FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Miadia mafy”
    Ny Tilikambo Fiambenana—1986 | 15 Aprily
    • “Miadia mafy”

      “Miseseha [miadia mafy, MN ] hiditra amin’ny varavarana èty hianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka.” — LIOKA 13:24.

      1. Inona no irin’ny ankamaroan’olona?

      REHEFA nanontaniana an’i Robbie kely, enin-taona, ny antony nitiavany nankany amin’ny Efitrano Fanjakana, dia izao no navaliny: “Mianatra zavatra be dia be aho ny amin’i Jehovah sy ny amin’ny Paradisa hahafahako hiaina ela be mihitsy hiaraka amin’ny biby tsara fanahy.” Ampy fahalalana ireo fahazaran’ny ray aman-dreniny i Dustin, zanak’olo-mpiraitampo aminy, telo taona, mba hahalalana ho amin’ny fotoana toy inona izy no tokony hihiaka tampoka hoe: “Ho any amin’ny Efitrano Fanjakana aho!” Ny fihetseham-po nasehon’i Robbie ary ianaran’i Dustin aseho dia hahafinaritra ny ankamaroan’olona satria mahakasika ny fiainana, dia ny fiainana mandrakizay. Iza tokoa no tsy maniry “hovonjena”? Amin’ny fomba ahoana anefa? Ampy ve amin’izany ny manatrika fotoam-pivavahana?

      2. a) Nahoana no tsy mety ho azo ny famonjena? b) Araka ny tenin’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Lioka 13:24, inona no tena ilaina mba hahavonjy?

      2 Tsy mety ho azo ny famonjena amin’ny fankanesana any amin’ireo fivoriana na amin’ny fomba hafa rehetra. Fanomezana maimaimpoana avy amin’Andriamanitra izany. Takin’i Jehovah anefa ny hanaovantsika fiezahana mba handraisana io fanomezana io, dia ny fiainana mandrakizay (Romana 6:23). Karazam-piezahana manao ahoana anefa? Voalohany indrindra, dia ilaina ny miady mafy amin’ny fiasana ho azy. Tokony ho avy amin’ny fankasitrahana amim-pahatsorana anefa izany. Indray andro, dia nanontany an’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, toy izao ny lehilahy iray: “Tompoko, moa vitsy va no hovonjena?” tamin’ny valiny, dia tsy ilay lehilahy nanontany azy ihany no nitenenan’i Jesosy, fa ny olona rehetra tia ny hovonjena, noho izany dia ny tenantsika koa. Izao no navaliny: “Miseseha [miadia mafy, MN ] hiditra amin’ny varavarana èty hianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka.” — Lioka 13:23, 24.

      3. a) Nahoana no tsy fandre ny fanontaniana napetrak’ilay niresaka tamin’i Jesosy? b) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy tamin’ny valinteniny fa voakasika daholo isika rehetra?

      3 Tsy fandre ny fanontanian’io lehilahy io. Tsy nanontany tokoa izy hoe: “Ho anisan’ireo sasantsasany hovonjena ve aho?” na hoe: “Ahoana no mety hahavonjy ahy, fa hoe: “Moa vitsy va no (ireo) hovonjena?” Ny fanontaniany noeritreretina foana fotsiny angamba dia avy amin’ny filozofia jiosy ilazana fa olona voafetra ihany ny isany no mendrika ny famonjenaa. Na inona anefa na inona anton’io fanontaniana io, dia nailik’i Jesosy avy hatrany tsy ho anisan’ny tsangan-kevitra voavaka an-tsaina izany mba handinihana azy eo amin’ny lafin’ny fampiharana sy manokana. Nataony izay hahavoatery an’ilay niresahany hieritreritra izay tokony hataony mba ho voavonjy. Afa-tsy izany koa, koa satria tao amin’ny tenin’i Jesosy hoe “miadia mafy”, dia milaza maro ny matoanteny, izany dia tokony hanosika ny tenantsika koa hieritreritra tsara ny fomba fanompoantsika an’Andriamanitra.

      4. Inona no tokony hataontsika mba hahazoana ny fiainana mandrakizay?

      4 Ny fiainana mandrakizay àry dia tsy zava-kendrena tratra mora foana araka ny fiheveran’ny sasany azy. Nosoritan’i Jesosy fa nilaina ny hiasana mafy, ny hanaovana fiezahana mandrakariva, mba ‘hidirana amin’ny varavarana èty’. Izany ady tsy mety sasatra izany dia tohanan’ny finoana maharitra, miorina amin’ny fanarahana ny fampianaran’i Kristy. Mba hahazoana famonjena àry dia tsy ny ‘mihaino ny tenin’i’ Jesosy fotsiny no ilaina, fa tokony ‘hampiharina’ hatrany koa izany. — Lioka 6:46-49; Jakoba 1:22-25.

      Ilaina ny ‘miady’ ankehitriny

      5. a) Inona no tian’i Jesosy holazaina amin’ny hoe “miadia mafy”? b) Amin’ny ahoana ireo teny ireo no misy heriny eo amin’ny fiheveranao momba ny asa masina?

      5 Inona no dikan’ny hoe ‘miady mafy’? Ao amin’ny soratra grika tany am-boalohany, dia ahitana ny fitenenana hoe agônizesthé, avy amin’ny teny iray (agôn) milaza “toerana fiadiana”. Ny Fandikan-teny eny anelanelan’ny andalan-tsoratra dia mandika an’io fitenenana io amin’ny hoe “miadia”. Azo atao àry ny maka sary an-tsaina kianja filalaovana iray fahizay sy mpifaninana amin’ny fanatanjahan-tena iray eo am-piadiana na miady mafy sy amin’ny heriny rehetra, mba hahazoana ny lokan’ny fandresena. Na dia teny ara-teknika mifandray amin’ireo ady tamin’ny lalao grika aza ny matoanteny grika ampiasaina eo, dia mampahavesa-danja ny fananarana nataon’i Jesosy mba hanao zavatra amin’ny fanahin’ny tena rehetra. Tsy ampy ny fiezahana atao amin’ny fo voazarazara. — Lioka 10:27; Jereo I Korintiana 9:26, 27.

      6. Nahoana isika no tokony hiady mafy dieny izao?

      6 Rahoviana ary haharitra toy inona isika no tokony ‘hiady mba hidirana amin’ny varavarana ety’? (Lioka 13:24, The New English Bible.) Raha mamaky amim-pitandremana ny Lioka 13:24 ianao, dia hahamarika tsy fitoviana amin’ny hoe ‘miadia mafy’, milaza ny ankehitriny, sy ny hoe “hitady”, milaza ny ho avy. Dieny izao àry no tokony hiadiana. Ireo hailika dia toa hitady hiditra amin’ny fotoana hety aminy irery. Ho diso aoriana loatra anefa izany. Hikatona na hihidy amin’izay ny fahafahana hiditra. Araka ny Lioka 13:25, dia manampy teny i Jesosy fa rehefa ho nanakatona ny varavarana ny sasany, ny sasany dia hanomboka handondòna sy hitalaho toy izao: “Tompoko, vohay izahay, dia hamaly Izy ka hanao aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza hianareo.” Fiafarana mampalahelo izany ho an’izay tsy manao dieny izao ny fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra ho ny zavatra mitana ny sainy lehibe indrindra eo amin’ny fiainany! — Matio 6:33.

      7. Ahoana no ampisehoan’ny Filipiana 3:12-14 fa ilaina ny manao fiezahana mandrakariva, ary nahoana no ilaina izany?

      7 Tokony hitohy ny ady ataontsika. Tsy misy na dia iray aza amintsika tafiditra amin’ny fomba raikitra ao amin’ny “varavarana èty”. Nahatakatra tsara izany i Paoly. Nitaky fiezahana mafy isan’andro isan’andro ny fihazakazahany ho amin’ny fiainana. Izao no nosoratany: “Tsy mihambo ho efa nahatratra ny zava-kendrena aho na efa tonga tanteraka. Manohy mandroso kosa anefa aho mba hiezaka hihazona ny lokan’ny fihazakazahana, satria efa nihazona ahy Jesosy Kristy. Tsia, ry rahalahy, tsy mihevitra ho efa nahazo ny loka aho; zavatra iray anefa no ataoko: manadino izay any aoriako aho ary miezaka hanatratra izay eo alohako. Amin’izany dia mihazakazaka manatona ny zava-kendrena aho mba hahazoana ny loka iantsoan’Andriamanitra antsika horaisina any ambony, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.” (Izahay no manipika.) — Filipiana 3:12-14, La Bible en français courant.

      8. a) Inona no misakana ny “maro” tsy ho tonga amin’ny fiainana mandrakizay? b) Fampitandremana inona no azontsika avy amin’izany?

      8 Iza moa ireo “maro”, ary nahoana izy ireo no tsy afaka miditra? Izany dia ireo anisan’ny fivavahana lazaina fa kristiana, indrindra fa ny klerjy. Mihambo ho mahafantatra amim-pifankazarana an’i Jesosy izy ireny, ho anisan’ny ankohonany, amin’ny fanantitranterana fa ‘niara-nihinana sy nisotro taminy’. Nefa noho izy ireo maniry hahazo ny famonjena araka ny fepetra omen’ny tenany ihany fa tsy araka ny an’Andriamanitra, dia handa tsotra izao ho tsy mahalala azy ireny i Jesosy ka hilaza azy ireny ho “mpanao meloka” (Lioka 13:26, 27.) Anisan’ireo izay hijanona ao ambadiky ny varavarana mihidy ka noho izany dia tsy hiditra mba hahazo ny fiainana mandrakizay, dia mety hisy aza olona ho nihaketraka tamin’ny fanompoany masina an’i Jehovah ka hanjary tsy hanasa-tena loatra raha ny amin’ny fanompoam-pivavahana madio. Ho matimaty amin’izay ny zotom-pony ho an’ny tombontsoan’ilay Fanjakana (Apokalypsy 3:15, 16). Angamba izany karazan’olona izany mbola manana “endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra” — mandray anjara amin’ny fitoriana izy ireny ary mamonjy anarany fotsiny ireo fivoriana — kanefa tsy manome porofo mihitsy ny amin’ny karazam-pinoana izay mahaforona ny tena hery mampahatanjaka ao ambadiky ny fanarahana ny fanompoam-pivavahana madio (jereo II Timoty 3:5). Tsy tsapan’izy ireny fa tsy ampy ny ‘mitady’ hiditra amin’ny “varavarana èty”. Ilaina ny miady ho amin’izany.

      Nahoana no “varavarana èty”?

      9. Nahoana no ilaina ny miady mafy mba hidirana amin’ny varavarana ety?

      9 Mivoha ho an’ny rehetra ny varavarana ety izay mitarika ho amin’ny famonjena. “Maro” anefa no tsy maniry hiady mba hidirana amin’izany. Inona àry no sasantsasany amin’ireo faritra tokony hiadiana mafy mba hidirana amin’io varavarana ety io? Voalohany indrindra, dia ilaina ny mahazo fahalalana marina ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly sy ny mianatra hahafantatra an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy (Jaona 17:3). Izany dia milaza fanariana ny lovantsofina sy ny fanao mampiavaka ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, anisan’izany ny an’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Ilaina koa ny manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra tsy misy hafa amin’ny nataon’i Jesosy fony izy teto an-tany (I Petera 2:21). Ny kristiana natao batisa taorian’ny nanolorany tena ho an’Andriamanitra dia tokony hanary koa ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo, ny faharatsiam-pitondrantena sy ny fahalotoana izay mampiavaka izao tontolo izao (I Jaona 2:15-17; Efesiana 5:3-5). Ilaina ny manary ireny zavatra ireny sy ny manolo azy amin’ireo toetra azo ampitahaina amin’ny an’i Kristy. — Kolosiana 3:9, 10, 12.

      10. Inona no fifandraisana misy amin’ny fifehezan-tena sy ny valisoa, dia ny fiainana mandrakizay?

      10 Ireo “vitsy” miditra amin’ny varavarana ety dia mahalala ny tena maha-zava-dehibe ny hazoto amin’ny fanompoana sy ny hamoazana ireo vokatry ny fanahy, anisan’izany ny fahononam-po na fifehezan-tena (Galatiana 5:23). Noho ny fanampian’ny fanahy masin’i Jehovah, dia miady izy ireny mba hifehezana ny tenany sy hitarihana izany ho amin’ny zava-kendrena, dia ny fiainana mandrakizay. — I Korintiana 9:24-27.

      Inona no dikan’ireo tenin’i Jesosy ho antsika?

      11. a) Tamin’ny lafiny inona avy ny sasany no nila ny niady mafy, ary nahoana? b) Amin’ny asa inona isika rehetra no afaka miady mafy?

      11 Na vao haingana isika no vita batisa na miara-miasa amin’ny fandaminany hatramin’ny am-polony taona maromaro, dia tsy afaka mampihena ny fiezahana ataontsika mba hahazoana sitraka amin’i Jehovah isika. Araka ny asehon’ny tenin’i Jesosy mazava, dia amin’ny fanahintsika rehetra no tokony hifikirantsika amin’i Jehovah ary tokony ho vonona isika ny hiditra amin’ny varavarana ety na inona na inona mety ho vidin’izany ho antsika. Marina fa tsy niresaka fotsiny ny amin’ny fandrosoana na ny fitomboana eo amin’ny asa ataontsika ho an’Andriamanitra i Jesosy, fa ny sasany amintsika dia mila ny miady mafy mba hanatsarana ny fitondrantenany na mba hanariana ny fahazaran-dratsy mba ‘tsy hahatafintohina na iza na iza’. (II Korintiana 6:1-4.) Ny hafa tokony hiahy mandrakariva ny amin’ny hananana fandaharana tsara amin’ny fianarana manokana mba ‘hitomboan’ny fitiavany bebe kokoa amin’ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra’. (Filipiana 1:9-11.) Ny hafa koa mila ny manao fiezahana bebe kokoa ihany mba hanatrehana sy handraisana anjara tsy tapaka amin’ireo fivorian’ny kongregasiona, indrindra fa ny fianarana ny boky (Hebreo 10:23-25). Isika rehetra anefa dia afaka mandinika ny fanompoantsika manokana mba hahitana raha miady mafy marina tokoa isika amin’ny “asan’ny evanjelista”. — II Timoty 4:5.

      12. Inona avy no fanontaniana azontsika apetraka mba hitsarana ny hatsaran’ny fiezahantsika eo amin’ny lafiny ara-panahy?

      12 Noho ny fandrosoan’izy ireo amin’ny ady mafy ataony mba hahazoana sitraka amin’i Jehovah, dia mitombo ny isan’ny kristiana afaka ny ho tonga mpitory maharitra mpanampy na mpianakavin’ny Betela. Ary ianao? Raha mpitory ilay Fanjakana ianao, moa ve tsy ho azonao atao ny handray anjara amin’ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy imbetsaka ao anatin’ny taona na ho tonga mpitory maharitra mandavantaona mihitsy aza? Raha efa mpitory maharitra mpanampy ianao, moa ve ianao mametra ho zava-kendrena ny asan’ny mpitory maharitra mandavantaona? Raha tsy izany no izy, nahoana no tsy mieritreritra izany? Amin’izany ianao dia ho afaka hitana fifandraisana mbola akaiky kokoa ihany amin’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy, ka fitahiana izany. — Salamo 25:14.

      Afaka miady mafy ve ianao mba ho mpitory maharitra?

      13. a) Inona moa ireo zavatra roa tena ilaina mba hahatongavana ho mpitory maharitra? b) Mba hahatongavana ho mpitory maharitra, amin’ny lafiny inona avy moa no mety hilaina ny hanaovana fiovana?

      13 Raha tsy mpitory maharitra mandavantaona ianao kanefa afaka ny ho toy izany, azonao atao ve ny ‘miady’ mba handaminana ny ho avinao mba hahatongavana ho toy izany? Zavatra roa no tena ilaina: Voalohany, ny fananana faniriana hanao izany; faharoa, ny fananana toe-javatra mety amin’izany. Raha tsy misy ny faniriana, dia mivavaha mba hambolena izany. Miresaha amin’ireo mpitory maharitra. Ampitomboy ny asanao amin’ny maha-mpitory ilay Fanjakana. Aoka ianao ho mpitory maharitra mpanampy isaky ny misy azo anaovana izany. Raha tsy mety ny toe-javatra, dia jereo ny hoe fiovana inona avy no azonao atao. Tsy mila ny miasa angamba ny vehivavy manambady iray. Tsy mila ny manohy miasa angamba ny lehilahy iray eo amin’ny taonan’ny fisotroan-dronono. Ny fari-piainana ambony, ny fotoam-pialan-tsasatra andaniam-bola be, ny fiarakodia araka ny marika farany mbamin’ny zavatra hafa sahala amin’izany dia tsy tena ilaina mba hahavelona. — Lioka 12:15; I Jaona 2:15-17.

      14. a) Nahoana moa ny kristiana anankiray sy ny vadiny no tsy afapo tamin’ny asany tamin’ny naha-mpitory tao amin’ny kongregasiona? b) Inona avy no zava-kendrena noferany ho an’ireo zanany?

      14 Enin-taona lasa izay, ny kristiana iray, niteraka telo izay mbola tsy zatovo ny roa, dia nanomboka nanao ny asan’ny mpitory maharitra. Nahoana? “Tiako ny hanao bebe kokoa, hoy ny fanazavany. Raha afaka ny ho mpitory maharitra aho kanefa tsy toy izany, dia tsy niaina nifanaraka tamin’ny fanolorako ny tenako ho an’Andriamanitra aho.” Tonga mpitory maharitra mandavantaona koa ny vadiny. Nahoana? “Mpitory maharitra mpanampy isam-bolana isam-bolana aho hatramin’ny efa-taona, hoy izy, ary tsikaritro tamin’ny farany fa nanjary mora izany. Tiako ny handray anjara bebe kokoa ihany amin’io asa io izay tsy hatao indray intsony mihitsy, sy ny hanome ohatra tsara ho an’ireo zanakay lahy.” Samy nahalala ny fahamarinana taorian’ny nianarany tany amin’ny oniversite io lehilahy kristiana io sy ny vadiny. “Nitaky ny handehananay tany amin’ny oniversite nandritra ny efa-taona ireo ray aman-dreninay, hoy ilay ray. Inona àry no zava-kendren’izy ireo ho an’ireo zanany lahy? “Nampahafantariko an’ireo zanako lahy fa ho tianay ny haha-mpitory maharitra azy ireo sy ny handaniany efa-taona fara fahakeliny ao amin’ny Betela.”

      15. a) Inona avy moa no antony niadian’ny sasany mafy mba hahatongavana ho mpitory maharitra? b) Noho ny antony inona no hanirianao ho ao amin’ny asa manontolo andro?

      15 Ireto ny antony sasany nanapahan’ny kristiana hafa hevitra ny ho tonga mpitory maharitra mandavantaona:

      “Tsy afaka nandroso ara-panahy aho ka nanorisory ahy izany.” (Robert H.)

      “Tamin’ny naha-mpitory tsotra, dia tsy afapo mihitsy aho.” (Rhea H.)

      “Nanome heviny sy zava-kendrena tao amin’ny fiainako ny asan’ny mpitory maharitra.” (Hans H.)

      “Naniry hanompo an’Andriamanitra amin’ny fomba feno aho. Nahatonga ahy ho afaka hanao izany ny asan’ny mpitory maharitra.” (Charanjit K.)

      “Ho nanenenako ny tsy nampiasana ny heriko, ny tanjako sy ny fahatanorako tamin’io asa mahatalanjona io.” (Gregory T.)

      “Ny fiezahana ihany no tahin’i Jehovah. Tsy maintsy nomeko azy àry ny fahafahana hitahy ahy.” (Graceann T.)

      “Mahatonga ahy ho afaka haneho izay rehetra tsapako ho an’i Jehovah ny asan’ny mpitory maharitra.” (Marco P.)

      “Tsy nitondra ny fahasambarana hitako teo amin’ireo mpitory maharitra ny asa tsy ara-pivavahana manontolo andro.” (Nancy P.)

      Inona avy no antony ho azonao anampy an’io lisitra io?

      Manao izay rehetra azonao atao ve ianao?

      16. Ireo mpitory maharitra ihany ve no tokony hiady mafy? Hazavao.

      16 Vavolombelon’i Jehovah maro be no nandinika tamim-pahamarinana sy tao amin’ny vavaka ny toerany manokana ka nahatsapa fa nanao izay rehetra azony natao izy ireo tao anatin’ny toe-javatra tamin’izay fotoana izay. Angamba anisan’izy ireny ianao. Raha izany no izy, dia mahereza. Tia anao Jehovah sy ny Zanany ary mankamamy tokoa ny asa ataonao amin’ny fanahinao rehetra (jereo Lioka 21:1-4). Ohatra, noho ny toe-piainana ara-politika sy ara-toe-karena ratsy any amin’ny tany sasany, ireo rahalahintsika dia tsy maintsy miasa ora sivy isan’andro, ary izany dia andro dimy na enina isan-kerinandro, mba hahazoana izay ilaina eo amin’ny fiainana fotsiny. Any amin’ny tany iray andraran’ny fitondram-panjakana tanteraka ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ireo anisany — ary mitombo ny isany — dia mandrakariva olona efa misotro ronono, tanora miasa alina na vehivavy kristiana (miteraka) izay tsy ampanaovin’ny Fanjakana asa tsy ara-pivavahana.

      17. Ahoana no ampisehoan’ny hita tamin’i Epafrodito fa tsy amin’ny habetsahan’ny asa ataontsika eo amin’ny fanompoana azy ihany akory no itsaran’i Jehovah ny halehiben’ny fiezahantsika?

      17 Hilaza angamba anefa ianao hoe: “Raha mba natanjaka kokoa mantsy aho! Raha mba tanora kokoa mantsy aho!” Aza kivy. Tsy amin’ny fomba jadona akory no itsaran’Andriamanitra ny fiezahantsika arakaraka ny habetsahan’ny asa ataontsika eo amin’ny fanompoana masina. Tsarovy Epafrodito. Fony narary izy dia tsy afaka nanao zavatra mafy teo amin’ny “asan’ny Tompo toy ny fony izy salama. Nidera azy anefa i Paoly noho ny fiezahany. Araka ny nasehon’ilay apostoly tokoa, dia tokony ‘hotiavintsika hatrany ny lehilahy sy vehivavy tahaka azy’. — Filipiana 2:25-30, MN.

      18. a) Ahoana no azon’ireo manana fahafahana voafetra amporisihana hanao ny asa manontolo andro ao anatin’ny kongregasiona? b) Inona no azon’ny tenanao atao mba hamporisihana ho tia ny asan’ny mpitory maharitra ao anatin’ny kongregasionanao?

      18 Afaka manao zavatra sasany anefa ianao mba hamporisihana hanao ny asa manontolo andro ao anatin’ny kongregasiona. Inona àry? Miadia mafy mba hanehoana fitiavana ny asan’ny mpitory maharitra. Ohatra, raha toa, noho ireo adidinao ara-pianakaviana ka tsy afaka manao ny asan’ny mpitory maharitra ianao amin’izao fotoana izao, moa ve tsy azonao atao ny manao izay hahafahan’ny mpianakavinao hafa — ny vadinao, ireo zanakao, rahalahy iray na anabavy iray — mba ho tonga toy izany? Ireo kristiana tsy salama na manan-java-manahirana hafa dia afaka mihevitra amim-pahatsorana izay afaka manao ny asan’ny mpitory maharitra, ohatra, amin’ny fiarahana amin’izy ireny amin’ny fitoriana rehefa azo atao izany (jereo I Korintiana 12:19-26). Amin’izany, ao anatin’ny kongregasiona, ny rehetra dia hiady mafy mba hanohanana ny asa manontolo andro. Hampahery ny rehetra ny vokany.

      19. Inona no tokony ho fahavononanao?

      19 Milaza inona ho anao ny fiadiana mafy? Moa ve izany fandrosoana ho fikendrena ny batisa? Fandresena fahazaran-dratsy sasany? Fampiorenana mafy ny fifandraisanao amin’i Jehovah? Milaza fahatongavana ho mpitory maharitra mpanampy na mandavantaona ve izany? Fiasana ao amin’ny Betela ve? Na inona na inona tokony hataonao mba handrosoana eo amin’ny lafiny ara-panahy, dia mendrika ny hanaovanao fiezahana mafy dieny izao izany. Aoka àry isika rehetra hanohy hiditra amin’ny varavarana ety mivoha ho amin’ny fiainana mandrakizay.

  • Aoka isika handray hery indray ka tsy ho ketraka
    Ny Tilikambo Fiambenana—1986 | 15 Aprily
    • Aoka isika handray hery indray ka tsy ho ketraka

      “Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.” — Isaia 40:29.

      1, 2. Ahoana no ho azonao ampisehoana izay itovian’ny kristiana amin’ny mpihazakazaka an-tongotra lavitra?

      INDRAY marainan’ny Oktobra 1984, dia vahoaka mpifaninana 16 000 no nameno ireo araben’i New York mba hanao ny hazakazaka an-tongotra lavitra. Tsy maintsy hahavita 42,2 kilaometatra izy ireo alohan’ny hahatongavana eo amin’ny tsipika hotratrarina. Ny hafanana nanempotra sy mando tamin’io androm-pararano sendra mba nafana tao anatin’ny vanin-taona io dia nanimba ny tanjak’ireo mpihazakazaka ary nisedrana ny fiaretany. Nanjary ady nanasatra tamin’izany ilay fihazakazahana, na dia ho an’ireo mpifaninana nahay indrindra aza. Maro be no trotraka ka nijanona; tokony ho 2 000 no tsy nahavita ny fihazakazahana. Tamim-pahasahiranana lehibe vao tonga teo amin’ny fetra notratrarina ireo izay nahavita izany.

      2 Mandray anjara amin’ny fihazakazahana iray koa ny kristiana. Ny lokan’ny fandresena ve? Ny fiainana mandrakizay. Sahala amin’ireo mpihazakazaka an-tongotra lavitra, dia tsy maintsy miady hatramin’ny farany izy ireo. Mila fiaretana izy ireo. Ilainy àry ny mitana hery sy manalavitra ny havizanana. Ny fihazakazahantsika ho amin’ny fiainana dia tsy sahala amin’ny fihazakazahana fohy, fa fihazakazahana lehibe kosa. Izao no nosoratan’i Paoly ho an’ireo rahalahiny kristiana tany Korinto: “Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin’ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo.” (I Korintiana 9:24). Tokony hihazakazaka ny kristiana amin’ny fiadiana mafy. — Lioka 13:24.

      3. Ahoana ihany no mety hahafahan’ny kristiana mitana fomba fandeha ambony mandra-pifaran’ny fihazakazahana?

      3 ‘Nefa, hoy angamba ianao manontany tena, iza no afaka mihazakazaka amin’ny fomba toy izany hatramin’ny farany?’ Tsy misy na dia iray aza amintsika afaka manao izany amin’ny herin’ny tenany irery. Mba hahazoana ny loka, dia tokony hanovo amin’ilay Loharanom-paherezana mihitsy isika, amin’i Jehovah Andriamanitra. — Joba 36:22; Salamo 108:13

      Jehovah, Loharanom-paherezana

      4. Araka ny faminanian’Isaia, nahoana isika no afaka matoky ny herin’i Jehovah hanohana ireo mpanompony.

      4 Tsy azo lavina fa afaka manohana ireo mpanompony i Jehovah. Tamin’ny alalan’Isaia mpaminany, ny Tsitoha dia niresaka ny amin’ny fahaizany tsy hita fetra sy ny amin’ny asany lehibe tsy manam-paharoa, tamin’ny filazana hoe: “Asandrato ny masonareo, ka mijere; iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy noho ny haben’ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza. (...) Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, Izay namorona ny faran’ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; tsy takatry ny saina ny fahalalany.” — Isaia 40:26-28.

      5, 6. Manomeza ohatra ny amin’ny fihariharian’ny faherezana avy amin’i Jehovah.

      5 Manomboka amin’ny hita fetra ka hatramin’ny tsy hita fetra, dia manaitra ny saina ny fisehoan’ny hery famoronan’i Jehovah. Jereo, ohatra, ny ataoma, ny fitaovam-panorenana ny tenan-javatra rehetra, anisan’izany ny tenantsika. Bitika aoka izany izy ireny. Zava-misy mahatalanjona anefa fa ao amin’ny votoatin’ny ataoma dia misy hery ampy nahatonga, ohatra, fipoahana ampy nandavahana tokony ho 100 metatra ny halaliny ary efa ho 400 metatra ny savaivony (diamètre).

      6 Ery amin’ny farany mifanipaka amin’izany, dia jereo ny masoandro. Io lafaoro noklehera goavana io, milanja ho an-davitrisany taonina maro, dia manafana ny fandahara-masoandro misy antsika. Hery avoakan’ny ataoma bitika no mamelona azy. Na dia miankina amin’ny hery avy amin’io fototra goavana eny amin’ny lanitra io aza eto amin’ny planetantsika ny fiainana rehetra — ny an’ny zavamaniry sy biby ary olombelona — dia tapany kely dia kely monja amin’izany hery izany no tonga hatraty amin’ny tany. Ampy anefa izany mba hitanana ny fiainana. Ao amin’ny bokiny hoe Astronomia (anglisy) ilay astronoma atao hoe Fred Hoyle dia nanoratra toy izao: “Ny ampahany kely dia kely amin’ny herin’ny masoandro tonga eto an-tany — izay tombanana ho ampahany dimy amin’ny iray hetsy lavitrisa — dia eo amin’ny avo 100 000 noho ny hery rehetra ampiasain’ny indostrian’izao tontolo izao.”

      7. Tokony hanao ahoana ny fihetseham-pontsika ny amin’i Jehovah rehefa avy nieritreritra ny hery asehon’ny zavatra noforonina?

      7 Ny masoandro anefa dia anankiray salasalany monja amin’ireo kintana an-davitrisany maro mahaforona ny “Voie lactée”, ny vahin-danitra misy antsika. Afa-tsy izany koa, ireo astronoma dia manombana fa mety hisy vahin-danitra eo amin’ny 100 lavitrisa eo amin’izao rehetra izao fantatra. Tsy mahatalanjona ve izany? Tsy misy mahagaga mihitsy àry raha toa Joba, taorian’ny nisaintsainany fa Jehovah “irery ihany no mamelatra ny lanitra”, ka nilaza fa “manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa” Andriamanitra. — Joba 9:8-10.

      Afaka manome tanjaka anao Jehovah

      8. a) Olona iza ihany no afaka manovo amin’ny fomba feno avy amin’i Jehovah, Loharanom-pampaherezana, ary nahoana? b) Amin’ny ahoana moa ny fampanantenana atao ao amin’ny Isaia 40:29-31 no manatanjaka ny finoantsika?

      8 Ireo tena mpivavaka amin’i Jehovah dia afaka manovo, maimaimpoana sy araka izay tiany, amin’izany Loharanom-paherezana izany izay namorona izao rehetra izao sy manohana azy. Mety “hohatanjahina fatratra amin’ny Fanahiny” masina ireo mpanompony ka tsy hatahotra ny tsy ho ampy hery (Efesiana 3:16; Salamo 84:4, 5). Eny, marina tokoa fa tsy handresy amin’ny fihazakazahana ho amin’ny fiainana isika raha tsy miaiky tanteraka fa afaka manosika antsika hihoatra ny tsipika fahatongavana aza ny tana-maherin’Andriamanitra. Afaka manome tanjaka antsika Jehovah. Izao no nolazain’Isaia mpaminany ny aminy: “Mampahatanjaka ny reraka Izay, ary izay kely hery dia omeny hery be. Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy; fa izay miandry [manantena, MN ] an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; handeha izy, nefa tsy ho reraka.” (Isaia 40:29-31). Ny famakiana izany fotsiny dia mamelombelona antsika.

      9. Ahoana no azon’i Jehovah anampiana anao handresy ireo zava-manahirana anao azo ampitahaina amin’ny ‘tendrombohitra’?

      9 Rehefa tojo zava-manahirana toa tsy hay resena mety hamono ny zotom-ponao ho an’ny fanompoam-pivavahana marina ianao, dia angamba mahatsiaro tena ho bitika, tsinontsinona. Aza kivy. Mitodiha any amin’ny Rainao tsitoha any an-danitra. Manome hery ho ‘an’izay rehetra manantena azy’ izy. Moa ve ilay Mpamorona ny ataoma tsy ho afaka hanome ho an’ireo mpanompony, faherezana ampy mba hamindrana “tendrombohitra” toy izany? Tsy isalasalana mihitsy fa afaka manao izany izy. — Marka 11:23.

      10. a) Inona no mety hanasatra ireo izay manao ny fihazakazahana kristiana? b) Inona no tadiavin’i Satana hatao?

      10 Etsy andaniny koa, dia misy angamba kristiana sasatra aoka izany noho ny tsy maintsy niadiana isan’andro isan’andro tamin’ireo fanerena avy amin’izao tontolo izao mampideradera ny tsy firaharahany ireo fotopoto-pitsipika kristiana, hany ka iriny ny hampiadana na hampitsahatra mihitsy aza ny fihazakazahana ho amin’ny fiainana. Ny aretina, ny fahavoazana ara-bola, ny zava-manahirana ara-pianakaviana, ny fitoerana irery na ny fahasahiranana hafa dia mahatonga fahakiviana koa. Ny fahakiviana toy izany dia mety hanimba haingana ny herin’ny kristiana iray, toy ny andro manempotra mampanary haingana izay rehetra mety ho herin’ny mpihazakazaka an-tongotra lavitra iray. Mampiasa zavatra toy izany Satana Devoly, ilay Fahavalo lehibe, mba hanimbana ny tsy fivadihantsika, dia isika izay mpanompon’i Jehovah (I Petera 5:8). Aza avela hanao izany izy! Mitodiha any amin’ilay Mpamorona vahin-danitra tsy tambo isaina eny amin’ny habakabaka mba hanavaozany ny herinao ara-panahy. Afaka manohana anao Jehovah. — Salamo 37:17; 54:4.

      11. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fomba niheveran’i Davida ireo fahasahiranana?

      11 Rehefa tojo fahasahiranana samihafa i Davida dia nahatsapa foana fa loharanon-kery vaovao Jehovah. Novelombelomin’ny fanahy masin’Andriamanitra i Davida ka afaka ‘nitsambikina’ tamin’izay rehetra nety ho vato nisakana. Izao no nambarany: “Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny mànda.” Ary koa: “Andriamanitra no haherezantsika; fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.” (Salamo 18:29; 60:12). Afaka manao toy izany ho anao Jehovah.

      Miadia amin’ny fahasasarana ara-panahy

      12. a) Nahoana moa no ilaina ny manao zavatra haingana raha misy fahasasarana ara-panahy? b) Inona moa no sasantsasany amin’ireo famantarana fahasasarana ara-panahy? d) Inona avy no fandaharana nataon’i Jehovah mba hamelombelomana ireo sasatra ara-panahy?

      12 Ilaina ny ho mailaka hanamarika izay rehetra mety ho famantarana fahasasarana ara-panahy, sady ho mailaka hitady fanafodin’izany koa. Nahoana? Satria ireo izay ‘miady mafy mba hiditra amin’ny varavarana aty’ ihany, ary vitsy izy ireny, na ireo mpihazakazaka handingana ny tsipika fahatongavana ihany, no hahazo ny loka, dia ny fiainana mandrakizay (Lioka 13:24; Filipiana 3:12, 13). Jereo ny faritra voafefy mitondra ny lohateny hoe “Ny fomba handresena ny fahasasarana ara-panahy”. Tsikaritrao ao amin’ny tenanao na ao amin’ny mpianakavinao iray ve ny famantarana sasany omena eo? Raha izany no izy, dia manaova zavatra avy hatrany mba ho fanafodin’izany. Velomy indray ny fiainanao ara-panahy amin’ny fanovozana hery noho ireo fandaharan’i Jehovah voalaza koa.

      13, 14. a) Inona avy no ohatra mety hanampy antsika hanavao ny herintsika ara-panahy? b) Torohevitra inona nomen’ny kristiana iray manompo an’i Jehovah hatramin’ny ela be no mety hanampy antsika hanohy ny fihazakazahana?

      13 Azonao atao ny hahatohitra ny fironana ho sasatra amin’ny fanarahana ny ohatra nomen’ireo mpanompon’Andriamanitra nahazo fandresena resahin’ny Baiboly. Be dia be, lehilahy sy vehivavy, tanora sy antitra, no naharitra hatramin’ny farany. Vakio izay voalazan’ny Hebreo 11:4-40 ny amin’izy ireny. Toy izany koa, amin’izao androntsika izao, dia rahalahy sy anabavy maro be tiantsika no manohy manompo an’i Jehovah tsy mety sasatra.

      14 Georges izay monina any atsimon’i Etazonia dia ohatra iray ny amin’ny mpihazakazaka tsy nanaiky ho resin’ny fahasasarana. Raha nanohy hatramin’ny 50 taona ny fihazakazahana ho amin’ny fiainana mandrakizay izy, dia mbola matanjaka foana. Inona no torohevitra omeny antsika?

      “Tsy ho be loatra ny hanantitranterako izao hevitra izao: mifikira hatrany amin’ny fandaminana. Aza hadinoina fa Jesosy Kristy, izay notendren’ny tenan’i Jehovah mihitsy ho amin’io toerana io, no mitarika ny fandaminana. Aza kivy àry raha manjary mivadika ny anankiray amin’ireo akaiky anao indrindra. Raha misy zavatra tsy azonao tanteraka na toa sarotra aminao ny hanaiky izany, dia aza misalasala fa tsy ho ela dia hihamazava ny zavatra rehetra. Nitondra antsika hatramin’izao ny fandaminan’i Jehovah. Matokia fa hitondra antsika hatrao amin’ny fandehan-javatra vaovao izy.” — Jaona 6:66-68.

      15. Raha mety hanome herim-po antsika indray ny ohatra nomen’ny sasany amin’ireo rahalahintsika, inona no tokony hatao?

      15 Angamba misy kristiana sarobidy toy izany koa ao anatin’ny kongregasionanao na mety ho tafahaona aminao any amin’ireo fivoriamben’ny fizaran-tany. Miresaha amin’izy ireny. Mandraisa fampianarana avy amin’ny resaka toy izany. Afa-tsy izany koa, dia ahitana ohatra hafa ny amin’ny kristiana mahatoky ao amin’ny Annuaire, ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ao amin’ireo bokin’ny Fikambanana Watch Tower hafa. Vakio ireny fitantarana ireny. Jereo ny fomba azonao anovozana hery amin’ireny ohatra ireny.

      Ry loholona, aoka ianareo ho “loharanom-pampaherezana”

      16. a) Ahoana no azon’ireo loholona anampiana an’ireo rahalahiny kristiana hahita hery indray? b) Inona no tokony hotandreman’ireo loholona rehefa manome fampaherezana sy torohevitra izy ireo?

      16 Ao amin’ny kongregasiona, ireo loholona dia tokony ho mailaka indrindra ny hanampy ireo mpikambana izay mampiseho famantarana fahosana. Manome izao torohevitra tsara dia tsara izao ny Isaia 35:3: “Ampaharezonareo ny tànana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy.” Fa ahoana no azonao anaovana ny anjaranao, raha loholona ianao? Voalohany indrindra, dia manàna fahiratan-tsaina. Fantaro ny tena anton’izany toa fiadanam-pamindra izany. Manomeza fanipazan-kevitra araka ny Baiboly sy azo ampiharina izay mety amin’ilay olona. Aoka ianao ho malina mandrakariva. Ny irinao dia tsy ny hanakivy fa ny hampahery ny rahalahinaoa. Aza terena hanaraka ny fieritreretanao àry ny hafa, aza manantitrantitra ny hanarahan’ny rahalahinao ny fanafodiny natolotra na aza mitsara fa tsy ampy fahamasahana izy satria misalasala ny hanaraka ny fiheveranao manokana. Ireo loholona dia tokony hanorina ny toroheviny sy ny fampaherezany amin’ny Baiboly. Tsy ho tiany ny hampiadana ny fihazakazahan’ireo rahalahiny amin’ny fandidiana ny hanarahan’izy ireo ao amin’ny kongregasiona, fitsipika tsy ilaina. — Ampifanohero ny Matio 11:28, 29 sy ny Matio 23:2-4.

      17. Ahoana no azon’ireo loholona anaovana izay tsy hahombiazan’ny tetikadin’ny Devoly izay mitady hampiadam-pamindra ny kristiana?

      17 Ireo loholona dia afaka manome ohatra tsara amin’ny maha-mpianatr’i Kristy rehefa miseho ho mailaka hidera ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona izy ireo. Ataovy izay ahatsiarovan’ireo tena amim-pahatsorana fa irina sy ilaina izy. Ny fandehan-javatr’i Satana dia mihamailaka kokoa hatrany hampino ny kristiana iray fa tsy hahavita zavatra izy. Amin’io ambaratonga amin’ny fihazakazahana ho amin’ny fiainana io, ireo rahalahintsika dia mila, tsy fanakianana, fa sakaiza mampahery azy mba hahazoany ny fandresena. Ohatra, ny anabavy iray eo amin’ny taona salasalany dia voatery nampitsahatra ny asany tamin’ny naha-mpitory maharitra. Tao am-pony, dia naniry mafy ny handray izany indray izy, nefa tsy afaka nanao izany noho ny antony ara-bola. Feno fikasana tsara ny loholona iray ka nanontany azy tamin’ny feo toa manakiana: “Rahoviana ianao no ho tonga mpitory maharitra indray?” Gaga aoka izany izy noho ny valin-teny tampoka nomen’io vehivavy kristiana io hoe: “Rehefa ho afaka handoa ny hofan-trano ny vadiko.” Tsy azon’io loholona io ny nolazainy, ary reny taty aoriana fa matoa izy afaka ny ho mpitory maharitra, dia noho ny karaman’ny vadiny indrindra. Tsy maintsy nitady asa hafa anefa io rehefa nanomboka nanaiky kokoa hatrany asa mandona fieritreretana kristiana ny mpampiasa azy. Tsy mora teo amin’ny taonany ny nitady asa. Koa voatery nanaiky asa kely karama lavitra izy. Nilain’ny vadiny àry ny hiasa amin’ny fotoana feno.

