Toko 19
Ny Hevitry ny Lalàn’i Mosesy ho Anao
1. a) Inona no nampiseho fa, nanomboka tamin’ny taona 36 am.f.i., dia neken’i Jehovah ho toy ny Kristiana ireo Jentilisa tsy voafora? b) Nino mafy ny amin’inona anefa ny Kristiana voalohany sasany?
NISY fanontaniana niadiana hevitra mafy tamin’ny andron’ny apostoly Paoly ny amin’ny hoe voatery hanaraka ireo zavatra takin’ny Lalàn’i Mosesy ny Kristiana jentilisa sa tsia. Marina fa, tamin’ny taona 36 am.f.i., dia efa nilatsaka tamin’ireo Jentilisa tsy voafora ny fanahy masina. Kanefa nisy Kristiana jiosy sasany nino mafy fa tokony hoforana ireo mpianatra jentilisa ary hampianarina hitandrina ny Lalàn’i Mosesy. Tena nilaina tokoa ve ny hitandreman’izy ireo io Lalàna io, na angamba ny tapany taminy? Tany amin’ny taona 49 am.f.i. tany ho any, dia nentina tany amin’ny fitambara-mpitantana tany Jerosalema ilay raharaha. — Asa. 10:44-48; 15:1, 2, 5.
2. Nahoana no mahaliana antsika io raharaha io?
2 Tena mahaliana antsika ny niafaran’io raharaha io. Nahoana? Indraindray isika dia mahita olona izay milaza fa tsy maintsy manaraka ny zavatra takin’ny Lalàna sasany, toy ny fitandremana ny Sabata, ny Kristiana. Tsy izay ihany anefa. Ny antony iray hafa koa dia satria ny Baiboly mihitsy dia milaza fa “masina tokoa ny lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara”. (Rom. 7:12). Na dia resahina ho toy ny Lalàn’i Mosesy aza io fitambaran-dalàna io, satria i Mosesy no mpanalalana tamin’ny faneken’ny Lalàna, raha ny tena izy dia avy tamin’i Jehovah Andriamanitra izy io. — Eks. 24:3, 8.
Nahoana no nomena ny Lalàna?
3. Nahoana no nomena ny Lalàna ny Isiraely?
3 Ny fomba fijerintsika ny Lalàna amin’izao andro izao dia miankina amin’ny fahatakarantsika na tsia ny antony nanomezan’i Jehovah fitambaran-dalàna iray ho an’ny Isiraely. Manazava toy izao ny Soratra Masina: “Nanampy [ny fanekena natao tamin’i Abrahama] noho ny fahadisoana [“mba hampiharihariana ny fandikan-dalàna”, NW ] izy ambara-pihavin’ny taranaka izay nomena ny teny fikasana; ary nalahatr’anjely teo an-tànan’ny mpanalalana izany. (...) Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin’i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika.” (Gal. 3:19, 24). Ahoana no nahatratraran’ny Lalàna izany zava-kendrena izany?
4. a) Tamin’ny ahoana ny Lalàna no ‘nampiharihary ny fandikan-dalàna’? b) Tamin’ny ahoana izy io no nitarika ireo olo-nahatoky ho amin’i Kristy koa?
4 Tamin’ny fanomezana ohatra tanteraka iray izay nahafaoka ireo lafiny maro samihafa tamin’ny fiainana, dia nanasongadina ny naha-mpanota ireo Jiosy izy io. Nanjary niseho mazava fa, na dia teo aza ny fikasana tsara sy ny ezaka tamim-pahazotoana rehetra nasehon’izy ireo, dia tsy afaka nahafeno ireo zavatra notakiny izy ireo. Ny Lalàna dia nampiasa ireo Jiosy ho toy ny santionany tamin’ny fianakavian’olombelona tsy tanteraka mba hampiharihariana fa mpanota, ka noho izany dia hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra, izao tontolo izao manontolo, anisan’izany ny tsirairay avy amintsika. (Rom. 3:19, 20). Izy io àry dia nanamafy ny ilàn’ny taranak’olombelona mpamonjy ary nitarika ireo olo-nahatoky ho amin’izany Mpamonjy izany, dia i Jesosy Kristy. Tamin’ny fomba ahoana? Nampahafantatra azy ho ilay hany nitandrina ny Lalàna tamin’ny fomba tanteraka, ka noho izany dia ilay hany olombelona tsy nanana ota, izy io. Voafetra ihany ny zavatra notanterahin’ireo sorona biby natao teo ambanin’ny Lalàna, fa i Jesosy Kristy kosa, tamin’ny naha-olombelona tanteraka azy, dia afaka nanolotra ny ainy ho sorona izay tena hanaisotra marina ny fahotana ka hanokatra ny lalana ho amin’ny fiainana mandrakizay ho an’izay rehetra maneho finoana. — Jaona 1:29; 3:16, NW; 1 Pet. 1:18, 19.
5. Amin’ny fampiasana ireo andinin-teny omena eto, valio ireo fanontaniana ao amin’ity fehintsoratra ity.
5 Amin’ny fitadidiana io fanazavana io ao an-tsaina, ahoana no hamalianao ireto fanontaniana manaraka ireto?
Natao hamatotra ny taranak’olombelona rehetra ve ny Lalàn’i Mosesy? (Sal. 147:19, 20; Eks. 31:12, 13).
Moa ve i Jehovah nanome filazana ho an’ny Isiraely fa indray andro any dia hifarana ny faneken’ny Lalàna? (Jer. 31:31-33; Heb. 8:13).
Moa ve ny Didy Folo, anisan’izany ilay mitaky ny hitandremana Sabata isan-kerinandro, mbola nanan-kery ihany na dia taorian’ny nanafoanana ny sisa rehetra tamin’ny Lalàna aza? (Kol. 2:13, 14, 16; 2 Kor. 3:7-11 [araka ny hazavain’ny Eksodosy 34:28-30]; Rom. 7:6, 7).
Tamin’ny alalan’ny inona no namaranan’i Jehovah ny faneken’ny Lalàna? (Kol. 2:13-17; Matio 5:17, 18; Rom. 10:4).
6. Inona no asehon’ireo hevitry ny sasany milaza fa mbola manan-kery ny Lalàn’i Mosesy?
6 Araka ireo fanazavana ireo, inona no asehon’ny filazan’ny sasany fa mbola manan-kery ny Lalàn’i Mosesy? Raha ny tena izy, izany dia fandavana ny finoana an’i Jesosy Kristy. Fa nahoana? Satria izany fomba fijery izany dia mandà fa nahatanteraka ny Lalàna i Jesosy ka nanokatra ny lalana mba hamaranan’Andriamanitra azy io. Ho an’ireo olona milaza tena ho Kristiana kanefa manaiky ho resin’ny hevitra manohana ny fitandremana ny Lalàna na ny tapany aminy, dia nanoratra tamin-kery toy izao ny apostoly Paoly: “Tafasaraka amin’i Kristy hianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin’ny lalàna; efa lavo niala tamin’ny [hatsaram-panahiny amin’izay tsy mendrika akory, NW ] hianareo.” — Gal. 5:4; jereo koa Romana 10:2-4.
7. a) Inona no tsy takatr’ireo izay manohana ny tokony hitohizan’ny lafin-javatra sasany amin’ny Lalàna, amin’ny fomba feno? b) Inona no maha-zava-dehibe ireo asa kristiana, ary ahoana no ifandraisan’izy ireo amin’ny fahazoana ny fiainana mandrakizay, izay fanomezana?
7 Ireo izay manohana ny tokony hitohizan’ny lafin-javatra sasany amin’ny Lalàna dia tsy mahatakatra amin’ny fomba feno fa ny fiheveran’Andriamanitra ny olona iray ho marina dia miankina, tsy amin’ny fanaovany ny asan’ny Lalàna akory, fa amin’ny finoany ny soron’i Jesosy. (Gal. 3:11, 12). Mihevitra izy ireo fa tsy maintsy miseho ho marina amin’ny alalan’ny asa toy izany ny olona iray — zavatra izay tsy ho vitan’ny olombelona mpanota na oviana na oviana. Ny tena zava-dehibe dia ny fanaovana asa ho fankatoavana ireo baikon’Andriamanitra sy i Kristy izay mihatra amin’ny Kristiana. (Jak. 2:15-17; Matio 28:19, 20). Izany dia fomba hanaporofoantsika ny fitiavantsika sy ny finoantsika, ary ny tsy fanaovana azy ireo dia hampiseho fa maty ny finoantsika. Kanefa tsy afaka ny ho tsy maintsy mahazo famonjena isika, na dia niasa mafy toy inona aza. Tsy hisy famonjena amin’ny ota sy ny fahafatesana raha tsy nisy ny soron’i Jesosy Kristy. Ny fiainana mandrakizay àry izany dia fanomezana avy amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, fanehoana hatsaram-panahy tsy misy ohatra izany amin’izay tsy mendrika akory, fa tsy tambin’ny asantsika akory. — Efes. 2:8, 9; Rom. 3:23, 24; 6:23.
8. Inona no fanapahan-kevitry ny fitambara-mpitantana momba ny fampiharana ny Lalàn’i Mosesy tamin’ireo Kristiana jentilisa?
8 Rehefa nentina teo amin’ny fitambara-mpitantana tany Jerosalema tamin’ny taonjato voalohany ilay raharaha momba ny fampiharana ny Lalàn’i Mosesy tamin’ireo Kristiana jentilisa, ny fanapahan-kevitra noraisiny dia nifanaraka tamin’ireo zavatra ireo. Nanaiky izy ireo fa i Jehovah dia tsy nitaky ny hanaovan’ireo mpino jentilisa asa ho fankatoavana ny Lalàn’i Mosesy vao handatsaka ny fanahy masina tamin’izy ireo. Marina fa ilay fanapahan-kevitra noraisin’io fitambara-mpitantana io dia nanonona fandrarana sasany izay nifandray tamin’io Lalàna io ho anisan’ireo “zavatra tsy maintsy hotandremana”. Kanefa izy ireo dia niorina tamin’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly momba ny zava-niseho nitranga talohan’ny Lalàna. Noho izany, dia tsy fanerena ny Kristiana jentilisa hanaraka ny Lalàn’i Mosesy, na ny tapany sasany taminy, no nomena, fa fanamafisana fari-pitsipika efa nekena talohan’i Mosesy kosa. — Asa. 15:28, 29; ampitahao amin’ny Genesisy 9:3, 4; 34:2-7; 35:2-5.
9. a) Moa ve mbola takin’Andriamanitra amin’ireo Jiosy ny hankatoavany ny Lalàn’i Mosesy? b) Fandaharana manokana inona no natao ho azy ireo tamin’ny fomba nahafatesan’i Kristy?
9 Taorian’ny Pentekosta taona 33 am.f.i., dia tsy notakin’Andriamanitra tamin’ireo Jiosy akory aza ny fanarahana ny fitambaran-dalàn’i Mosesy. Ary ireo Jiosy naneho finoana dia nahita antony manokana tokony hifaliana noho izany. Nahoana? Na dia mpanota koa aza ireo Jentilisa, ka noho izany dia azon’ny fahafatesana, dia ireo Jiosy ihany no teo ambanin’ny fanozonan’Andriamanitra noho izy ireo nandika ny faneken’ny Lalàna. Kanefa tamin’ny fomba nahafatesan’i Kristy — nohomboana tamin’ny hazo toy ny olo-meloka voaozona — dia naka ny toeran’ireo Jiosy izay hino azy izy ka nanavotra azy ireo tamin’ny sazy nateraky ny tsy fankatoavana ny Lalàna. (Gal. 3:10-13). Tamin’izany izy dia nanome azy ireo famelan-keloka izay tsy nety ho azon’izy ireo na oviana na oviana teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy. — Asa. 13:38, 39.
10. Tamin’ny ahoana ny fanesorana ny Lalàna no nanjary nitarika ho amin’ny fanompoam-pivavahana tafaray?
10 Ny Lalàna, raha ny marina, dia toy ny fefy nampisaraka ny Jiosy tamin’ny Jentilisa. Nisy zavatra notakina tamin’ireo Jiosy tsy nihatra tamin’ireo Jentilisa, ary ireo Jentilisa tsy voafora dia nosakanana tsy handray anjara feno tamin’ny fanompoam-pivavahan’ireo Jiosy. (Ampitahao amin’ny Eksodosy 12:48; Asan’ny Apostoly 10:28). Kanefa, raha vao nahatanteraka ny zava-kendreny ny Lalàna ka nesorina, dia azon’ireo Jiosy sy ireo Jentilisa tsy voafora natao ny ho tafaray tamin’ny alalan’i Kristy tao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ilay hany Andriamanitra marina. — Efes. 2:11-18, NW.
Mandray soa avy amin’ny fahalalana ny Lalàna isika
11. Amin’ny ahoana ny fahalalana ny Lalàna no manampy antsika hahatakatra ireo fampianaran’i Kristy?
11 Na dia tsy eo ambanin’ny Lalàna aza isika amin’izao andro izao, dia mandray soa be dia be ny tsirairay avy amintsika avy amin’ny fahalalana azy io. Amin’ny fomba ahoana? Tadidio fa nateraky ny reny jiosy i Jesosy ka noho izany dia teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy. Ny zavatra sasany nataony àry dia tsy ho takatra amin’ny fomba feno raha tsy amin’ny fahafantarana ireo zavatra notakin’io Lalàna io. (Gal. 4:4; jereo Lioka 22:7, 8.) Ankoatra izany, dia teo anivon’olona izay teo ambanin’io Lalàna io no nanaovany ny fanompoany. Ny fampianarany àry matetika dia niorina tamin’ny toe-javatra nifandray tamin’ny Lalàna. — Ampitahao amin’ny Matio 5:23, 24.
12. a) Fifandraisana inona teo amin’ny fiainany sy ny Lalàn’i Mosesy no nasehon’i Jesosy? b) Tamin’ny ahoana no nampisehoan’ny apostoly Paoly ny hasarobidin’ny fahalalana ny Lalàna? d) Inona no mety ho vokatry ny fahatakarantsika ny hevitra ara-panahin’ireo zavatra takin’izy io?
12 Taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia nampahatsiahy an’ireo mpianany i Jesosy fa ny fiainany tamin’ny naha-olombelona azy dia nahatanteraka ireo zavatra nosoratana momba azy tao amin’ny Lalàna sy ny mpaminany ary ny Salamo. (Lioka 24:44). Ankoatra izany, ny apostoly Paoly dia niresaka momba ireo lafin-javatra nifandray tamin’ny faneken’ny Lalàna ho toy ny “endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra” ary nilaza fa ‘ny Lalàna dia misy aloky ny zava-tsoa ho avy’. (Heb. 8:4, 5; 10:1). Ny Lalàn’i Mosesy dia mirakitra tsipirian-javatra mahatalanjona izay tanteraka tamin’ny fisoronan’i Jesosy Kristy sy tamin’ny fanaovana sorona ny ain’olombelona nananany. Ny fahatakarantsika azy ireny dia afaka mampitombo ny fahatakarantsika ny hevitr’ireo fandaharana ireo. Ao amin’ireo ohatra ara-paminaniana ireo, dia misy tsipirian-javatra manondro ny fandaharana ny amin’ny fanompoam-pivavahana azo ekena atolotra ho an’i Jehovah ao amin’ny tempoliny ara-panahy lehibe amin’izao andro izao. Rehefa mitombo ny fahatakarantsika azy ireo, dia hitombo koa ny fankasitrahantsika ny kongregasiona voahosotry ny fanahy sy ny anjara asany eo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy mifandray amin’ny fanompoam-pivavahantsika.
13. Nahoana no mitondra soa ny fisaintsainana momba ireo fotopoto-pitsipika tsara dia tsara ao amin’ny Lalàna?
13 Ny Lalàn’i Mosesy dia anisan’ireo Soratra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra, izay samy “mahasoa (...) ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso” avokoa. (2 Tim. 3:16). Afaka manampy antsika hamboly ao amintsika faniriana amim-pahatsorana hanao ireo zavatra ankasitrahan’Andriamanitra ny fitadiavantsika ireo fotopoto-pitsipika maharitra iorenan’ny Lalàna sy ny fisaintsainantsika momba azy ireo. Raha mahay manavaka ny toe-tsaina tian’ny Lalàna haseho isika ka manome taratr’izany toe-tsaina izany eo amin’ny fiainantsika, toy inona moa ny soa mety hoentin’izany!
14. a) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy ny toe-tsaina tian’ireo zavatra takin’ny Lalàna haseho? b) Sariho ny saina ho amin’ny sasantsasany amin’ireo fotopoto-pitsipika tsara dia tsara fanampiny voarakitra ao amin’ny Lalàna ka omena eo amin’ny pejy faha-152. d) Amin’ny ahoana ny fahatakarantsika ireo zavatra ireo no manampy antsika hahazo sitraka kokoa amin’Andriamanitra?
14 Nampiseho izany tamin’ny fomba nandaitra i Jesosy tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra. Rehefa niresaka tamin’ireo olona izay teo ambanin’ny Lalàna tamin’izany fotoana izany izy, dia nampiseho fa tsy tokony hianina amin’ny tsy famonoana olona fotsiny izy ireo, fa nila ny namongotra izay fironana rehetra ho amin’ny hatezerana maharitra sy nihazona ny lelany tsy hanao teny manambany ny rahalahiny kosa. Tsy tokony ho afa-po noho ny tsy nanaovana fanitsakitsaham-bady hatramin’izay izy ireo, fa tokony hitandrina mihitsy kosa mba tsy hijery vehivavy amin’ny fomba feno faniriana ny hanana firaisana aminy. Toa azy ireo koa, isika dia tokony hiezaka mba hampiasa ny faritra rehetra amin’ny tenantsika mifanaraka amin’ireo lalana marin’i Jehovah. (Matio 5:21, 22, 27-30, NW; jereo koa Romana 13:8-10.) Raha manao izany isika, dia hampiseho fa takatsika koa ny hevitr’ilay didy lehibe indrindra ao amin’ny Lalàna manao hoe: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.” (Matio 22:36, 37). Tena hampanatona antsika akaiky kokoa an’i Jehovah Andriamanitra tokoa izany. Na dia tsy eo ambanin’ny fitambaran-dalàn’i Mosesy aza isika, dia azo antoka fa handray soa avy amin’ny fahalalana marina ireo fotopoto-pitsipika iorenan’izy io sy avy amin’ireo ohatra ara-paminaniana raketiny.
Famerenana
● Nahoana ireo izay manizingizina ny tokony hankatoavana ny Lalàn’i Mosesy no mandà an’i Kristy, raha ny tena izy?
● Amin’ny ahoana ny fahalalana ny Lalàna no manampy antsika hahatakatra ny anjara asan’i Jesosy ao amin’ny fikasan’i Jehovah?
● Na dia tsy eo ambanin’ny Lalàna aza isika, zavatra sarobidy inona no mety ho azontsika avy amin’ny fianarana momba azy io?
[Efajoro, pejy 152]
Fotopoto-pitsipika fototra sasantsasany ao amin’ny Lalàn’i Mosesy
Adidy amin’Andriamanitra
Jehovah ihany no ivavaho Eks. 20:3; 22:19
Hajao ny anarany Eks. 20:7; Lev. 24:16
Tiavo sy tompoy amin’ny fo, fanahy, Deot. 6:5; 10:12; 30:16
hery rehetra izy
Matahora ny tsy hankatò azy, Deot. 5:26; 6:24
manàna tahotra miharo fanajana azy
Omeo izay tsara indrindra anananao izy; Eks. 23:19; 34:26
avy aminy izany
Tsy maintsy madio ara-batana Eks. 19:10, 11; 30:20
ireo mpivavaka aminy
Tsy tokony hailika ho ao aorian’ny Eks. 20:8-10; 34:21;
raharaha tsy ara-pivavahana ny zavatra masina Nom. 15:32-36
Fanao ara-pivavahana andrarana
Fanompoan-tsampy Eks. 20:4-6;
Fanakambanam-pinoana Eks. 23:13; 34:12-15;
Spiritisma, fanaovana ody ratsy, Eks. 22:17;
fanaovana hatsarana, fankatovana, Lev. 20:27;
fanandroana, famosaviana Deot. 18:10-12
Fanambadiana sy fiainam-pianakaviana
Rarana ny fanitsakitsaham-bady Eks. 20:14, NW;
Lev. 20:10, NW
Aza manambady olona tsy Deot. 7:1-4
manompo an’i Jehovah
Rarana ny fandriana amin’ny Lev. 18:6-16; 20:11
havana akaiky
Halaviro ny fanaovana Lev. 18:23; 20:13
firaisana mahavoafady
Hajao ny ain’ny zaza mbola tsy teraka Eks. 21:22, 23
Hajao ny ray aman-dreninao Eks. 20:12; 21:15, 17;
Ampianaro ireo lalan’i Jehovah Deot. 6:4-9; 11:18-21
ny zanakao
Adidy amin’ny hafa
Hevero ho masina ny ain’olombelona Eks. 20:13;
Tiavo ny namanao; halaviro ny lolompo Lev. 19:17, 18
Manehoa fiheverana ny be taona Lev. 19:32
Manehoa fiahiana amim-pitiavana an’ireo Lev. 25:35-37, NW;
sahirana ara-bola, kamboty, Deot. 15:7-11;
mpitondratena De 24:19-21
Aza ampiharana fitondrana ratsy Lev. 19:14; Deot. 27:18
ny marenina sy ny jamba
Manaova ny marina eo Lev. 19:35, 36;
amin’ny fanao ara-barotra Le 25:14, NW
Hajao ny fananan’ny hafa Eks. 20:15; 21:37;
Aza mitsiriritra izay an’ny hafa Eks. 20:17
Alao sarona ireo mpanao ratsy lehibe Lev. 5:1;
Milazà ny marina; aza mety Eks. 20:16; 23:1, 2
ho vavolombelona mandainga
Aza manavakavaka noho ny toerana Eks. 23:3, 6; Lev. 19:15