Hira 216
‘Manehoa Firaiketam-po Lalina’
1. Mahatalanjona ny fitiavan’i Jehovah
Sy ny firaiketam-pony.
Ny hatsaram-pony mahasambatra antsika,
Fialofantsika ny anarany.
2. Manehoa hatrany fitiavan-drahalahy,
Aok’ isika hiray saina.
Koa mifankatiava toy ny mpianakavy.
Jehovah no tahafintsika.
3. Hatsarao hatrany ny fifandraisantsika
Amin’ireo namantsika.
Mitandrema mba tsy hahatezitra ny hafa.
Fifanajana no ilaina.
4. ‘Mifandraisa tsara’, hoy Kristy amintsika.
Izany no fahendrena.
Raha tsara fanahy sy mangoraka isika,
Hitombo ny fifaliantsika.