FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • uw toko 11 p. 87-94
  • ‘Aza Mitsahatra Mikatsaka Voalohany Indrindra ny Fanjakana’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Aza Mitsahatra Mikatsaka Voalohany Indrindra ny Fanjakana’
  • Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Aza avela ho voageja ka ho faty ny fahamarinana momba ilay fanjakana
  • Manome ohatra ireo mpianatra voalohany
  • Hazòny ho eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainanao ilay fanjakana
  • ‘Katsaho Aloha Ilay Fanjakana’
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Mafy Orina ve ny Fatokisanao An’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Ilay Hafatra Tsy Maintsy Torintsika
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Aza Variana Manangona Fananana, fa Katsaho Ilay Fanjakana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
Hijery Hafa
Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
uw toko 11 p. 87-94

Toko 11

‘Aza Mitsahatra Mikatsaka Voalohany Indrindra ny Fanjakana’

1. a) Nahoana i Jesosy, sivinjato sy arivo taona lasa izay, no nilaza fa tokony hikatsaka voalohany indrindra ilay Fanjakana isika? b) Fanontaniana inona no tokony hataontsika amin’ny tenantsika?

SIVINJATO sy arivo taona mahery lasa izay, tao amin’ny lahateny iray nataony tany Galilia, dia nampirisika ny mpihaino azy toy izao i Jesosy: “Aza mitsahatra àry mikatsaka voalohany indrindra ilay fanjakana sy ny fahamarinany”. Fa nahoana? Tsy mbola ho taonjato maro atỳ aorian’izay ve no hanomezana ny seza fiandrianana an’i Kristy? Marina izany. Kanefa ilay Fanjakana Mesianika no fomba hanamarinana ny anarana masin’i Jehovah sy hanatanterahana ny fikasany lehibe ho an’ny tany. Na iza na iza mankasitraka marina ny maha-zava-dehibe izany, dia hanome ho an’ilay Fanjakana ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany. Marina izany tamin’ny taonjato voalohany ary vao mainka tena marina amin’izao fotoana efa anjakan’ilay Fanjakana izao. Moa ve ny fomba fiainanao mampiseho fa mikatsaka voalohany indrindra ny Fanjakan’Andriamanitra ianao? — Matio 6:33, NW.

2. Zavatra inona avy no katsahin’ny olona amin’ny ankapobeny mafy?

2 Ny olona amin’ny ankapobeny dia liana kokoa amin’ny zavatra hafa. Mikatsaka mafy ny harena sy ny fitafiana, ny hanina, ary ny fananana sy fahafinaretana ara-nofo hafa izay azon’ny vola vidina, izy ireo. (Matio 6:31, 32). Manome taratry ny fiahiany tafahoatra ny amin’ny tenany sy ny fahafinaretana ny fomba fiainany. Eo amin’ny fiainany, dia apetrany eo amin’ny toerana faharoa Andriamanitra — raha mino ny fisiany akory aza izy ireo.

3. a) Karazana harena inona no nampirisihan’i Jesosy ny mpianany mba hokatsahin’izy ireo, ary nahoana? b) Nahoana no tsy nisy nilany ny hiahiana be loatra momba izay nilainy ara-nofo?

3 Nanome izao torohevitra izao ho an’ireo mpianany kosa anefa i Jesosy: “Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany intsony”, satria tsy maharitra mandrakizay ny harena toy izany. “Fa miharia harena ho anareo any an-danitra kosa”, hoy izy, amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Nampirisika ny mpanara-dia azy mba hihazona ny masony ho “tsotra” izy, ka hampifantoka ny sainy amin’ny zavatra iray monja, dia ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. “Tsy afaka manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo”, hoy izy tamin’izy ireo. Ahoana anefa ny amin’ny zavatra ilaina ara-nofo — ny hanina sy ny fitafiana ary ny fialofana? “Aza manahy intsony ianareo”, hoy ny torohevitr’i Jesosy. Nanintona ny saina ho amin’ny vorona izy — Mamelona azy ireo Andriamanitra. Nampirisika ny mpanara-dia azy mba haka fianarana tamin’ny voninkazo izy — Mampitafy azy ireny amin’ny fomba kanto tokoa Andriamanitra. Moa ve ny mpanompo olombelona manan-tsainan’i Jehovah tsy mendrika mihoatra noho ireo? “Aza mitsahatra àry mikatsaka voalohany indrindra ilay fanjakana sy ny fahamarinany”, hoy i Jesosy, “dia hanampy ho anareo izany zavatra hafa [ilaina] rehetra izany.” (Matio 6:19-34, NW ). Mino izany ve ianao? Manaporofo ny finoanao ve ny ataonao?

Aza avela ho voageja ka ho faty ny fahamarinana momba ilay fanjakana

4. Raha miahy be loatra momba ny zavatra ara-nofo ny olona iray, inona no mety ho vokany? Hazavao amin’ny ohatra.

4 Raha miahy loatra ny amin’ireo zavatra ara-nofo ny olona iray, dia mety hampidi-doza ny vokany. Na dia mihambo ho liana amin’ilay Fanjakana aza izy, raha mametraka zavatra hafa voalohany indrindra ao am-pony izy, dia ho voageja ka ho faty ny fahamarinana momba ilay Fanjakana. (Matio 13:18, 19, 22, NW ). Ohatra, indray mandeha, dia nanontany an’i Jesosy toy izao ny mpanapaka tanora nanankarena iray: “Inona no tsy maintsy ataoko mba handovako fiainana mandrakizay?” Ny fihetsiny teo anoloan’ny valin-tenin’i Jesosy dia nampiseho fa nanaraka fomba fiaina nadio ara-pitondran-tena izy, no sady nitondra ny hafa tamin’ny fomba tsara. Kanefa nifikitra loatra tamin’ireo fananany ara-nofo izy. Tsy afaka nanapa-kevitra ny hisaraka tamin’izy ireo izy mba ho mpanara-dia an’i Kristy, hany ka namoy ny fahafahana izay nety ho nitarika azy ho tonga mpiara-manapaka amin’i Kristy ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra. Hoy i Jesosy tamin’io fotoana io: “Ho toy inona moa ny hasarotry ny hidiran’ireo manam-bola ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra!” — Marka 10:17-23, NW.

5. a) Nampirisika an’i Timoty mba hianina amin’ny zavatra inona avy moa i Paoly, ary nahoana? b) Amin’ny fomba ahoana no ampiasan’i Satana ny “fitiavam-bola” ho toy ny fandrika mandringana?

5 Taona maro tatỳ aoriana, ny apostoly Paoly dia nanoratra tamin’i Timoty, izay tany Efesosy, toeram-panaovam-barotra niroborobo, tamin’izay. Nampahatsiahy azy toy izao izy: “Tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.” Ny fiasana mba hanomezana ‘hanina sy fitafiana’ ho an’ny tena sy ny fianakavian’ny tena dia mety. Kanefa nampitandrina toy izao i Paoly: “Izay [tapa-kevitra ny hanankarena, NW ] dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana.” Feno hafetsena i Satana. Amin’ny voalohany izy dia mety hitaona ny olona iray amin’ny alalan’ny zavatra madinika. Matetika izany dia arahina fanerena lehibe kokoa — angamba fahafahana hahazo fisondrotana ho amin’ny asa iray tsara karama kokoa kanefa maka ny fotoana izay natokana ho amin’ny raharaha ara-panahy teo aloha. Raha tsy mitandrina isika, “ny fitiavam-bola” dia mety hangeja ka hamono ireo tombontsoan’ilay Fanjakana izay zava-dehibe aoka izany. Hoy ny filazan’i Paoly izany: “Ny sasany izay fatra-pitady izany [ny fitiavam-bola] dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” — 1 Tim. 6:7-10.

6. a) Mba tsy ho voafandrika, inona moa no tsy maintsy ataontsika? b) Moa ve izany fihetsika mijery ny zavatra araka ny tena izy, rehefa heverina ny toe-piainana ara-toekarena?

6 Tamim-pitiavana feno fahatsorana an’ilay rahalahiny kristiana, dia nampirisika an’i Timoty i Paoly hoe: “Mandosira izany zavatra izany”, ary koa hoe: “Miadia ny ady tsaran’ny finoana”. (1 Tim. 6:11, 12). Ilaina ny fiezahana amim-pitandremana raha tiantsika ny tsy ho voasariky ny fomba fiainan’izao tontolo izao manodidina antsika. Kanefa, raha mikely aina mifanaraka amin’ny finoantsika isika, dia tsy hahafoy antsika na oviana na oviana i Jehovah. Na lafo toy inona aza ny vidim-piainana ary na miely toy inona aza ny tsy fisian’asa, dia hataony azo antoka fa manana izay tena ilaintsika isika. — Heb. 13:5, 6.

Manome ohatra ireo mpianatra voalohany

7. Rehefa naniraka ireo apostoly mba hitory teo amin’ny Isiraely i Jesosy, toromarika inona avy no nomeny azy ireo, ary nahoana izany no tena nety?

7 Rehefa avy nanome fampiofanana tsara an’ireo apostoly i Jesosy, dia naniraka azy ireo teo amin’ny Isiraely mba hitory ny vaovao tsara. “Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” Hafatra nampientana re izany! Teo anivon’izy ireo i Kristy, ilay Mpanjaka Mesianika. Koa satria ireo apostoly nanokan-tena ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, dia nampirisika azy ireo mba hitoky tamin’Andriamanitra izay hikarakara azy ireo, i Jesosy. Nilaza toy izao àry izy: “Aza mitondra zavatra ho amin’ny alehanareo, na tehina, na kitapom-batsy, na mofo, na vola, ary aza misy mitondra akanjo roa. Ary izay trano hidiranareo, dia ao no itoero, ary avy ao indray no ialao.” (Matio 10:5-10; Lioka 9:1-6; 10:4-6). I Jehovah dia hanao izay hanomezana fahafaham-po amin’izay hilain’izy ireo tamin’ny alalan’ireo Isiraelita hafa, izay fanao teo aminy ny fahaiza-mampiantrano vahiny.

8. a) Nahoana i Jesosy no nanome toromarika hafa, fotoana fohy talohan’ny hahafatesany? b) Na dia izany aza, inona no tokony ho mbola teo amin’ny toerana voalohany teo amin’ny fiainan’izy ireo ihany?

8 Tatỳ aoriana, taloha kelin’ny hahafatesany, dia nampitandrina ireo apostoliny i Jesosy fa izy ireo dia hiasa ao anatin’ny toe-javatra izay ho hafa noho izany. Ho vokatry ny fanoherana ofisialy, dia nety ho tsy hahay hampiantrano vahiny toy izany ireo teo amin’ny Isiraely. Ankoatra izany, tsy ho ela dia hitondra ny hafatra momba ilay Fanjakana any amin’ireo tany jentilisa izy ireo. Izao àry dia tokony hitondra “kitapom-bola” sy “kitapom-batsy” izy ireo. Na dia izany aza, dia tokony tsy hitsahatra ny hikatsaka voalohany indrindra ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany izy ireo, noho ny fatokiana fa hitahy ny fiezahana rehetra hataony mba hahazoana hanina sy fitafiana Andriamanitra. — Lioka 22:35-37.

9. a) Tamin’ny fomba ahoana no nihazonan’i Paoly ilay Fanjakana ho teo amin’ny toerana voalohany? b) Tamin’ny fomba ahoana no nikarakarany izay nilainy ara-batana? d) Torohevitra inona no nomeny ny hafa momba ireo zavatra ireo?

9 Nanome ohatra tsara dia tsara ny amin’ny fomba hampiharana ny torohevitr’i Jesosy ny apostoly Paoly. Nanorina ny fiainany hihodinkodina teo amin’ny fanompoana izy. (Asa. 20:24, 25). Rehefa nankany amin’ny faritra iray mba hitory izy, dia nikarakara ny zavatra nilainy ara-nofo tamin’ny fanaovana ny asa fanamboarana lay. Tsy nanantena ny hikarakaran’ny hafa azy izy. (Asa. 18:1-4; 1 Tes. 2:9; 1 Kor. 9:18). Kanefa nanaiky tamim-pankasitrahana ny fahaiza-mampiantrano vahiny naseho taminy sy ny fanomezana natao taminy izy rehefa naniry haneho ny fitiavany sy ny fankasitrahany tamin’izany fomba izany ny hafa. (Asa. 16:15, 34; Fil. 4:15-17). Tsy nampirisika ireo lehilahy sy vehivavy kristiana hanao tsirambina ny adidiny ara-pianakaviana mba handehanana hitory izy, fa hisahana ny andraikitr’izy ireo isan-karazany amin’ny fomba voalanjalanja kosa. Nanome torohevitra azy ireo mba hiasa amin’ny tanany izy, mba ho tia ny fianakaviany ary mba halala-tanana amin’ny hafa. (Efes. 4:28; 2 Tes. 3:7-12; Tit. 2:3-5). Nampirisika azy ireo koa izy mba hametraka ny tokiny, tsy amin’ny fananana ara-nofo akory, fa amin’Andriamanitra, ary koa mba hampiasa ny fiainany amin’ny fomba izay hampiseho fa takatr’izy ireo hoe inona avy ireo zava-dehibe kokoa eo amin’ny fiainana. Mifanaraka amin’ireo fampianaran’i Jesosy, izany dia nidika hoe fikatsahana voalohany indrindra ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany. — Fil. 1:9-11.

Hazòny ho eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainanao ilay fanjakana

10. a) Inona no dikan’ny hoe ‘katsaho voalohany indrindra ilay Fanjakana’? b) Kanefa inona no tsy tokony hatao tsirambina?

10 Tonga hatraiza ny fizaran’ny tenantsika manokana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’ny hafa? Izany dia miankina amin’ny lafiny sasany, amin’ny toe-javatra misy antsika, ary amin’ny lafiny lehibe, amin’ny halalin’ny fankasitrahantsika. Tadidio ao an-tsaina fa i Jesosy akory tsy nilaza hoe: ‘Katsaho ilay Fanjakana rehefa tsy manan-javatra hafa hatao ianareo’. Tsy nilaza koa izy hoe: ‘Raha mbola miresaka momba ilay Fanjakana indraindray koa ianareo, dia efa manao izay rehetra ilaina hataonareo’. Tsy nilaza ihany koa izy hoe: ‘Manomboha mikatsaka ireo tombontsoan’ilay Fanjakana amin-jotom-po; fa raha toa ka ela vao tonga ny Fandehan-javatra Vaovao, dia aza mitsahatra manao zavatra eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, saingy manaraha fiainana mitovy kokoa amin’ny an’ny olon-kafa’. Noho izy nahafantatra tsara ny maha-zava-dehibe ilay Fanjakana, dia nanambara ny sitrapon’ny Rainy momba izany izy tamin’ny filazana hoe: “Katsaho hatrany ny fanjakany”. Toy izao no nilazan’ny apostoly Matio azy: “Aza mitsahatra àry mikatsaka voalohany indrindra ilay fanjakana sy ny fahamarinany”. (Lioka 12:31, NW; Matio 6:33, NW ). Na dia hitan’ny ankamaroantsika aza fa ilaintsika ny manao asa iray mba hikarakarana ireo zavatra ilain’ny tenantsika sy ny fianakaviantsika eo amin’ny ara-nofo, raha manam-pinoana marina isika, ny fiainantsika dia hihodinkodina eo amin’ilay asa nomen’Andriamanitra hataontsika mifandray amin’ny Fanjakany. Miaraka amin’izany koa anefa, dia tsy hanao tsirambina ireo andraikitsika ara-pianakaviana isika. — 1 Tim. 5:8; Ohab. 29:15.

11. a) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tsy afaka ny hanao zavatra mitovy ny rehetra eo amin’ny fampielezana ny hafatra momba ilay Fanjakana? b) Lafin-javatra inona avy no misy fiantraikany eo amin’izany?

11 Ny sasany amintsika dia afaka manokana fotoana misimisy kokoa noho ny hafa ho an’ny asa fanompoana. Tao amin’ilay fanoharany momba ireo karazana tany samihafa anefa i Jesosy dia nampiseho fa hamokatra avokoa ireo rehetra manana fo oharina amin’ny tany tsara. Hatraiza? Samy hafa ny toe-javatra misy ny olona tsirairay avy. Ny taona, ny fahasalamana ary ny andraikitra ara-pianakaviana dia samy tafiditra amin’izany avokoa. Kanefa, rehefa misy fankasitrahana amim-pahatsorana, dia zavatra betsaka no azo tontosaina. — Matio 13:19, 23.

12. Zava-kendrena ara-panahy mahasoa inona no ampirisihana indrindra ireo tanora mba hoheveriny?

12 Tsara ny hananana zava-kendrena izay hanampy antsika hanitatra ny fandraisantsika anjara amin’ny fanompoana mifandray amin’ilay Fanjakana. Ireo tanora dia tokony hieritreritra amim-pitandremana ny amin’ny ohatra faran’izay tsara nomen’ilay tanora kristiana be zotom-po nantsoina hoe Timoty. (Fil. 2:19-22). Zavatra inona no mety ho tsara kokoa ho azy ireo noho ny fanaovana ny fanompoana manontolo andro rehefa mahavita ny fianarana tsy maintsy ataony izy ireo? Ireo be taona kokoa dia handray soa koa amin’ny famerana zava-kendrena ara-panahy mahasoa ho an’ny tenany.

13. a) Iza no manapa-kevitra ny amin’izay azon’ny tenanao manokana atao eo amin’ny fanompoana mifandray amin’ilay Fanjakana? b) Raha mikatsaka marina voalohany indrindra ilay Fanjakana isika, dia porofon’ny inona moa izany?

13 Tsy hanakiana ireo izay mety hoheverintsika fa afaka ny hanao bebe kokoa isika, fa tokony ho voatosiky ny finoana kosa mba hiezaka hanatsara ny ataon’ny tenantsika mba hahafahantsika hanompo an’Andriamanitra hatramin’ny faran’ny hamelan’ny toe-javatra misy antsika manokana. (Rom. 14:10-12; Gal. 6:4). Araka ny naseho tamin’izay nitranga tamin’i Joba, i Satana dia miampanga fa isika dia liana voalohany indrindra amin’ny fananantsika ara-nofo sy izay mampiadana antsika manokana ary izay hahatsara ny fiainantsika, ary koa, fa ny antony manosika antsika hanompo an’Andriamanitra dia feno fitiavan-tena. Kanefa, raha mikatsaka marina voalohany indrindra ilay Fanjakana isika, dia mandray anjara amin’ny fanaporofoana ny maha-mpandainga maharikoriko ny Devoly. Amin’izany isika dia manome porofo fa izay mihazona ny toerana voalohany indrindra eo amin’ny fiainantsika dia, tsy ny fananana ara-nofo na izay mampiadana antsika manokana akory, fa ny fanompoana an’Andriamanitra. Amin’ny teny sy ny atao àry isika dia manaporofo ny fitiavantsika lalina an’i Jehovah, ny fanohanantsika amim-pahatokiana ny fiandrianany ary ny fitiavantsika ireo mpiara-belona amintsika. — Ohab. 27:11; Joba 1:9-11; 2:4, 5.

14. a) Nahoana no mahasoa ny fananana fandaharam-potoana ho amin’ny asa fanompoana? b) Tonga hatraiza ny fandraisan’ny Vavolombelona maro anjara amin’ny asa fanompoana, ary nahoana?

14 Ny fananana fandaharam-potoana dia afaka manampy antsika hanatanteraka bebe kokoa noho izay mety ho efa vitantsika. Ny tenan’i Jehovah dia manana ‘fotoan’andro voatendry’ mba hanatanterahana ny fikasany, ary ho tsara ny hanahafantsika izany. (Eks. 9:5; Marka 1:15; Gal. 4:4). Raha azo atao, dia tsara ny handraisana anjara amin’ny asa fanompoana amin’ny fotoana voatokana iray na maromaro isan-kerinandro. Vavolombelon’i Jehovah an’aliny maro maneran-tany no nirotsaka hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy ary faly mandany, amin’ny antsalany, adiny roa na mahery isan’andro, hitoriana ny vaovao tsara. Misy manao azy io tsy tapaka; ny hafa manao azy io imbetsaka isan-taona. An’arivony maro hafa no manao ny asan’ny mpisava lalana maharitra, ka mandany, amin’ny antsalany, adiny telo isan’andro fara fahakeliny hanambarana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Ny hafa, amin’ny maha-mpisava lalana manokana sy misionera azy, dia mandany fotoana betsaka kokoa noho izany aza eo amin’ny fanompoana mifandray amin’ilay Fanjakana. Ary, na eny amin’ny asa fanompoana ara-bakiteny isika na tsia, dia afaka mikatsaka fahafahana hizara ny fanantenana momba ilay Fanjakana amin’izay rehetra maniry hihaino, amin’ny fotoana mety rehetra. (Ampitahao amin’ny Jaona 4:7-15.) Isika rehetra dia tokony hieritreritra amim-pitandremana momba izay tena hevitr’ilay faminanian’i Jesosy manao hoe: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity [vaovao tsaran’ilay Fanjakana, NW ] ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” Ny faniriantsika dia tokony ho ny handraisantsika anjara feno, araka ny amelan’ny toe-javatra misy antsika antsika. — Matio 24:14; Efes. 5:15-17.

15. Mifandray amin’ny fanompoantsika, nahoana ianao no mihevitra fa mety tsara ilay torohevitra ao amin’ny 1 Korintiana 15:58?

15 Amim-piraisan-tsaina, any amin’ny faritra rehetra amin’ny tany, na inona na inona firenena misy azy, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mandray anjara amim-paharisihana amin’io tombontsoam-panompoana lehibe io. Ampiharin’izy ireo amin’ny tenany ity torohevitry ny Baiboly azo tamin’ny tsindrimandry ity: “Miorena tsara, aza miova, ary [aoka ianareo ho be zavatra hatao, NW ] mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo”. — 1 Kor. 15:58.

Famerenana

● Rehefa nilaza i Jesosy fa tokony hikatsaka voalohany indrindra ilay Fanjakana isika, inona no nasehony tamin’izany fa tokony hapetraka eo amin’ny toerana faharoa?

● Fomba fihevitra manao ahoana no tokony hananantsika raha ny amin’ny fikarakarana izay ilain’ny tenantsika sy ny fianakaviantsika eo amin’ny ara-nofo? Fanampiana inona no homen’Andriamanitra antsika?

● Zava-dehibe ve ny habetsahan’izay vitantsika raha mbola mandray anjara amin’ny fanompoana mifandray amin’ilay Fanjakana koa isika? Nahoana?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara