FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • rq lesona 8 p. 16-17
  • Fiainam-pianakaviana Tian’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fiainam-pianakaviana Tian’Andriamanitra
  • Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
  • Mitovitovy Aminy
  • Afaka ny ho Sambatra ny Fianakavianao
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Mahità fahombiazana eo amin’ny fiainam-pianakaviana
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Ny fomba hananana fiainam-pianakaviana sambatra
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Torohevitra Hahasambatra ny Fianakaviana
    Mifohaza!—2021
Hijery Hafa
Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
rq lesona 8 p. 16-17

Lesona Faha-8

Fiainam-pianakaviana Tian’Andriamanitra

Inona no toeran’ny lehilahy ao amin’ny fianakaviana? (1)

Ahoana no tokony hitondran’ny lehilahy ny vadiny? (2)

Inona avy no andraikitry ny raim-pianakaviana? (3)

Inona no anjara asan’ny vehivavy ao amin’ny fianakaviana? (4)

Inona no takin’Andriamanitra amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka? (5)

Ahoana no fiheveran’ny Baiboly ny hoe misintaka sy ny hoe misara-panambadiana? (6, 7)

1. Lazain’ny Baiboly fa ny lehilahy no lohan’ny fianakaviany. (1 Korintiana 11:3) Tokony ho tokana ihany ny vadiny. Tokony ho mpivady vita soratra ara-dalàna izy ireo.—1 Timoty 3:2; Titosy 3:1.

2. Tokony ho tia ny vadiny toy ny tenany, ny lehilahy. Tokony hitondra ny vadiny toy ny nitondran’i Jesosy ny mpianany izy. (Efesiana 5:25, 28, 29) Tsy tokony hamono vady, na hampijaly vady mihitsy izy. Tokony hanome voninahitra sy hanaja ny vadiny kosa izy.—Kolosiana 3:19; 1 Petera 3:7.

3. Tokony hiasa mafy ny raim-pianakaviana mba hikarakarana ny ankohonany. Tsy maintsy manome sakafo sy fitafiana ary fonenana ho an’ny vady aman-janany izy. Tsy maintsy manome ny zavatra ara-panahy ilain’ny fianakaviany koa izy. (1 Timoty 5:8) Izy no voalohany manampy ny fianakaviany hianatra momba an’Andriamanitra sy momba izay kasain’Andriamanitra hatao.—Deoteronomia 6:4-9; Efesiana 6:4.

4. Tokony hanampy tsara ny vadiny, ny vehivavy. (Genesisy 2:18, fanamarihana ambany pejy) Tokony hanampy ny vadiny izy eo amin’ny fampianarana sy ny fampiofanana ny zanak’izy ireo. (Ohabolana 1:8) Takin’i Jehovah ny hikarakaran’ny vehivavy amim-pitiavana ny fianakaviany. (Ohabolana 31:10, 15, 26, 27; Titosy 2:4, 5) Tokony hanaja fatratra ny vadiny izy.—Efesiana 5:22, 23, 33.

5. Takin’Andriamanitra ny hankatoavan’ny zanaka ny ray aman-dreniny. (Efesiana 6:1-3) Takin’Andriamanitra ny hampianaran’ny ray aman-dreny sy ny hanitsiany ny zanany. Mila manokana fotoana iarahana amin-janany ny ray aman-dreny, ary mila mianatra ny Baiboly miaraka aminy. Amin’izay izy ireo dia manome izay ilain-janany ara-panahy sy ara-pihetseham-po. (Deoteronomia 11:18, 19; Ohabolana 22:6, 15) Tsy tokony hasiaka sy ho lozabe mihitsy ny ray aman-dreny rehefa manafay ny zanany.—Kolosiana 3:21.

6. Rehefa misy olana eo amin’ny mpivady ka tsy mifanaraka izy ireo, dia tokony hiezaka hampihatra ny torohevitry ny Baiboly izy ireo. Ampirisihin’ny Baiboly mafy isika mba haneho fitiavana sy hamela heloka. (Kolosiana 3:12-14) Ny Tenin’Andriamanitra dia tsy mampirisika ny hisintahana rehefa misy olana madinika. Mety hifidy ny hisintaka anefa ny vehivavy iray, raha 1) mikiry tsy mety mamelona ny fianakaviany ny vadiny, na 2) mahery setra loatra izy io, ka atahorana hampidi-doza ny fahasalamana sy ny ain-dravehivavy, na 3) tafahoatra ny fanoheran-dralehilahy ka tsy afaka manompo an’i Jehovah ravehivavy.—1 Korintiana 7:12, 13.

7. Tsy tokony hanitsakitsaka ny vadiny ny olona manambady. Manota amin’Andriamanitra sy amin’ny vadiny ny olona manitsakitsa-bady. (Hebreo 13:4) Ny fanaovana firaisana ivelan’ny fanambadiana no hany antony ara-baiboly azo isarahana amin’ny vady, ka ahafahana manambady indray. (Matio 19:6-9; Romana 7:2, 3) Halan’i Jehovah raha misara-panambadiana ny mpivady noho ny antony tsy araka ny Soratra Masina, ka manambady olon-kafa indray avy eo.—Malakia 2:14-16.

[Sary, pejy 16, 17]

Ny ray be fitiavana dia manome izay ilain’ny fianakaviany eo amin’ny lafiny ara-nofo sy ara-panahy

[Sary, pejy 17]

Takin’Andriamanitra ny hampianaran’ny ray aman-dreny sy ny hanitsiany ny zanany

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara