FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Toe-tsain’ity Tontolo Ity
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
    • Nataon’i Satana nitsiry tao am-pon’i Eva ny faniriana toy izany, ka nahatonga an’i Eva hanimba ny fifandraisany tamin’Andriamanitra. (Gen. 3:6; 1 Jaona 2:16) Nanda mafy ny fakam-panahy toy izany anefa i Jesosy. (Mat. 4:8-10) Mila mitandrina ireo te hampifaly an’i Jehovah, sao ho voasariky ny dokam-barotra hanana fanirian-dratsy toy izany. Mety hiala amin’ny finoana ka hijaly mafy ireo voafandrik’izany faniriana izany.—Mat. 13:22; 1 Tim. 6:7-10.

      Mampideradera fananana sy zava-bita

      “Avy amin’izao tontolo izao” koa izany, ka tsy tokony hataon’ny mpanompon’Andriamanitra. (1 Jaona 2:16) Manambony tena mantsy ny olona manao izany. Tsy manatanjaka ny finoan’ny hafa izany, fa vao mainka kosa mandrisika azy hanangon-karena sy hiezaka ny ho tafita eto amin’ity tontolo ity.—Rom. 15:2.

      Miteny ratsy sy mahery setra rehefa tezitra

      “Asan’ny nofo” izany, ary maro ny olona tsy maintsy miady mafy mba tsy hanao izany. Afaka mandresy an’izao tontolo izao sy ny toe-tsainy anefa izy ireo, raha tena mino an’Andriamanitra sy ampian’ny fanahiny.—Gal. 5:19, 20, 22, 23; Efes. 4:31; 1 Kor. 13:4-8; 1 Jaona 5:4.

      Mametraka ny fanantenana amin’izay vitan’ny olombelona, sy matahotra olona

      Izay hita maso sy azo tsapain-tanana ihany no zava-dehibe amin’ny olona araka ny nofo. Mitoky amin’ny fampanantenan’ny olona izy, ary matahotra olona. Mila vonjy amin’ny mpitondra olombelona izy, ary diso fanantenana rehefa tsy mahomby ireny. (Sal. 146:3, 4; Isaia 8:12, 13) Aminy dia tsy misy afa-tsy izao fiainana izao. Matahotra ny ho faty koa izy. (Mifanohitra amin’izay voalazan’ny Matio 10:28; Hebreo 2:14, 15.) Hery vao kosa no mibaiko ny sain’ny olona mahalala an’i Jehovah. Ny fampanantenan’i Jehovah no mameno ny sainy sy ny fony, ary mitady vonjy aminy izy isaky ny mila fanampiana.—Efes. 4:23, 24; Sal. 46:1; 68:19.

      Mivavaka amin-javatra sy amin’olona, fa tsy amin’Andriamanitra

      Voajanahary amin’ny olombelona ny mivavaka. Ampirisihin’i Satana, “andriamanitr’ity tontolo ity”, hivavaka amin-javatra na amin’olona anefa izy ireo, fa tsy amin’Andriamanitra. (2 Kor. 4:4) Misy mpitondra atao toy ny andriamanitra kely mihitsy. (Asa. 12:21-23) Olona an-tapitrisany no miankohoka amin’ny sampy. An-tapitrisany maro koa no manindrahindra mpilalao sarimihetsika sy mpanao fanatanjahan-tena malaza. Anindrahindrana olona tafahoatra koa ny fety sasany. Mila mitandrina isan’andro àry izay tena tia an’i Jehovah sy te hanompo azy irery ihany, sao ho voataona hanao toy izany koa.

  • Tsy Momba ny Atsy na ny Aroa
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
    • Tsy Momba ny Atsy na ny Aroa

      Famaritana: Tsy momba an’iza na iza rehefa misy miady. Porofoin’ny tantara fa tsy miditra amin’ny adin’ireo firenena mihitsy ny tena Kristianina na taloha na ankehitriny. Tsy sakanan’izy ireo izay manao fombafomba fanehoana fitiavan-tanindrazana, na manao miaramila, miditra amin’ny antoko politika, milatsaka hofidina, na mandeha mifidy. I Jehovah, ilay Andriamanitra ny Baiboly, ihany no ivavahan’izy ireo. Efa nanokan-tena hanompo azy irery mantsy izy ireo, ary manohana tanteraka an’ilay Fanjakany.

      Ahoana no ataon’ny Kristianina manoloana ny fitondram-panjakana?

      Rom. 13:1, 5-7: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana [mpitondra fanjakana], fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra. ... Koa misy antony tsy maintsy anekenareo fahefana àry, tsy noho izany fahatezerana izany ihany, fa noho ny feon’ny fieritreretanareo koa. ... Aloavy amin’izy rehetra àry izay tokony ho azy avy: Ny hetra ho an’izay mitaky hetra, ny haba ho an’izay mitaky haba, ny tahotra ho an’izay tokony hatahorana, ny haja ho an’izay tokony hohajaina.” (Avelan’Andriamanitra hitondra ireo fanjakana matoa mbola misy. Hajain’ny Kristianina ireo manam-pahefana noho ny toerana tanany, na manao ahoana na manao ahoana fitondran-tenany. Noho ny asa ataon’ny fanjakana ho an’ny vahoaka, dia mandoa hetra foana ny mpanompon’i Jehovah, na dia mety hampiasain’ny fanjakana amin-javatra hafa koa aza ilay vola.)

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara