FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/94 p. 1
  • Ataovy Ahitana Fianarana Kokoa Ireo Fivoriana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ataovy Ahitana Fianarana Kokoa Ireo Fivoriana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • REHEFA EO AMBONY LAMPIHAZO ISIKA
  • REHEFA ANISAN’NY MPANATRIKA ISIKA
  • Ny Fomba Hahazoana Fifaliana Be Kokoa avy Amin’ny Fivoriana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
  • Mitondra Soa ho An’ny Tanora Ireo Fivoriana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
  • Ny anjaranao mba hahatonga ireo fivoriana handraisan-tsoa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
  • Miomàna ho Amin’ireo Fivorian’ny Kongregasiona ary Ankafizo Izy Ireny
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
km 11/94 p. 1

Ataovy Ahitana Fianarana Kokoa Ireo Fivoriana

1 “Ny zavatra iray nanohina ny foko dia ny fahitana tanora sy antitra tany amin’ny Efitrano Fanjakana samy nandray anjara tamin’ireo fivoriana tamin’ny fanomezana valin-teny sy tamin’ny fitadiavana ireo andinin-teny.” Efa mba nahare olona nilaza izany momba ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah natrehiny voalohany ve ianao? (1 Kor. 14:25b). Maro amintsika no efa nahare teny toy izany. Ary toy inona moa ny fahasambarantsika, noho isika nanatrika ireny fivoriana ireny, sady nandray anjara tamin’ny fanomezana valin-teny!

2 Rehefa manomana mialoha isika, dia hisy heviny kokoa ireo valin-teny homentsika, ary hahitana fianarana kokoa sy handraisan’ny rehetra manatrika soa kokoa ireo fivoriana. (Heb. 10:24, 25). Tokony hataon’izany ho latsa-paka ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ny maha-zava-dehibe ny asa mifanaraka amin’ny finoana. Izany dia hanampy antsika hihatsara eo amin’ny fiainana sy ny asa kristiana. — Jak. 1:25.

REHEFA EO AMBONY LAMPIHAZO ISIKA

3 Foto-kevitra maro samihafa no dinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. Ireo anabavy dia mahazo anjara miorina amin’ny boky Lehilahy Niavaka sy amin’ny bokikely Foto-dresaka. Izy roa ireo dia samy afaka mahatonga ny sekoly hahitana fianarana kokoa, rehefa faritra araka ny tena izy no amelabelarana ireo hevitra fototra amin’ilay fanazavana. Izany dia hanampy ny mpanatrika hahatakatra ilay fanazavana omena sy hahita ny fomba ahafahany mampiasa azy eo amin’ny asa fanompoana. Ireo rahalahy izay manana lahateny miorina amin’ny bokikely Foto-dresaka dia afaka manantitrantitra toy izany koa ireo hevitra izay hahasoa indrindra eo am-pitoriana eny amin’ny faritany eo an-toerana. Azon’ireo rahalahy manao ny famakiana ny Baiboly atao misy heviny ny teny fampidirana sy famaranana lazainy, amin’ny fanasongadinana hevitra azo ampiharina. Rehefa mampiasa ny iray amin’ireo fomba ireo ianao, dia ho afaka hahatonga ny sekoly ho vao mainka hahitan’ny mpanatrika rehetra fianarana.

4 Mety hangatahina handray anjara amin’ny fampisehoana iray amin’ny Fivoriana Momba ny Asa isika. Raha izany no izy, dia tena zava-dehibe ny fiomanana. Izay lazaintsika dia tokony ho mora re, koa mila mampiasa ny micro araka ny tokony ho izy àry isika. (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 14:9.) Rehefa mandray anjara amin’ny fampisehoana ianao, dia aza miamboho ny mpanatrika. Atreho foana ny mpanatrika. Araka izany, rehefa mampiseho izay raketin’ny zavatra vita an-tsoratra iray amin’ny tompon-trano ianao, dia ho hitan’ny mpanatrika ny fonon’ilay zavatra vita an-tsoratra. Rehefa miatrika ny mpanatrika isika, dia handre antsika mora kokoa izy ireo ary hahamarika ny fihetseham-po miseho amin’ny endritsika.

REHEFA ANISAN’NY MPANATRIKA ISIKA

5 Isika izay manatrika dia afaka mahatonga ireo fivoriana hahitan’ny tenantsika fianarana kokoa, amin’ny fanehoana fitandremana tsara. (1 Tim. 4:16; Heb. 2:1). Ny rehetra dia mila mamboly ny fahaizana mihaino, amin’ny tsy famelana ny saintsika hiriorio. Ny fibitsibitsihantsika amin’ny hafa mipetraka eo akaikintsika dia manelingelina. Ny fitsanganantsika tsy amin’ny antony mba hankanesana any amin’ny trano fivoahana koa dia hanembantsembana ny fandraisan’ny tenantsika ny soa be indrindra avy amin’ireo fivoriana, no sady hanelingelina ny hafa.

6 Raha manan-janaka kely isika, ka mipelipelika izy ireo, dia hipetraka eo akaikin’ny lalantsara any aorian’ny Efitrano Fanjakana isika. Amin’izay dia ho vitsy araka izay azo atao ny ho voahelingelin’izy ireo. Raha maditra izy ireo na mitabataba, dia mety ny hitondran’ny ray aman-dreniny azy ireo hivoaka ny faritra feno olona indrindra amin’ny Efitrano Fanjakana. Raha tsy izany, dia hanohy hanembantsembana ny fifantohan’ny hafa izay miezaka haneho fitandremana amin’ny fivoriana, izy ireo. — Ohab. 22:6, 15.

7 Raha manao ezaka isika mba hahatonga ireo fivoriana hahitan’ny tenantsika sy ny hafa fianarana kokoa, dia hahazo fanampiana mba hitombo eo amin’ny ara-panahy. Amin’izay dia holazaina momba antsika, toy ny momba ireo Kristiana tany Tesalonika, fa “mitombo fatratra ny finoan[tsika], ary be ny fifankatiavan[tsika] rehetra”. — 2 Tes. 1:3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara