-
TanyFandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
-
-
Zef. 2:3: “Mitadiava an’i Jehovah ianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, izay mankatò ny didim-pitsarany. Katsaho ny fahamarinana, katsaho ny fandeferana. Angamba ho voafina ianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.”
Sal. 37:9, 11: “Izay manantena an’i Jehovah no handova ny tany. ... Ny mpandefitra ... no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.”
-
-
Teraka Indray ao Amin’ny Vatana HafaFandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
-
-
Teraka Indray ao Amin’ny Vatana Hafa
Famaritana: Finoana hoe teraka indray ao amin’ny vatan’olona na biby ny “fanahin’ny” maty. Tsy mampianatra izany ny Baiboly.
Raha misy olona na toerana sambany vao hitanao nefa toa efa fantatrao, midika ve izany fa efa nisy ianao taloha?
Efa nitranga ve ny hoe noheverinao fa olona fantatrao ny olon-kafa iray? Maro koa no efa sendra an’izany. Fa nahoana? Satria misy olona mitovitovy fihetsika na hoatran’ny kambana mihitsy aza. Koa na toa fantatrao aza ny olona iray mbola tsy hitanao mihitsy hatramin’izay, dia tsy midika izany hoe efa nisy ianao talohan’ny nahaterahanao ka tamin’izay no nahafantaranao azy.
Nahoana no hoatran’ny efa hitanao ny trano na tanàna iray mbola tsy nalehanao mihitsy? Efa nipetraka tany ve ianao taloha? Trano maro no mitovitovy firafitra. Toy izany koa ny fanaka amboarina any amin’ireo tanàna mifanalavitra be. Misy koa toerana mifanalavitra nefa mitovy be. Tsy mahagaga àry raha misy toerana na trano na olona mbola tsy hitanao mihitsy, nefa toa efa fantatrao.
Raha ampiasana hipnotisma ny olona iray ka milaza hoe efa velona tany ho any talohan’ny nahaterahany, azo inoana ve izany?
Toy ny hoe matory ny olona ampiasana hipnotisma, nefa afaka mahita sy mandre ary miresaka tsara. Tsy tompon’ny tenany anefa izy fa lasa mora baikoina. Betsaka no azo tovozina avy any amin’ny fitadidiany lalina any. Inona anefa no ao amin’ilay fitadidiany? Zavatra novakiny tao amin’ny boky, na hitany tamin’ny filma sy tele, ohatra, nefa toy ny hoe niainany mihitsy. Na, zavatra tena nataony taloha ela be ka hadinony. Mety hotsaroany indray ilay izy rehefa ampiasana hipnotisma izy, ka mety hihevitra izy hoe nataony tany amin’ny “fiainana hafa” ilay izy. Raha marina anefa izany, nahoana no tsy mahatsiaro zavatra toy izany ny olona rehetra? Tsara homarihina fa mihamaro ny fitsarana tampony any amin’ireo fanjakana any Etazonia, no tsy manaiky ny fanambaran’ny olona ampiasana hipnotisma. Nilaza, ohatra, ny Fitsarana Tampon’i Minnesota tamin’ny 1980, fa “tsy misy manam-pahaizana afaka mamantatra raha marina na diso na nisy noforomporonina ny zavatra tadidin’ilay olona ampiasana hipnotisma. Tsy azo porofoina ara-tsiansa hoe marina ilay zavatra tadidiny.” (Fanjakana Miady Amin’i Mack, anglisy, 292 N.W.2d 764) Mety ho hevitra avy amin’ilay mpanao hipnotisma koa mantsy no holazain’ilay olona, ka tsy ho azo antoka intsony ny fanambarany.
-