FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • uw toko 18 p. 139-145
  • Mila ny Maneho Fifikirana Amin’Andriamanitra ao An-tokantrano Isika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mila ny Maneho Fifikirana Amin’Andriamanitra ao An-tokantrano Isika
  • Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Hafiriana no haharetan’ny fanambadiana?
  • Samy manao ny anjarany avy
  • Aiza no hahazoana ny valiny?
  • Asehoy ao An-trano ny Toe-panahy Araka An’Andriamanitra
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Ahoana no Hananana Tokantrano Sambatra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Ny fomba hananana fiainam-pianakaviana sambatra
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Ataovy Fatorana Maharitra ny Fanambadianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Hijery Hafa
Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
uw toko 18 p. 139-145

Toko 18

Mila ny Maneho Fifikirana Amin’Andriamanitra ao An-tokantrano Isika

1. a) Rehefa avy nianatra ireo fari-pitsipik’i Jehovah ho an’ny fanambadiana ny olona maro, fiovana inona avy no nataony? b) Inona koa anefa no tafiditra amin’ny fiainam-pianakaviana kristiana?

ANISAN’IREO fahamarinana mitondra fampiononana nianarantsika tamin’ny fianarantsika ny Baiboly voalohany ireo mahakasika ny fanambadiana sy ny fiainam-pianakaviana. Nanjary nanaiky an’i Jehovah ho ny Mpanorina ny fanambadiana isika. Nahita koa isika fa nanome ny fitarihana tsara indrindra ho an’ny fianakaviana izy ao amin’ny Baiboly. Ho vokatr’izany fitarihana izany, dia olona maro no anaovana teny fiderana satria niala tamin’ny fahalotoam-pitondran-tena teo amin’ny lahy sy ny vavy, ary nisoratra ara-dalàna. Kanefa misy zavatra betsaka lavitra noho izany tafiditra amin’ny fiainam-pianakaviana kristiana. Tafiditra amin’izany ny fomba fihevitsika momba ny faharetan’ny fatoram-panambadiana, ny fiantsorohana ireo andraikitsika ao amin’ny fianakaviana ary ny fomba ifandraisantsika amin’ireo mpianakavintsika hafa. — Efes. 5:33–6:4.

2. a) Moa ve ny olona rehetra mampihatra ao an-tokantranony izay fantany avy ao amin’ny Baiboly? b) Ahoana no anamafisan’i Jesosy sy i Paoly ny maha-zava-dehibe ny hanaovana izany?

2 Olona an-tapitrisany maro no mahafantatra izay lazain’ny Baiboly momba ireo zavatra ireo. Kanefa, rehefa tojo zava-manahirana ao an-tokantranony izy ireo, dia tsy mampihatra izany. Ary isika? Azo antoka fa tsy misy na dia iray amintsika aza haniry hitovy amin’ireo izay nomelohin’i Jesosy satria nanilika ny baikon’Andriamanitra nitaky ny hanajan’ny ankizy ny ray aman-dreniny tamin’ny fanjohiana hevitra fa ampy ny fisehoana ho nanana fifikirana tamin’Andriamanitra. (Matio 15:4-9). Tsy irintsika ny ho olona manana endriky ny fifikirana amin’Andriamanitra kanefa tsy mampihatra izany “ao an-tranony”. Tokony hirintsika kosa ny haneho fifikirana amin’Andriamanitra marina, izay “misy tombony lehibe”. — 1 Tim. 5:4, NW; 6:6, NW; 2 Tim. 3:5, NW.

Hafiriana no haharetan’ny fanambadiana?

3. a) Inona no manjo ny fanambadiana maro, kanefa inona no tokony ho fahatapahan-kevitsika? b) Ampiasao ny Baiboly mba hamaliana ireo fanontaniana voatanisa etsy ambony ka mifandray amin’ny faharetan’ny fanambadiana.

3 Mihamatetika hatrany, ny fatoram-panambadiana dia miharihary ho marefo aoka izany. Misy mpivady niaraka efa hatramin’ny 20, 30 na 40 taona, manapa-kevitra ny hanomboka “fiainam-baovao” amin’ny olon-kafa iray. Ankoatra izany, dia tsy mahalana intsony no andrenesana ny amin’ny mpivady tanora nisaraka taorian’ny volana vitsivitsy monja nivadiana. Na manao ahoana na manao ahoana zavatra ataon’ny hafa, amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah antsika, dia tokony haniry hanao izay ankasitrahan’Andriamanitra isika. Inona no lazain’ny Teniny momba izany?

Rehefa mivady ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray, hafiriana no tokony hampoiziny hiaraha-mitoetra? (Rom. 7:2, 3; Marka 10:6-9).

Inona no antony tokana ho amin’ny fisaraham-panambadiana azo ekena eo imason’Andriamanitra? (Matio 19:3-9; 5:31, 32).

Manao ahoana ny fihetseham-pon’i Jehovah momba ny fisaraham-panambadiana tsy anomezan’ny Teniny lalana? (Mal. 2:13-16).

Moa ve ny Baiboly mampirisika ny fisarahana ho fandaminana ireo zava-manahirana ara-panambadiana? (1 Kor. 7:10-13).

4. Na dia eo aza ny fironana hita amin’izao andro izao, nahoana ny fanambadiana sasany no maharitra?

4 Nahoana ny fanambadiana sasany no maharitra, na dia misy hafa aza rava — na dia eo amin’ireo milaza azy ho Kristiana aza? Matetika ny anton-javatra fototra iray dia ny fiandrasana mandra-paha-ampy fahamatorana ny andaniny roa vao mivady. Zava-dehibe koa ny hitadiavana vady izay mitovy zavatra mahaliana amin’ny tena sy azo iresahana amim-pahatsorana. Kanefa mbola zava-dehibe kokoa noho izany ny fanehoan’ny tena fifikirana amin’Andriamanitra avy amin’ny fo. Raha tena tia marina an’i Jehovah ny olona iray ka miaiky mafy fa mahitsy ny lalany, dia hisy fototra tsara handaminana ireo zava-manahirana hipoitra. (Sal. 119:97, 104; Ohab. 22:19). Ny fanambadian’ny olona toy izany dia tsy ho simban’ny fomba fiheverana fa, raha sendra tsy mandeha ilay izy, dia ho afaka hangataka fisarahan-toerana na fisaraham-panambadiana foana izy. Tsy hampiasa ny kileman-toetran’ny vadiny ho toy ny fialan-tsiny izy mba handosirana ny andraikitry ny tenany manokana. Hianatra ny hiatrika ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana kosa izy, ary hitady ala olana azo ampiharina.

5. a) Amin’ny ahoana no idiran’ny fahatokiana eo anatrehan’i Jehovah amin’izany? b) Na dia ao anatin’ny zava-tsarotra mafy aza, soa inona no mety ho azo avy amin’ny fifikirana mafy amin’ireo fari-pitsipik’i Jehovah?

5 Araka ny fantatsika tsara, ny Devoly dia milaza fa, raha tojo fahoriana ny tenantsika, dia tsy hiraharaha ireo lalan’i Jehovah ary hanatsoaka hevitra fa tsara kokoa ny hanapahan’ny tenantsika ny amin’izay tsara sy ratsy. Tsy mba tahaka izany anefa ireo olona mahatoky eo anatrehan’i Jehovah. (Joba 2:4, 5; Ohab. 27:11). Ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah izay niharan’ny fanenjehan’ny vadiny tsy mpino dia tsy nivadika tamin’ny voadim-panambadiana nataony na dia izany aza. (Matio 5:37). Ny sasany aza, taona maro tatỳ aoriana, dia faly nahita ny vadiny niaraka taminy teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. (1 Kor. 7:16; 1 Pet. 3:1, 2). Ny hafa kosa, izay manana vady tsy mampiseho famantarana fa hiova mihitsy, na izay nilaozan’ny vadiny noho izy ireo nifikitra mafy tamin’ny finoany — ireo koa dia mahafantatra fa nahazo fitahiana tondraka ny tenany tamin’ny fifikirana tamin’ireo fari-pitsipik’i Jehovah. Tamin’ny fomba ahoana? Ny toe-javatra nisy azy dia nampianatra azy hanatona akaiky kokoa an’i Jehovah. Nianatra ny hanome taratr’ireo toetra tsaran’Andriamanitra izy ireo na dia tao anatin’ny toe-javatra sarotra aza. Ny fiainan’izy ireo dia manaporofo ny herin’ny fifikirana amin’Andriamanitra. — Sal. 55:22; Jak. 1:2-4; 2 Pet. 1:5, 6, NW.

