Hira 71
Tano Mafy ny Vaovao Tsara!
1. Akaiky ’zao ny farany,
Koa miezaha mafy,
Mba hiasa ho an’i Jehovah,
Hiantehitra aminy.
Mamiratra ny marina,
Be ny asa atao.
Tsy very maina izany,
Ka ho faly ianao.
2. Ny fitsanganan’ny maty,
Mampionona tokoa,
Mampiorina ny finoana
Sy mampifaly fo.
’Reo fampanantenan’i Jah,
Inoantsika foana.
Koa mahereza, matanjaha,
Eo ny fandresena.
3. Tsy maintsy miezaka ianao
Hahazo ny loka.
Koa mifidiana namana
’Zay hanatanjaka.
Tsy ho ela ny Paradisa,
’Zay no “vaovao tsara.”
Noho ny Fanjakan’i Kristy,
Isaory Jehovah.