fianarana ka nanohy ny fianarany tany an-toeran-kafa. Kanefa, tamin’ny 1948, ny Fitsarana Tampony tany Etazonia dia nanapa-kevitra toy izao manaraka izao:
“Ny Fanovana Voalohany [ao amin’ny lalàm-panorenana amerikana] dia miankina amin’ny foto-kevitra fa na ny fivavahana na ny fanjakana dia samy afaka manatanteraka ny zava-kendreny ambony avy amin’ny fomba tsara indrindra raha samy apetraka amin’ny toerana misy azy avy ka avela tsy hifampiankina (...). Ny Fanovana Voalohany dia nanangana rindrina fampisarahana teo anelanelan’ny Fiangonana sy ny Fanjakana, rindrina izay tokony tsy ho azo dinganina.” — McCollum mifanohitra amin’ny Ministeran’ny fanabeazana (anglisy 1948).
Taty aoriana, tamin’ny fahafito ambin’ny folon’ny volana Jona 1963, ny Fitsarana Tampony any Etazonia dia nanohitra koa ny hisian’ny famakiana ny Baiboly sy vavaka ao amin’ny sekolim-panjakana. Ilay mpitsara atao hoe Brennan dia nanazava ny heviny toy izao: “Hatramin’ny voalohany, ny saina iorenan’ny lalàm-panorenan’ny tanintsika (...) dia namela ho an’ny ray aman-dreny ny fanapahan-kevitra ny amin’ny fampianarana ara-pivavahana.”
Eken’ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny ray aman-dreny no manana andraikitra hanome fampianarana ara-pivavahana ho an’ny zanany. Noho izany, raha misy fampianarana ara-pivavahana any an-tsekoly, dia mangataka izy ireo ny mba tsy hanatrehan’ny zanany izany. Raha ohatra amin’izany fampianarana ara-pivavahana izany ka misy fombafomba ara-pivavahana izay heverinay fa mifanohitra amin’ny Baiboly, toy ny fiankohofana eo anoloan’ny sary, dia tsy manaiky ny handraisan’ny zanany anjara amin’izany na oviana na oviana ny ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah.
Kanefa kosa, raha misy lesona izay mandinika amin’ny saina tsy miangatra fivavahana isan-karazany na ny Baiboly mihitsy aza dia tsy mandà izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Koa raha manasa solontenan’antokom-pivavahana samy hafa ny sekoly iray, tsy mba hampiova finoana akory fa mba hanome fanazavana ny amin’ny fivavahany ho an’ireo mpianatra fotsiny, dia hihaino azy amim-panajana ireo mpianatra Vavolombelon’i Jehovah. Raha asaina toy izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah, dia ho faly tokoa izy ireo ny hanome fanazavana ny amin’ny zavatra inoany eo anoloan’ny kilasy iray.
Any amin’ny sekoly sasany dia averimberina matetika amin’ny fotoana voatendry ny vavaka nampianarin’ny Tompo na “Rainay izay any an-danitra”. Na dia manaiky io vavaka io aza ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mandray anjara amin’izany famerimberenana ara-pomba izany izy. Raha manao izany izahay dia satria tamin’ny fotoana nanomezany io vavaka faka tahaka io ihany dia nananatra i Jesosy ny amin’ny tsy tokony hamerimberenana ‘teny maro foana’ rehefa mivavaka (Matio 6:7, 8). Ny antony hafa tsy anaovanay izany koa dia ny tsy fandraisanay anjara amin’ny fotoam-pivavahana rehetra atao ho fanakambanam-pinoana.
Fampianarana ny amin’ny maha-lahy sy maha-vavy: Ny fahasalamana sy ny fitandremam-pahasalamana dia efa nampianarina hatramin’ny ela be ao amin’ireo sekolim-panjakana. Ankasitrahanay ireny lesona ireny satria mampianatra ny hasarobidin’ny fahadiovana, ny fiarovana amin’ny aretina, ny fikarakarana ny zaza, ny andraikitra ao amin’ny fianakaviana, sy ny sisa. Amin’izao fotoana izao anefa, dia sekoly maro be no manome koa fanazavana amin’ny antsipiriany momba ny maha-lahy sy maha-vavy, anisan’izany ny fomba tsy hiterahana, ny fikasikasihana ny faritra maha-lahy na maha-vavy (masturbation), ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy ary ny fanalana zaza.
Izany fampianarana ny amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy izany mazàna dia tsy mifototra amin’ny fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena velively. Matetika aza ireo mampianatra ny amin’izany no manakiana ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondrantenan’ny Baiboly. Tian’ireo ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah ho fantatra tsara àry izay ampianarina amin’ireny lesona momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy ireny.
Ny boky iray ampiasain’ny sekoly sasany, mitondra ny lohateny hoe Dreng og pige, mand og kvinde (Ankizilahy sy ankizivavy, lehilahy sy vehivavy) dia milaza toy izao: “Ny tsirairay avy dia tokony hanana ny zo hanatanteraka ny filany eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy na firy taona izy na firy taona, na lahy izy na vavy ary amin’izay fomba itiavany azy, raha mbola tsy manitsaka ny zon’ny sasany koa izy”. Raha ny amin’ny fandriana amin’ny biby àry, dia hoy io boky io ihany: “Amin’ity tanàna ity [Danemarka], (...) dia araka ny lalàna ny manatanteraka ny fanirian’ny tena eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy amin’izany fomba izany”. Hoy anefa ny lalàn’Andriamanitra tamin’ny Isiraely: “Izay rehetra mandry amin’ny biby dia hatao maty tokoa”. — Eksodosy 22:18.
Araka ny efa nanipihana azy teo aloha, ny Vavolombelon’i Jehovah dia miezaka hanaraka ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondrantenan’ny Baiboly sy hampianatra izany an’ireo zanany. Noho izany dia tsy tiany raha ohatra olona tsy manaja izany fotopoto-pitsipika izany no mampianatra ny zanany ny amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Raha tsapan’ny ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah àry fa voaloto ny sain’ny zanany amin’ny alalan’ireo hevitra sy sary, izay manambany an-kitsirano izao ireo fitsipika ampianarina azy any an-trano, dia mety hangataka ny tsy hanatrehan’ny zanany ireo fampianarana momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy izy.
Ny siansa sy ny evaolisiona: Tena mahaliana ny Vavolombelon’i Jehovah tokoa ny siansa. Ankasitrahany tokoa ireo mpahay siansa manokan-tena ho amin’ny fikarohana izay nanampy be dia be antsika hahafantatra izao tontolo izao manodidina antsika. Amporisihinay ireo tanora eo aminay mba hianatra ireo lafiny samy hafa eo amin’ny siansa satria izany dia hanampy azy ireo hampitombo ny fankasitrahany ny fahendrena sy ny herin’ny Mpamorona antsika.
Kanefa tsy izay rehetra antsoina hoe siansa akory dia mifototra amin’ny zava-misy. Misy tsangan-kevitra sasany, ohatra, toy ny evaolisiona, izay lazaina fa zava-misy ara-tsiansa. Ny evaolisiona dia manantitrantitra fa ny zava-manan’aina voalohany dia nipoitra sy nivoatra avy amin’ny zavatra tsy manan’aina. Rehefa niteraka izany zava-manan’aina izany, ireo taranany dia niova miandalana mba hanome amin’ny farany ireo zava-manan’aina rehetra, anisan’izany ny olona rehetra izay niaina tetỳ ambonin’ny tany.
Tsy mino izany fiheverana izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mino koa anefa izahay ilay fiheverana mifanohitra amin’izany, izay milaza fa tao anatin’ny fito andro ara-bakiteny misy 24 ora no namoronan’Andriamanitra ny zava-drehetra. Ny zavatra inoanay dia ny hoe: noforonin’Andriamanitra ny lehilahy voalohany sy ny vehivavy voalohany, ary toy izany koa ny karazan-java-manan’aina hafa rehetra. Noho izany dia ankasitrahanay ireo mpampianatra izay manaja ny finoan’ireo tanora Vavolombelon’i Jehovah mifototra amin’ny Baiboly, rehefa misy fanazavana ny amin’ireo hevitra samy hafa ny amin’ny niandohan’ny zava-manan’aina atao any am-pianarana. Raha ny marina, dia mino izahay fa mifanaraka amin’ny zava-misy ara-tsiansa izany finoana izany, ary ho faly ireo tanora Vavolombelon’i Jehovah ny hampahafantatra izany aminao.
-