Omeo ny Fanohananao ny Fitsidihan’ny Mpiandraikitra ny Fizaran-tany
1 Nanomboka tamin’ny 15 Oktobra 1946, ireo kongregasiona dia nalamina mba hahaforona fizaran-tany izay tsidihin’ny mpiandraikitra mpitety faritany manontolo andro. Nandritra ny 48 taona izao, na ny isam-batan’olona na ny kongregasiona dia samy nandray soa avy tamin’io fandaharana teokratika io. (Isaia 1:26). Ny fanohizantsika manohana an’io fandaharana io dia hitondra fitahiana tondraka kokoa ho antsika. — Efes. 4:7, 8, 11.
FIOMANANA HO AMIN’ILAY FITSIDIHANA
2 Raha vantany vao ambara ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany, dia afaka manomboka miomana ho amin’izy io isika. Afaka mikasa ny hanitsy ny fandaharantsika andavanandro isika mba hanohanana amin’ny fomba feno ilay herinandro miavaka noho ny fanaovan-javatra manokana. Misy mpitory mandamina ny handany fotoana bebe kokoa eo amin’ny asa fitoriana amin’ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy. Ny hafa mety haka andro iray na roa tsy hiasana any am-piasana mba handraisana anjara amin’ny fanompoana. Mpitory maro no mifanao fotoana manokana amin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany mba hiarahana miasa aminy eo amin’ny lafiny iray na eo amin’ny lafiny hafa amin’ny fanompoana. Mitondra valisoa maro ny fanohanana amin’ny fo rehetra ny asa fanompoana amin’io fotoana io.
3 Misy tatitra voaray avy tamin’ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany milaza fa ho azo atao ny hanohana amin’ny fomba tsara kokoa ny asa fanaovana fiverenana mitsidika sy fampianarana Baiboly amin’ny tolakandro. Moa ve ianao ho afaka handamina ny hanao fiverenana mitsidika na fampianarana Baiboly iray amin’ny tolakandro iray amin’io herinandro io? Ho faly ny mpiandraikitra ny fizaran-tany hiaraka aminao, ary raha tianao, dia hahafaly azy koa ny hitarika ilay fampianaranao.
FANAMPIANA HO AN’NY TENA MANOKANA
4 Anisan’ny loha laharana eo amin’ny lisitry ny zavatra omen’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany ny toerana voalohany ny ilana hanome fampiofanana fanampiny ho an’izay rehetra mety hiezaka hahazo tombontsoam-panompoana lehibe kokoa. (1 Tim. 3:1). Moa ve ianao manana fanontaniana momba ireo fanendrena na andraikitra voafaritra tsara nomena anao? Moa ve ianao maniry hanatsara ny fahaizanao manao zavatra sy ny fahaizanao mandamin-javatra manokana? Moa ve ianao liana ny hanana anjara bebe kokoa amin’ny fanompoana kristiana, amin’ny fahatongavana ho mpisava lalana maharitra na manokana? Moa ve ho tianao ny hanompo any amin’izay ilana fanampiana betsaka kokoa, na ao anatin’ny fizaran-taninao izany na any amin’ny toerana hafa eto Madagasikara? Na inona na inona tanjona ara-panahy mety hanananao, dia hiara-mandinika izany aminao amim-pifaliana ny mpiandraikitra ny fizaran-tany.
5 Raha manambady ny mpiandraikitra ny fizaran-tany, dia mpanompon’i Jehovah be fandavan-tena toy azy koa ny vadiny. Tena azo inoana fa mpisava lalana izy io ary ho afaka hanome fanohanana feno an’ireo fandaharana ho an’ny asa fanompoana. Noho ny fanandraman-javatra ananany sy ny fandraisany anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana amin’ny faritany maro samihafa, dia nanjary havanana eo amin’ny asa fitoriana izy. Maka fotoana izy mba ho afaka hiara-miasa amin’ny anabavy hafa indrindra indrindra eo amin’ny asa fitoriana isan-trano, sy mba hanaraka azy ireo any amin’ny fiverenana mitsidika sy fampianarana Baiboly any an-tokantrano hataon’izy ireo. Mendrika ny hanaovana teny fiderana mafana mitovy amin’ilay nataon’i Paoly momba an’i Foiby, izy. — Rom. 16:1, 2.
6 Tsy tokony hohadinoina ny tombontsoa ananantsika haneho fahaiza-mampiantrano vahiny amin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany sy ny vadiny, raha manambady izy. Atosiky ny fankasitrahana ny rahalahy maro, ka mikarakara ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany sy ny vadiny amin’ny fanomezana hanina ho azy ireo. Tsy mandritra ilay fitsidihana ihany no anaovan’ireo rahalahy ireo izany, fa ny alatsinainy sy ny talata aorian’ny nitsidihany ny kongregasiona koa. Ny herinandro manaraka, dia ireo rahalahy ao amin’ny kongregasiona tsidihiny manaraka no mikarakara azy ireo toy izany. Maro ireo rahalahy izay mankamamy ireo fahatsiarovana sy ny fampaherezana azony fony izy nanokatra ny tokantranony handraisana ireny mpiandraikitra ny fizaran-tany ireny na niara-nisakafo taminy ka nankafy fifaneraserana ara-panahy nahafinaritra taminy. — 3 Jaona 5-8.
7 Ny fitsidihana tsy tapaka ataon’ny mpiandraikitra mpitety faritany matotra ara-panahy dia manohy manampy ny vahoakan’i Jehovah. Ny habetsahan’ny soa azontsika isam-batan’olona raisina avy amin’io fandaharana io dia miankina amin’ny habetsahan’ny fiomanantsika ho amin’ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany sy ny fanohanantsika azy io. Enga anie isika rehetra ho tapa-kevitra ny hanome fanohanana feno ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tanintsika manaraka.