-
Teraka Indray ao Amin’ny Vatana HafaFandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
-
-
Azonao valiana hoe: ‘Manantena ianao fa ho tsara kokoa ny fiainan’ilay olona amin’ny farany, sa tsy izany?... Ho tianao ve ny hiaina ao amin’ilay tontolo voalaza ato amin’ny Apokalypsy 21:1-5?’
Na hoe: ‘Misaotra anao nilaza ny hevitrao. Efa nino an’izany foana ve ianao?... Inona no nahatonga anao hino an’izany?’ (Azo ampiasaina ny hevitra eo ambanin’ilay lohatenikely etsy ambony.)
Na hoe: ‘Efa niresaka tamin’ny olona mino an’izany aho, ary nahafinaritra ahy ilay resaka. Nahoana no hitanao fa ilaina ny hahaterahan’ny olona indray ao amin’ny vatana hafa?’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Tsaroanao ve ny tsipiriany rehetra tamin’ireo fiainanao taloha?... Raha tsy tsaroana izany, ahoana no hahafahana hanitsy tena ka hihatsara?’ 2) Raha milaza ilay olona fa tsara kokoa ny hanadinoana izany, dia anontanio izy hoe: ‘Heverinao ve fa mahasoa amin’ny fiainana andavanandro ny hoe very tadidy? Koa ho afaka hihatsara ve isika, raha isaky ny teraka indray ao amin’ny vatana hafa, dia hadinontsika foana izay nianarantsika teo aloha nandritra ny 70 taona teo ho eo?’ 3) Raha milaza ilay olona hoe izay tsara toetra ihany no teraka indray ao amin’ny vatan’olon-kafa, dia azo anontaniana izy hoe: ‘Nahoana anefa no miharatsy ny toe-piainana eran-tany?... Resahin’ny Baiboly hoe inona no tena hanatsara ny fiainana eto an-tany. (Dan. 2:44)’
-
-
Toe-tsain’ity Tontolo ItyFandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
-
-
Toe-tsain’ity Tontolo Ity
Famaritana: Toe-tsaina mahatonga an’ireo tsy mpanompon’i Jehovah hilaza sy hanao zavatra mampiavaka azy. Marina fa samy manana ny tiany ny olona, kanefa misy toe-tsaina sy fomba ary tanjona iombonan’ireo manana ny toe-tsain’ny tontolo fehezin’i Satana.
Nahoana isika no tokony hitandrina mba tsy hanana ny toe-tsain’ity tontolo ity?
1 Jaona 5:19: “Izao tontolo izao manontolo kosa eo ambany fahefan’ilay ratsy.” (I Satana no mampiely ilay toe-tsaina mibaiko ny eritreritra sy ny ataon’ny olona tsy manompo an’i Jehovah. Miely toy ny rivotra io toe-tsaina io, ary mahatonga azy ireo ho tia tena sy hihevi-tena ho ambony. Tokony hitandrina mafy àry isika mba tsy hamela azy io hamolavola ny saintsika.)
Apok. 12:9: “Natsipy mafy ilay dragona lehibe, ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka ny tany rehetra misy mponina. Natsipy mafy tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niara-natsipy taminy.” (Nihamafy ny fitaoman’i Satana sy ny demoniany, taorian’ny nandraisan’ny Fanjakan’Andriamanitra fahefana tamin’ny 1914. Lasa tia tena sy mahery setra kokoa ny olona, noho ny toe-tsaina aelin’i Satana. Terena mafy ho anisan’ity tontolo ity ireo te hanompo an’i Jehovah, ary terena hanao ny fanaon’ny besinimaro sy hiala amin’ny fivavahana marina.)
Inona avy no mampiavaka ny toe-tsain’ity tontolo ity?
1 Kor. 2:12: “Fa isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao, fa ny fanahy avy amin’Andriamanitra, mba hahafantarantsika ny zavatra nomen’Andriamanitra antsika tamin-katsaram-panahy.” (Raha toa ny fanahy na ny toe-tsain’ity tontolo ity ka mahazo vahana ao amin’ny eritreritry ny olona iray sy ny faniriany, dia ho hita eo amin’izay ataon’ilay olona izany. Tokony hialany àry ireo fanao sy fanaranam-po tsy mendrika ny Kristianina, raha tiany ny hanaisotra izany toe-tsaina izany. Tokony havelany hibaiko ny toe-tsainy koa ny fanahin’Andriamanitra, ary tokony hiezaka ho tia ny fitsipiny izy. Tsara hotadidina izany eo am-pandinihana ireto lafiny mampiavaka ny toe-tsain’ity tontolo ity ireto.)
-