Tena Mila ny Miala Tsiny Tokoa ve Ianao?
‘TSY miala tsiny na oviana na oviana aho’, hoy ny nosoratan’i George Bernard Shaw. ‘Izay vita dia vita’, hoy ny mety holazain’ny hafa.
Angamba aza ny tenantsika mihitsy dia tsy vonona hiaiky fahadisoana iray mba tsy hahafa-baraka. Angamba isika mihevitra ho manana ny marina ka hoe any amin’ilay olon-kafa no misy ny olana. Na mety hikasa ny hiala tsiny isika, saingy mangataka andro mandra-pihevitsika fa tsy misy miraharaha intsony ilay raharaha amin’ny farany.
Koa nahoana àry no tena ilaina ny fialan-tsiny? Tena mety hahavita zavatra tokoa ve izy ireny?
Manery antsika hiala tsiny ny fitiavana
Marika famantarana ireo tena mpanara-dia an’i Jesosy Kristy ny fitiavan-drahalahy. Hoy izy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35). Ny Soratra Masina dia mampirisika mafy ny Kristiana mba ‘hifankatia fatratra amin’ny fo’. (1 Petera 1:22). Manery antsika hiala tsiny ny fitiavana fatratra. Nahoana? Satria amin’ny fomba tsy azo ialana, ny tsy fahalavorarian’olombelona dia mahatonga fihetseham-po voaratra izay misakana ny fiasan’ny fitiavana raha tsy sitranina.
Ohatra, noho ny tsy fifanarahana manokana amin’olona iray ao amin’ny kongregasiona kristiana, dia mety haleontsika tsy miresaka aminy. Raha nahatonga fanafintohinana isika, ahoana no ahafahana mamerina amin’ny laoniny fifandraisana feno fitiavana? Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia amin’ny fialana tsiny, ary avy eo dia amin’ny fanaovana ezaka mba hifampiresahana amin-kafanana. Ananan’ny mpiray finoana amintsika trosam-pitiavana isika, ary rehefa manao aza fady isika fa nahatonga fanafintohinana, dia manefa ny sasany amin’izany trosa izany isika. — Romana 13:8.
Indro misy ohatra: Vehivavy kristiana roa izay mpinamana hatramin’ny ela i Mari Carmen sy i Paqui. Noho i Mari Carmen nino resadresa-poana nanimba anefa, dia nihanangatsiaka ny fisakaizan’izy ireo. Tsy nisy fanazavana, fa dia nohalaviriny tanteraka i Paqui. Efa ho herintaona tatỳ aoriana, dia nahafantatra i Mari Carmen fa tsy marina ilay resadresa-poana. Nanao ahoana no fihetsiny? Natosiky ny fitiavana izy hankany amin’i Paqui sy hilaza tamim-panetren-tena ny nenina lalina tsapany noho ny fihetsiny ratsy aoka izany. Samy nigogogogo nitomany izy mirahavavy, ary hatramin’izay dia mpinamana tsy nifankafoy izy ireo.
Na dia mety tsy hahatsapa ho nanao zava-dratsy aza isika, dia mety handamina tsy fahazoan-kevitra ny fialan-tsiny. Izao no tsaroan’i Manuel: “Taona maro lasa izay, izahay mivady dia nipetraka tao amin’ny tranon’ny anabavintsika iray, raha mbola naiditra hopitaly izy. Nanao izay farany azonay natao izahay mba hanampiana azy sy ireo zanany, nandritra ny fotoana naharariany. Kanefa rehefa nody izy, dia nitaraina tamin’ny namana iray fa tsy nitantana araka ny tokony ho izy ny fandanian’ny ankohonany, hono, izahay.
“Namangy azy izahay, ary nanazava fa angamba noho ny fahatanoranay sy noho izahay tsy ampy fanandraman-javatra, dia tsy nikarakara zavatra toy ny ho nataony izahay. Avy hatrany izy dia namaly tamin’ny filazana fa izy no nanan-trosa haloa taminay, ary tena velom-pisaorana izy noho izay rehetra nataonay ho azy. Voalamina ilay olana. Io zavatra niainana io dia nampianatra ahy ny maha-zava-dehibe ny fangatahana amim-panetren-tena famelan-keloka rehefa mitranga ny tsy fahazoan-kevitra.”
Nitahy io mpivady io i Jehovah noho ny nanehoany fitiavana sy ny ‘niezahany hitady izay mahatonga fiadanana’. (Romana 14:19). Mahatafiditra fahatakarana ny fihetseham-pon’ny hafa koa ny fitiavana. Mampirisika antsika mba ‘hahay hipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa’ i Petera. (1 Petera 3:8, NW ). Raha mahay mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa isika, dia azo inoana kokoa fa ho tsikaritsika ny fahoriana nampitondraintsika noho ny teny na fihetsika tsy voahevitra, ary ho voatosika hiala tsiny isika.
‘Misikìna fanetren-tena’
Na dia ireo loholona kristiana aza indraindray dia mety hifamaly mafy. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:37-39.) Ireny dia fisehoan-javatra izay mahatonga ny fialan-tsiny ho tena hahasoa. Inona anefa no hanampy ny loholona iray na ny Kristiana hafa na iza na iza, izay mahita fa sarotra ny miala tsiny?
Ny fanetren-tena no fanalahidiny. Nanoro hevitra toy izao ny apostoly Petera: “Samia misikina fanetren-tena hianareo”. (1 Petera 5:5). Na dia marina aza fa samy manan-tsiny ny andaniny roa amin’ny ankamaroan’ireo fifamaliana, ny Kristiana manetry tena iray dia miahy ny amin’ny fahadisoan’ny tenany sady vonona ny hiaiky izany. — Ohabolana 6:1-5.
Ilay anaovana fialan-tsiny dia tokony handray izany amim-panetren-tena. Ho fanoharana, dia aoka hataontsika hoe mitsangana eo an-tampon-tendrombohitra roa samy hafa ny lehilahy roa mila mifampiresaka. Hita fa tsy azo atao ny fifampiresahana miampita ilay hadilanana mampisaraka azy ireo. Kanefa, rehefa midina an-dohasaha eo ambany ny iray amin’izy ireo ka manaraka ny ohatra nomeny ilay iray hafa, dia afaka mifampiresaka mora foana izy ireo. Toy izany koa, fa raha mila mandamina tsy fifanarahana eo amin’izy samy izy ny Kristiana roa, dia aoka ny tsirairay hihaona amin’ilay hafa amim-panetren-tena ao an-dohasaha, raha azo atao ny milaza izany, ka hanao ny fialan-tsiny mety. — 1 Petera 5:6.
Midika ho zavatra betsaka ny fialan-tsiny ao amin’ny fanambadiana
Amin’ny fomba tsy azo ialana, ny fanambadian’olon-droa tsy lavorary dia manome fahafahana maro hialan-tsiny. Raha samy mahay mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa ny lehilahy sy vehivavy manambady, izany dia hanosika azy ireo hiala tsiny raha sanatria ka sendra miteny na manao zavatra tsy amim-piheverana izy ireo. Manazava toy izao ny Ohabolana 12:18: “Misy mandefalefa teny tsy [amim-piheverana, NW ] ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra; fa ny lelan’ny marina dia fanasitranana kosa.” Tsy azo kosehina ny ‘fanindronana tsy voahevitra’ kanefa azo sitranina izany amin’ny fialan-tsiny amim-pahatsorana. Mazava ho azy fa izany dia mitaky fitandremana sy fiezahana mitohy.
Raha niresaka ny amin’ny fanambadiany i Bakoa, dia hoy izy: “Efa nivady hatramin’ny 24 taona izahay sy i Solofo*, kanefa dia mbola miana-java-baovao momba ny andaniny sy ny ankilany ihany izahay. Nampalahelo fa nisy fotoana tamin’ny lasa nisarahanay toerana ka niainanay nifanalavitra nandritra ny herinandro vitsivitsy. Nihaino ny torohevitry ny Soratra Masina nomen’ireo loholona anefa izahay, ary dia niaraka indray. Takatray izao fa satria izahay manana toetra maha-izy anay tena tsy mitovy, dia azo inoana fa hitranga ny fifandirana mafy. Rehefa mitranga izany, dia miala tsiny haingana izahay ary tena miezaka mafy tokoa mba hahatakatra ny fomba fihevitr’ilay hafa. Faly aho milaza fa nihatsara dia nihatsara tokoa ny fanambadianay.” Nanampy teny toy izao i Solofo: “Nianatra namantatra ireny fotoana maha-mora sosotra anay ireny koa izahay. Amin’ny fotoana toy izany, dia mifampitondra amim-pangorahana mihoatra noho ny mahazatra izahay.” — Ohabolana 16:23.
Tokony hiala tsiny ve ianao raha heverinao fa tsy ianao no diso? Rehefa tafiditra ny fihetseham-po lalina, dia sarotra ny mijery amin’ny fomba tsy miangatra hoe an’iza ny tsiny. Ny zava-dehibe anefa dia ny fiadanana ao anatin’ny fanambadiana. Diniho i Abigaila, vehivavy isiraelita izay ratsy fitondra an’i Davida, ny vadiny. Na dia tsy azo nomen-tsiny noho ny hadalan’ny vadiny aza izy, dia niala tsiny. “Masìna hianao, mamelà ny fahadisoan’ny ankizivavinao”, hoy ny fitalahoany. Namaly izany i Davida, tamin’ny fitondrana azy tamim-piheverana, ka niaiky tamim-panetren-tena i Davida fa raha tsy noho ny aminy, dia ho nandatsaka ra tsy manan-tsiny izy. — 1 Samoela 25:24-28, 32-35.
Toy izany koa, fa ny vehivavy kristiana iray atao hoe June, izay efa nanambady hatramin’ny 45 taona, dia mihevitra fa ny fanambadiana vanona dia mitaky fahavononana hiala tsiny voalohany. Hoy izy: “Milaza amin’ny tenako aho hoe ny fanambadianay no zava-dehibe kokoa noho ny fihetseham-poko amin’ny maha-izaho manokana. Koa rehefa miala tsiny aho, dia mitondra ny anjarako ho an’ny fanambadiana aho.” Hoy ny lehilahy zokiolona iray atao hoe Jim: “Miala tsiny amin’ny vadiko aho na dia amin-javatra madinika aza. Hatramin’ny nanaovana fandidiana lehibe taminy, dia mora mitaintaina izy. Koa misakambina azy tsy tapaka aho, ary miteny hoe: ‘Aza fady, Malala a! Tsy naniry ny hampalahelo anao aho.’ Toy ny zavamaniry notondrahina, dia mahazo aina avy hatrany izy.”
Raha nandratra ilay olona tiantsika indrindra isika, dia tena mandaitra ny fahamailahana hiala tsiny. Manaiky izany amin’ny fo manontolo i Milagros, amin’ny filazana hoe: “Mijaly noho ny tsy fatokian-tena aho, ary mahasosotra ahy ny teny henjana avy amin’ny vadiko. Kanefa rehefa miala tsiny izy, dia azoazoko avy hatrany ny aiko.” Mety tsara ny ilazan’ny Soratra Masina amintsika hoe: “Toho-tantely ny teny mahafinaritra, ka sady mamin’ny fanahy no mahatsara ny taolana.” — Ohabolana 16:24.
Mizara mahay miala tsiny
Raha ataontsika fanao ny miala tsiny rehefa tena ilaina, dia azo inoana fa ho hitantsika fa handray tsara ny olona. Ary angamba aza ny tenany mihitsy no hiala tsiny. Raha ahiahintsika ho nampalahelo olona ny tenantsika, nahoana raha manao ho fahazarana ny miala tsiny, toy izay handany ron-doha hanalavitra ny hiaiky fahadisoana? Mety hihevitra izao tontolo izao fa mariky ny fahalemena ny fialan-tsiny, kanefa dia tena manome porofon’ny fahamatorana kristiana tokoa izy io. Mazava ho azy fa tsy irintsika ny ho sahala amin’ireo izay manaiky fa nanao ny tsy mety, kanefa manamaivana ny andraikiny. Ohatra, moa ve isika efa mba nanao aza fady kanefa tsy tena izany akory no tao am-pontsika? Raha tonga tara isika ka manao fialan-tsiny vary raraka, moa ve isika tapa-kevitra ny hanatsara ny fahatongavantsika ara-potoana?
Koa tena mila ny miala tsiny tokoa àry ve isika? Eny, izany tokoa. Manana adidy ny hanao izany amin’ny tenantsika sy amin’ny hafa isika. Ny fialan-tsiny dia afaka manampy mba hanamaivana ny alahelo ateraky ny tsy fahalavorariana, ary afaka manasitrana fifandraisana mihenjana. Ny fialan-tsiny tsirairay ataontsika dia fianarana fanetren-tena sady mampiofana antsika hanjary ho mora hahatsapa kokoa ny fihetseham-pon’ny hafa. Ho vokatr’izany, dia hihevitra antsika ho mendrika ny firaiketam-pony sy ny fitokiany, ireo mpiray finoana amintsika sy ny vadintsika ary ny hafa. Hanana fiadanan-tsaina isika, ary hitahy antsika i Jehovah Andriamanitra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy tena anarany.
[Sary, pejy 23]
Mampandroso ny fitiavana kristiana ny fialan-tsiny amim-pahatsorana