Aoka Ianareo Ho Mpankato fa Tsy Ho Mpihaino Fotsiny
1 Ny Kristiana marina amin’izao andro izao dia mandray am-po ny fananaran’ny Baiboly mba ho mpankato ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny. (Jak. 1:22). Izany dia mametraka azy ireo eo amin’ny fifanoherana manaitra amin’ireo izay, na dia milaza ny tenany ho Kristiana aza, dia manolotra fanompoana amin’ny molotra fotsiny ho an’Andriamanitra. (Isaia 29:13). Nanambara mazava i Jesosy fa ireo izay manao ny sitrapon’Andriamanitra ihany no hovonjena. — Matio 7:21.
2 Tsy misy heviny ny fanompoam-pivavahana tsy arahina asa araka an’Andriamanitra. (Jak. 2:26). Koa tokony hanontany tena toy izao isika: ‘Ahoana no hanaporofoan’ny asako fa tena marina ny finoako? Inona no mampiseho fa tena miaina mifanaraka amin’ny zavatra inoako aho? Ahoana no hahafahako hanahaka an’i Jesosy amin’ny fomba feno kokoa?’ Ny valin-teny amim-pahatsorana amin’ireo fanontaniana ireo dia hanampy antsika hahita hoe fandrosoana inona no nataontsika na mbola mila ny hataontsika eo amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra.
3 Amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesosy antsika, dia tsy maintsy manana tanjona voalohany indrindra eo amin’ny fiainana isika, tanjona mitovy amin’izay nambaran’ny mpanao salamo hoe: “Andriamanitra no ankalazainay mandrakariva; ary ny anaranao no hoderainay mandrakizay.” (Sal. 44:8). Ny Kristianisma dia fomba fiaina iray izay miharihary isan’andro sy amin’izay rehetra ataontsika. Fahafaham-po toy inona moa no hitantsika rehefa mampiseho amin’ny asantsika rehetra ny faniriantsika avy amin’ny fo hidera an’i Jehovah isika! — Fil. 1:11.
4 Ny fanolorana fiderana an’i Jehovah dia mahafaoka zavatra bebe kokoa noho ny fananana fiainana mahitsy: Raha ny fitondran-tena tsara dia tsara no hany zavatra takin’Andriamanitra, dia afaka mifantoka fotsiny amin’ny fanatsarana ny maha-isika antsika, isika. Kanefa, ny fanompoam-pivavahantsika dia mahafaoka koa fanambarana eny rehetra eny ireo toetra faran’izay tsaran’i Jehovah sy fanaovana fanambarana ampahibemaso ho an’ny anarany! — Heb. 13:15, NW; 1 Pet. 2:9, NW.
5 Ny fitoriana ampahibemaso ny vaovao tsara dia iray amin’ireo asa lehibe indrindra tanterahintsika. Nanokan-tena ho amin’io asa io i Jesosy satria fantany fa izany dia nidika ho fiainana mandrakizay ho an’ireo nihaino. (Jaona 17:3). Amin’izao andro izao koa, ny “fampianarana” dia tsy latsa-danja noho izany; izy io no hany fomba hahavoavonjy ny olona. (Asa. 6:4; Rom. 10:13). Amin’ny fahafantarana tsara ny soa mahataka-davitra entiny, dia afaka mahatakatra isika hoe nahoana i Paoly no nananatra antsika mba ‘hitory ny teny’ sy mba ‘hanao izany amim-pahadodonana’. — 2 Tim. 4:2, NW.
6 Hatraiza no tokony hamenoan’ny fiderana an’i Jehovah ny fiainantsika? Nilaza ilay mpanao salamo fa tao an-tsainy mandrakariva izany. Tsy mitovy fihetseham-po amin’izany koa ve isika? Eny, ary ny fifandraisana rehetra hananantsika amin’olon-kafa dia hoheverintsika hoe mety ho fahafahana hiresaka momba ny anaran’i Jehovah. Hitady fotoana mety isika mba hitarihana ny resadresaka ataontsika ho amin’ny raharaha ara-panahy. Isika koa dia hiezaka mafy mba handray anjara tsy tapaka amin’ny asa eny amin’ny saha alamin’ny kongregasiona. Ireo izay mamela azy ny toe-javatra misy azy, dia afaka mandinika lalina ny fanompoana amin’ny maha-mpisava lalana, satria izany dia manampy antsika hametraka ny asa fitoriana eo amin’ny toerana voalohany indrindra eo amin’ny fiainantsika isan’andro. Manome toky antsika ny Tenin’Andriamanitra fa amin’ny fanehoantsika fikirizana amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, dia ho sambatra isika. — Jak. 1:25.