FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • uw toko 17 p. 132-138
  • “Manàna Fifankatiavana Lalina”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Manàna Fifankatiavana Lalina”
  • Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny tokony hatao rehefa mipoitra ny zava-manahirana
  • Mitadiava fomba ‘hihalalahana’
  • “Mifankatiava Tsara”
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Miezaha Hifankatia Be Foana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
  • “Miezaha Foana Haneho Fitiavana”
    Manatòna An’i Jehovah
  • Tiavo Bebe Kokoa Ireo Rahalahy sy Anabavy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
Hijery Hafa
Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
uw toko 17 p. 132-138

Toko 17

“Manàna Fifankatiavana Lalina”

1, 2. a) Inona matetika no manohina ireo olona tonga voalohany ao amin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Porofo hafa inona mampiseho io toetra tsara io no hitany any amin’ireo fivoriambentsika?

REHEFA tonga voalohany ao amin’ny fivorian’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona, matetika dia manohina lalina azy ireo ny fitiavana aseho ao. Hitany eo amin’ny fiarahana mafana misy ao izany ary koa eo amin’ny fandraisana azy ireo manokana.

2 Any amin’ireo fivoriambentsika koa ireo mpitsidika dia mahamarika ny fitondran-tena tsaran’ny ankamaroan’ireo mpanatrika. Nanoratra toy izao momba ny fivoriambe iray toy izany ny mpanao gazety iray: ‘Tsy nisy na dia iray aza teo ambanin’ny herin’ny zava-mahadomelina na ny alkaola. Tsy nisy kiakiaka na filelalelana. Tsy nisy fanosehana. Tsy nisy fandronjenana. Tsy nisy fitenenan-dratsy na fanompana. Tsy nisy vazivazy maloto na ompa. Tsy nisy rivotra simban’ny setro-tsigara. Tsy nisy fangalarana. Tsy nisy na dia iray aza nanipy fonon-javatra teny amin’ny tany. Tena tsy nahazatra mihitsy ny zavatra hita tany.’ Izany rehetra izany dia porofon’ny fitiavana, dia ilay karazany ‘tsy manao izay tsy mahamendrika sy tsy mitady ny azy’. — 1 Kor. 13:4-8.

3. a) Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, inona moa no tokony hiharihary raha ny amin’ny fanehoantsika fitiavana? b) Ho fanahafana an’i Kristy, karazana fitiavana inona moa ilaintsika hambolena?

3 Ny fitiavana dia toetra iray ahafantarana ny Kristiana marina tsirairay. (Jaona 13:35). Arakaraka ny itomboantsika eo amin’ny ara-panahy, dia tokony haneho azy io amin’ny fomba feno kokoa hatrany isika. Ny apostoly Paoly dia nivavaka mba ‘hitomboan’ny fitiavan’ireo rahalahiny bebe kokoa’. (Fil. 1:9; 1 Tes. 3:12). I Petera koa dia nampirisika an’ireo Kristiana namany mba hamela ny fitiavan’izy ireo hahafaoka “ny fitambaran’ny rahalahy manontolo”. (1 Pet. 2:17, NW ). Ny fitiavantsika dia tokony hanosika antsika hanao mihoatra noho ny fanatrehana fotsiny fivoriana miaraka amin’ny olona izay tsy anaovantsika fiezahana firy hofantarina manokana. Tokony hihoatra noho ny filazana fotsiny hoe “Manao ahoana” indraindray izany. Ny apostoly Jaona dia nampiseho fa tokony ho fanehoana fahafoizan-tena izany. Hoy ny nosoratany: “Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria [ny Zanak’Andriamanitra] no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.” (1 Pet. 2:17; Jaona 15:12, 13). Mbola tsy nanao izany isika. Kanefa tena hanome ny aintsika ho an’ny rahalahintsika ve isika? Tonga hatraiza, ohatra, ny ezaka manokana ataontsika mba hanampiana azy ireny izao, na dia mety hanelingelina antsika aza izany?

4. a) Fomba hafa inona koa no mety ho hitantsika fa azontsika anehoana fitiavana amin’ny fomba feno kokoa? b) Nahoana no tena zava-dehibe ny hananana fifankatiavana lalina?

4 Ankoatra ny fanaovan-javatra izay manome taratry ny toe-tsaina feno fahafoizan-tena, dia zava-dehibe koa ny fananana fihetseham-po mafana avy amin’ny fo amin’ireo rahalahintsika. Mampirisika antsika toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “[Samia manana firaiketam-po maneho fitiavana avy, NW ] araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy”. (Rom. 12:10). Mahatsapa izany amin’ny olona sasany isika rehetra. Azontsika atao ve ny mampiditra hafa koa ao amin’ilay antokon’olona ahatsapantsika izany fitiavana izany? Rehefa mihamanatona ny faran’ity fandehan-javatra tranainy ity, dia tena zava-dehibe ny hanatonantsika rehetra akaiky kokoa ihany an’ireo rahalahintsika kristiana. Mampitandrina antsika ny amin’izany ny Baiboly ka manao hoe: “Antomotra ny faran’ny zavatra rehetra; (...) Mihoatra noho ny zavatra rehetra, [manàna fifankatiavana lalina, NW ]; fa ny fitiavana manarona fahotana maro.” — 1 Pet. 4:7, 8.

5. Nahoana no diso ny fiheverana fa tsy hisy zava-manahirana hipoitra eo amin’ny mpikambana ao amin’ny kongregasiona?

5 Mazava ho azy fa, raha mbola tsy tanteraka koa isika, dia hisy fotoana hanaovantsika zavatra izay hanafintohina ny hafa. Izy ireo koa dia hanota amintsika. (1 Jaona 1:8). Raha ao amin’izany toe-javatra izany ianao, inona no tokony hataonao?

Ny tokony hatao rehefa mipoitra ny zava-manahirana

6. a) Nahoana no mety tsy hifanaraka amin’ny fironantsika foana ny torohevitry ny Baiboly? b) Inona anefa no ho vokatry ny fampiharantsika azy?

6 Manome ny fitarihana ilaina momba izany ny Soratra Masina. Mety tsy hifanitsy amin’ny fironantsika olombelona tsy tanteraka anefa ny torohevitra omeny. (Rom. 7:21-23). Na dia izany aza, ny fiezahantsika avy amin’ny fo hanaraka azy dia hanaporofo ny faniriantsika amim-pahatsorana hanao izay ankasitrahan’i Jehovah. Izany koa dia hanatsara ny toetran’ny fitiavana tsapantsika amin’ny hafa.

7. a) Raha misy olona manafintohina antsika, nahoana isika no tsy tokony hamaly ratsy? b) Nahoana isika no tsy tokony hanalavitra fotsiny ny rahalahy iray nanafintohina antsika?

7 Indraindray, rehefa tafintohina ny olona sasany, dia mitady fomba hamaliana faty. Izany anefa dia tsy manao afa-tsy ny manaratsy ny tarehin-javatra. Raha ilaina ny mamaly, dia tokony hamela izany ho an’Andriamanitra isika. (Ohab. 24:29; Rom. 12:17-21). Ny hafa indray mety hanandrana ny hanilika ilay nanafintohina azy tsy ho eo amin’ny fiainany intsony, ka tsy hanana fifandraisana aminy na dia kely akory aza. Tsy afaka ny hanao izany amin’ireo mpiara-manompo amintsika anefa isika. Ny fanekena ny fanompoam-pivavahana atolotsika dia miankina koa amin’ny fitiavantsika ireo rahalahintsika. (1 Jaona 4:20). Afaka ny hilaza amim-pahatsorana ve isika fa tia olona iray izay tsy hiresahantsika na izay manelingelina antsika na dia ny maha-eo azy fotsiny aza? Mila ny miezaka mafy isika mba handamina ilay zava-manahirana. Amin’ny fomba ahoana?

8, 9. a) Raha manana antony hitarainana ny amin’ny rahalahy iray isika, inona no zavatra mety tokony hataontsika? b) Ahoana anefa raha miverimberina manota amintsika izy? d) Nahoana isika no tokony handamina ilay raharaha amin’izany fomba izany, ary inona no hanampy antsika hanao izany?

8 Momba io raharaha io, dia nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.” (Kol. 3:13). Afaka manao izany ve ianao? Ahoana raha miverimberina manota aminao amin’ny fomba samihafa ilay olona?

9 Nanana fanontaniana nitovy tamin’izany ny apostoly Petera, ary nanipy hevitra fa angamba izy tokony hiezaka hamela ny rahalahy iray hatramin’ny impito. Hoy ny navalin’i Jesosy: “Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fito-polo.” Fa nahoana? Nanazava izany i Jesosy tamin’ny alalan’ny fanoharana iray izay nanasongadina ny halehiben’ny trosantsika amin’Andriamanitra raha oharina amin’izay mety hananan’olombelona, na iza izany na iza, amintsika. (Matio 18:21-35). Manota amin’Andriamanitra amin’ny fomba maro isan’andro isika — indraindray izany dia amin’ny fanaovan-javatra iray mampiseho fitiavan-tena, matetika dia amin’izay lazaintsika na eritreretintsika, ary koa amin’ny tsy fanaovana izay tokony hataontsika. Noho ny tsy fahalalantsika, dia mety tsy ho fantatsika akory fa ratsy ny zavatra sasany nataontsika. Na mety tsy hieritreritra amim-pitandremana firy momba ilay raharaha koa isika noho ny fiainantsika mirotoroto aoka izany. Hanana zo haka ny aintsika ho valin’ny fahotantsika tokoa Andriamanitra. (Rom. 6:23). Mbola manohy maneho famindram-po amintsika anefa izy. (Sal. 103:10-14, NW ). Noho izany, dia tsy mangataka zavatra tafahoatra àry izy raha mitaky ny hifanaovantsika toy izany koa amintsika samy isika. (Matio 6:14, 15; Efes. 4:1-3). Rehefa manao izany isika, ka tsy mitahiry lolom-po, izany dia manaporofo fa nahatratra ilay karazam-pitiavana izay “tsy manao otripo” isika. — 1 Kor. 13:4, 5; 1 Pet. 3:8, 9.

10. Inona no tokony hataontsika raha manana alahelo amintsika ny rahalahy iray?

10 Mety hisy fotoana hahitantsika fa, na dia tsy manan-katezerana amin’ny rahalahintsika aza isika, izy kosa dia manana alahelo amintsika. Inona no tokony hataontsika amin’izay? Tokony hiresaka aminy tsy misy hataka andro isika, ka hiezaka hamerina ny fihavanana. Mampirisika antsika mba hanao ny dingana voalohany ny Baiboly. (Matio 5:23, 24). Mety tsy ho mora ny fanaovana izany. Mitaky fitiavana omban’ny fanetren-tena izany. Mahery ao aminao ve ireo toetra ireo mba hahafahanao hanao izay anoroan’ny Baiboly hevitra? Izany dia zava-kendrena lehibe iray tokony hiezahana hotratrarina.

11. Raha manao zavatra mahatezitra antsika ny rahalahy iray, inona no tokony hataontsika momba izany?

11 Etsy an-danin’izany, dia mety hisy olona hanao zavatra mahatezitra anao — sy ny hafa koa angamba. Tsy ho tsara ve ny hiresahan’ny olona iray aminy momba izany? Angamba. Raha manazava aminy manokana momba ilay zava-manahirana amin’ny fomba feno hatsaram-panahy ianao, dia mety hitondra vokatra tsara izany. Kanefa, tokony hanontany tena aloha ianao hoe: ‘Moa ve tena mandika ny Soratra Masina ny zavatra ataony? Sa ilay zava-manahirana miankina be dia be kosa amin’ny fahasamihafan’ny fiavianay sy ny fampiofanana azonay?’ Raha izany no izy, dia mitandrema mba tsy hanorina ny fari-pitsipiky ny tenanao manokana ka hitsara ny hafa araka izany. (Jak. 4:11, 12). I Jehovah dia mandray tsy misy avakavaka ny olona avy amin’ny karazana fiaviana rehetra, sady maneho faharetana amin’izy ireo eo am-pitomboan’izy ireo eo amin’ny lafiny ara-panahy.

12. a) Raha misy manao fahotana lehibe ao amin’ny kongregasiona, iza no tokony handamina izany? b) Amin’ny toe-javatra manao ahoana anefa no andraikitr’ilay nanotana ny hanao zavatra voalohany? Inona no zava-kendrena amin’izany?

12 Kanefa, raha misy olona ao amin’ny kongregasiona nanao fahotana lehibe, izany dia mila halamina tsy misy hataka andro. Iza anefa no hanao izany? Mazàna dia ireo loholona. Kanefa, raha mifandray amin’ny raharaha ara-barotra eo amin’ny samy mpirahalahy ilay izy, na ny fampiasana ratsy ny lela izay nitondra fahavoazana lehibe ho an’ny olona iray, dia ilay nanotana no voalohany tokony hiezaka hanampy ilay nanao ratsy eo amin’ny lafiny manokana. Mety ho sarotra amin’ny sasany ny hanao izany. Kanefa izany no torohevitr’i Jesosy ao amin’ny Matio 18:15-17. Ny fitiavantsika ny rahalahintsika sy ny faniriantsika amim-pahatsorana hihazona azy ho rahalahy dia hanampy antsika hanao izany amin’ny fomba izay mety hanohina ny fon’ilay nanao diso. — Ohab. 16:23.

13. Raha misy zava-manahirana mipoitra eo amintsika sy ny rahalahy hafa iray, inona no hanampy antsika hijery ilay raharaha araka ny tokony ho izy?

13 Rehefa mipoitra ny zava-manahirana iray, na kely izany na lehibe, dia hanampy antsika ny fiezahana hahatakatra izany araka ny fomba fijerin’i Jehovah azy. Tsy mankasitraka ota izy, na amin’ny endriny inona izany na amin’ny endriny inona, kanefa hitany ao amintsika rehetra ny ota. Amin’ny fotoana voafetrany, dia esorina amin’ny fandaminany ireo mpanao ratsy tsy mibebaka. Ahoana anefa ny amin’ny hafa rehetra amintsika? Anehoany fahari-po sy famindram-po avokoa isika rehetra. Mamela ny ohatra tokony hotahafintsika izy amin’izany. Rehefa manao izany isika, dia manome taratry ny fitiavany. — Efes. 5:1, 2.

Mitadiava fomba ‘hihalalahana’

14. a) Nahoana i Paoly no nampirisika ireo Korintiana mba ‘hihamalalaka’? b) Ahoana no ampisehoan’ireo andinin-teny voalaza eto fa ho tsara ny hieritreretantsika rehetra momba izany?

14 Nandany volana maro mba hampiorenana ny kongregasionan’i Korinto, tany Grisia, ny apostoly Paoly. Niasa mafy izy mba hanampiana ireo rahalahy tany ary tia azy ireo. Ny sasany tamin’izy ireo anefa dia tsy nahatsiaro fihetseham-po mafana taminy. Feno fanakianana aoka izany kosa aza izy ireo. Nampirisika azy ireo mba ‘hihamalalaka’ teo amin’ny fanehoany firaiketam-po àry izy. (2 Kor. 6:11-13; 12:15). Ho tsara ny handinihantsika hoe tonga hatraiza ny fanehoantsika fitiavana amin’ny hafa, sy ny hitadiavantsika fomba mba ‘hihalalahana’. — 1 Jaona 3:14; 1 Kor. 13:3.

15. Inona no afaka manampy antsika hitombo amin’ny fitiavana an’ireo izay mety ho tsy hanintona antsika manokana?

15 Misy olona sasany ve ao amin’ny kongregasiona izay sarotra amintsika ny hanatona akaiky azy? Raha manao ezaka manokana isika mba hanarona izay fahadisoana madinika rehetra ataony, toy ny ho tiantsika hataony amintsika koa, izany dia afaka mahatonga ny fifandraisantsika aminy hafana kokoa. (Ohab. 17:9; 19:11). Afaka mihatsara koa ny fihetseham-pontsika aminy, raha miezaka hitady ireo toetrany tsara isika ka hifantoka amin’izany. Nanamarika tsara ireo fomba ampiasan’i Jehovah ireny rahalahintsika ireny ve isika? Izany dia azo antoka fa hampitombo ny fitiavantsika azy ireny. — Lioka 6:32, 33, 36.

16. Amin’ny fandraisana ny zavatra araka ny tena izy, ahoana ho hahafahantsika ‘hihamalalaka’ eo amin’ny fanehoana fitiavana an’ireo ao amin’ny kongregasionantsika?

16 Ekena aloha fa voafetra ny zavatra azontsika atao ho an’ny hafa. Mety tsy ho afaka ny hiarahaba ny olona rehetra amin’ny fivoriana tsirairay isika. Mety tsy ho afaka ny hanasa ny rehetra hisakafo isika. Samy manana ireo namantsika akaiky izay iarahantsika matetika kokoa noho ny hafa, isika rehetra. Kanefa, azontsika atao ve ny ‘hihamalalaka’? Azontsika atao ve ny maka minitra vitsivitsy monja isan-kerinandro mba hifankahalalana bebe kokoa amin’ny olona iray ao amin’ny kongregasiona izay tsy anisan’ny namantsika akaiky hatramin’izay? Mety ho azontsika atao ve ny hanasa ny iray amin’izy ireny mba hiara-miasa amintsika eo amin’ny asa fanompoana? Raha tena manana fifankatiavana lalina isika, dia tsy maintsy hahita fomba hanehoana azy io.

17. Rehefa eo anivon’ny rahalahy mbola tsy fantatsika hatramin’izay isika, inona no hampiseho fa manana fitiavana lalina azy ireo koa isika?

17 Manome fahafahana maro ‘hihalalahana’ eo amin’ny fitiavantsika ireo fivoriambe kristiana. Mety hisy olona an’arivony maro hanatrika izany. Tsy afaka ny hifankahalala amin’izy rehetra isika. Kanefa afaka mitondra tena amin’ny fomba mampiseho fa mametraka ny fahasoavany alohan’izay mampiadana ny tenantsika manokana isika, na dia mbola tsy fantatsika hatramin’izay aza izy ireny. Ankoatra izany, dia afaka maneho fiheverana manokana isika eo anelanelan’ireo fotoam-pivoriana mba hifankahalalana amin’ny sasany amin’ireo mipetraka eo akaikintsika. Indray andro any, ny olona rehetra hiaina eto an-tany dia ho mpirahalahy sy mpirahavavy ary mpianadahy tafaray ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ilay Andriamanitra sy Rain’ny rehetra. Ho fifaliana toy inona moa ny hahafantatra azy rehetra sy ny toetrany tsara maro isan-karazany! Ny fitiavantsika lalina azy ireny dia hanosika antsika haniry hanao izany. Koa nahoana moa raha manomboka dieny izao?

Famerenana

● Rehefa misy zava-manahirana mipoitra eo amin’ny mpirahalahy na ny mpirahavavy na ny mpianadahy, ahoana no tokony handaminana izany? Nahoana?

● Arakaraka ny itomboantsika eo amin’ny ara-panahy, amin’ny fomba ahoana avy no tokony hitomboan’ny fitiavantsika koa?

● Ahoana no hahatonga ny fanehoana fitiavana lalina hety amin’ny olona hafa ankoatra ireo namana akaiky?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara