FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 1/11 p. 28-31
  • Nahoana no Manome ho An’i Jehovah?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana no Manome ho An’i Jehovah?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tapany iray tena ilaina amin’ny fanompoam-pivavahana marina
  • Ny antony anomezantsika
  • Vokatry ny fanehoana toe-tsaina tia manome ny fitahiana
  • Ny Fomba Anaovan’ny Sasany Fanomezana ho An’ny Asa Fitoriana Ilay Fanjakana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • “Manomeza Voninahitra An’i Jehovah Amin’ny Zava-tsarobidinao” — Amin’ny Fomba Ah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Ilay Mpanome ny “Fanomezan-tsoa Rehetra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • “Avy Aiza Ireo Vola?”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 1/11 p. 28-31

Nahoana no Manome ho An’i Jehovah?

RAHA mbola nivaivay teo ambonin’i Zarefata, tanàna kely sidoniana, ny masoandro, dia niondrika nitsimpona kitay ny vehivavy mpitondratena iray. Nila nandrehitra afo izy mba hahafahany hanokona sakafo kely dia kely — azo inoana fa ny sakafo farany hohaniny sy ny zanany lahy kely. Nifofotra mafy izy mba hitanana ny ain’izy mianaka nandritra ny hain-tany sy mosary naharitra, ary tonga tamin’io fiafarana mampalahelo io, izany rehetra izany. Mosarena izy ireo.

Nisy lehilahy iray nanatona. Elia no anarany, ary tsy ela dia hitan’ilay mpitondratena fa mpaminanin’i Jehovah izy io. Toa efa nandre ny amin’io Andriamanitra io izy. I Jehovah dia tsy nitovy tamin’i Bala izay nanaovana fanompoam-pivavahana feno halozana sy fahasimbana ara-pitondran-tena, ka izany no niely patrana tao amin’ny tanin’i Sidona nisy azy. Koa rehefa nangataka rano hosotroina taminy i Elia, dia dodona nanampy izy. Angamba izy nihevitra fa ny fanaovany izany dia hahazoany sitraka amin’i Jehovah. (Matio 10:41, 42). Avy eo anefa, dia nangataka bebe kokoa i Elia — sakafo kely koa. Nanazava ilay mpitondratena fa tsy nanana afa-tsy sakafo ampy hatao indray mahandro farany izy. Nisisika ihany anefa i Elia, nanome toky azy fa hanome sakafo amin’ny fomba mahagaga ho azy mandra-pahatapitry ny hain-tany, i Jehovah. Inona no nataony? Hoy ny Baiboly: “Dia nandeha ravehivavy ka nanao araka ny tenin’i Elia”. (1 Mpanjaka 17:10-15). Ireo teny tsotra ireo dia milazalaza fanaovan-javatra tamim-pinoana lehibe — lehibe aoka izany, marina tokoa, ka nidera io mpitondratena io i Jesosy Kristy, efa ho arivo taona atỳ aoriana! — Lioka 4:25, 26.

Na dia izany aza, dia mety ho toa hafahafa ny hangatahan’i Jehovah be toy izany tamin’ny vehivavy iray izay nahantra aoka izany. Izany indrindra no izy rehefa dinihintsika ny vavaka iray nataon’ny lehilahy tena be mpahalala iray, indray mandeha. Nanosika haneho fahalalahan-tanana lehibe ny famorian’i Davida Mpanjaka fanomezana mba hampiasain’i Solomona zanany amin’ny fanorenana ny tempoly. Amin’ny fiteny maoderina, ireo fanomezana natolotra dia nitentina vola malagasy an-tapitrisa tapitrisany maro! Izao anefa no nolazain’i Davida tao amin’ny vavaka tamin’i Jehovah: “Zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin’ny Anao ihany no nanomezanay Anao.” (1 Tantara 29:14). Araka ny nolazain’i Davida, dia an’i Jehovah ny zava-drehetra. Koa na oviana na oviana isika no manome mba hampandrosoana ny fanompoam-pivavahana madio, dia tsy manao afa-tsy ny mamerina amin’i Jehovah izay efa azy ihany, isika. (Salamo 50:10). Araka izany, dia mipoitra ilay fanontaniana hoe: Nahoana isika no irin’i Jehovah hanome aloha?

Tapany iray tena ilaina amin’ny fanompoam-pivavahana marina

Ny valin-teny tsotra indrindra dia hoe hatrany am-boalohany i Jehovah dia nanao ny fanomezana ho tapany iray tena ilaina amin’ny fanompoam-pivavahana madio. Nanao sorona ho an’i Jehovah ny sasany tamin’ireo biby fiompiny sarobidy i Abela, lehilahy nahatoky. Nanao fanatitra nitovy tamin’izany koa ny patriarika Noa, Abrahama, Isaka, Jakoba sy Joba. — Genesisy 4:4; 8:20; 12:7; 26:25; 31:54; Joba 1:5.

Ny Lalàn’i Mosesy dia nandidy ary nifehy tamin’ny fitsipika mihitsy aza ireo fanaovana fanomezana ho an’i Jehovah. Ohatra, ireo Isiraelita rehetra dia nodidiana mba handoa ny ampahafolon-karena, izany hoe hanome ny ampahafolon’ny vokatry ny tany sy ny ampahafolon’ny fitomboana eo amin’ny biby fiompiny. (Nomery 18:25-28). Nisy fanomezana hafa tsy voafehin’ny fitsipika tamin’ny fomba hentitra toy izany. Ohatra, ny Isiraelita tsirairay dia notakina hanome ho an’i Jehovah ny voaloham-bokatra sy ny voalohan-teraky ny biby fiompiny. (Eksodosy 22:28, 29; 23:19). Kanefa dia navelan’ny Lalàna ho anjaran’ny olona tsirairay ny namaritra ny habetsahan’ny voaloham-bokatra nomeny, raha mbola nanome ny tsara indrindra koa izy. Ny Lalàna dia nanao fandaharana koa momba ny fanati-pihavanana sy ny fanati-panalam-boady izay an-tsitrapo tanteraka. (Levitikosy 7:15, 16). Nampirisika ny vahoakany i Jehovah mba hanome arakaraka ny nitahiany azy ireo. (Deoteronomia 16:17). Toy ny tamin’ny nanorenana ny tabernakely, ary tatỳ aoriana, ny tempoly, ny tsirairay dia nanome araka izay nampahazotoan’ny fony homena. (Eksodosy 35:21; 1 Tantara 29:9). Azo antoka fa nampifaly indrindra an’i Jehovah ny fanomezana an-tsitrapo toy izany!

Eo ambanin’ny “lalàn’i Kristy”, dia tokony ho an-tsitrapo ny fanomezana rehetra. (Galatiana 6:2; 2 Korintiana 9:7). Tsy nidika akory izany fa nitsahatra tsy nanome, na nanome kely kokoa ireo mpanara-dia an’i Kristy. Mifanohitra amin’izany! Raha nitory teo amin’ny Isiraely i Jesosy sy ireo apostoliny, dia nisy antokom-behivavy nanaraka azy ireo ary nanompo azy tamin’ny fananany manokana. (Lioka 8:1-3). Ny apostoly Paoly dia nandray fanomezana toy izany koa izay nanohana ny asa misionera nataony, ary izy kosa dia nampirisika kongregasiona sasany mba hanome vola ho an’ny hafa amin’ny fotoam-pahasahiranana. (2 Korintiana 8:14; Filipiana 1:3-5, NW ). Ny fitambara-mpitantana tao Jerosalema dia nanendry lehilahy nahay nandray andraikitra mba hahazoana antoka fa voazara tamin’ny mahantra ireo fanampiana nomena. (Asan’ny Apostoly 6:2-4). Mazava fa ireo Kristiana tany am-boalohany dia nihevitra ho tombontsoa ny fanohanana ny fanompoam-pivavahana madio tamin’izany fomba izany.

Na dia izany aza, dia mety hanontany tena isika ny amin’ny antony anaovan’i Jehovah ny fanomezana ho tapany amin’ny fanompoam-pivavahana atao aminy. Mandiniha antony efatra

Ny antony anomezantsika

Voalohany, manao ny fanomezana ho tapany amin’ny fanompoam-pivavahana marina i Jehovah satria mahasoa antsika ny manao izany. Izany dia manantitrantitra ny fankasitrahantsika ny hatsaram-pon’Andriamanitra. Ohatra, raha toa ny ankizy iray ka mividy na manao fanomezana ho an’ny ray na reny, nahoana izy io no mitsiky amim-pahafinaretana? Moa ve ilay fanomezana manome zavatra faran’izay ilain’ilay ray na reny, ka tsy ho afaka nahazo izany tamin’ny fomba hafa izy? Azo inoana fa tsia. Ravoravo kosa ilay ray na reny mahita ilay ankizy mampitombo toe-tsaina tia mankasitraka sy tia manome. Noho ny antony mitovy amin’izany, dia mampirisika antsika hanome i Jehovah, ary ravoravo izy rehefa manao izany isika. Izany no fomba anehoantsika aminy fa tena ankasitrahantsika tokoa ny hatsaram-panahy tsy hita fetra sy ny fahalalahan-tanana rehetra nasehony tamintsika. Izy no ilay mpanome ny “fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra”, hany ka tsy ho lany mihitsy ny antony tokony hisaorantsika azy. (Jakoba 1:17). Ambonin’ny zava-drehetra, dia nanome ny Zanany malala i Jehovah, namela azy ho faty mba hahafahantsika hiaina mandrakizay. (Jaona 3:16). Mety hisy fomba ampy ve isaorantsika azy?

Faharoa, raha mizatra manome isika, dia mianatra manahaka an’i Jehovah sy i Jesosy Kristy Zanany eo amin’ny lafiny manokana faran’izay lehibe iray. Manome tsy tapaka i Jehovah, ary malala-tanana lalandava. Araka ny lazain’ny Baiboly, dia manome antsika “aina sy fofon-aina, ary ny zavatra rehetra” izy. (Asan’ny Apostoly 17:25). Rariny raha misaotra azy isika isaky ny mifoka rivotra, isaky ny sombin-tsakafo ankafizintsika, isaky ny misy fotoana mahafinaritra sy mahafa-po eo amin’ny fiainana. (Asan’ny Apostoly 14:17). Sahala amin-dRainy, i Jesosy dia naneho toe-tsaina tia manome. Nanome malalaka avy amin’ny tenany izy. Fantatrao ve fa rehefa nanao fahagagana i Jesosy, dia nisy zavatra nafoiny tamin’izany? Mihoatra ny indray mandeha no ilazan’ny Soratra Masina amintsika fa rehefa nanasitrana olona marary izy, dia nisy hery ‘nivoaka avy taminy’. (Lioka 6:19; 8:45, 46). Nalala-tanana aoka izany i Jesosy ka naidiny ho amin’ny fahafatesana mihitsy ny ainy. — Isaia 53:12.

Koa rehefa manome isika, na ny fotoantsika izany, na ny herintsika, na ny fananantsika, dia manahaka an’i Jehovah isika ary mampifaly ny fony. (Ohabolana 27:11; Efesiana 5:1). Arahintsika koa ilay modely tonga lafatra navelan’i Jesosy Kristy momba ny fitondran-tenan’olombelona. — 1 Petera 2:21, NW.

Fahatelo, ny fanomezana dia manome fahafaham-po amin’ireo zavatra tena ilaina sy lehibe. Marina fa azon’i Jehovah atao mora foana ny manome fahafaham-po amin’ireo zavatra ilaina ho tombontsoan’ilay Fanjakana, tsy mila ny fanampiantsika, toy ny hahafahany hanao izay hiantsoantsoan’ny vato mba hitory ny teny fa tsy hampiasa antsika. (Lioka 19:40). Nifidy ny hanome haja antsika anefa izy tamin’ireny tombontsoa ireny. Koa rehefa manome avy amin’ny fananantsika isika mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana, dia mahazo fahafaham-po lehibe isika mahafantatra fa tena mandray anjara amin’ilay asa faran’izay lehibe atao eto amin’itỳ tontolo itỳ. — Matio 24:14.

Miharihary fa ilaina ny vola mba hanohanana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Nandritra ny taom-piasana 1995, ny Fikambanana dia nandany efa ho 60 tapitrisa dolara tamin’ny fikarakarana fotsiny ireo mpisava lalana manokana sy misionera ary mpiandraikitra mpitety faritany teo amin’ny fanompoana teny amin’ny saha nanendrena azy avy. Izany anefa dia fandaniana somary kely ihany raha ampitahaina amin’ny fanorenana sy fampandehanana ireo biraon’ny sampana sy ireo trano fanaovana pirinty maneran-tany. Kanefa dia azo atao izany rehetra izany noho ireo fanomezana an-tsitrapo!

Amin’ny ankapobeny, ny vahoakan’i Jehovah dia tsy mihevitra hoe raha tsy manana ny tenany, dia azony avela fotsiny ny hafa hitondra ilay entana. Ny fihetsika toy izany dia mety hitarika antsika hamoy zava-tsoa avy amin’io lafiny amin’ny fanompoam-pivavahantsika io. Araka ny voalazan’ny apostoly Paoly, dia nijaly noho ny “hamafin’ny fahantrany” ireo Kristiana tany Makedonia. Na dia izany aza anefa, dia nangataka mafy izy ireo mba hanana tombontsoa hanome. Ary izay nomeny dia “mihoatra noho ny zakany”, araka ny nohamarinin’i Paoly! — 2 Korintiana 8:1-4.

Fahefatra, dia nanao ny fanomezana ho tapany iray amin’ny fanompoam-pivavahana marina i Jehovah satria ny fanomezana dia hanampy antsika mba ho sambatra. Hoy ny tenan’i Jesosy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35). Toy izany no nanaovan’i Jehovah antsika. Izany dia mbola antony hafa iray mahatonga antsika hihevitra fa na toy inona na toy inona habetsahan’izay omentsika azy, dia tsy vitantsika mihitsy ny hanome izay mifanitsy amin’ilay fankasitrahana tsapantsika ao am-pontsika ho azy. Soa ihany anefa fa i Jehovah dia tsy mitaky amintsika mihoatra noho izay azontsika omena. Afaka matoky isika fa ravoravo izy rehefa manome amim-pifaliana izay azontsika omena, isika! — 2 Korintiana 8:12; 9:7.

Vokatry ny fanehoana toe-tsaina tia manome ny fitahiana

Mba hiverenana amin’ilay ohatra noraisintsika tany aloha, dia aoka hatao hoe nanjohy hevitra ilay vehivavy mpitondratena tany Zarefata fa nisy olon-kafa afaka nikarakara ny sakafo nilain’i Elia. Fitahiana toy inona moa no ho nidify azy!

Tsy isalasalana fa mitahy ireo izay maneho toe-tsaina tia manome i Jehovah. (Ohabolana 11:25). Ilay mpitondratena tany Zarefata dia tsy voatery nijaly noho ny famoizany an’ilay noheveriny fa sakafony farany. Namaly soa azy tamin’ny alalan’ny fahagagana iray, i Jehovah. Araka ny nampanantenain’i Elia, dia tsy ritra ny fitoeran-kobany sy ny fitoeran-diloilony mandra-pahalasan’ny hain-tany. Kanefa dia nandray valisoa lehibe kokoa mihitsy aza izy. Rehefa narary ka maty ny zanany lahy, dia namerina azy indray tamin-dreniny, i Elia, lehilahin’ilay Andriamanitra marina. Tsy maintsy ho nanatanjaka azy ara-panahy toy inona moa izany! — 1 Mpanjaka 17:16-24.

Amin’izao andro izao isika dia tsy manantena ny hotahina amin’ny alalan’ny fahagagana. (1 Korintiana 13:8). Kanefa dia tena manome toky antsika i Jehovah fa hanohana ireo izay manompo azy amin’ny fo manontolo izy. (Matio 6:33). Koa afaka ny ho sahala amin’ilay mpitondratena tao Zarefata isika amin’io lafiny io, manome amim-pahalalahan-tanana, matoky fa hikarakara antsika i Jehovah. Afaka mifaly amin’ny valisoa ara-panahy lehibe toy izany koa isika. Raha anisan’ny fahazarantsika tsy tapaka ny fanomezana, fa tsy zavatra atao an-tehaka sy indraindray mahalana, izany dia hanampy antsika hitana ny masontsika ho tsotra sy hifantoka amin’ny tombontsoan’ilay Fanjakana, araka ny nanoroan’i Jesosy hevitra. (Lioka 11:34, NW; ampitahao amin’ny 1 Korintiana 16:1, 2.) Izany koa dia hanampy antsika hahatsiaro tena ho akaiky kokoa an’i Jehovah sy i Jesosy amin’ny maha-mpiara-miasa amin’izy ireo. (1 Korintiana 3:9). Ary izany dia hanatsara ilay toe-tsaina tia manome amim-pahalalahan-tanana izay efa manamarika sahady ireo mpivavaka amin’i Jehovah maneran-tany.

[Efajoro, pejy 31]

IREO FOMBA FIDIN’NY SASANY HANOLORANA

FANOMEZANA HO AN’NY ASA MANERAN-TANY

Maro no manokana na manatsinjara vola izay arotsany ao amin’ny boaty ho an’ny fanomezana misy soratra hoe: “Fanomezana ho An’ny Asa Maneran-tanin’ny Fikambanana — Matio 24:14”. Isam-bolana ny kongregasiona dia mandefa ireny vola ireny, na any amin’ny foibe maneran-tany any Brooklyn, New York, na any amin’ny biraon’ny sampana eo an-toerana.

Ny fanomezam-bola an-tsitrapo dia azo alefa mivantana koa any amin’ny Treasurer’s Office, Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, 25 Columbia Heights, Brooklyn, New York 11201-2483, na any amin’ny biraon’ny Fikambanana mikarakara ny tany misy anao. Azo atao fanomezana koa ny firavaka na zava-tsarobidy hafa. Miaraka amin’ireny fanomezana ireny, dia tokony hisy taratasy fohy milaza fa fanomezana tanteraka izy io.

FANOMEZANA MISY FEPETRA

Azo atao ny manankina vola amin’ny Fikambanana Watch Tower mandra-pahafatin’ilay mpanome, amin’ny fametrahana fepetra fa, raha ilain’ilay nanome izany, dia haverina aminy indray. Mba hahazoana fanazavana misimisy kokoa momba izany, dia manorata any amin’ny Treasurer’s Office, amin’ny adiresy voalaza etsy ambony.

FANOMEZANA NALAMINA MIALOHA

Ho fanampin’ny fanomezana vola tanteraka sy ilay misy fepetra, dia misy koa fomba fanomezana hafa izay mitondra soa ho an’ny fanompoana ilay Fanjakana maneran-tany. Izany dia mahatafiditra ny:

Fiantohana: Azo tondroina ho mpandray ny tombontsoa (bénéficiaire) avy amin’ny fifanekem-piantohana aina (assurance-vie) na amin’ny fandaharana momba ny fisotroan-dronono/pension ny Fikambanana Watch Tower. Tokony hampandrenesina ny Fikambanana ny amin’ny fandaharana toy izany.

Kaonty any Amin’ny Banky: Ny kaonty any amin’ny banky, ny fanamarinana petra-bola, na ny kaontin’ny olona iray momba ny fisotroan-dronono dia azo omena ho antoka ho an’ny Fikambanana Watch Tower na azo aloa aminy amin’ny fahafatesan’ilay tompony, mifanaraka amin’ireo zavatra takin’ny banky eo an-toerana. Tokony hampandrenesina ny Fikambanana ny amin’ny fandaharana toy izany.

Petra-bola Miasa (actions) sy Renivola Nampisamborina (obligations): Ny petra-bola miasa sy ny renivola nampisamborina dia azo atao fanomezana tanteraka ho an’ny Fikambanana Watch Tower, na asiana fepetra hoe ny tombony na ny zanabola dia haloa hatrany any amin’ilay mpanome.

Trano sy tany: Azo atao fanomezana ho an’ny Fikambanana Watch Tower ny trano sy ny tany azo amidy, na amin’ny fanaovana fanomezana tanteraka, na amin’ny fanisiana famerana izany ho fananan’ilay mpanome raha mbola velona koa izy, izany hoe afaka manohy mipetraka ao izy mandritra ny fahavelomany. Tokony hifandray amin’ny Fikambanana ny olona iray alohan’ny hamindrany trano sy tany amin’ny anaran’ny Fikambanana.

Didim-pananana sy Fanankinam-pananana ( fidéicommis): Azo ampandovaina fananana na vola ny Fikambanana Watch Tower amin’ny alalan’ny didim-pananana natao manan-kery ara-dalàna, na azo tondroina ho mpandray ny tombontsoa (bénéficiaire) avy amin’ny fifanarahana iray momba ny fanankinam-pananana ny Fikambanana. Ny fanankinam-pananana ho tombontsoan’ny fandaminana ara-pivavahana iray dia mety hahitan-tsoa sasany eo amin’ny fandoavan-ketra. Tokony hisy kopian’ilay didim-pananana na ilay fifanarahana momba ny fanankinam-pananana halefa any amin’ny Fikambanana.

Izay rehetra liana amin’ny iray amin’ireo fanomezana nalamina mialoha ireo, dia tokony hifandray amin’ny Planned Giving Desk (Filan-kevitry ny Fanomezana Nalamina Mialoha) any amin’ny adiresy voalaza etsy ambany, na any amin’ny biraon’ny Fikambanana izay mikarakara ny tany misy anao. Ny Planned Giving Desk dia tokony haharay kopia iray amin’ny antontan-taratasy mifanentana mifandray amin’iza na iza amin’ireo fandaharana ireo.

Ny Fikambanana dia nanomana bokikely amin’ny teny anglisy mitondra ny lohateny hoe Planned Giving. Ireo izay any Etazonia ka mikasa ny hanao fanomezana manokana ho an’ny Fikambanana amin’izao fotoana izao, na hamela fananana ho azy amin’ny fotoana hahafatesana, dia mety hahita fa manampy io fanazavana io. Marina indrindra izany raha toa izy ireo ka maniry hanatratra tanjona ara-pianakaviana na zava-kendrena ho fikarakaram-pananana mialoha, ka hampiasa ireo fandaharana araka ny lalàna mba hampihenana ny hetra ilaina haloa. Mety ho azo ilay bokikely raha manao fangatahana, na an-tsoratra, na an-telefaonina.

PLANNED GIVING DESK

Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania

100 Watchtower Drive, Patterson, New York 12563-9204

Telefaonina: (914) 878-7000

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara