Jehovah — Tia Fahamarinana sy Rariny
MANONTANY tena ny zazavavy iray any Sarajevo hoe nahoana ny ankizy ao amin’ny tanànany no tsy maintsy miaritra fijaliana be toy izao. “Tsy nanao na inona na inona mendrika ny fijaliana izahay. Tsy manan-tsiny izahay”, hoy izy. Nanao fihetsiketsehana tao amin’ny kianja iray ho an’ny besinimaro tany Buenos Aires, nandritra ny 15 taona teo ho eo, ireo reny tany Arzantina ho fanoherana ny fitondram-panjakana, noho ny fanjavonan’ireo zanany lahy. I Emmanuel, lehilahy afrikana iray, izay nanana ny reniny sy ny anabaviny telo novonoina tamin-kabibiana nandritra ny fipoahan’ny herisetra ara-poko iray, dia manizingizina toy izao: “Tsy maintsy mandray ny valin’asany araka ny rariny ny rehetra. (...) Takinay ny rariny.”
Ny fanaovana ny rariny dia iray amin’ireo toetra lehibe mampiavaka an’i Jehovah Andriamanitra. “Ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa” hoy ny Baiboly. Marina tokoa fa i Jehovah dia “tia fahamarinana sy rariny”. (Deoteronomia 32:4; Salamo 33:5). Mba hahafantarana tsara an’Andriamanitra, dia tsy maintsy mahatakatra ny fahaizany manavaka ny rariny isika, ary mianatra hanahaka izany. — Hosea 2:21, 22; Efesiana 5:1.
Azo inoana fa ny fiheverantsika ny amin’ny rariny dia voavolavolan’izay heverin’ny olombelona momba an’io toetra tsara io. Any amin’ny faritra sasany amin’izao tontolo izao, ny rariny matetika dia lazalazaina ho toy ny vehivavy iray mitampi-maso ary mitana sabatra sy mizana. Ny rariny araka ny olombelona dia heverina ho tsy mizaha tavan’olona, izany hoe tsy jamban’ny harena na resin’ny fitaomana. Izy io dia tokony handanja amim-pitandremana eo ambonin’ilay mizana ny maha-meloka na tsia an’ilay voampanga. Amin’ilay sabany, ny rariny dia tokony hiaro ny tsy meloka ary hanasazy ny mpanao ratsy.
Ilay boky hoe Right and Reason — Ethics in Theory and Practice dia milaza fa “ny rariny dia mifandray amin’ny lalàna, ny andraikitra, ny zo sy ny adidy, sady mametra ny didim-pitsarany tsy misy fizahan-tavan’olona ary araka izay mendrika ny tena”. Lasa lavitra kokoa noho izany anefa ny fanaovan’i Jehovah ny rariny. Azontsika atao ny mahita izany amin’ny fandinihana ny asa sy ny toetran’i Jesosy Kristy izay mitovy aoka izany amin’ilay Rainy any an-danitra. — Hebreo 1:3.
Ny teny ao amin’ny Isaia 42:3, dia nampiharin’i Matio, mpanoratra ny Filazantsara, tamin’i Jesosy, ka nilazany toy izao: “Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy”. I Jesosy dia nanambara hafatra fampiononana iray ho an’ny vahoaka izay sahala amin’ny volotara torotoro nilofika sy nohitsakitsahina mihitsy aza. Sahala amin’ny lahin-jiro nanetona izy ireo, toy ny hoe efa nadiva ho faty ilay pitik’aina farany nananany. Tsy nanosihosy ireo volotara torotoro na koa, namono ireo lahin-jiro nanetona, tamin’ny heviny ara-panoharana, i Jesosy, fa nangoraka ireo nampahorina kosa, ka nampianatra sy nanasitrana azy, ary nanao izay hampahazava taminy ny fanaovan’i Jehovah Andriamanitra ny rariny. (Matio 12:10-21). Araka ny nambaran’ny faminanian’i Isaia mialoha, dia namelona fanantenana io karazana rariny io.
Famindram-po sy fanaovan’i Jehovah ny rariny
Tapany tsy misaraka amin’ny fanaovan’i Jehovah ny rariny ny famindram-po. Nisongadina izany fony i Jesosy teto an-tany. Nasehony tamin’ny fomba tonga lafatra ireo fari-pitsipik’Andriamanitra momba ny rariny sy ny fahamarinana. Kanefa, ireo Fariseo sy mpanora-dalàna jiosy dia nitady hahazo fahamarinana tamin’ny fanarahana fitambaran-dalàna henjana iray — ny ankamaroany dia naorin’ny tenan’izy ireo ihany. Mazàna dia nanafoana ny famindram-po ny fanaovan’izy ireo ilay rariny nanaraka tafahoatra ny lalàna. Maro tamin’ireo fifandonana teo amin’i Jesosy sy ny Fariseo no nihodinkodina tamin’itỳ raharaha niadian-kevitra itỳ hoe: Inona no tena rariny sy fahamarinana? — Matio 9:10-13; Marka 3:1-5; Lioka 7:36-47.
Nasehon’i Jesosy tamin’ny alalan’ny fanoharana ny fomba hitondrana ny hafa araka ny rariny sy ny fahamarinana. Nanontany azy indray mandeha ny lehilahy mpahay lalàna iray ny amin’izay tena nilaina mba handovana fiainana mandrakizay. Ho valiny dia nametrahan’i Jesosy fanontaniana izy, ary noderainy rehefa namaly fa ny lalàna roa lehibe indrindra dia ny hitiavana an’Andriamanitra amin’ny fo sy ny fanahy sy ny saina ary ny herin’ny tena rehetra, sy ny hitiavana ny namana tahaka ny tena. Avy eo dia nanontany toy izao ilay lehilahy: “Iza ary no namako?” Namaly i Jesosy tamin’ny fitantarana ilay fanoharana ny amin’ilay Samaritana tia ny mpiara-belona taminy. — Lioka 10:25-37.
Ny fahamarinan’i Jehovah sy ny fanaovany ny rariny miharo famindram-po, dia niseho tao amin’ilay fanoharan’i Jesosy ny amin’ilay Samaritana. Rehefa nanampy tamin’ny fomba tsy nisy fitiavan-tena an’ilay lehilahy naratra izay tsy fantany akory ilay Samaritana, dia nanao zavatra araka ny hitsiny, sy ny rariny ary feno famindram-po. Naneho toe-tsaina sahala amin’izany ny tenan’i Jesosy fony izy teto an-tany. Marina izy no sady nanao ny rariny. Ambonin’izany, dia nomeny ny ainy ho an’ireo olona ory, ho an’ny taranak’olombelona mpanota sy tsy tanteraka, mora iharam-pijaliana sy aretina ary fahafatesana. Nampifandraisin’ny apostoly Paoly tamin’ny fandaharam-panavotana ny fahamarinana. Toy izao no nosoratany: “Tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ny [asa marina iray, NW, fanamarihana ambany pejy] ho amin’ny fiainana kosa ho an’ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray.” (Romana 5:18). Io “asa marina iray” io no fomba namonjen’Andriamanitra ny taranak’olombelona mankato tsy ho azon’ireo vokatra mahatsiravin’ny fahotan’i Adama, izay tsy naha-tompon’andraikitra azy ireo nivantana.
Ny fanaovan’Andriamanitra ny rariny dia nitady izay hanavotana ny olombelona mpanota sy hanohanana, miaraka amin’izany koa, ireo fotopoto-pitsipika marina. Sady tsy ho araka ny rariny no tsy ho fanehoam-pitiavana ny hoe minia tsy mijery ny fahotana, satria ho nampirisika ny tsy fankatoavan-dalàna izany. Etsy an-danin’izany, raha tsy ho nanao afa-tsy ny hametra ny valisoa na ny sazy ny fanaovan’Andriamanitra ny rariny, dia ho nampamoy fo ny tarehin-javatra nisy ny taranak’olombelona. Araka ny Baiboly dia “fahafatesana no tambin’ny ota” ary “tsy misy marina na dia iray akory aza”. (Romana 3:10; 6:23). Tamin’ny fandoavan’ny tenany manokana sy ny Zanany malalany vidiny lehibe, no nanomezan’i Jehovah sorom-panavotana noho ny fahotana. — 1 Jaona 2:1, 2.
Ny avotra dia mampiseho fa ny rariny araka an’Andriamanitra dia mifamatotra amin’ny fitiavana miorina amin’ny fotopoto-pitsipika (Grika: a·gaʹpe). Ny fanaovan’Andriamanitra ny rariny dia fahatanterahan’ireo fotopoto-pitsipiny marina tokoa — taratry ny fari-pitsipik’Andriamanitra ara-pitondran-tena naorin’Andriamanitra. Noho izany, rehefa ampiharin’Andriamanitra ny a·gaʹpe, izy io dia fitiavana iorenan’ny rariny araka an’Andriamanitra. (Matio 5:43-48). Koa raha tena takatsika àry ny fanaovan’i Jehovah ny rariny, dia hanana fitokiana tanteraka ny fitsarany isika. Amin’ny maha-“Mpitsara ny tany rehetra” azy, dia manao izay marina mandrakariva izy. — Genesisy 18:25; Salamo 119:75.
Tahafo ny fanaovan’i Jehovah ny rariny
Mampirisika antsika ny Baiboly mba ‘hanahaka an’Andriamanitra’. (Efesiana 5:1). Izany dia midika ho fanahafana ny fanaovany ny rariny ary koa ny fitiavany. Koa satria anefa isika tsy tanteraka, dia tsy avo sahala amin’ireo lalan’i Jehovah Andriamanitra ireo lalantsika. (Isaia 55:8, 9; Ezekiela 18:25). Koa ahoana àry no azontsika anaporofoana fa tia fahamarinana sy rariny ny tenantsika? Amin’ny fitafiana “ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny [tena fahamarinana sy tsy fivadihana marina, NW ]”. (Efesiana 4:24). Amin’izay isika dia ho tia izay tian’Andriamanitra ary hankahala izay ankahalainy. Ny “tena fahamarinana” dia manalavitra ny herisetra, ny faharatsiam-pitondran-tena, ny fahalotoana sy ny fivadiham-pinoana, satria ireo zavatra ireo dia manazimbazimba izay masina. (Salamo 11:5, NW; Efesiana 5:3-5; 2 Timoty 2:16, 17, NW ). Ny rariny araka an’Andriamanitra koa dia manosika antsika hampiseho fiheverana amim-pahatsorana ny hafa. — Salamo 37:21; Romana 15:1-3.
Ambonin’izany, raha takatsika fa miharo famindram-po ny fanaovan’Andriamanitra ny rariny, dia tsy hirona hitsara ireo rahalahy sy anabavintsika ara-panahy isika. Ahoana no mety hahafahantsika hahazo ny fihevitr’izy ireo tahaka ny ataon’i Jehovah? Moa ve isika tsy hitsara azy ireo araka ny fomba fijerintsika manokana izay mitsara an-tendrony? Araka izany, dia nampitandrina toy izao i Jesosy: “Aza mitsara, mba tsy hotsaraina hianareo. Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo. Ary nahoana hianao no mijery ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao, fa ny andry eo amin’ny masonao dia tsy mba tsaroanao? Ary ahoana no hilazanao amin’ny rahalahinao hoe: Aoka aho hanaisotra ny sombin-kazo eo amin’ny masonao; nefa, indro, ny andry eo amin’ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ny masonao, ary amin’izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao.” (Matio 7:1-5). Ny fanombanana amim-pahamarinana ny tsy fahatanterahantsika manokana, dia hisakana antsika tsy hanao fitsarana izay hoheverin’i Jehovah ho tsy marina.
Voatery mitsara ireo raharaha misy fanaovan-dratsy lehibe ny loholona voatendry ao amin’ny kongregasiona. (1 Korintiana 5:12, 13). Rehefa manao izany izy ireo, dia mitadidy fa ny fanaovan’Andriamanitra ny rariny dia mitaky ny hampisehoana famindram-po eo amin’izay azo anaovana izany. Rehefa tsy misy fototra iorenany izy io — ohatra hoe tsy mibebaka ilay mpanota — dia tsy azo atao ny mampiseho famindram-po. Tsy mandroaka ny mpanao ratsy toy izany hiala amin’ny kongregasiona noho ny valy faty anefa ny loholona. Manantena izy ireo fa ilay fandroahana mihitsy dia hahatonga an’io olona io hahatsiaro saina. (Ampitahao amin’ny Ezekiela 18:23.) Eo ambany fitarihan’i Kristy, ny loholona dia miasa ho an’ny fanaovana ny rariny, ary tafiditra amin’izany ny maha-tahaka ny “fierena amin’ny rivotra” azy ireo. (Isaia 32:1, 2). Noho izany, dia tsy maintsy maneho tsy fizahan-tavan’olona sy fahalalana ny antonona izy ireo. — Deoteronomia 1:16, 17.
Mamafaza voa araka ny fahamarinana
Eo am-piandrasantsika ilay tontolo vaovao sy marin’Andriamanitra, dia tsy maintsy ‘mitady ny fahamarinana’ isika mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra. (Zefania 2:3; 2 Petera 3:13). Io hevitra io dia aseho amin’ny fomba kanto amin’ireto teny hita ao amin’ny Hosea 10:12 ireto, manao hoe: “Mamafaza ho anareo [voa, NW ] araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo; fa izao no andro hitadiavana an’i Jehovah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo.”
Eo amin’ny fiainantsika andavanandro, dia manana fahafahana maro ‘hamafazana ireo voa araka ny fahamarinana’ isika, araka ny nasehon’i Jesosy indrindra tao amin’ilay fanoharany ny amin’ilay Samaritana tia ny mpiara-belona taminy. Hataon’i Jehovah izay hahazoana antoka fa ‘hijinja araka ny fitiavana’ isika. Raha tsy mitsahatra mandeha eo amin’ny “lalan’ny rariny” isika, dia hahazo hatrany fampianaram-pahamarinana eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana. (Isaia 40:14, NW ). Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia azo inoana fa hanjary hahatakatra amin’ny fomba mbola lalina kokoa isika, fa i Jehovah dia tia fahamarinana sy rariny. — Salamo 33:4, 5.
[Sary, pejy 23]
Ilay Samaritana tia ny mpiara-belona taminy dia nampiseho ny fanaovan’i Jehovah ny rariny
I Jesosy dia nangoraka ireo olona nampahorina, izay sahala amin’ny zozoro torotoro