Mandehana Amin’ny Finoana
1 Olona an-tapitrisany maro no manorina ny fiainany manodidina ny fananany ara-nofo noho ny fitokiana amin-kadalana amin’ny fitaky ny harena. (Matio 13:22). Voa izy ireo vao hendry rehefa very na nisy nangalatra na hita fa tsy nahasoa akory tamin’ny farany ny harenany. Ampirisihina mafy isika hanaraka lalana mampiseho fahendrena kokoa ka hikely aina hahazo harena ara-panahy. (Matio 6:19, 20). Izany dia mahafaoka ‘fandehanana amin’ny finoana’. — 2 Kor. 5:7.
2 Ny teny hoe “finoana” dia adika avy amin’ny teny grika iray izay mampita ny hevitra ny amin’ny fatokiana, ny fitokiana, ny fiekena mafy. Ny hoe mandeha amin’ny finoana dia midika hoe miatrika toe-javatra sarotra amim-patokiana an’Andriamanitra, ka mitoky amin’ny fahaizany mitarika ny diantsika sy amin’ny fahavononany hikarakara ireo zavatra ilaintsika. Namela ny ohatra tanteraka i Jesosy; nifantoka hatrany tamin’izay zavatra tena lehibe izy. (Heb 12:2). Toy izany koa, isika dia mila mihazona ny fontsika hifantoka amin’ny zavatra ara-panahy tsy hita. (2 Kor. 4:18). Tsy maintsy mitadidy ao an-tsaina mandrakariva ny maha-tsy azo antoka ny fiainantsika ankehitriny isika sy manaiky ny fiankinantsika tanteraka amin’i Jehovah.
3 Tsy maintsy miaiky mafy koa isika fa mitarika antsika amin’ny alalan’ny fandaminany hita maso eo ambany fitarihan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” i Jehovah. (Matio 24:45-47, NW ). Mampiseho ny finoantsika isika rehefa ‘mankato an’ireo izay mitari-dalana’ ao amin’ny kongregasiona. (Heb. 13:17, NW ). Ny fanarahana amim-panetren-tena an’ireo fandaharana teokratika dia mampiharihary ny fitokiantsika amin’i Jehovah. (1 Pet. 5:6). Tokony ho voatosika hanohana amin’ny fo manontolo an’ilay asa izay nomena hataon’ny fandaminana isika. Izany dia hampanatona antsika akaiky kokoa an’ireo rahalahintsika ao amin’ny fatoram-pitiavana matanjaka sy ny firaisan-tsaina. — 1 Kor. 1:10.
4 Ny fomba anatanjahana ny finoana: Tsy tokony hamela ny finoantsika tsy hitombo isika. Mila manao ady mafy isika mba hampitomboana azy io. Ny fianarana sy ny vavaka ary ny fanatrehana fivoriana tsy tapaka dia hanampy antsika hanatanjaka ny finoantsika, hany ka mahatohitra izay fitsapana rehetra izy io, noho ny fanampian’i Jehovah. (Efes. 6:16). Efa nanorina fahazarana tsara ho amin’ny famakiana Baiboly isan’andro sy ny fanomanana ireo fivoriana ve ianao? Misaintsaina matetika momba izay ianaranao sy manatona an’i Jehovah amin’ny vavaka ve ianao? Fahazaranao ve ny manatrika ireo fivoriana rehetra sy ny mandray anjara amin’izy ireny raha misy fahafahana hanao izany? — Heb. 10:23-25.
5 Porofoin’ny asa tsara ny finoana matanjaka. (Jak. 2:26). Ny iray amin’ireo fomba tsara indrindra hampisehoana ny finoantsika dia ny fanambarana ny fanantenantsika amin’ny hafa. Mitady fahafahana hizara ny vaovao tsara ve ianao? Azo ahitsy ve ny toe-javatra misy anao mba hahafahanao hanao bebe kokoa eo amin’ny fanompoana? Mampihatra ireo fanoloran-kevitra raisintsika mba hampitomboana ny hatsaran’ny fanompoantsika sy ny fandairany ve ianao? Mametra tanjona manokana ara-panahy ka miezaka mafy hanatratra azy ireo ve ianao?
6 Nampitandrina antsika i Jesosy mba tsy ho voatazona loatra amin’ny asa aman-draharaha eo amin’ny fiainana andavanandro sy hamela ny tombontsoa ara-nofo na feno fitiavan-tena hampihena ny fahitantsika ara-panahy. (Lioka 21:34-36). Tsy maintsy mitandrina tsara izay fandehantsika isika mba tsy ho vaky sambo raha ny amin’ny finoantsika. (Efes. 5:15; 1 Tim. 1:19). Isika rehetra dia manantena ny ho afaka hanambara amin’ny farany fa ‘efa niady ny ady tsara sy nahatanteraka ny fihazakazahantsika ary nitahiry ny finoana’ isika. — 2 Tim. 4:7.