-
VavakaFandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
-
-
Ohab. 28:9: “Izay manampin-tsofina tsy hihaino ny [lalàn’Andriamanitra], na ny vavaka ataony aza dia maharikoriko.”
Mika 3:4: “Hiantso vonjy amin’i Jehovah izy ireo amin’izany fotoana izany, nefa tsy hamaly izy. Dia hanafina ny tavany amin’izy ireo izy amin’izay fotoana izay, noho ny ratsy nataon’izy ireo.”
Jak. 4:3: “Mangataka ianareo nefa tsy mahazo ihany, satria ratsy ny anton’ny fangatahanareo, dia ny handanianareo izany ho amin’ny fanirianareo fatratra fahafinaretan’ny nofo.”
Isaia 42:8; Mat. 4:10, Kat.: “Izaho no Iaveh, izany no anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Ny fanajana ahy, tsy ho an’ny sampy [“sarin-javatra voasokitra”, Prot.].” “Ny Tompo [“Jehovah”, TV ] Andriamanitrao no hivavahanao, ary izy irery ihany no hotompoinao.” (Jereo koa ny Salamo 115:4-8.) (Ho faly ve Andriamanitra raha mivavaka eo anoloan’ny sarin-javatra voasokitra na sary masina ianao?)
Isaia 8:19: “Mety hisy hiteny aminareo hoe: ‘Manontania mpamoha angatra na olona itoeran’ny fanahy mpilaza ny hoavy, izay samy manao feom-boronkely sy mibitsibitsika.’ Tsy ny Andriamaniny anefa ve no tokony hanontaniany? Ny maty indray ve no hanontaniana mba hahasoa ny velona?”
Jak. 1:6, 7: “Aoka ... izy hangataka amim-pinoana hatrany, ary tsy hisalasala mihitsy, fa izay misalasala dia toy ny onjan-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany. Aoka tsy hanantena handray na inona na inona avy amin’i Jehovah izany olona izany.”
Inona avy no azo angatahina rehefa mivavaka?
Mat. 6:9-13: “Koa mivavaha toy izao ianareo: ‘[1] Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao! [2] Ho tonga anie ny fanjakanao! [3] Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra! [4] Omeo anay anio izay hanina sahaza anay anio, ary [5] mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay. Ary [6] aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ilay ratsy.’ ” (Ny anaran’Andriamanitra sy ny fikasany no tokony horesahina voalohany.)
Sal. 25:4, 5: “Ampahafantaro ahy ny lalanao, Jehovah ô, ampianaro ahy ny lalanao. Ampandehano amin’ny fahamarinanao aho ka ampianaro, fa ianao no Andriamanitra mpamonjy ahy.”
Lioka 11:13: “Raha ianareo, na dia ratsy fanahy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, mainka fa ilay Ray any an-danitra! Hanome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy tokoa izy!”
1 Tes. 5:17, 18: “Aza mitsahatra mivavaka. Misaora amin’ny zava-drehetra.”
Mat. 14:19, 20: “[Nalain’i Jesosy] ny mofo dimy sy ny trondro roa, dia niandrandra ny lanitra izy ka nivavaka. Rehefa notapahiny ny mofo, dia nozarainy tamin’ny mpianany, ary ny mpianatra kosa nizara izany tamin’ny vahoaka. Koa nihinana ny rehetra ka voky.”
Jak. 5:16: “Mifampivavaha.”
Mat. 26:41: “Miambena sy mivavaha foana mba tsy ho resin’ny fakam-panahy.”
Fil. 4:6: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana.”
Raha misy milaza hoe:
‘Mangataka anareo hivavaka aloha izahay’
Azonao valiana hoe: ‘Faly aho mahita fa zava-dehibe aminao ny vavaka. Mivavaka foana koa izahay Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza anefa i Jesosy hoe rahoviana no tokony hivavaka, ary amin’ny fomba ahoana. Fantatrao ve fa nilaza tamin’ny mpianany izy hoe tsy mety ny mivavaka mba ho hitan’ny olona fotsiny hoe mpivavaka be?... (Mat. 6:5)’ Azonao ampiana hoe: ‘Nilaza izy avy eo hoe inona no tokony hangatahintsika voalohany rehefa mivavaka. Momba izany indrindra no tiako horesahina aminao. (Mat. 6:9, 10)’
Na hoe: ‘Fantatray fa manao izany ny fivavahana sasany. Tsy manao izany anefa izahay Vavolombelon’i Jehovah, satria hafa ny fomba fitory natoron’i Jesosy ny mpianany. Tsy nilaza izy hoe: “Rehefa miditra ao an-trano ianareo, dia mivavaha aloha”, fa hoy kosa izy ato amin’ny Matio 10:12, 13. ... Ary resahina eto amin’ny andininy faha-7 ny zavatra tokony hotorina. ... Inona àry no hataon’io Fanjakana io ho antsika? (Apok. 21:4)’
-
-
Vavolombelon’i JehovahFandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
-
-
Vavolombelon’i Jehovah
Famaritana: Kristianina mazoto mitory eran-tany momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fikasany. Avy ao amin’ny Baiboly irery ihany ny zavatra inoan’izy ireo.
Inona no zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ka tsy itovizany amin’ny fivavahana hafa?
1) Baiboly: Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny Baiboly manontolo no Tenin’Andriamanitra avy amin’ny herin’ny fanahy masina. Avy ao amin’ny Baiboly daholo ny zavatra inoany, fa tsy avy amin’ny lovantsofin’olombelona.
-