FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ‘Hahatomombana ny fampiofanana anao Andriamanitra’
    Ny Tilikambo Fiambenana—1987 | 15 Septambra
    • dia ho zatra ny hamboly fankatoavana, fahendrena, fanetren-tena, herim-po, fitiavana, fandeferana sy toetra tsara maro hafa koa. — Jereo Jakoba 1:2-4.

      Mampahery antsika koa ny fahafantarana fa hifarana indray andro any izany vanim-potoam-piofanana izany. Izany no antony nananaran’i Petera ireo namany kristiana tamin’ny filazana hoe: “Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety hianareo, dia Izy no hahatanteraka [hahatomombana ny fampiofanana anareo, MN ] sy hampiorina ary hampitoetra anareo.” (I Petera 5:10). Ireo teny ireo dia mihatra amin-kery toy izany koa amin’ny “olona betsaka” izay manantena hanana ny fiainana mandrakizay eo amin’ny tany voaova ho paradisa.

      Izany hevitra izany fotsiny dia efa tokony hanampy antsika hanaiky amim-paharetana izany fampiofanana izany ka ho tapa-kevitra ny tsy hanaiky lembenana mihitsy. Ho tsapantsika amin’izany ny fahamarinan’ity fampaherezan’i Paoly ity: “Ary aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika, fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.” — Galatiana 6:9.

  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana—1987 | 15 Septambra
    • Fanontanian’ny mpamaky

      ◼ Fony izy teo amin’ny hazo, dia niantsoantso toy izao i Jesosy: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?” Tsy ampy finoana ve i Jesosy rehefa nieritreritra fa nahafoy azy Andriamanitra?

      Nisy nanatsoaka hevitra rehefa namaky ny Matio 27:46 na ny Marka 15:34 fa rehefa niatrika fahafatesana nangidy i Jesosy, dia nihena ny fitokisany an’Andriamanitra. Ny hafa milaza fa izany dia fihetsik’i Jesosy araka ny olombelona fotsiny, antsoantso noho ny famoizampo tsy nahagaga raha nataon’ny olona iray nofo aman-drà nianjadian’ny fitebitebena nihoa-pampana. Hahasoa anefa ny hihoarana kokoa izany fiheveran’olombelona mifototra amin’ny fisehoana ivelany izany. Na dia tsy misy mihitsy aza afaka mahafantatra amin’ny fomba azo antoka ny hevitr’io antsoantso io rehetra, dia afaka manatsoaka antony roa azo inoana isika.

      Fantatr’i Jesosy tsara tokoa fa tsy maintsy ‘hankany Jerosalema Izy, hampijalina (...), dia hovonoina, ary hatsangana amin’ny andro fahatelo’. (Matio 16:21.) Fony tany an-danitra ilay Zanak’Andriamanitra dia nahita olombelona tsy tanteraka anefa, nampijalina fa tsy niala tamin’ny tsy fivadihany (Hebreo 11:36-38). Tsy misy mihitsy àry antony tokony hieritreretana fa Jesosy, olombelona tanteraka, dia raiki-tahotra tamin’ny fotoam-pitsapana, na hoe ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana dia nety ho namela azy hino fa nahafoy azy ny Rainy. Fantatr’i Jesosy ny “karazam-pahafatesana efa hiaretany”, dia ny hanomboana azy amin’ny hazo (Jaona 12:32, 33 MN ). Afa-tsy izany koa, dia azony antoka fa hatsangana amin’ny maty izy amin’ny andro fahatelo. Noho izany, nahoana Jesosy no nilaza fa nahafoy azy Andriamanitra?

      Voalohany indrindra, dia angamba izy nampiasa io teny io tamin’ny heviny voafetra tamin’ny nanesoran’i Jehovah ny fiarovany ny Zanany mba hitsapana amin’ny fomba feno ny tsy fivadihan’i Jesosy, hatramin’ny nahitany fahafatesana nangidy sy nahamenatra. Raha namela an’i Jesosy hiharan’ny fahatezeran’ireo fahavalony namporisihin’i Satana anefa Andriamanitra, dia tsy milaza akory izany fa nahafoy azy tanteraka izy. Nanohy nampiseho firaiketam-po tamin’ny Zanany Jehovah, ka manaporofo izany ny nananganany azy tamin’ny andro fahatelo, araka ny nantenain’i Jesosy. — Asan’ny apostoly 2:31-36; 10:40; 17:31.

      Misy antony faharoa azo inoana, mifamatotra amin’ilay voalohany, nahatonga an’io antsoantso nalefan’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana io, satria rehefa nanonona ireo teny ireo i Jesosy dia nahatanteraka lafiny iray tamin’ny faminaniana iray momba ny Mesia. Ora vitsivitsy talohan’izay, dia nilaza tamin’ireo apostoly i Jesosy fa hitranga “araka izay nanoratana Azy” ny zavatra. (Matio 26:24; Marka 14:21.) Tiany tokoa ny hanatanteraka ireo zavatra voasoratra, anisan’izany ny voasoratra ao amin’ny Salamo 22. Mba ampitahao koa ny Salamo 22:7, 8 sy Matio 27:39, 43; Salamo 22:15 sy Jaona 19:28, 29; Salamo 22:16 sy Marka 15:25 ary Jaona 20:27; Salamo 22:18 sy Matio 27:35. Ny Salamo 22 izay nanome filazana ara-paminaniana maro toy izany momba ny fiainan’i Jesosy, dia manomboka amin’izao teny izao: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao?” Tamin’ny fanaovana an’io antsoantso io àry no nahatanterahan’i Jesosy faminaniana iray amboniny. — Lioka 24:44.

      Tao amin’io faminaniana io dia tsy nieritreritra akory i Davida fa nanary na nahafoy azy tanteraka Andriamanitra, satria nanohy ny teniny izy tamin’ny filazana fa ‘hitory ny anaran’Andriamanitra amin’ny rahalahiny’ izy, ary nananatra mpanompon’i Jehovah hafa izy mba hidera ny Andriamaniny (Salamo 22:22, 23). Toy izany koa, Jesosy izay nahalala tsara ny Salamo 22, dia tena nanana antony tokony hinoana fa nankasitraka sy tia azy foana ny Rainy, na dia namela ny hanomboana azy tamin’ny hazo aza izy.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara