Izao no Fotoana
1 Rehefa nanoratra ny taratasiny faharoa ho an’ireo Korintiana ny apostoly Paoly, dia nampahatsiahy azy ireo fa efa nanapa-kevitra ny hanao asa fanampiana ara-nofo tsara dia tsara ho an’ireo mpiray finoana taminy tany Jerosalema izy ireo. Kanefa, lasa ny herintaona, ary dia mbola tsy namita ilay asa efa natomboka ihany izy ireo. Koa nampirisika azy ireo mafy toy izao àry izy: “[Vitao hatramin’ny farany, NW] ary izany, ka tahaka ny nahazotoanareo fony nikasa, dia aoka ho tahaka izany koa ny hahatanterahanareo azy”. — 2 Kor. 8:11.
2 Efa nisy fotoana namerantsika rehetra tanjona ho an’ny tenantsika. Nety ho nanapa-kevitra isika ny hampitombo ny fandraisantsika anjara amin’ny asa fitoriana, ny hahafantatra ireo rahalahintsika bebe kokoa, ny hahafeno fepetra mba hahazo tombontsoam-panompoana iray, na ny handresy fahalemena iray. Na dia nanomboka tamim-pikasana tsara aza isika, dia nety ho tsy nanohy hatramin’ny fahatratrarana ny tanjontsika. Talohan’ny nahatsapantsika azy, dia nety ho lasa ny herinandro, ny volana na ny taona mihitsy aza, kanefa tsy nanao fandrosoana na dia kely akory aza isika. Sao dia ilaintsika àry ny mampihatra amin’ny tenantsika ilay torohevitra hoe “vitao hatramin’ny farany” izay natombotsika?
3 Fanatratrarana ireo tanjontsika: Mora ny manao fanapahan-kevitra manokana, fa zavatra hafa tanteraka ny fanatanterahana izany fanapahan-kevitra izany. Ny fangatahana andro dia afaka ny hisakana izay fandrosoana rehetra hatao. Mila ny manapa-kevitra isika ary avy eo dia tsy hisalasala ny hiroso amin’izany tsy misy hataka andro. Tena ilaina ny hahaizan’ny tena handamin-javatra. Zava-dehibe ny fanokanana ny fotoana ilaina mba hamitana ilay asa sy ny fahazoana antoka fa ampiasaina ho amin’izany zava-kendrena izany ilay fotoana. Hevitra tsara ny mametra fe-potoana farany hotratrarina ary avy eo dia maneho fahaiza-mifehy tena mba hahazoana antoka fa ho tratra tokoa izy io.
4 Rehefa mila tsy hahatratra ireo tanjontsika isika, dia mora ny manjohy hevitra hoe: ‘Mbola hiverenako io any aoriana any.’ Fantatsika ve anefa izay hitranga amin’ny hoavy? Hoy ny ambaran’ny Ohabolana 27:1: “Aza mirehareha ny amin’ny ho ampitso hianao; fa na dia ny havoaky ny anio aza tsy fantatrao.” I Jakoba mpianatra dia nampitandrina mba tsy hatoky tena loatra ny amin’ny hoavy satria “tsy mahalala ny ho ampitso hianareo. (...) Izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany”. — Jak. 4:13-17.
5 Noho ny fisian’ny fanelingelenana maro be aoka izany ary koa ny zavatra asain’ny hafa hataontsika, dia afaka ny ho voatakona mora foana ireo tanjontsika. Ilaina ny ezaka amim-pahalalana tsara mba hihazonana azy ireo ho mazava tsara ao an-tsaina. Manampy ny fihazonana ilay raharaha ao amin’ireo vavaka ataontsika. Mety ho tena zava-dehibe ny fangatahana amin’ny hafa akaiky antsika mba hampahatsiahy antsika sy hampirisika antsika. Hampahatsiahy antsika hijery ny fandrosoana nataontsika ny fametrahana marika eo amin’ny diarintsika. Tsy maintsy manapa-kevitra ny “hanao araka izay inian’ny fony” ny olona iray. — 2 Kor. 9:7.
6 Ny volana Oktobra dia manome fahafahana tsara dia tsara hifantohana amin’ireo tanjontsika. Hanolotra famandrihana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! isika. Mety ho afaka hametra tanjona antonona hotratrarina ve isika? Ahoana ny amin’ny fanandramana hampitombo ny isan’ireo gazety apetratsika? Mety ho tanjona antonona ho an’ny maro ny fanapahan-kevitra hanao fiverenana mitsidika betsaka kokoa sy hanomboka fampianarana Baiboly vaovao iray.
7 Tsy fahendrena ny mampihemotra izay zava-dehibe, satria “mandalo izao fiainana izao”. (1 Jaona 2:17). Misy tombontsoa sy fitahiana manokana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah miandry antsika ankehitriny. Miankina amintsika ny hahay hanararaotra azy ireny.