FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ssb hira 180
  • Harena Sarobidy ny Bokin’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Harena Sarobidy ny Bokin’Andriamanitra
  • Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah
  • Mitovitovy Aminy
  • Harena Sarobidy ny Bokin’Andriamanitra
    Mihirà ho An’i Jehovah
  • Harena Sarobidy Ilay Boky avy Amin’Andriamanitra
    Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah
  • Fankasitrahana ny Faharetan’Andriamanitra
    Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah
  • Mitadiava An’i Jehovah mba ho Voavonjy
    Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah
Hijery Hafa
Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah
Ssb hira 180

Hira 180

Harena Sarobidy ny Bokin’Andriamanitra

(Ohabolana 2:1)

1. ’Lay Boky tena sarobidy indrindra

Dia manome fahasambarana.

Ny hafatra raketiny mahery,

Mamelona sy manasitrana.

Izany dia ny tenin’i Jehovah

Ao amin’ny Baiboly Masina.

Ireo mpanoratra azy io fahiny

Dia nampian’ny fanahy masina.

2. Voalaza ao ny asan’i Jehovah,

’Reo zavaboary noforoniny.

Ny olona nataony lavorary,

Nefa tsy nankatò ny didiny.

Lazainy koa fa nisy anjely iray

Nikomy tamin’Andriamanitra,

Ka nahatonga fijaliana maro;

Nefa hanova izany Jehovah.

3. Mahafaly ny fotoana iainantsika,

Satria efa manjaka i Kristy.

Tsy ho ela dia hovonjen’i Jehovah

Ireo manaiky ny fitsipiny.

Izay no vaovao tsaran’ny Baiboly,

Sarobidy noho ny volamena.

Mampanantena hoavy tena tsara

’Lay Boky ’zay mitondra fiainana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara