Hira 10
Aoka Tsy Hihozongozona ny Finoantsika!
1. Efa akaiky ny “farany” ’zao,
Ny fitoriana tsy maintsy atao.
Miorina tsara ny finoantsika;
’Sika manompo foana.
(Averina isan’andininy)
2. Arovy tsara ny fo sy saina,
Aza tia fahafinaretana.
Koa mifikira amin’i Jehovah,
Izy no fiarovana.
(Averina isan’andininy)
3. Aok’ àry ’sika hanompo foana.
Tohero mafy ny fakam-panahy.
Ny Vaovao Tsara, torio hatrany.
Akaiky ny farany.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Arovy ny finoanao, Reseo ’zao tontolo izao.
Matokia an’i Jah, Aza mivadika.