Aoka Isika Hanolotra Ny Boky Ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika Miaraka Amin’ny Bokikely Ny Anaran’andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay
1 Mety hanontany tena ny mpitory sasany hoe ahoana no hetezan’ny fanolorana ny Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika eny amin’ny saha fanompoana. Manana antony mba hampielezana io boky sarobidy io isika, noho ny hasarobidin’ny zavatra raketiny.
2 Misarika ny saina ho amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fanazavana raketiny, ary koa mitondra fanampiana ho an’ireo izay maniry ho tonga mpanompon’Andriamanitra. Ny Fianarana faha-3 dia mitondra ny lohateny hoe: “Ny Baiboly — Ny Boky Fianarantsika Lehibe Indrindra”. Azontsika asongadina, ohatra, ny fehintsoratra faha-11 eo amin’ny pejy faha-17, raha mahita olona misalasala ny amin’ny fahamarinan’ny Baiboly isika. Izao no voalaza ao: “Mirakitra fanazavana izay tsy hita na aiza na aiza ny Baiboly. Ohatra, ny Genesisy dia manome fanazavana antsika ny amin’ny famoronana ny tany ary mitantara zavatra nitranga talohan’ny famoronana ny olombelona. (Gen. 1:1-31). Milaza resaka nisy tany an-danitra koa ny Baiboly ka tsy nety ho fantatry ny olona na dia iray aza izany raha tsy nampitain’Andriamanitra. — Joba 1:6-12; 1 Mpanj. 22:19-23.”
3 Azo atao koa ny manasongadina ao amin’ny Fianarana faha-3 ihany fa azo avy tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ny Baiboly. Ao amin’ny fehintsoratra faha-5, eo amin’ny pejy faha-15 dia voalaza hoe: “Lehilahy eo amin’ny efapolo samy hafa no nampiasaina ho mpitantsoratr’i Jehovah, ilay hany Mpanao ny Teniny ara-tsindrimandry. ‘Izay Soratra rehetra dia nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra’, (...) (2 Tim. 3:16).”
4 Azontsika atao rehefa avy eo ny manolotra ny Boky ho An’ny Sekoly sy ny bokikely Ny Anaran’Andriamanitra amin’ny fandraisana anjara an-tsitrapo 900 FMG. Raha lavina izany, dia azo atao ny manolotra ny boky amin’ny fandraisana anjara an-tsitrapo 500 FMG, na ny bokikely amin’ny fandraisana anjara an-tsitrapo 400 FMG. Antenaina fa hanao izay azony atao ny mpitory tsirairay amin’ny fanelezana ireo fitaovana sarobidy ireo.
5 Mety ho tianao ny hanandrana itỳ fampisehoana tsotra itỳ amin’ny alalan’ny bokikely “Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay”:
◼ “Ny iray amin’ireo zavatra voalohany nianarako tao amin’ny Baiboly dia ny anaran’Andriamanitra. Fantatrao ve hoe iza no anarany? [Avelao ilay olona hamaly.] Aoka hasehoko anao. Ato amin’ny Baiboly ato izy io, ao amin’ny Salamo 83:18. [Vakio.] Asehon’itỳ bokikely itỳ hoe ahoana no isehoan’ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah amin’ny fiteny maro samihafa. [Asehoy ilay faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-8.] Raha tianao ny hahafantatra bebe kokoa momba an’i Jehovah sy ny fikasany, dia tokony hamaky itỳ bokikely itỳ ianao.” Atolory an’ilay tompon-trano ilay bokikely.
6 Amin’ny fananantsika io bokikely tsara dia tsara io mba hampiasaina, dia azo antoka fa ampy fitaovana tsara isika “hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra”. — Isaia 61:1.
[Loharanon-kevitra]
Sombin-dahatsoratra momba ny bokikely Ny Anaran’Andriamanitra avy ao amin’ny lahatsoratra hoe “Mampiasá Bokikely Isan-karazany eo Amin’ny Fanompoanao” ao amin’ny km-MG 7/95, pejy 4.