      18. Ahoana no mety hahatonga ireo loholona ho “loharanom-pampaherezana”?

      18 Rehefa heverina amin’io zava-nitranga io, tokony horaisina avy amin’izany ve fa tokony hisalasala ny hanoro hevitra ireo rahalahiny kristiana ny loholona? Tsia. Kanefa rehefa misy torohevitra na fampaherezana ilaina, ireo loholona dia tokony hanavaka hoe manao ahoana ny tena toeran’ireo rahalahiny ka tsy hitoky amin’ny miseho ivelany fotsiny (Jakoba 2:15, 16). Amin’izany ireo loholona dia ho afaka ny ho “loharanom-pampaherezana” ao anatin’ny kongregasionany. — Kolosiana 4:11, MN.

      19. Inona no azonao atao mba hanampiana ireo mpitory maharitra tsy ho sasatra?

      19 Mihamaro ny mpitory ilay fanjakana nanafaingana ny diany ka mpitory maharitra mandavantaona izao. Manampy an’ireo mpihazakazaka an-tongotra lavitra hahazo hery indray ny fampaherezan’ny vahoaka. Ary ianao, inona no ataonao mba hampaherezana ireo mpitory maharitra ao amin’ny kongregasionanao mba hahazoany ny fandresena? Doug sy Joanne dia nanao ny asa manontolo andro ho anton-draharahany. Moa ve tsy mety ho kivy izy rehefa milaza amin’izy ireo toy izao ny kristiana hafa: “Rahoviana ianareo no hiteraka?” na: “Rahoviana ianareo vao hanorim-ponenana?” Ahoana kosa rehefa misy Vavolombelona mitondra ho azy ireny ny fanohanany ara-tsaina amin’ny teny tahaka izao: “Tohizo ny asa tsara dia tsara. Faly izahay noho ianareo mpitory maharitra ato anatin’ny kongregasionantsika.” Tsy vitan’ny hoe mampisava ny fahasasarana ara-panahy izany, fa izany dia manampy azy ireny hiakatra toy ny voromahery ao amin’ny asan’ny mpitory maharitra. — Jereo Isaia 40:31.

      Ahoana no ahafahan’ireo mpitory maharitra mahazo hery indray

      20, 21. Ahoana no nahafahan’olona kristiana manompo manontolo andro nandray hery indray?

      20 Henoy izay lazain’i Frédéric sy Marianne. Hain’izy ireo ny fomba handraisana hery indray. Manao ny asa misionera any Amerika afovoany izany mpivady izany. Samy mihoatra ny 70 taona izy ireo. Nanomboka ny asa misionera tamin’ny 1946 i Frédéric, ary Marianne tamin’ny 1950. Inona no nahatonga azy ireo ho afaka ny haharitra amin’ny asan’i Jehovah? Izao no navalin’i Frédéric: “Ankoatra ny fitiavana an’i Jehovah sy ny faniriana hanampy ny mpiara-belona aminay, dia satria notadidianay tao an-tsaina ny zava-kendrena: ny fiainana mandrakizay.” Nampian’ny vadiny fa ‘nahatonga azy ireo ho afaka ny haharitra ireo fampanantenan’Andriamanitra’. Fa ahoana no nataon’izy ireo mba tsy hahasasatra azy? “Na aiza na aiza anendrena anao, hoy Frédéric, dia mandania hery ao.” Fa raha ny amin’i Marianne, dia anoroany hevitra “ny tsy fiovaovana amin’ny asa teokratika”. Ary dia nampiany hoe: “Rehefa mihantitra ny tena, dia tsy afaka manao izay rehetra hirina hatao. Mety hahasosotra ahy izany, kanefa resahiko amin’i Jehovah ao amin’ny vavaka.” Mamarana ny teniny amin’izao torohevitra tsara dia tsara izao i Frédéric: “Mivavaka isan-kariva izahay mba hangataka amin’i Jehovah hanampy anay.” — I Petera 4:7.

      21 Lavonia, izay 67 taona, dia mpitory maharitra hatramin’ny 20 taona. Tamin’ny taona lasa izy dia voatery niditra tany amin’ny hopitaly nandritra ny 15 andro ary tsy maintsy mihinam-panafody momba ny fo izao. Nampahory azy mafy ny fahafatesan’ny mpianakaviny maromaro, anisan’izany ny vadiny sy ny rainy. Manohy miady ihany anefa izy. Ahoana no nahitany hery? “Ny fahafahana mandray anjara misimisy kokoa amin’ny fitoriana, hoy izy, dia manampy ahy be dia be. Rehefa afaka miresaka amin’ny hafa ny amin’i Jehovah tokoa aho, dia mahatonga ahy hanadino ireo zava-manahirana ahy izany ary manome fiadanan-tsaina sy fifaliana lehibe ho ahy; koa mendrika ny hiainana ny fiainana.” Tsy mikasa ny hiala amin’ny asan’ny mpitory maharitra izy io. Nanamafy toy izao kosa aza izy: “Rehefa mahita olon-kafa mianatra mahafantatra an’i Jehovah sy ny fikasany mahatalanjona aho, dia mandray fifaliana lalina tokoa avy amin’izany, hany ka tsy tonga ao an-tsaiko akory ny eritreritra ny hoe hitsahatra tsy hanao ny asan’ny mpitory maharitra.” — Asan’ny apostoly 20:35.

      22. Tokony hanohy hanao inona isika mba handresena amin’ny fihazakazahana ho amin’ny fiainana mandrakizay?

      22 Eo amin’izao ambaratonga amin’ny fiainana izao, na afaka miady ao amin’ny laharan’ny mpitory maharitra isika na tsia, isika rehetra dia afaka mijanona ho akaikin’i Jehovah Andriamanitra, Loharanon’ny faherezana rehetra, sy ny fandaminany. Aoka àry isika tsy hitsahatra ny hanavao ny herintsika amin’ny fanompoana amim-pahatokiana ny Andriamanitsika. Sahala amin’i Habakoka, dia ho azontsika atao amin’izay ny hilaza hoe: “Jehovah Tompo no tanjako, ary manao ny tongotro ho toy ny an’ny dieravavy Izy.” (Habakoka 3:19). Amin’izany dia tsy ho sasatra na ho trotraka isika. Aza hadinoina fa madiva ho vita ny fihazakazahana. Manakaiky ny zava-kendrena isika.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara