FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Aoka Isika Hanolotra Ny Boky Ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika Miaraka A
    Fanompoana—1996 | Janoary
    • Aoka Isika Hanolotra Ny Boky Ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika Miaraka Amin’ny Bokikely Ny Anaran’andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay

      1 Mety hanontany tena ny mpitory sasany hoe ahoana no hetezan’ny fanolorana ny Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika eny amin’ny saha fanompoana. Manana antony mba hampielezana io boky sarobidy io isika, noho ny hasarobidin’ny zavatra raketiny.

      2 Misarika ny saina ho amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fanazavana raketiny, ary koa mitondra fanampiana ho an’ireo izay maniry ho tonga mpanompon’Andriamanitra. Ny Fianarana faha-3 dia mitondra ny lohateny hoe: “Ny Baiboly — Ny Boky Fianarantsika Lehibe Indrindra”. Azontsika asongadina, ohatra, ny fehintsoratra faha-11 eo amin’ny pejy faha-17, raha mahita olona misalasala ny amin’ny fahamarinan’ny Baiboly isika. Izao no voalaza ao: “Mirakitra fanazavana izay tsy hita na aiza na aiza ny Baiboly. Ohatra, ny Genesisy dia manome fanazavana antsika ny amin’ny famoronana ny tany ary mitantara zavatra nitranga talohan’ny famoronana ny olombelona. (Gen. 1:1-31). Milaza resaka nisy tany an-danitra koa ny Baiboly ka tsy nety ho fantatry ny olona na dia iray aza izany raha tsy nampitain’Andriamanitra. — Joba 1:6-12; 1 Mpanj. 22:19-23.”

      3 Azo atao koa ny manasongadina ao amin’ny Fianarana faha-3 ihany fa azo avy tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ny Baiboly. Ao amin’ny fehintsoratra faha-5, eo amin’ny pejy faha-15 dia voalaza hoe: “Lehilahy eo amin’ny efapolo samy hafa no nampiasaina ho mpitantsoratr’i Jehovah, ilay hany Mpanao ny Teniny ara-tsindrimandry. ‘Izay Soratra rehetra dia nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra’, (...) (2 Tim. 3:16).”

      4 Azontsika atao rehefa avy eo ny manolotra ny Boky ho An’ny Sekoly sy ny bokikely Ny Anaran’Andriamanitra amin’ny fandraisana anjara an-tsitrapo 900 FMG. Raha lavina izany, dia azo atao ny manolotra ny boky amin’ny fandraisana anjara an-tsitrapo 500 FMG, na ny bokikely amin’ny fandraisana anjara an-tsitrapo 400 FMG. Antenaina fa hanao izay azony atao ny mpitory tsirairay amin’ny fanelezana ireo fitaovana sarobidy ireo.

      5 Mety ho tianao ny hanandrana itỳ fampisehoana tsotra itỳ amin’ny alalan’ny bokikely “Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay”:

      ◼ “Ny iray amin’ireo zavatra voalohany nianarako tao amin’ny Baiboly dia ny anaran’Andriamanitra. Fantatrao ve hoe iza no anarany? [Avelao ilay olona hamaly.] Aoka hasehoko anao. Ato amin’ny Baiboly ato izy io, ao amin’ny Salamo 83:18. [Vakio.] Asehon’itỳ bokikely itỳ hoe ahoana no isehoan’ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah amin’ny fiteny maro samihafa. [Asehoy ilay faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-8.] Raha tianao ny hahafantatra bebe kokoa momba an’i Jehovah sy ny fikasany, dia tokony hamaky itỳ bokikely itỳ ianao.” Atolory an’ilay tompon-trano ilay bokikely.

      6 Amin’ny fananantsika io bokikely tsara dia tsara io mba hampiasaina, dia azo antoka fa ampy fitaovana tsara isika “hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra”. — Isaia 61:1.

      [Loharanon-kevitra]

  • Manaova Fiverenana Mitsidika Any Amin’izay Rehetra Nametrahana Boky Sy Bokikely
    Fanompoana—1996 | Janoary
    • Manaova Fiverenana Mitsidika Any Amin’izay Rehetra Nametrahana Boky Sy Bokikely

      1 Angamba isika nanao resadresaka nahaliana tamin’ny tompon-trano iray izay nandray ny Boky ho An’ny Sekoly. Irintsika ny hihazona ny fahalianany sy ny hahatakarany ny maha-zava-dehibe ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra.

      2 Ho azonao atao ny hanomboka indray ny fiaraha-midinika amin’ny “Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika” amin’izao fomba izao:

      ◼ “Faly aho mahita anao indray. Fony aho teto tamin’ny farany, dia niresaka isika fa avy tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra no nahazoana ny Baiboly. Mihevitra ve ianao fa sarotra inoana izany? [Avelao ilay olona hamaly.] Mariho ny voalazan’ny fehintsoratra faha-16 eo amin’ny pejy faha-19. [Vakio io fehintsoratra io.] Raha izany no izy, tsy heverinao ve fa mendrika ny hanokanantsika fotoana ny fandinihana azy io? [Avelao ilay olona hamaly.]” Raha mitohy ny fahalianany dia vakio aminy ny fehintsoratra faha-17 farany. Eny, aoka isika ho vonona hatrany hanampy ny hafa mba hahazoan’ireny olona ireny fahalalana ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana.

      3 Ho azonao atao ny hanomboka indray ny fiaraha-midinika amin’ny “Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay”, amin’izao fomba izao:

      ◼ “Teo aloha aho dia afaka nampiseho taminao ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Tapany iray tena lehibe amin’ny fanompoam-pivavahantsika ny fahalalana sy ny fampiasana ny anarana hoe Jehovah.” Avadiho ho eo amin’ny pejy faha-31 ilay bokikely, ary jereo indray ireo hevi-dehibe eo amin’ny fehintsoratra efatra farany, ary vakio ny Jaona 17:3 sy ny Mika 4:5. Hazavao fa isika dia manolotra fandaharam-pampianarana Baiboly izay afaka mampiseho ny fomba hanamasinana ny anaran’Andriamanitra araka ny tokony ho izy sy ny fomba hahafahantsika hahita ireo fitahiana ao amin’ny tany zary paradisa.

      4 Koa ampitsimohy indray àry ny fiheveranao an’ireo izay nifandraisanao. Manàna fikirizana hiverina, ary manomàna zavatra mahasoa hozaraina. Afaka ny ho olona “mamoa ka vokatra” ianao amin’ny fanaovana mpianatra vaovao. — Matio 13:23.

      [Loharanon-kevitra]

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara