Hira 28
Tahio ny Fiarahanay Mivory
1. Mba tahio ny fivorianay,
Ry Jehovah Tomponay.
Ny fanahinao mahery,
Arotsahy aminay.
2. Tena tianay ny Teninao,
Ampianaro izahay,
Ampiofano mba hitory
Sy ho tia ny namanay.
3. Hankalaza anao izahay,
Hiezaka ho masina.
Tianay ny hahafantatra anao,
Haneho fanetren-tena.
4. Ray malala ô, tahio ’zahay,
Omeo ny fiadananao.
Tianay ny hanompo anao,
Hiantsa ny Fanjakanao.