FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ssb hira 151
  • Torio ny Fanjakan’i Jehovah!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Torio ny Fanjakan’i Jehovah!
  • Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no Itoriana ny Vaovao Tsara?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • “Torio ny Teny”
    Mihirà ho An’i Jehovah
  • “Torio ny Teny”!
    Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah
  • “Torio ny Teny”
    Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah
Hijery Hafa
Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah
Ssb hira 151

Hira 151

Torio ny Fanjakan’i Jehovah!

(Matio 24:14)

1. Torio ny vaovao tsaran’ny Fanjakana, hoy Kristy.

Torio ny Fanjakan’i Jehovah!

’Sika ho be herim-po, ka hiasa mafy hatrany.

Torio ny Fanjakan’i Jehovah!

Ampiasao ’reo boky sy gazety nomena antsika.

Mahaiza mandanjalanja sy mandefitra.

Mandehana isan-trano ary eny an-dalana.

Torio ny Fanjakan’i Jehovah!

2. Torio ny vaovao tsara momba ny fanasan’i Jah.

Torio ny Fanjakan’i Jehovah!

Ny mpandefitra rehetra hahita fifaliana.

Torio ny Fanjakan’i Jehovah!

Ambarao fa divay tsara sy sakafo tondraka

No haroson’i Jehovah ho an’ireo noana.

Lazao koa fa tsy ho ela ny famonjena antsika.

Torio ny Fanjakan’i Jehovah!

3. Torio ny vaovao tsara, ’zay manome fifaliana.

Torio ny Fanjakan’i Jehovah!

Falifaly lalandava ’reo manao ny marina.

Torio ny Fanjakan’i Jehovah!

Koa ireo manam-pinoana dia ampian’i Jehovah.

’Zay matoky azy, omeny fiadanana.

Ambarao fa mahasambatra ny fanompoantsika.

Torio ny Fanjakan’i Jehovah!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara