FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Minisitra daholo ve ny kristiana marina rehetra?
    Ny Tilikambo Fiambenana—1985 | 15 Febroary
    • dia teo amin’ny 50 000 monja no nitory naneran-tany. Ny rapaoro momba ny 1983 anefa dia mampiseho fa tampon’isan’ny minisitra 2 652 000 miaraka amin’ny kongregasiona 46 235 no nitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana tamin’io taona io. Amin’izao fotoana izao dia mila hitovy amin’ny isan’ny Vavolombelona tamin’ny 1931 ny isan’ny kongregasiona! Tao anatin’ireo am-polony taona vitsivitsy lasa aza, dia tena nosoratana teo amin’ny fo an-tapitrisany maro tokoa ny fahamarinana, ary izany dia porofo tsy azo lavina fa tena minisitra tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah. — Isaia 43:10-12

      20. Amin’ny maha-minisitra kristiana, inona no tokony hataontsika amin’izao andro izao? Fanontaniana inona avy no tokony hovaliana izao?

      20 Amin’izao andro izao dia tena ilaina tsy mbola nisy toy izany mihitsy ny minisitra kristiana. Fohy ny fotoana sisa tavela, ary be ny vokatra, ka izany dia samy antony tokony hanosika antsika hanao izay hahamendrika, hahatongavana ho minisitra mahay mitory sy mampianatra amin’ny fomba misy vokany. Fa ahoana no hahafahantsika manao izany? Ahoana no mety hahatongavana ho minisitra mahazo vokatra kokoa? Misy vidiny eo amin’ny fampiharana ve ny ohatra navelan’i Kristy sy ireo apostoly ho antsika amin’izao andro izao? — Efesiana 5:15, 16; Matio 9:37, 38.

      Famerenana

      ◻ Ahoana no ahafantarantsika fa tokony ho minisitra daholo ny mpianatr’i Kristy voahosotra?

      ◻ Inona moa no anjara noraisin’ny “olona betsaka” teo amin’ny fanompoana kristiana amin’izao androntsika izao?

      ◻ Mifototra amin’inona moa ny fiantsoana ho amin’ny fanompoana kristiana?

      ◻ Inona avy no porofo azon’ny Vavolombelon’i Jehovah omena mba hampisehoana fa tena minisitra tokoa izy ireo?

  • Ny fomba hahatongavana ho minisitra mahomby
    Ny Tilikambo Fiambenana—1985 | 15 Febroary
    • Ny fomba hahatongavana ho minisitra mahomby

      “Ary noho izany dia nirahiko ho any aminareo Timoty (...) ka izy no hampahatsiaro anareo ny fanaoko ao amin’i Kristy, tahaka ny ampianariko ao amin’ny fiangonana [kongregasiona, MN]”. — I KORINTIANA 4:17.

      1, 2.Inona moa no fepetra voalohany tsy maintsy fenoina mba hahatonga ny olona iray ho voasintona ho amin’ny fahamarinana (Asan’ny apostoly 8:12)?

      TAORIAN’NY nandatsahana ny fanahy masina tamin’ny andro Pentekosta taona 33, dia nitombo haingana ny kongregasiona kristiana (Asa. 2:40-42; 4:4; 6:7; 11:19-21). Inona àry no fanalahidin’ny fahombiazany? Nahoana no nisy Jiosy be dia be toy izany, avy eo dia Samaritana sy Jentilisa be dia be toy izany nanaiky an’i Kristy sy ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra? — Asa 8:4-8; 10:44-48.

      2 Misy fepetra maromaro tsy maintsy fenoina alohan’ny haneken’ny olona iray ny vaovao tsara kristiana. Voalohany indrindra, dia tsy maintsy ankasitrahany ny fahasoavan’Andriamanitra tamin’ny nanapahany hevitra haniraka ny zanany ho eto an-tany mba hanolo-tena ho fanati-panavotana. Izany indrindra no nampahafantarin’i Jaona, anankiray tamin’ireo mpanoratra ao amin’ny Baiboly rehefa nanoratra izy hoe: “Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany. Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika.” — I Jaona 4:9, 10.

      3. Nahoana moa no ilaina ny hahatsapana izay ilain’ny tena ara-panahy?

      3 Ny fepetra hafa iray tena lehibe dia ny fihetsik’ilay olona eo anoloan’ny zava-tsarobidy ara-panahy. Hoy Jesosy: “Sambatra izay mahatsapa fa mila ny zavatra ara-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ireo noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa izy no hovokisana.” (Matio 5:3, 6, MN). Ny olona mizahozaho iray izay mihambo ho marina, dia mandrakariva tsy mahatsapa fa mila ny zavatra ara-panahy ary vao mainka tsy mora mandray ny fahamarinana. Rehefa misy Vavolombelon’i Jehovah mampahafantatra azy ny hafatra momba ilay Fanjakana, dia matetika tokoa ny olona toy izany no mamaly hoe: ‘Tsy mahaliana ahy izany. Manana ny fivavahako aho.’ Toy izany koa, izay voatana tanteraka amin’ny raharahany ara-nofo dia tsy hanam-potoana hatokana amin’ny raharaha ara-panahy. — Matio 6:33, 34; 7:7, 8; Lioka 12:16-21.

      4. Inona avy no fanontaniana hojerentsika?

      4 Fa ahoana ny amin’ny olona izay “mahatsapa fa mila ny zavatra ara-panahy” ka vonona ny hitady an’Andriamanitra sy ny Fanjakany? Ahoana no mety hahitana azy ireny sy hahafantarana azy? Misy zavatra azontsika atao ve, dia isika izay minisitry ny Tenin’Andriamanitra, mba hahatonga ny hafatra entintsika hazava kokoa? Ahoana no mety hahatonga antsika ho minisitra mahomby kokoa?

      Inona avy no fomba hampiasaina?

      5. Araka ny filazan’i Paoly, inona no hampianarin’i Timoty ny Korintiana?

      5 Tao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny kristiana tany Korinto, ny apostoly Paoly dia nilaza tamin’izy ireo fa nirahiny ho any aminy Timoty ka izy io dia ‘hampahatsiaro azy ireo ny fanaony [ny an’i Paoly] raha ny amin’i Kristy Jesosy’. Tsy ‘fanao’ no resahin’ny fandikan-teny sasany fa “lalana”, “fitsipi-pitondrantena”, fotopoto-pitsipi-piainana”. Ny profesora Thayer anefa (ao amin’ny Greek-English Lexicon of the New Testament nosoratany) dia manome izao filazana hevitr’io soratra resahina io izao: “Ireo fomba arahiko amin’ny maha-minisitra sy apostolin’i Kristy eo amin’ny fanaovana ny raharahako.” Koa satria namarana ny fehezanteniny i Paoly tamin’ny filazana hoe: “Tahaka ny ampianariko ao amin’ny kongregasiona”, dia mety ny hanatsoahana hevitra fa ny fanamarihany dia mahakasika koa ny asa fanompoany fa tsy ny fitondrantenany manokana amin’ny maha-kristiana fotsiny. — I Korintiana 4:17.

      6. Nahoana moa no nandaitra ny fanompoan’i Jesosy?

      6 Tsy nataotaon’i Jesosy fotsiny akory ny fanompoany. Nisy fomba fitoriana narahiny koa. Araka izany dia nampianariny tsara an’ireo apostoliny, ary taty aoriana dia an’ireo mpitory ny filazantsara 70 ny fomba fitoriana ahitam-bokatra. Nanome ohatra ho azy ireo izy tamin’ny fampiasana mandrakariva, fanoharana, fanontaniana sy teny ao amin’ny Soratra masina. Mbola izany ihany no fomba tsara indrindra amin’izao andro izao. — Lioka 9:1-6; 10:1-11.

      7. Ahoana no azontsika ampahafantarana ny vaovao tsara amin’ny olona faran’izay betsaka?

      7 Koa satria miankina amin’ny fanompoana kristiana ny fiainana na ny fahafatesan’ny olona mandrakizay, ahoana no azontsika ampitana ny vaovao tsara amin’ny olona faran’izay betsaka. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ahoana no mety hahatonga antsika ho ‘afaka amin’ny ran’ny olona rehetra’? Amin’ny fampiasana ny fahafahana hanompo rehetra, anisan’izany indrindra, raha raisina ny tenin’i Paoly, ny fanompoana “isan-trano”. Manambara toy izao ny famoaboasan-kevitra espaniola iray momba ny Asan’ny Apostoly 20:20: “Izany no fomba fitoriana nampiasain’i Paoly tany Efesosy.” — Asan’ny Apostoly 20:20-27.

      Ny vato misakana voalohany

      8, 9. a) Inona moa matetika tokoa no vato misakana voalohany tokony horesena eo amin’ny fanompoana? b) Nahoana moa Jesosy no afaka niresaka tamim-pahasahiana?

      8 Matetika tokoa ny vato misakana tokony horesena voalohany eo amin’ny fanompoana dia ny tenantsika ihany. Ny kristiana sasany tokoa dia mirona hahatsiaro ho sakodiavatra, hieritreritra fa tsy vitany izany na tsy ampy fahaizana izy mba hiresahana amin’ireo olona hitany. Fa nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Jesosy? Moa ve izy nampianarina tany amin’ireo sekolin’ny raby? Nahita fianarana ambony ve izy? Nanao ahoana ny fandraisan’ny olona ny fitoriany? Mamaly antsika toy izao i Matio: “Ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Avy taiza re no nahazoan’Ilehity izany fahendrena sy asa lehibe izany?” Marina fa tanteraka Jesosy, fa Zanak’Andriamanitra izy, nefa ireo mpianany izay tokony hanahaka azy ka ny ankamaroany dia “tsy mba mpahay lalàna”, dia afaka nampiasa ny fanaony. Ahoana tokoa no nandraisan’ireo fahavalony ara-pivavahana izany fanao izany? “Ary nony nahita ny fahasahisahian’i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin’i Jesosy izy roa lahy.” — Matio 13:54; Asan’ny Apostoly 4:13.

      9 Fa avy taiza no nandraisan’i Jesosy izany zavatra rehetra nampianariny izany? Inona no nahatonga ny fanompoany hahavokatra toy izany? Sahala amin’ny ataon’ireo mpitory teny hita ao amin’ny televiziona, moa ve izy mampiasa loatra ny fihetseham-pon’ny mpihaino azy mba hananan-kery kokoa eo amin’izy ireny? Tsy izany velively. Nampiseho ny fahatsorana mihitsy ny tenan’i Jesosy. Nampiasa ny fitenim-bahoaka izy, ary nahatsapa ny nilainy ara-panahy ary indrindra, nahafantatra fa nandray soa tamin’ny fanohanan’ny Rainy izy. Nanantitrantitra mazava izany izy tao amin’ny synagogan’i Nazareta any Galilia, tanàna nonenany, rehefa nanambara fa nandray asa nanirahana, fanompoana, izy. Tamin’io andro io, dia namaky izao teny izao izy tao amin’ny horonambokin’Isaia mpaminany: “Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy; naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy, sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorina, hitory ny taona ankasitrahan’i Jehovah. (...) Ary Jesosy niteny taminy hoe: Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra rehetra izany.” — Lioka 4:16-21.

      10, 11. a) Tokony hanao ahoana ny fihetseham-pontsika eo anoloan’ny fanompoantsika? b) Nanao ahoana ny an’i Paoly?

      10 Amin’izao androntsika izao, dia mandray soa amin’ny fanohanana sahala amin’izany isika eo amin’ny fanatanterahana ny fanompoantsika, dia ny an’i Jehovah Andriamanitra, Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao. Ny hafatra avy aminy, ny fahendreny, no torintsika. Miankina amin’ny teniny isika ary mampiasa izany be dia be eo amin’ny resaka ataontsika. Raha izany no izy, moa ve tokony hahatsiaro tena ho ambany isika rehefa hoe hitory amin’olona nahita fianarana kokoa na manan-karena kokoa noho isika?

      11 Izao no avalin’i Paoly: “Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin’izao tontolo izao? Tsy nampodin’Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’izao tontolo izao? (...) Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana; fa ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; ary ny iva razana amin’izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin’Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy, mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan’Andriamanitra.” — I Korintiana 1:18-29.

      12. Miankina amin’inona ny fahombiazan’ny fanompoantsika (Jakoba 4:8)?

      12 Ny fahombiazana amin’ny fanompoantsika dia tsy miankina na amin’ny nahitantsika fianarana na amin’ny niandohantsika ara-pianakaviana. Izany dia ateraky ny hafatra momba ilay Fanjakana mihitsy, dia hafatra mahatohina ny fon’ny olona mahatsapa fa mila ny zavatra ara-panahy. Ny fahamoram-panahy asehon’i Jehovah amin’ireny olona ireny dia anton-javatra hafa iray miteraka fahombiazana. Izao tokoa no nolazain’i Jesosy: “Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy.” — Jaona 6:44.

      13. a) Nanao ahoana ny fihetsik’i Paoly sy Barnabasy teo anoloan’ny fanoherana? b) Ahoana no azontsika itanana ny fifaliantsika eo amin’ny fanompoana?

      13 Noho izany, raha miantehitra amin’ny fanohanan’i Jehovah isika, dia hahay hanao ny fanompoantsika amim-piaikena, toy ny nataon’i Paoly sy Barnabasy tamin’ny taonjato voalohany. Raha mbola nitory tany Ikonioma izy ireo, dia niteraka fisarahan-kevitra lehibe sy fanoherana sasany ny fanompoany. Nampihemotra azy ireo ve izany? Izao no tantarain’i Lioka: “Ary nitoetra ela teo izy, dia nitory tamin’ny fahasahiana noho ny fahatokiany ny Tompo, Izay nanome vavolombelona hahamarina ny tenin’ny fahasoavany ka nampanao azy roa lahy famantarana sy fahagagana.” Raha manaraka fihetsika tsy misalasala isika eo anoloan’ny olona monina ao amin’ny faritanintsika, ka mametraka amin’i Jehovah ny vokatry ny fanompoantsika, dia ho fifaliana ho antsika foana izany fa tsy ho enta-mavesatra. — Asan’ny apostoly 14:1-3; Jakoba 1:2, 3.

      Ny fihetsiky ny olona

      14. Ahoana no nandraisan’ny olona ny hafatra notorin’i Paoly?

      14 Rehefa nitory Jesosy sy Paoly dia tsy nandray tsara azy foana akory ny mpihaino azy. Araka izany, nanao ahoana ny fihetsik’ireo Ateniana rehefa niteny tamin’izy ireo i Paoly? Izao no vakintsika: “Ary ny olon-kendry sasany tamin’ny Epikoreana sy ny Stoika nanohitra azy koa, ka hoy ny sasany: Inona no tian’io mpibedibedy io holazaina? Ary hoy kosa ny sasany: Toa mitory andriamani-baovao izy, satria Jesosy sy ny fitsanganan’ny maty no notoriny. Ary ireo naka azy, dia nitondra azy ho any Areopago ka nanao hoe: Moa mba mahazo mahafantatra izany fampianarana vaovao lazainao izany izahay? Fa mampandre ny sofinay zavatra hafahafa izay tsy fantatray hianao”. — Asan’ny apostoly 17:18-20.

      15. Ahoana no fandraisan’ny olona ny fanompoantsika? Inona no tsy tokony hohadinoina?

      15 Tena tsy maintsy ekentsika fa ny hafatra entintsika sy ny fandikan’ireo fiasana fampitana hevitra azy mbamin’ny fahavalontsika, dia mety ho hafahafa faneno ao an-tsofin’ny olona. Amin’izany ny maro amin’izy ireny, voataonan’izay reny, dia mitompo teny fantatra ka mandefa antsika tsy mihaino akory. Ny hafa koa, toy ny nataon’ny Ateniana, dia manaiky hahafantatra bebe kokoa alohan’ny hanaovana fanapahan-kevitra. Mazava ho azy fa rehefa nihaino izy ireo, dia mbola mety hanamavo ihany ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana ho toy ny zavatra tsy azo inoana. Eritrereto anefa fa ny laviny dia tsy ianao fa Kristy sy ny hafatra entiny. — Asan’ny apostoly 17:32-34; Matio 12:30.

      Vahiny, avy eo dia sakaiza

      16. a) Ahoana no ho fandraisantsika raha misy vahiny tonga ao am-baravarantsika? b) Inona moa no tokony ho vokatry ny fampidiran-dresaka ataontsika?

      16 Manao ahoana ny fihetsikao rehefa tonga ao am-baravaranao ny vahiny iray? Inona avy no fanontaniana tonga ao an-tsainao? Izao angamba: Iza io? Inona no tadiaviny? Hiteraka fahasahiranana ho ahy ve izy? Tadidio izany fony isika tonga tao am-baravaran’olona tamin’ny naha-mpitory. Tokony hanome toky ilay olona ny teny fampidiran-dresaka ataontsika. Ahoana anefa no hanaovana izany? Inona no natoron’i Jesosy mba hatao fampidiran-dresaka? Izao no nolazainy? “Ary raha vao miditra ao amin’ny trano hianareo, dia miarahabà ny ao. Koa raha mendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy mendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo.” — Matio 10:12, 13.

      17. Amin’ny ahoana ny fampidiran-dresaka ataontsika no mety tsy hahasakodiavatra ny olona iresahantsika?

      17 “Aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo.” Ahoana no tokony handraisana izany? Rehefa manao fanompoana isika dia mirary ny hahatongavan’ny fiadanantsika eo amin’ny olona tsirairay avy sy ny isan-tokantrano. Ireo tenintsika voalohany àry dia tokony hampiharihary fa minisitr’Andriamanitra tia fihavanana isika. Amin’izao andro izao ny Jiosy sy ny miozilimana dia mbola mampiasa izao fitenenana izao: “Ho aminareo anie ny fiadanana” na: “Fiadanana” (“Shalom ‘alékhem” na “Shalom” amin’ny teny hebreo; “Assalam ‘alaïkoum” na “Salam” amin’ny teny arabo). Mazava ho azy fa ny fomba fiarahabantsika ny olona dia ho arakaraka ny fanao eo an-toerana, noho izany dia ho hafa arakaraka ny tany. Mitovy anefa ny zava-kendrena: manao izay tsy hahasakodiavatra an’ilay olona mba hihainoany ny hafatra momba ilay Fanjakana. Amin’izany, dia hahasoa angamba ny hilazana ny anaranao sy ny hilazana mazava mihitsy aza ny hoe aiza no monina ianao. Hasehonao amin’izany fa tsy misy na inona na inona tokony hafeninao. Hiharihary amin’ny rehetra amin’izay ny anton’ny fitsidihanao sy ny fanaovanao ny marina. Amin’izany ianao dia hanaraka izao torohevitr’i Paoly izao: “Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason’ny olona rehetra. Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.” — Romana 12:17, 18.

      18. Inona no fitsipika tokony harahintsika foana eo amin’ny fanaovana ny fanompoantsika?

      18 Na isan-trano no anaovantsika ny fanompoantsika na eny amin’ny arabe dia jeren’ny rehetra isika. Tsy tokony hisy hokianina na hanafintohina na iza na iza foana àry ny fihetsika asehontsika sy ny tenintsika. Nefa, na dia tokony hampahafantatra ny tenantsika amim-pahalemem-panahy sy amim-pihavanana aza isika, dia tsy mety ny miala tsiny be. Tsy menatra ny ho minisitr’Andriamanitra ampahibemaso isika. — Marka 8:38.

      19, 20. a) Ahoana no azo anatonana eny amin’ny arabe olona vitsy teny? b) Nahoana moa Jesosy no nahomby tsara tamin’ny fanombohan-dresaka tamin’ny olona?

      19 Any amin’ny tany sasany dia vitsy teny ny olona. Misy sakodiavatra rehefa manatona azy ny tena eny amin’ny arabe mba hanipy hevitra aminy hamaky gazety. Raha izany no izy, nahoana raha mampiasa fomba tsy misehoseho kokoa mba hitenenana aminy? Amin’ny fanehoana fahaiza-mandanjalanja dia azo atao ny mampidi-dresaka amin’ny olona iray toa tsy maika ka rehefa avy eo vao mampiseho aminy ireo boky momba ny Baiboly amin’ny fomba tsotra.

      20 Tsy isalasalana fa havanana tokoa Jesosy tamin’io karazam-pitoriana io. Koa satria tamin’ny ankapobeny dia nanamavo ny Samaritana sy ny vehivavy ny Jiosy, dia nampiasa fahaiza-manavaka be dia be i Jesosy rehefa niresaka tamin’ny vehivavy Samaritana iray nanana fitondrantena tsy ara-dalàna teo am-pantsakan’i Jakoba. Ny resaka nanaraka izany dia ohatra faka tahaka raha ny amin’ny fanaovana fanambarana tampotampoka na eny amin’ny arabe. Izany koa dia ohatra tsara dia tsara ny amin’ny fampianarana voamariky ny fangoraham-po sy manorina. — Jaona 4:5-30.

      21. Fepetra tena lehibe hafa inona no misongadina tsara amin’ny fanompoan’i Paoly?

      21 Misy anton-javatra anankiray hafa tena lehibe koa izay tokony hoheverina rehefa manomboka miresaka ny vaovao tsaran’ny Fanjakana isika. Kinga tamin’io lafiny io i Paoly. Aoka hojerentsika raha voamarikao io anton-javatra io tao amin’ny sasantsasany amin’ireo fampidiran-dresaka nataon’i Paoly hita ao amin’ny Asan’ny apostoly 13:16-20; 17:22 sy As 22:1-3. Mariho fa tamin’ny toe-javatra tsirairay avy dia nitady izay hifanarahana tamin’ny mpihaino azy izy aloha. Nipetraka teo amin’ny toeran’izy ireo izy ary nihevitra ny nisy azy na ny fiainany ara-pivavahana teo aloha, hany ka nihaino azy ireo na dia tsy niray hevitra taminy aza. Amin’izany fomba izany koa, dia azonao atao ny manorina fifandraisana amin’ny olona iresahanao, ny milazalaza hevitra iombonanareo. Misy ankizy ve ao an-trano? Amin’izay, raha ray na renim-pianakaviana ianao, dia misy zavatra iombonanao amin’ilay olona, ka angamba izany ho fiandohan’ny resaka amim-pisakaizana hahafahanareo miresaka ny hafatra momba ilay Fanjakana. — Matio 18:1-6.

      22. Fanontaniana inona avy no tokony hovaliana izao?

      22 Fiaingana fotsiny anefa ireo fanipazan-kevitra ireo. Inona moa ireo dingana hafa tokony hatao mba hamokarana mpianatra vaovao amin’ny farany? Eny, inona koa no mbola ilaina mba hanampiana olona hampifamatotra fifandraisana manokana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy? Inona avy no toetra hahatonga ny fanompoanao hisy vokany kokoa?

      Ahoana no havalinao?

      ◻ Inona moa no sasantsasany amin’ireo fepetra tsy maintsy fenoina alohan’ny haneken’ny olona iray ny hafatra momba ilay Fanjakana?

      ◻ Ahoana no azo andresena ny hasarotan-kenatra na ny fahatahoran’ny tena eo amin’ny fanaovana ny fanompoana?

      ◻ Inona no tokony ho zava-kendrentsika amin’ny fampidiran-dresaka ataontsika rehefa mitory ilay Fanjakana isika?

      ◻ Amin’ny ahoana ny ohatra nomen’i Jesosy sy Paoly no mety hanampy antsika hanatona ny olona?

      [Sary, pejy 17]

      Nampianarin’i Jesosy an’ireo mpianany ny fomba mandaitra mba hanaovana ny fanompoany.

      [Sary, pejy 19]

      Inona avy no fanontaniana tonga ao an-tsainao rehefa tonga ao am-baravaranao ny vahiny iray?

  • Fanompoana mandaitra mba hanaovana mpianatra misimisy kokoa
    Ny Tilikambo Fiambenana—1985 | 15 Febroary
    • Fanompoana mandaitra mba hanaovana mpianatra misimisy kokoa

      “Izy no nanome ny sasany ho (...) evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana”. — EFESIANA 4:11, 12.

      1. Nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Jesosy teo anoloan’ny olona?

      TSY mpitoka-monina akory Jesosy Kristy. Nitodika tanteraka tany amin’ny olona ny fanompoany, araka ny porofoin’ny fitantarana ao amin’ny Filazantsara efatra izay saika mampiseho an’i Jesosy amintsika foana mihevitra ny olombelona. Tamin’ny dia nataony, dia tsapany ny tena toe-piainan’izy ireo ary nahatsapa fangoraham-po lalina azy ireo izy. Raha minisitra kristiana ianao, moa ve ianao mangoraka ny olona hitanao? — Matio 9:35, 36.

      2. Ahoana no anahafan’ny Vavolombelon’i Jehovah an’i Jesosy?

      2 Amin’izao andro izao koa dia mahakasika ny olona ny fanompoana kristiana. Noho ny fahatsapana izany, eo amin’ny fanatanterahana ny asany ho an’Andriamanitra, dia manatona ny olona amim-pahaiza-mandanjalanja ny Vavolombelon’i Jehovah. Hatraiza hatraiza maneran-tany, dia azo atao ny mahita azy ireny eo am-piresahana amin’ny mpiara-belona aminy eny amin’ny arabe, eny am-baravaran’ny trano, any amin’ireo foibe ara-barotra be mpandalo, eny am-piandrasana aotobisy na “métro”, any amin’ireo gara, ozinina, birao sy faritany fanaovan-draharaha. Na aiza na aiza mety hahitana olona, dia ao ny Vavolombelona ary manao ny asan’ny evanjelista. Fa nahoana? Satria ny teny hoe “evanjily” dia avy amin’ny teny grika hoe éuaggélion izay ny dikany dia hoe “vaovao tsara”. Toy ny nataon’i Kristy, ny vavolombelona kristian’i Jehovah tsirairay avy dia tokony ho minisitry ny vaovao tsara”, ho mpitory ny filazantsara. Noho izany, dia tokony hihevitra ny olombelona koa izy ireny. — II Timoty 4:5; Efesiana 4:11, 12.

      3. Inona no fanao mandaitra indrindra mba hanaovana ny fanompoana kristiana?

      3 Fa amin’ny fomba ahoana no hanaovana an’io asa fitoriana ny filazantsara io mba hahatonga azy hisy vokany? Amin’ny alalan’ny radiao sy ny televiziona ve, toy ny ataon’ny fivavahana maro? Araka ny hevitrao, moa ve ny radiao na ny televiziona afaka manome anao miaraka amin’izay ny valin’ny fanontaniana apetrakao amin’ny tenanao? Mazava ho azy fa tsy izany. Amin’ny heviny iray, izany dia fomba fampitana hevitra tsy mikendry olona iray. Ny fanompoana mandaitra indrindra àry amin’izao andro izao dia mbola ilay nataon’i Jesosy sy ny mpianany ihany izay nahatonga azy ireo ho afaka hanana fifampikasohana mivantana amin’izay rehetra nitady ny fahamarinana. Mazava ho azy fa mitaky fotoana sy fiezahana izany, araka ny asehon’i Paoly amin’izao fanazavana tsotra dia tsotra izao: “Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo. Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy.” — I Korintiana 3:5-7.

      4. Inona moa ireo karazana asa telo amin’ny fanompoana misy vokany?

      4 Ireo teny ireo dia mahatonga ho afaka hahafantatra fa ny fanompoana kristiana dia misy lafin’asa telo natao hambolena, hikolokoloana sy hijinjana. Amin’ny fomba ahoana? Ilaina aloha ny hanombohana hanatsatoka, ka izany dia mifanitsy amin’ny fandraisan’ny olona iray voalohany ny vaovao tsaran’ny Fanjakana. Rehefa avy eo dia ilaina ny mamboly, izany hoe mikolokolo na manondraka izay natsatoka. Amin’ny fomba ahoana no hanaovana izany? Amin’ny alalan’ny resaka hafa izay hahatonga ho afaka hamaly ireo fanontanian’ilay olona sy hanilika ny fisalasalany. Matetika tokoa izany no miafara amin’ny fianarana tsy tapaka ny Baiboly ka amin’izany ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly dia hamaka lalina ao an-tsaina sy ao am-pon’ilay olona. Amin’izany no isian’ny fitomboana noho ny fitahian’Andriamanitra. Amin’ny farany izany dia hiteraka mpianatr’i Jesosy Kristy vaovao marisika, minisitra vaovao. Fa ahoana no mety hahitantsika rehetra izay minisitra izany fahasambarana izany, izany fitahiana izany, dia: ny ‘fijinjana’ mpianatra?

      5. Inona no hanampy antsika ho minisitra mahavokatra?

      5 Araka ny nasehon’ny lahatsoratra teo aloha, Jesosy dia nanome ho an’ny mpianany toromarika azo ampiharina momba ny fomba hanatanterahana ny fanompoan’izy ireo. Fa raha ny amin’i Paoly, dia noresahiny ny amin’ny ‘fanaony ao amin’i Kristy’. (I Korintiana 4:17.) Ny fitohitohizana kongregasiona tany Azia Minora sy tany Grisia izay nandraisany anjara ny famoronana azy, dia porofo miteny ho azy ny amin’ny fahombiazany. Efa nijery sasantsasany tamin’ireo fanaony (sy ny an’i Jesosy) isika, nefa moa ve tsy misy hafa ho azontsika ampiasaina amin’ny fomba mandaitra amin’izao andro izao?

      Ny fanorenana sy ny hafatra

      6. Tokony hiorina amin’inona ny fanompoantsika?

      6 Tokony hiorina amin’inona ny hafatra kristiana? Amin’ny fahendrena sy ny filozofian’olombelona ve? Mamaly mazava dia mazava toy izao ao amin’ny taratasiny ho an’i Timoty i Paoly: “Fa hianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria (...) hatry ny fony vao zaza hianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana”. Mazava àry fa ny Baiboly Tenin’Andriamanitra dia tokony ho vato fanorenan’ny fanompoantsika. — II Timoty 3:14-17.

      7, 8. Inona no ohatra navelan’i Jesosy sy Paoly ho antsika raha ny amin’ny fampiasana ny Soratra masina?

      7 Ohatra faka tahaka i Jesosy amin’io lafiny io: naka teny avy ao amin’ny Soratra masina foana izy. Nanao toy izany koa i Paoly. Ohatra, moa ve izy nampianatra ny filozofia grika tany Tesalonika? Tsia, satria izao no vakintsika: “Ary Paoly dia niditra tao araka ny fanaony; ary Sabata telo no niadiany hevitra avy amin’ny Soratra Masina tamin’ny olona tao. Dia nanambara izy ka naneho marimarina [ka nanazava sy nanaporofo tamin’ny alalan’ny teny nalaina, MN] fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin’ny maty Kristy.” — Asan’ny apostoly 17:1-3.

      8 Inona no naterak’izany? “Ny sasany tamin’ireo dia nino.” Mifanaraka amin’ny fomba nampiasain’i Paoly, ny fitoriantsika àry dia tokony hiorina amin’ny Tenin’Andriamanitra. Noho izany antony izany no anipazana hevitra amintsika mba hampiasa foto-kevitra araka ny Baiboly toy izao na izao eo amin’ny resaka ataontsika amin’ny fanompoana. Amin’izany fomba izany, ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra dia mety hahatohina ny fon’ireo izay mahatsapa fa mila ny zavatra ara-panahy. — Asa. 17:4.

      9, 10. a) Inona no tokony ho foto-kevitry ny fitoriantsika? b) Manomeza ohatra notsoahina avy amin’ny fanompoan’i Paoly?

      9 Misy fanontaniana hafa iray koa anefa ity: Inona no hafatra tokony hotorintsika? Inona no foto-kevitry ny fanompoan’i Kristy? Fantatr’i Jesosy tanteraka ny asa nanirahana azy, satria hoy izy: “Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny [vaovao tsara, MN] ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy.” Ary koa, ny amin’ireo andro faran’ny fandehan-javatra ankehitriny, dia izao no nambarany: “Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny [vaovao tsaran’ny, MN] fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” — Lioka 4:43; Matio 24:14.

      10 Nosoritan’i Paoly io foto-kevitra io ihany koa tamin’ny fitoriany. Ohatra, raha niteny tamin’ny Jiosy tafavory tao amin’ny synagoga iray izy dia “niteny tamin’ny fahasahiana, dia niady hevitra telo volana ka nampanaiky ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra”. Ny “fanjakan’Andriamanitra” àry no tokony ho foto-kevitry ny fanompoana kristiana. — Asa. 19:8; 28:23, 31.

      Mamely ve ianao sa misintona?

      11. Ahoana matetika tokoa no fandraisan’ny olona ny Vavolombelona iray, ary ahoana no azontsika itondrana fanafodin’izany tarehin-javatra izany (Asa 17:17, 18)?

      11 Amin’izao androntsika izao toy ny tamin’ny taonjato voalohany, dia misaratsaraka ny olona noho ny fivavahany, ny firazanany sy ny fireneny (Asa. 2:7-11). Manana fitompoan-teny fantatra ara-pivavahana ny ankamaroan’ny olona. Rehefa miteny amin’izy ireo ny Vavolombelon’i Jehovah iray, dia matetika tokoa izy ireny no mahatsiaro tena fa asiana ka avy hatrany dia manomboka miaro tena. Inona no azontsika atao ho fanafodin’izany tarehin-javatra izany? Amin’ny fanehoana fahamoram-panahy sy fahaiza-mandanjalanja ary fahaiza-mampifanara-javatra.

      12, 13. Ahoana no nitenenan’i Paoly tamin’ireo Ateniana mpanompo sampy? Ahoana no fandraisan’ireo izany?

      12 Jereo ny fomba nidiran’i Paoly tamin’izany karazan-tarehin-javatra izany tany Atena, toerana avo fanaovana fanompoan-tsampy. Rehefa hitany ireo sampy maro dia maro tao amin’io tanàna io, dia sosotra izy aloha. Nefa, tao amin’ny Areopago, rehefa nitsangana mba hiteny izy, avy hatrany ve dia nokianiny ny fanompoam-pivavahan’ny Ateniana feno fanompoan-tsampy? Toy izao no nanombohany: “Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin’ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin’ny andriamanitrareo indrindra hianareo. Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: Ho an’izay Andriamanitra tsy fantatra. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo”. — Asa. 17:16-23.

      13 Moa ve i Paoly nampiala ny mpihaino azy tamin’ireo teny fampidiran-dresaka ireo? Tsy izany velively. Niteny tamin’izy ireny tamim-pahaiza-mandanjalanja izy, ka nanalavitra izay rehetra nety ho fihetsika jadona. Tsy nanameloka azy ireny izy na dia zava-poana araka ny fiheveran’Andriamanitra aza ny fanompoam-pivavahany. Teo izy mba hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana fa tsy hamely an’ireny olona ireny. Tsapany ny fihetseham-pon’izy ireo lalina ara-pivavahana, ka nampiasainy izany mba ho fototry ny hamelabelarana ny foto-kevitry ny fitoriany: ilay Andriamanitra marina sy ny solontenany, Jesosy Kristy tafatsangana tamin’ny maty. Inona no vokatr’izany fanatonana feno fahaiza-mandanjalanja izany? Raha marina fa naniratsira ny sasany, “ny sasany kosa nanao hoe: Mbola hihaino anao indray izahay ny amin’izany zavatra izany.” Fanasana hanao fiverenana mitsidika izany! — Asa. 17:22-32.

      14. Ahoana no azontsika anahafana an’i Paoly eo amin’ny fanompoantsika?

      14 Ahoana no azontsika anarahana izany fomba izany amin’izao andro izao? Voalohany indrindra, dia tokony ho mailaka isika ny hanamarika izay rehetra mety ho marika amantarana ny toetoetr’ilay olona iresahantsika amin’ny ara-pivavahana: ohatra, zavatra ara-pivavahana iray eny aminy na mihantona eo am-baravarana na ao an-dalantsara. Amin’izany, sahala amin’i Paoly, no matetika tokoa mety hahazoantsika an-tsaina ny amin’ny zavatra inoan’ilay olona ara-pivavahana, ka izany dia hanampy antsika hifidy fampidiran-dresaka mampiseho fisakaizana izay hanaitra ny fahalianany nefa tsy hiteraka fiadian-kevitra. Aoka tsy hohadinointsika fa matoa mitsidika ny olona isika, dia mba hiresahana voalohany indrindra aminy ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra fa tsy hiditra avy hatrany amin’ny adihevitra momba ny foto-pampianarana. Irintsika ny hahazo an’ilay olona fa tsy handresy azy. — Jereo II Timoty 2:23-26.

      15. Inona no fantatsika koa amin’ny fanompoan’i Jesosy (Lioka 10:38-42)?

      15 Inona koa no azontsika ianarana amin’ny ohatra nomen’i Kristy? Rehefa mijery ny fanompoany isika, dia voatery miaiky fa sady niaiky ny fahamarinan’ny heviny i Jesosy no tsotra. Tsy sakodiavatra izy na toy inona na toy inona tarehin-javatra, fa niresaka ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny fotoana rehetra na mety na tsia. Azony natao ny nitory tamim-pifankazarana tao amin’ny tokantrano iray na nitsangana teo anatrehan’ny vahoaka be sy nanao lahateny tsy nisy fitadidiana an-tsoratra na Baiboly, na fanamafisam-peo. Nampiseho hafanana tamin’ny olona izy, hany ka tsy nahatsiaro ho sakodiavatra ny sarababembahoaka raha nanatona azy. Niresaka tamin’izy ireo araka ny fomba fiteniny izy, dia izay mahakasika ny saha, ny vokatra, ny fanaratoana sy ny harato. Na dia lalina tokoa aza ireny fanoharana ireny, dia azon’izy ireo. Maneho toetra toy izany ve isika eo amin’ny fanompoana? — Matio 4:18-25; 13:1-33; Lioka 5:1-3.

      Ny fomba hanohinana ny fon’ny olona

      16. Nahoana moa isika no tokony ho mpampianatra mahay?

      16 Amin’ny ankapobeny dia ilaina ny fotoana sy ny fianarana lalina ny Baiboly mba hampiaiky ny olona iray ny amin’ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Noho izany antony izany no anolorantsika an’izay rehetra maniry handinika ireo fampanantenana nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy, fianarana tsy tapaka ny Baiboly ao an-tokantranony maimaimpoana sy tsy misy mahavoatery azy. Ny fianarana toy izany, ao anatin’ny vanim-potoana sasany, dia mahatonga ho afaka hijery foto-kevitra sy fanontaniana be dia be. Milaza àry izany fa tokony ho mpampianatra mahay isika. Fa ahoana marina tokoa moa izany hoe mampianatra? — I Timoty 4:16.

      17. Inona moa no anankiray amin’ireo fomba nampiasain’i Jesosy mba hanohinana ny fon’ny olona?

      17 Eo amin’i Jesosy ihany indray koa no hahazoantsika ny valiny. Ahoana no fomba nampianarany? Vakio ireo andininy manaraka ka jereo ny fomba tsotra dia tsotra nampiasainy mba hampianarana: Lioka 6:9, 32-34, 39-42. Inona izany? Nametraka fanontaniana nahatonga hieritreritra izy. Noho ny fikendrena inona? Mba hanampiana an’ireo mpihaino azy hanjohy hevitra sy handini-tena amin’ny fahazavan’ny fampianarany. Noho izany fanontaniana izany, dia nanohina ny fon’izy ireo tamim-pahaiza-mandanjalanja izy. Anjaran’izy ireo rehefa avy eo ny mampiseho raha iriny amim-pahatsorana ny ho tonga mpianany na raha nihaino azy noho ny antony manosika tsy dia lalina izy ireo. — Matio 13:10-17; Marka 8:34-38.

      18. a) Nahoana moa ny Vavolombelon’i Jehovah no mampiasa matetika ireo fanontaniana ao amin’ny boky fianarany ny Baiboly? b) Inona moa no fomba tsy tokony hampiasaina loatra mba hampianarana olona?

      18 Saika ao amin’ny boky fianarana ny Baiboly rehetra ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia misy fanontaniana mifanitsy amin’ireo fehintsoratra. Mahasoa tokoa izy ireny amin’ny fampianarana, satria azo atao ny mitarika ireo olona mianatra ny Baiboly hilaza hevitra amin’ny fomba fiteniny manokana ka hahatsapa amin’izany na azony na tsia ny foto-kevitra. Aoka homarihintsika anefa fa raha nametraka fanontaniana matetika tokoa tamin’ireo mpihaino azy i Jesosy, izany dia tsy nataony lalao mihitsy ka hoe nomeny ny teny voalohany amin’ny fehezanteny iray na ny vaninteny voalohany amin’ny teny iray mba hanaovana ankamantatra ny valiny. Efa nampiasa izany fanao izany tamin’ny mpianatra Baiboly sasany ve ianao? Nahoana izany no tsy fomba tsara tokony hampiasaina tsy tapaka? Satria ny fahalalana ny amin’Andriamanitra sy Kristy izay mitarika ho amin’ny famonjena dia tokony ho azo amin’ny alalan’ny fiheverana sy ny fandrindran-kevitra fa tsy amin’ny alalan’ny ankamantatra. — Jaona 17:3; I Jaona 5:20.

      Mpianatr’iza?

      19, 20. Fampitandremana inona no ilaina? Nahoana?

      19 Rehefa tonga eo amin’io ambaratonga amin’ny famakafakana io isika, dia hita fa ilaina ny fampitandremana iray. Raha mitory sy mampianatra amin’ny fomba mandaitra ao amin’ny faritany mahavokatra iray isika, amin’ny farany dia hamokatra mpianatra isika. Ho mpianatr’iza anefa izy ireo? Tokony hieritreritra ve isika fa “ondrintsika” izy ireny? Havelantsika ve izy ireny hanindrahindra antsika na handoka foana antsika amin’ny maha-minisitra? Mariho ny fihetsik’i Paoly sy Barnabasy rehefa nitady hitondra azy ireo toy ny andriamanitra ny mponina tao Lystra. Nihiaka toy izao izy ireo: “Raondriana [ry lehilahy, MN], ahoana no anaovanareo izao? Olona tahaka anareo ihany izahay ary mitory ny filazantsara aminareo, mba hialanareo amin’izao zava-poana izao hanatona an’Andriamanitra velona”. — Asa 14:14, 15.

      20 Tsy nitady izay hampisongadina ny tenany i Paoly sy Barnabasy. Na dia rehefa nanoro hevitra an’ireo kristiana aza i Paoly mba hanahaka azy toy ny nanahafan’ny tenany an’i Kristy, dia tsy niriny ny hahatongavan’ireo ho mpianany. Tokony hanome voninahitra foana an’Andriamanitra fa tsy ny olona ny fanompoana ataontsika. — I Korintiana 3:6, 7; 11:1.

      21. Nahoana moa ny mpianatra vaovao no mba tonga minisitra koa?

      21 Rehefa mandeha ny fotoana, dia mba tonga minisitra koa ireo mpianatra vaovao. Amin’ny fomba ahoana? Inona no mitranga rehefa maharay vaovao tsara dia tsara isika? Afaka mitana izany ho antsika irery ve isika? Irintsika mafy ny hampita izany amin’ny hafa. Izany no nampahafantarin’i Jesosy tamin’ny filazana hoe: “Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; (...) fa amin’ny haben’ny ao am-pony no itenenan’ny vavany.” Toy izany ny amin’ny vaovao tsaran’ny Fanjakana. Ho tian’ny mpianatra manana fo voatohina ny mba hampianatra olon-kafa indray kosa sy handray anjara amin’ny fanompoana, tsy tapaka sy an-tsitrapo. Hanaraka ny fanolorany ny tenany ho an’Andriamanitra sy ny batisany. Amin’izany no mihalava foana ny fitohitohizana minisitra, araka ny fotopoto-pitsipika voarakitra ao amin’izao torohevitra nomen’i Paoly ho an’i Timoty manaraka izao: “Ary izay zavatra efa renao tamiko (...) dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa.” — Lioka 6:45; II Timoty 2:2.

      22. a) Nahoana moa Jehovah no nametraka fandamina-mpampianatra sy mpitory ny filazantsara? b) Asa hafa inona koa moa no tsy maintsy hotontosaina any aoriana?

      22 Amin’izao taonjato faharoapolo izao Jehovah dia manana maneran-tany fandamina-mpampianatra, mpitory ny filazantsara sy minisitra tsara ofana indrindra. Maherin’ny 2 600 000 no miasa amin’ny fanaovana fanambarana farany tsy maintsy hialoha ny fandravana ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny. Nefa io fandaminana tsy mitsahatra ny mitatra io dia miomana hisetra zava-tsarotra mbola lehibe kokoa ihany: ny fampianarana olona an-davitrisany (an’arivo tapitrisany) maro izay ho velona indray noho ny fananganana ny maty. Vonona ny hanandrana izany tombontsoa mahafinaritra izany ve ianao? Efa mahavokatra dieny izao ve ny fanompoanao. Aoka isika hivavaka mba hamirapiratan’ny fahazavantsika ho voninahitr’Andriamanitra raha mbola manompo amin’ny maha-minisitra mahita vokatra ho azy isika. — Matio 5:16; Jaona 5:28, 29.

      Izay nianaranao

      ◻ Inona no fomba mandaitra mba hitoriana ny vaovao tsara?

      ◻ Tokony hiorina amin’inona moa ny fampianarantsika?

      ◻ Toetra inona avy no ilaina mba hanosehana ny olona hihaino antsika?

      ◻ Tamin’ny fomba ahoana no nanohinan’i Jesosy ny fon’ny mpihaino azy? Hafatra inona no tokony hampitaina?

      ◻ Inona no fampitandremana mahasoa raha mampianatra olona isika?

      [Sary, pejy 22]

      Mitory ny Vavolombelon’i Jehovah na aiza na aiza misy olona.

      [Sary, pejy 24]

      Rehefa mitory isika, dia aoka hodinihintsika izay rehetra mety hanome fanazavana antsika ny amin’ny fivavahan’ilay mponina.

  • Ireo “reny mpisolo toerana”
    Ny Tilikambo Fiambenana—1985 | 15 Febroary
    • Ireo “reny mpisolo toerana”

      Efa nisy fitantarana ny amin’ny fampiterahana olona tsy araka ny natiora tamin’ny 1799. Nitatra be dia be anefa io fanao io tao anatin’izao taona faramparany izao. Antsoin’ny Figaro hoe “reny mpisolo toerana” ny vehivavy iray nampiterahana tsy araka ny natiora ka miteraka zaza ho an’ny vehivavy hafa iray. Nanaiky izany fandaharana izany ilay vehivavy momba sy ny vadiny ka rehefa miteraka zaza ilay “reny mpisolo toerana”, dia atsangan’ilay mpivady ho zanany io. Amin’ny toe-javatra toy izany, ny “sperme” ilaina dia mety ho avy amin’ny vadin’ilay vehivavy momba na avy amin’ny mpanome hafa iray.

      Olona maro be angamba no mankasitraka io fanao io, fa ny kristiana kosa dia rariny raha manontany tena raha mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra izany. Milaza mazava toy izao ny Baiboly ao amin’ny Levitikosy 18:20: “Ary aza mandry amin’ny [aza manome ny mivoaka famafy avy amin’ny tenanao ho an’ny, MN] vadin’ny namanao, handoto ny tenanao aminy.” Raha toa, amin’ny alalan’ny fampiterahana tsy araka ny natiora (insémination artificielle), ka mandray “sperme” hafa fa tsy an’ny vadiny ara-dalàna ny vehivavy iray, dia meloka ho manitsakitsa-bady izy ka manota amin’Andriamanitra (Deoteronomia 5:18). Tsy nampiraisin’Andriamanitra ho mpivady ilay mpanome “sperme” sy ilay “reny mpisolo toerana”. — Matio 19:4-6.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara