-
Vidim-panavotanaFandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
-
-
2 Kor. 5:14, 15: “Ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: Olona iray no maty ho an’ny rehetra, satria efa maty izy rehetra, raha ny marina. Ary maty ho an’ny rehetra izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’ilay efa maty ho azy ireo sady efa natsangana.”
-
-
Zava-mahadomelinaFandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
-
-
Zava-mahadomelina
Famaritana: Zavatra tsy fihinana nefa fampiasan’ny olona mba hanadinoany ny olana eo amin’ny fiainana, na zavatra tsy nahazoan-dalana tamin’ny dokotera nefa ampiasain’ny olona te hanonofinofy na te ho sambatsambatra.
Tena raran’ny Baiboly ve ny zava-mahadomelina?
Tsy hita ao amin’ny Baiboly ny hoe herôinina, kôkainina, rongony, ravina katy, sigara ary paraky. Hita ao anefa ny toro lalana ny amin’izay tokony hatao sy tsy tokony hatao mba hampifaliana an’Andriamanitra. Tsy lazainy koa, ohatra, hoe ratsy ny mitifitra olona amin’ny basy, kanefa rarany ny mamono olona.
Lioka 10:25-27: “ ‘Inona no hataoko mba handovako fiainana mandrakizay?’ ... ‘ “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny herinao manontolo ary ny sainao manontolo”, ary “tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” ’ ” (Manafohy ny androm-piainany sy mahatonga ny sainy tsy hiasa tsara ny olona midoroka zava-mahadomelina. Moa àry ve izy tena tia an’Andriamanitra amin’ny tenany sy ny sainy manontolo? Tia ny namany koa ve izy raha mangalatra mba hahazoana vola hividianana zava-mahadomelina?)
-