Hira 153
Jehovah no Andriamanitra Mpamonjy Antsika
1. Jehovah Tompo tia anay,
Mba avelao ny helokay.
Tsy lavorary izahay.
Ny marina tsy fantatray.
Aoka ianao hamonjy anay,
Ary hitarika anay.
Tianay ny fankasitrahanao,
Hirainay ny famonjenao.
Hirainay ny famonjenao.
2. Nangoninao ny ondrinao,
Tafaray ao am-balanao.
Samy tianao ho voavonjy
Ny olona eran-tany.
Omenao ny fiadananao
’Reo mankasitraka anao.
Ireo matahotra anao,
Hahita ny famonjenao,
Hahita ny famonjenao.
3. Hitanay ’zao ny marina,
’Zay manome fifaliana.
Efa manjaka i Kristy,
Mitondra fitahiana izy.
Mitombo ny fiadananay
Sy ny fahasambaranay.
Eran’izao tontolo izao,
Torinay ny famonjenao.
Torinay ny famonjenao.