Samy manao ny anjarany avy

6. Mba hananana fanambadiana sambatra, fandaharana inona no tsy maintsy hajaina?

6 Mazava ho azy fa mihoatra noho ny fiaraha-mitoetra fotsiny no takina mba hananana fanambadiana sambatra marina. Ny zavatra ilaina fototra dia ny fanajan’ny mpianakavy tsirairay ny fandaharan’i Jehovah ny amin’ny fahefana. Izany dia hitondra filaminana tsara sy fahatsapana tsy fananana ahiahy eo anivon’ny tokantrano. — 1 Kor. 11:3; Tit. 2:4, 5; Ohab. 1:8, 9; 31:10, 28.

7. Amin’ny fomba ahoana no tokony hampiharana ny fahefana ao amin’ny fianakaviana?

7 Ahoana no tokony hampiharana izany fahefana izany? Amin’ny fomba izay manome taratr’ireo toetra tsaran’i Jesosy Kristy. Hentitra i Jesosy eo amin’ny fiarovana ny lalan’i Jehovah; tia ny fahamarinana izy ary mankahala ny heloka. (Heb. 1:8, 9). Tia lalina ny kongregasiona koa izy, manome azy izay ilainy ary mikarakara azy. Tsy miavonavona izy na hoe tsy miraharaha ny hafa, fa “malemy fanahy sady tsy miavona am-po” kosa, ary izay eo ambany fahefany dia ‘mahita fitsaharana ho an’ny fanahiny’. (Mat. 11:28, 29; Efes. 5:25-33). Rehefa mifandray amin’ny ankohonany amin’izany fomba izany ireo lehilahy manambady sy manan-janaka, dia mazava fa manaiky an’i Kristy, izay namela ny ohatra tanteraka ny amin’ny fifikirana amin’Andriamanitra, ny tenany. Mazava ho azy fa ireo reny kristiana dia tokony hanome taratr’ireo toetra tsara ireo koa rehefa mifandray amin’ireo zanany.

8. a) Ao amin’ny tokantrano sasany, nahoana no mety ho toa tsy mahazo ny vokatra irina ny fomba kristiana? b) Inona no tokony hataontsika raha tojo izany tarehin-javatra izany isika?

8 Kanefa, noho ny tsy fahatanterahan’olombelona, dia mety hisy zava-manahirana hipoitra. Mety ho efa nanjary lalim-paka tao amin’ny sasany talohan’ny nanombohan’ny iray tao amin’ny fianakaviana hampihatra ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly, ny fahatezerana eo anoloan’ny fitarihan’ny hafa. Mety ho toa tsy hisy vokany eo aminy ny fiangaviana amin-katsaram-panahy sy ny fihetsika feno fitiavana. Fantatsika fa ny Baiboly dia milaza fa tokony hesorina “ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy”. (Efes. 4:31). Kanefa, raha misy olona toa tsy mahatakatra zavatra hafa afa-tsy izany, inona no tokony hatao? Nanao ahoana moa ny fihetsik’i Jesosy rehefa tao anatin’ny fanerena mafy izy? Tsy nanahaka ireo izay nandrahona sy nanevateva izy, fa nanolotra ny adiny ho an’ny Rainy kosa, tamin’ny fianteherana taminy. (1 Pet. 2:22, 23). Toy izany koa, raha misy tarehin-javatra misedra ao an-tokantrano, dia manome porofon’ny fifikirantsika amin’Andriamanitra isika raha mitodika any amin’i Jehovah, amin’ny fivavahana aminy mba hahazoana ny fanampiany, fa tsy hanahaka ny fanaon’izao tontolo izao. — Ohab. 3:5-7.

9. Tsy manakiana lava ny lehilahy kristiana manambady maro, fa nianatra ny hampiasa fomba inona avy kosa?

9 Tsy tonga haingana foana akory ny fiovana, kanefa tena mandaitra ny torohevitra ao amin’ny Baiboly. Lehilahy manambady maro izay nitaraina mafy taloha noho ireo fahadisoan’ny vadiny, no nahita fa nanomboka nisy ny fihatsarana rehefa nahatakatra tamin’ny fomba feno kokoa ny fomba nifandraisan’i Kristy tamin’ny kongregasionany ny tenany. Tsy voaforon’olombelona tanteraka akory izany kongregasiona izany. Kanefa tia azy io i Jesosy, namela ny ohatra tsara ho azy, nanome ny ainy ho azy mihitsy aza, ary nampiasa ny Soratra Masina mba hanampiana azy hihatsara mba hahafahan’i Jesosy hankasitraka azy amin’ny fomba feno. (Efes. 5:25-27; 1 Pet. 2:21). Ny ohatra navelany dia nampirisika lehilahy kristiana manambady maro hiezaka mba ho ohatra tsara dia tsara ary hanolotra fanampiana manokana feno fitiavana mba hisian’ny fihatsarana. Ny fomba toy izany dia mitondra vokatra tsara lavitra noho ny fanakianan-dava amin-katezerana na ny fandavana tsy hiteny tsotra fotsiny.

10. a) Amin’ny fomba ahoana avy no mety hanomezan’ny lehilahy manambady sy manan-janaka iray — na dia ny lehilahy iray milaza azy ho kristiana aza — fiainana sarotra ho an’ny hafa ao amin’ny tokantranony? b) Inona no mety ho azo atao mba hanatsarana ny tarehin-javatra?

10 Mazava ho azy fa mety ho ilay lehilahy manambady sy manan-janaka no manana kileman-toetra izay miteraka zava-manahirana ao an-tokantrano. Ahoana raha tsy mampiraika azy ny zavatra ilain’ny fianakaviany eo amin’ny ara-pihetseham-po, na raha tsy tena mitari-dalana izy amin’ny fandaminana ny fiarahan’ny fianakaviana mandinika ny Baiboly na ny asa hafa? Ny ankohonana sasany dia nahita vokatra tsara rehefa avy niara-nandinika ilay zava-manahirana tamim-pahatsorana sy tamim-panajana. (Ohab. 15:22; 16:23; 31:26). Kanefa, na dia tsy araka ny naniriana azy aza ny vokatra azo amin’izany, ny tsirairay avy dia afaka mandray anjara sarobidy mba hanatsarana ny rivo-piainana ao an-tokantrano. Hanao izany izy amin’ny fambolena ny vokatry ny fanahy sy amin’ny fanehoana fiheverana sy fiahiana feno fitiavana amin’ny mpianakavy hafa. Hisy ny fandrosoana, kanefa tsy amin’ny fiandrasana ny hafa hanao zavatra, fa amin’ny fanatontosantsika tsara ny anjarantsika manokana. Amin’izay isika dia hampiseho fa maneho fifikirana amin’Andriamanitra ao an-tokantrano ny tenantsika manokana. — Kol. 3:18-20, 23, 24.

Aiza no hahazoana ny valiny?

11, 12. a) Fandaharana inona avy no nomen’i Jehovah mba hanampiana antsika amin’ireo zava-manahirana ao amin’ny fiainam-pianakaviantsika? b) Mba handraisan-tsoa feno avy amin’izany, inona no anoroana hevitra antsika mba hataontsika?

11 Maro ireo loharano hahazoana torohevitra itodihan’ny olona momba ny raharaha ara-pianakaviana. Kanefa isika dia mahalala fa ny Tenin’Andriamanitra dia misy ny torohevitra tsara indrindra, ary velom-pankasitrahana isika noho izy manampy antsika hampihatra izany amin’ny alalan’ny fandaminany hita maso. Manararaotra amin’ny fomba feno izany fanampiana izany ve ianao? — Sal. 119:129, 130; Mika 4:2.

12 Ankoatra ny fanatrehana ireo fivorian’ny kongregasiona, moa ve ianareo manokana fotoana tsy tapaka hianaran’ny fianakavianareo ny Baiboly? Ireo fianakaviana manao izany tsy tapaka isan-kerinandro dia manjary tafaray ao amin’ny fanompoam-pivavahany. Mihatsara ny fiainam-pianakaviany arakaraka ny andinihany ny fampiharana ny Tenin’Andriamanitra amin’ny toe-javatra misy azy manokana. — Ampitahao amin’ny Deoteronomia 11:18-21.

13. a) Raha manana fanontaniana voafaritra tsara momba ny fanambadiana na ny fianakaviana isika, aiza matetika no mety hahitantsika ny fanampiana ilaintsika? b) Tokony hanome taratry ny inona ny fanapahan-kevitra rehetra raisintsika?

13 Angamba misy fanontaniana voafaritra tsara momba ny fanambadiana na ny fianakaviana manahirana anao. Ahoana, ohatra, ny amin’ny fomba tsy hiterahana? Mety amin’ny Kristiana ve ny fanaovana ny tenany ho momba (stérilisation)? Azo hamarinina ve ny fanalana zaza raha toa azo inoana fa ho teraka sampona ilay zaza? Misy famerana azy ve ny karazana firaisana azon’ny mpivady atao? Raha tsy mampiseho fahalianana firy amin’ny zavatra ara-panahy ny zatovo iray, tokony ho tonga hatraiza ny fitakiana aminy hiara-manompo miaraka amin’ny fianakaviana? Tsy isalasalana fa manana ny hevitrao momba ny tsirairay amin’ireo fanontaniana ireo ianao. Kanefa, afaka mamaly azy ireo araka ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ve ianao? Efa nodinihina tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana ny tsirairay avy amin’izy ireo. Mianara mampiasa ireo indeksa mba hahitana izany fanazavana izany. Raha tsy manana ireo zavatra vita an-tsoratra tranainy kokoa aseho ao amin’ilay indeksa ianao, dia mijere any amin’ny fitahirizam-bokin’ny Efitrano Fanjakana. Aza manantena ny hahazo valiny hoe Eny na Tsia ho an’ny fanontaniana tsirairay. Indraindray dia ianao no tsy maintsy manapa-kevitra ny amin’ny valiny — manokana na miaraka amin’ny vadinao. Mianara anefa mandray fanapahan-kevitra izay hanome porofon’ny fanirianao amim-pahatsorana hanao izay ankasitrahan’Andriamanitra. Raha manao izany ianao, dia hiharihary amin’i Jehovah sy amin’ny hafa izay mahafantatra anao tsara fa tena maneho fifikirana amin’Andriamanitra marina ianao, tsy ampahibemaso ihany, fa ao an-tokantranonao koa. — Efes. 5:10; Rom. 14:19.

Famerenana

● Amin’ny ahoana no idiran’ny fahatokiantsika eo anatrehan’i Jehovah amin’ny tsy fivadihantsika amin’ny voadim-panambadiana nataontsika?

● Rehefa ao anatin’ny fanerena mafy noho ny zava-manahirana ara-panambadiana isika, inona moa no hanampy antsika hanao izay ankasitrahan’Andriamanitra?

● Na dia tsy manao izay tokony hataony aza ny mpianakavy hafa, inona no azontsika atao mba hanatsarana ny tarehin-javatra?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara