FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • uw toko 8 p. 62-69
  • ‘Ady Atao Amin’ireo Fanahy Ratsy’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Ady Atao Amin’ireo Fanahy Ratsy’
  • Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo mpanapaka ity tontolo ity any amin’ny faritry ny lanitra
  • Ireo tetika feno hafetsen-dratsin’ilay ratsy
  • Ampy fitaovana mba ho mpandresy
  • ‘Mitolona Amin’ny Fanahy Ratsy’
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Ahoana no Hanoherantsika ny Demonia?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Mifahara tsara amin’ny fanangolen’i Satana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Miorena mafy hanohitra ny hafetsen’i Satana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
Hijery Hafa
Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
uw toko 8 p. 62-69

Toko 8

‘Ady Atao Amin’ireo Fanahy Ratsy’

1. Nahoana no mahaliana antsika indrindra ny asan’ireo fanahy ratsy?

IREO olona tsy mihevitra afa-tsy ny zavatra hita maso dia mety haneso rehefa resahina ny momba ny fanahy ratsy. Tsy zavatra atao vazivazy anefa izany. Na mino izany izy ireo na tsia, dia mampihatra fanerena amin’ny olona rehetra ny asan’ireo demonia. Tsy afaka amin’izany ireo mpanompon’i Jehovah. Raha ny marina aza dia izy ireo no ataony lasibatra voalohany indrindra. Manintona ny saintsika ho amin’io ady io ny apostoly Paoly amin’ny filazana hoe: “Isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny fanapahana [izay tsy eto anivon’ny faritry ny nofo aman-dra] sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.” (Efes. 6:12). Amin’izao andro izao dia nahatratra ny fara heriny ny fanerena satria noroahina avy tany an-danitra i Satana ary misafoaka izaitsizy, noho ny fahafantarany fa kely sisa ny androny. — Apok. 12:12.

2. Ahoana no hahafahantsika ho mpandresy amin’ny ady atao amin’ny fanahy mahery noho ny olombelona?

2 Ahoana no hahafahan’iza na iza amintsika hivoaka ho mpandresy amin’io ady atao amin’ny hery ara-panahy mahery noho ny olombelona io? Amin’ny fitokiana tanteraka amin’i Jehovah ihany. Tsy maintsy mihaino azy isika ary mankatò ny Teniny. Amin’ny fanaovantsika izany, dia afaka ny hisoroka ny fahavoazana ara-batana, ara-pitondran-tena, ara-pihetseham-po ary ara-tsaina hitan’ireo eo ambanin’ny fifehezan’i Satana, isika. — Efes. 6:11; Jak. 4:7.

Ireo mpanapaka ity tontolo ity any amin’ny faritry ny lanitra

3. Inona sy iza no toherin’i Satana amin-kalozana?

3 Milazalaza amin’ny fomba mazava tsara ny tarehin-javatra maneran-tany, araka ny ahitany azy avy any amin’ny toerana ahafahany mandinika tsara ny zava-drehetra any an-danitra, i Jehovah. Nanome fahitana iray ny apostoly Jaona izy, fahitana izay nampisehoana an’i Satana ho toy ny “dragona mena lehibe”, vonona ny handrapaka, raha azony atao, ny Fanjakana Mesianikan’Andriamanitra raha vantany vao teraka tany an-danitra tamin’ny 1914 io. Tsy nahomby i Satana tamin’izany ka nanapoaka onjam-panenjehana feno halozana tamin’ireo solontena hita mason’izany Fanjakana izany, izay ny tapany faharoa amin’ilay taranaky ny “vehivavy” oharina amin’ny vadin’Andriamanitra. — Apok. 12:3, 4, 13, 17.

4. a) Inona momba ny loharanon’ny herin’ireo fitondram-panjakan’olombelona no ampitandreman’ny Baiboly antsika? b) Ho amin’inona ankehitriny no anangonana ireo mpanapaka ara-politika rehetra, ary iza no manao izany fanangonana izany?

4 Ny loharanon’ny hery sy ny fahefana ananan’ireo fitondram-panjakan’olombelona dia nalana sarona tao amin’io fanambarana natao tamin’i Jaona io koa. Nampisehoana biby dia iray voaforona tapany maro izy, dia biby dia manan-doha 7 sy tandroka 10, izay manana fahefana amin’ny “fokom-pirenena sy ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra”. Izany dia mampiseho, tsy fitondram-panjakana iray ihany, fa ny fandehan-javatra ara-politika maneran-tany. Nampahafantarina an’i Jaona fa ‘ilay dragona [Satana Devoly] dia nanome azy [an’ilay biby dia] ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe’. (Apok. 13:1, 2, 7; ampitahao amin’ny Lioka 4:5, 6.) Na dia mihambo ho manaraka fivavahana aza ireo mpanapaka ara-politika, dia tsy misy na dia iray amin’ireo firenena mpikambana amin’ilay “bibi-dia” aza manaiky ny fiandrianan’i Jehovah sy i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka voatendriny. Samy miady mba hihazona ny fiandrianan’ny tenany manokana avy izy rehetra. Amin’izao andro izao, hoy ny asehon’ilay Fanambarana, dia misy “fitenenana ara-tolo-tsain’ny demonia” manangona azy rehetra “ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”. (Apok. 16:13, 14, 16, NW ). Hita àry fa, araka ny nosoratan’ny apostoly Paoly, ireo “mpanapaka ity tontolo ity” dia tsy olona tsotra, fa tena ireo “hery ara-panahy ratsy eny amin’ny faritry ny lanitra” tokoa. (Efes. 6:11, 12, NW ). Ireo rehetra maniry hiseho ho mpivavaka marina amin’i Jehovah dia mila ny mahatakatra ny tena hevitr’izany.

5. Nahoana no ilaina ny hitandremana mba tsy ho voatarika hanohana ny fandehan-javatr’i Satana?

5 Isan’andro ny fiainantsika dia voakasiky ny ady izay mampisaratsaraka ny fianakavian’olombelona. Fanaon’ny olona ny miandany, amin’ny teny na amin’ny fomba hafa, amin’ny firenena, ny foko, ny fitambaran’olona iray fitenenana na ny kilasy ara-tsosialy misy azy. Na dia mety ho tsy tafiditra mivantana amin’ny ady iray miseho aza ny fitambaran’olona misy azy, dia mety haneho ny fankasitrahany ny andaniny iray amin’izany ady izany izy ireo. Na manao ahoana na manao ahoana anefa antony niteraka ilay fifanoherana, ary na iza na iza ilay olona na raharaha ankasitrahany, iza moa no tena tohanany amin’izany? Manambara mazava tsara ny Baiboly fa “izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”. (1 Jaona 5:19). Ahoana àry no ahafahan’ny olona iray tsy ho voafitaka miaraka amin’ny olombelona hafa rehetra? Tsy misy afa-tsy amin’ny fanohanana amin’ny fomba feno ny Fanjakan’Andriamanitra sy amin’ny fihazonana fialanalanana tanteraka amin’ireo ady ifanaovan’ireo antokon’olona eo amin’izao tontolo izao, ihany. (Jaona 17:15, 16).

Ireo tetika feno hafetsen-dratsin’ilay ratsy

6. Inona avy no tafiditra ao amin’ireo fomba ampiasain’i Satana mba hampialana ny olona amin’ny fanompoam-pivavahana marina?

6 Tamin’ny fotoana rehetra teo amin’ny tantara, i Satana dia nampiasa fanenjehana am-bava sy ara-batana mba hampialana ny olona amin’ny fanompoam-pivavahana marina. Nampiasa fomba an-kolaka ihany koa anefa izy — fomba fanaovan-javatra feno fitaka sy tetika feno hafetsen-dratsy.

7. Ahoana no ahitana ny hakingan’i Satana eo amin’ny fampiasany ny fivavahan-diso?

7 Nihazona tamim-pahakingana ny ampahany lehibe amin’ny olombelona tao amin’ny fahamaizinana tamin’ny alalan’ny fivavahan-diso izy, tamin’ny famelana azy ireo hino, raha izany no faniriany, fa manompo an’Andriamanitra izy ireo. Tsy manana fitiavana amim-pahatsorana ny fahamarinana izy ireo, ka mety ho voasariky ny fotoam-pivavahana mystiques sy mampihetsi-po na ho sodokan’ireo asa mahagaga atao any. (2 Tes. 2:9, 10, NW ). Ampitandremana anefa isika fa, na dia eo anivon’ireo izay manaraka ny fanompoam-pivavahana marina aza, dia “hihemotra (...) ny sasany, manaiky [teny ara-tolo-tsain’ny demonia, NW ] sy fampianaran’ireo”. (1 Tim. 4:1). Ahoana no mety hitrangan’izany?

8. Ahoana no nanintonan’i Satana ho ao amin’ny fivavahan-diso ny olona sasany izay nanompo an’i Jehovah taloha?

8 Ny Devoly dia mampiasa amin-kafetsena ny fahalemen’ny olona iray. Mbola mangeja azy ve ny tahotra olona? Raha izany no izy, dia mety hanaiky ho resin’ny fanerena avy amin’ny havana na ny mpiara-monina aminy handray anjara amin’ny fanao avy amin’ny fivavahan-diso izy. Be hambom-po ve ilay olona? Amin’izay dia mety ho tezitra izy rehefa omena torohevitra na rehefa tsy manaiky ny hevitra arosony ny hafa. (Ohab. 29:25; 15:10; 1 Tim. 6:3, 4). Ahoana raha tsy atosiky ny fitiavana ny fandraisany anjara amin’ny asa fanompoana? Tsy hanitsy ny fomba fiheviny hifanaraka amin’ny ohatr’i Kristy izy, fa mety hirona kosa hanaraka ireo izay ‘hahafinaritra ny sofiny’ amin’ny filazana fa ampy ny famakiana fotsiny ny Baiboly sy ny fananana “fomba fiaina madio”. (2 Tim. 4:3, NW ). Na lasa manaraka antokom-pivavahana hafa iray mihitsy izy, na mifikitra ihany amin’ny endriky ny fivavahany manokana, dia tsy mampaninona an’i Satana izany, raha mbola tsy manompo an’i Jehovah amin’ny fomba anoroan’Andriamanitra azy amin’ny alalan’ny Teniny sy fandaminany koa izy.

9. Ahoana no ampiasan’i Satana amim-pitaka ny maha-lahy sy ny maha-vavy mba hahatratrarana ny zava-kendreny?

9 Mitaona ny olona amim-pitaka hanome fahafaham-po amin’ny fomba ratsy ireo filana ara-dalàna koa i Satana. Izany no nataony momba ny filana hanana firaisana. Manilika ny fari-pitondran-tenan’ny Baiboly ny olona maro eo amin’izao tontolo izao ary mihevitra fa fahafinaretana ara-dalàna, na koa hoe fomba hisehoana ho olon-dehibe, ny firaisana ataon’ny olona tsy manambady. Ary ahoana ny amin’ireo olona manambady? Fanaon’ny olona eo amin’izao tontolo izao mahita fahasahiranana ara-panambadiana ny misara-panambadiana ary manambady indray, na ny misara-toerana fotsiny ary miara-miaina amin’olon-kafa. Rehefa mandinika izany fomba fiaina izany isika, moa ve isika mahatsiaro fatiantoka, moa ve isika mihevitra fa henjana loatra ny fomba fiaina kristiana? Ny fomba an-kolaka ampiasain’i Satana dia mba hampino ny olona iray fa mihazona zavatra tsara iray tsy ho azony i Jehovah. Mampirisika antsika hieritreritra ny amin’ny fahafinaretana mety ho azontsika ankehitriny izy — fa tsy ny ho vokatr’izany eo amintsika sy ny hafa any aoriana, ary azo antoka fa tsy ny ho vokany eo amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah sy ny Zanany mihitsy. — Gal. 6:7, 8; 1 Kor. 6:9, 10.

10. Amin’ny alalan’ny inona no anandraman’i Satana hanimba ny fihetsitsika eo anoloan’ny herisetra?

10 Ny filana ara-dalàna hafa iray dia ny filana fialam-boly. Rehefa madio izany, dia afaka ny hamelombelona ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po. Ahoana anefa no fihetsitsika rehefa mampiasa amim-pahakingana ireo fotoana hialan-tsasatra mba tsy hanarahan’ny fomba fisainantsika ny an’Andriamanitra, i Satana? Fantatsika, ohatra, fa mankahala ireo izay tia herisetra i Jehovah. (Sal. 11:5, NW ). Kanefa, rehefa mampiharihary izany ireo sarimihetsika ao amin’ny televiziona na any amin’ny sinema, moa ve isika mipetraka fotsiny ka mandray izay rehetra aseho? Ary rehefa aseho amin’ny anaran’ny fanatanjahan-tena izany, moa ve isika manaiky izany ary mihiakiaka fampirisihana an’ireo mpandray anjara mihitsy aza angamba? — Ampitahao amin’ny Genesisy 6:13.

11. Amin’ny fomba ahoana avy no mety hahavoafitaka na dia ny olona iray mahafantatra ny fahamarinana aza ka hahatafalatsaka azy ao amin’ny spiritisma raha tsy mitandrina izy?

11 Fantatsika koa fa izay mandray anjara amin’ny endriny iray amin’ny spiritisma, na inona izany na inona — fanaovana fankatovana, fampiasana ody ratsy na fanandramana hifandray amin’ny maty — dia “fahavetavetana eo imason’i Jehovah”. Tsy ho tonga ao an-tsaintsika ny hanatona médium (olona mihambo ho mahay mifandray amin’ny maty) ary tsy hampiantrano azy ireo mihitsy isika mba hanaovany ny asany mifandray amin’ny demonia ao an-tranontsika. Kanefa, moa ve isika hihaino sy hijery amim-pahalianana aoka izany rehefa miseho eo amin’ny televiziona izany? Na dia tsy hanaiky hotsaboin’ny mpimasy na oviana na oviana aza isika, moa ve isika mety hamatotra tady kely eo amin’ny hato-tanan’ny zanatsika vao teraka mba hoe hiarovana azy amin’ny fahavoazana? Na koa, na dia mahalala aza isika fa manameloka ny ‘famosaviana olona’ ny Baiboly, moa ve isika hamela ny hypnotiseur (mpampatory) iray hifehy ny saintsika, na dia vetivety fotsiny aza? — Deot. 18:10-12, NW; Gal. 5:19-21.

12. a) Amin’ny fomba ahoana no ampiasana ny mozika mba hahatonga antsika hanolokolo hevitra izay fantatsika fa ratsy? b) Amin’ny ahoana ny fitafian’ny olona iray, ny taovolony na ny fomba fiteniny no mety hampiseho ny fankasitrahany ireo izay tsy ankasitrahan’i Jehovah ny fomba fiainany? d) Inona no takina amintsika mba tsy ho voan’ireo tetika feno hafetsen-dratsin’i Satana isika?

12 Namaky tao amin’ny Soratra Masina isika fa ‘ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra dia tsy tokony hotononina eo amintsika amin’ny fananana antony manosika ratsy’. (Efes. 5:3-5). Ahoana anefa raha ampiarahina amim-pahakingana amin’ny mozika misy feon-kira mahafinaritra, paika mampientana na ban-kira miverimberina, izany foto-kevitra izany? Moa ve isika mety hanomboka, tsy tsapantsika akory, hamerimberina tonon-kira izay manindrahindra ny firaisana ivelan’ny fanambadiana, ny fampiasana zava-mahadomelina hahazoana fahafinaretana ary ny zavatra maro hafa koa? Na koa, na dia fantatsika aza fa tsy tokony hanahaka ny fomba fiainan’ny olona manaram-po amin’ny zavatra toy izany isika, moa ve isika mirona hitovy aminy amin’ny fanahafana ny fomba fiakanjony, ny taovolony na ny fomba fiteniny? Tena fetsy tokoa i Satana! Tena feno fitaka tokoa ireo fomba ampiasainy mba hitaomana ny olona hanaraka ny sain-dratsiny! (2 Kor. 4:3, 4). Mba tsy ho voan’ireo tetika feno hafetsen-dratsy ampiasainy, dia tsy maintsy miezaka mba tsy hanara-driandrano an’izao tontolo izao isika. Mila ny mitadidy ao an-tsaina isika hoe iza ireo “mpanapaka ity tontolo ity eo amin’izao fahamaizinana izao” ary miady mafy amin’ny fitaomany. — Efes. 6:12, NW; 1 Pet. 5:8.

Ampy fitaovana mba ho mpandresy

13. Ahoana no hahafahan’iza na iza amintsika handresy ny tontolo tapahin’i Satana, na dia eo aza ny tsy fahatanterahantsika?

13 Talohan’ny nahafatesany, dia nilaza toy izao tamin’ny mpianany i Jesosy: “Matokia; izaho efa naharesy izao tontolo izao.” Afaka ny ho mpandresy koa àry izy ireo; ary 60 taona mahery tatỳ aoriana, dia nanoratra toy izao ny apostoly Jaona: “Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak’Andriamanitra?” (Jaona 16:33; 1 Jaona 5:5). Mampiseho izany finoana izany isika amin’ny fankatoavana ireo baikon’i Jesosy sy amin’ny fianteherana amin’ny Tenin’Andriamanitra, tsy misy hafa amin’ny nataony. Zavatra hafa inona koa no takina amintsika? Ny hifikirantsika hatrany amin’ny kongregasiona izay izy no lohany. Rehefa manao fahadisoana isika, dia tsy maintsy mibebaka amim-pahatsorana ary mitady ny famelan-kelok’Andriamanitra miorina amin’ny soron’i Jesosy. Amin’izany fomba izany, na dia eo aza ny tsy fahatanterahantsika, dia afaka ny ho mpandresy koa isika.

14. a) Vakio ny Efesiana 6:13-18. b) Ampiasao ho fototry ny fandinihana an’ireo soa entin’ny tapany tsirairay amin’ny fiadiana ara-panahy, ireo fanontaniana sy andinin-teny omena.

14 Mba hahombiazana, dia mila ny mitafy ny ‘fiadian’Andriamanitra manontolo’ isika, ka tsy hanao tsirambina na dia ny tapany iray aminy aza. Sokafy ao amin’ny Efesiana 6:13-16, aza fady, ny Baibolinao ary vakio ny fomba ilazalazany momba io fiadiana io. Avy eo, rehefa mamaly ireo fanontaniana etsy ambany ianao dia diniho ny fomba andraisanao soa avy amin’ny fiarovana atolotry ny tsirairay amin’izany fiadiana izany.

“Sikino fahamarinana ny valahanareo”

Na dia mety hahafantatra ny fahamarinana aza isika, amin’ny ahoana ny fianarana manokana, ny fisaintsainana momba ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ary ny fanatrehana fivoriana, no miaro antsika? (Fil. 3:1, NW; 4:8, 9; 1 Kor. 10:12, 13; 2 Kor. 13:5; 1 Pet. 1:13).

“Ny rariny ho fiarovan-doha”

Ny fari-pitsipik’iza momba ny rariny moa no resahina eto? (Apok. 15:3).

Asehoy amin’ny alalan’ny ohatra iray hoe amin’ny ahoana ny tsy fankatoavana ny baikon’i Jehovah, izay vokatry ny tsy fambolena fitiavana ny lalany, no mety hitondra fahavoazana ara-panahy lehibe ho an’ny olona iray. (Jereo 1 Samoela 15:22, 23; Deoteronomia 7:3, 4.)

“Kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin’ny [vaovao tsaran’ny fiadanana, NW ] ny tongotrareo”

Amin’ny ahoana ny fihazonantsika ny tongotsika ho sahirana hitondra antsika hiresaka amin’ny olona momba ny fandaharan’Andriamanitra mba hisian’ny fiadanana, no miaro antsika? (Rom. 10:15, NW; Sal. 73:2, 3; 1 Tim. 5:13).

“Ny finoana ho ampinga [lehibe, NW ]”

Raha manana finoana izay miorina mafy isika, hanao ahoana ny fihetsitsika eo anoloan’ny ezaka atao mba hahatonga antsika hisalasala na hatahotra? (Ampitahao amin’ny 2 Timoty 1:12; 2 Mpanjaka 6:15-17.)

“Ny famonjena ho fiarovan-doha”

Amin’ny ahoana ny fanantenana famonjena no manampy ny olona iray tsy ho voafandriky ny fiahiana tafahoatra ny amin’ny fananana ara-nofo? (1 Tim. 6:7-10, 19).

“Ny sabatry ny fanahy”

Inona no tokony hianteherantsika foana rehefa miady amin’ireo famelezana ny fahasalamantsika ara-panahy na ny an’ny hafa isika? (Sal. 119:98; Ohab. 3:5, 6; ampitahao amin’ny Matio 4:3, 4.)

Mifanaraka amin’izany, ary araka ny hita ao amin’ny Efesiana 6:18, 19, zavatra hafa inona koa no aseho fa tena lehibe mba hahombiazana eo amin’ny ady ara-panahy ataontsika? Impiry izany no tokony hampiasaina? Ary ho an’iza?

15. a) Ady ara-panahy mahakasika ny tenantsika irery fotsiny ve no ataontsika rehetra? b) Ahoana no ahafahantsika manafika amin’io ady io?

15 Amin’ny maha-miaramila kristiana antsika, dia anisan’ny tafika lehibe iray izay manao ady ara-panahy isika. Raha miambina hatrany isika ary mampiasa tsara ny fiadiana manontolo avy amin’Andriamanitra, dia tsy ho voa amin’io ady io. Ho fanampiana izay hanatanjaka ireo mpiara-manompo an’Andriamanitra amintsika kosa isika. Ho vonona sy ho dodona ny hanafika isika, amin’ny fampielezana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana Mesianikan’Andriamanitra, dia ilay fitondram-panjakana izay toherin’i Satana amin-kerisetra aoka izany.

Famerenana

● Nahoana ireo mpivavaka amin’i Jehovah no miezaka hihazona fialanalanana tanteraka eo amin’ireo ady ifanaovan’ny olona eo amin’izao tontolo izao?

● Inona avy no sasany amin’ireo tetika feno hafetsen-dratsy ampiasain’i Satana mba hitarihana ny Kristiana ho amin’ny firodanana ara-panahy?

● Ahoana no iarovan’ny fiadiana avy amin’Andriamanitra antsika amin’ny lafiny lehibe indrindra amin’io ady ara-panahy io?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara