FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • uw toko 14 p. 110-116
  • ‘Manao Fanekena Aminareo ho Amin’ny Fanjakana Iray Aho’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Manao Fanekena Aminareo ho Amin’ny Fanjakana Iray Aho’
  • Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fanangonana ireo mpandova ilay Fanjakana
  • Zanaka ara-panahy — Ahoana no ahafantarany ny maha-izany azy?
  • Fandraisana anjara amim-pahamendrehana
  • “Mba handeha hiaraka aminareo izahay”
  • Midika ho Inona ho Anao ny Sakafo Harivan’ny Tompo?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Iza marina no manana fiantsoana ho any an-danitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Nahoana Isika no Mankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Nahazo “ny Fanahin’ny Fahamarinana” ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
uw toko 14 p. 110-116

Toko 14

‘Manao Fanekena Aminareo ho Amin’ny Fanjakana Iray Aho’

1. Tamin’ny alina talohan’ny nahafatesan’i Jesosy, fahatsinjovan-javatra inona no napetrany teo anoloan’ireo apostoliny?

TAMIN’NY alina talohan’ny namonoana azy ho faty no nilazan’i Jesosy tamin’ireo apostoliny nahatoky hoe: ‘Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro. Handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.’ Nilaza ireto teny fanampiny ireto koa izy: “Manao fanekena aminareo aho, tsy misy hafa amin’ny nanaovan’ny Raiko fanekena tamiko, ho amin’ny fanjakana iray”. (Jaona 14:2, 3; Lioka 22:29, NW ). Fahatsinjovan-javatra mahatalanjona re izany napetrany teo anoloan’izy ireo izany!

2. Firy no hiaraka amin’i Kristy ao amin’ny Fanjakany any an-danitra?

2 Tsy te hilaza anefa i Jesosy tamin’izany fa ireo apostoly ireo ihany no hiara-manapaka aminy ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra. Tatỳ aoriana dia nampahafantarina fa hisy 144 000 havotana avy amin’ny tany ka hanana izany tombontsoa lehibe izany. (Apok. 5:9, 10;14:1, 4). Moa ve amin’izao andro izao misy miezaka hahatratra azy io?

Ny fanangonana ireo mpandova ilay Fanjakana

3. Teo amin’ny fanompoany ampahibemaso, ho amin’ny fahafahana inona no nanintonan’i Jesosy ny sain’ny olona?

3 Rehefa avy nampidirin’i Heroda Antipasy tany an-tranomaizina i Jaona Mpanao Batisa, dia nanomboka fitoriana ampahibemaso manokana sady mafy i Jesosy ka nampifantoka ny saina ho amin’ny “fanjakan’ny lanitra”. (Matio 4:12, 17). Nataony izay hahafantaran’ny olona fa hanana fahafahana hiditra ao amin’izany Fanjakana izany izy ireo, ary ny mpianany dia niezaka mafy ny hahatratra izany loka izany. — Matio 5:3, 10, 20; 7:21; 11:12.

4. a) Oviana no nohosorana tamin’ny fanahy masina ny voalohany tamin’ireo mpianatr’i Jesosy? b) Inona no mampiseho fa, nanomboka tamin’izay, dia nosarihana ho amin’ny fanangonana ireo mpandova ilay Fanjakana ny saina?

4 Tamin’ny Pentekosta taona 33 am.f.i., dia nohosorana tamin’ny fanahy masina ny voalohany tamin’izy ireo. (Asa. 2:1-4; 2 Kor. 1:21, 22). Nampahafantarina ny fandaharan’Andriamanitra ny amin’ny famonjena izay mitarika ho amin’ny tsy fahafatesana ao amin’ny fiainana any an-danitra. Nampiasa “ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra” mba hanokafana io fahalalana io i Petera — voalohany ho an’ireo Jiosy, avy eo dia ho an’ireo Samaritana ary farany dia ho an’ireo olona avy tamin’ny firenena jentilisa. (Matio 16:19). Nomena fiheverana manokana ny famoronana ilay fitondram-panjakana izay hanapaka ny olombelona mandritra ny 1 000 taona, ary saika ny taratasy azo tamin’ny tsindrimandry rehetra ao amin’ireo Soratra Grika Kristiana dia niantefa voalohany indrindra tamin’io antokon’olona handova ilay Fanjakana io — dia “ny olona masina”, “mpiombona ny fiantsoana ho any an-danitra”.a

5. Moa ve ny fiantsoana azy ireo ho any amin’ny fiainana any an-danitra noho izy ireo hoe mpanompo tsara kokoa noho ireo niaina talohany?

5 Ny fiantsoana azy ireo ho any amin’ny fiainana any an-danitra akory tsy noho izy ireo hoe tsara kokoa noho ireo mpanompon’Andriamanitra rehetra maty talohan’ny Pentekosta taona 33 am.f.i. (Matio 11:11). Tsia, fa izao kosa i Jehovah dia nanomboka nifidy ireo izay ho mpiara-manapaka amin’i Jesosy Kristy. Nandritra ny taonjato 19 teo ho eo taorian’izay, dia tsy nisy afa-tsy fiantsoana iray ihany, dia ny fiantsoana ho any an-danitra. Hatsaram-panahy ho an’izay tsy mendrika akory izany, izay nomen’Andriamanitra ho an’olona voafetra isa mba hampandrosoana ny fahatanterahan’ny fikasany feno fahendrena sy fitiavana. — Efesiana 2:8-10.

6. a) Nahoana no tsy maintsy tonga ny fotoana hifaranan’ny fiantsoana ho any an-danitra? b) Iza no hitarika ny raharaha rehetra mba hahatanterahan’ilay faminaniana momba ny “olona betsaka” koa, ary inona no tena nitranga?

6 Arakaraka ny fandehan’ny fotoana dia ho feno ilay isa 144 000 voalaza mialoha nefa voafetra. Fotoana fohy aorian’izay dia hifarana ny fanisiana tombo-kase an’ireo Isiraelita ara-panahy ireo ho mariky ny fankasitrahan’Andriamanitra. (Apok. 7:1-8). Avy eo i Jehovah, amin’ny alalan’ny fanahiny sy ny fahatakarana ny Teniny izay nomeny tamin’ny alalan’ny fandaminany hita maso, dia hitarika ny raharaha rehetra mba hanatanterahana tapany hafa koa amin’ny fikasany, araka ny voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy 7:9-17. Hisy “olona betsaka” avy amin’ny firenena rehetra hangonina, ka hanana ny fahatsinjovan-javatra mampientana ny ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe ary hiaina mandrakizay ao anatin’ny fahatanterahana ao amin’ny Paradisa eto an-tany. Rehefa mandinika izay tena niseho isika, dia toa miharihary fa ny fiantsoana ho any an-danitra, amin’ny ankapobeny, dia efa vita tany amin’ny taona 1935 tany ho any, rehefa takatra mazava tsara ny fanantenan’ny “olona betsaka” ho eto an-tany. Nanomboka tamin’izay, dia nisy mpanompon’i Jehovah an-tapitrisany maro manantena mafy ny hiaina mandrakizay eto an-tany, nampiarahina tamin’ireo olona an’arivony vitsy ihany raha oharina aminy, izay sisa tavela amin’ny kilasin’ireo mankany an-danitra.

7. Mety hisy olona sasany ve, na dia amin’izao andro izao aza, handray ny fiantsoana ho any an-danitra, ary nahoana ianao no mamaly toy izany?

7 Midika ve izany fa tsy misy na dia iray aza ankehitriny antsoin’Andriamanitra ho any amin’ny fiainana any an-danitra? Mandra-pahavitan’ny fanomezana tombo-kase farany, dia mety hisy vitsivitsy hiseho hivadika, ka hisy hafa tsy maintsy hofidina mba hasolo azy. Kanefa araka ny fandrindran-kevitra dia toa ho zavatra tena haningana izany.

Zanaka ara-panahy — Ahoana no ahafantarany ny maha-izany azy?

8. Fanazavana inona omen’i Paoly no mampiseho ny fomba ahafantaran’ireo nateraky ny fanahy masina ny maha-izany ny tenany?

8 Ny fanahin’Andriamanitra dia manome antoka an’ireo Kristiana vita batisa nahazo ny fiantsoana ho any an-danitra fa natsangana ho zanaka ara-panahy ny tenany. Nampiseho izany ny apostoly Paoly rehefa nanoratra ho an’ireo “masina” tany Roma izy mba hilazalazana ny amin’ilay toerana notanan’ireo Kristiana marina rehetra tamin’izany andro izany. Hoy izy: “Izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra. Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray hianareo, fa nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô. Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.” — Romana 1:7; 8:14-17.

9. Amin’ny ahoana no ‘anambaran’ny fanahy’ amin’ny fanahin’ireo izay zanak’Andriamanitra marina?

9 Misy fampiasana roa ny teny hoe “fanahy (esprit)” anintonana ny saintsika eto: “ny Fanahy” sy “ny fanahintsika”. Ilay voalohany dia ny hery miasa tsy hita mason’Andriamanitra. Izy io dia manome an’ireo zanany ara-panahy ny fiekena mafy fa natsangana ho zanak’Andriamanitra afaka izy ireo. Io fanahy io koa dia manambara amin’izy ireo amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, izay toy ny taratasy manokana avy aminy ho an’ireo zanany ara-panahy. (1 Pet. 1:10-12). Rehefa mamaky izay lazain’ny Soratra Masina momba ireo zanaka ara-panahin’Andriamanitra ireo nateraky ny fanahy ireo, dia mamaly araka ny tokony ho izy hoe: ‘Mihatra amiko izany.’ Araka izany, ny hery miasan’Andriamanitra dia manambara amin’ny fomba isan-karazany amin’ny fanahin’izy ireo, izay ny hery manosika ny sainy sy ny fony, fa zanak’Andriamanitra izy ireo. Mifanaraka amin’izay tondroin’ny fanahin’Andriamanitra araka izany, ny sainy sy ny fony dia manjary mifantoka amin’ny fahatsinjovana ny ho tonga mpiara-mandova amin’i Kristy, ary dia manaiky ireo andraikitra tafiditra amin’ny maha-zanaka ara-panahin’Andriamanitra azy izy ireo. — Fil. 3:13, 14.

10. a) Lafin-javatra inona avy no tsy ampy ampahafantarana fa Kristiana voahosotry ny fanahy ny olona iray? b) Fomba fihevitra manao ahoana no raisin’ny “ondry hafa” raha ny amin’ny toerana tanany ao amin’ny fikasan’Andriamanitra?

10 Marina ve izany ny aminao? Raha izany no izy, dia manana tombontsoa mahatalanjona ianao. Kanefa ho fahadisoana ny hanatsoahana hevitra fa, satria mankasitraka mafy ireo zavatra ara-panahy lalina ny olona iray, na be zotom-po eo amin’ny asa fanompoana, na manam-pitiavana fatratra ireo rahalahiny, dia tsy maintsy ho Kristiana voahosotry ny fanahy izy. Mampiavaka ny olona maro anisan’ny “ondry hafa” koa ireo zavatra ireo. Ny fon’izy ireo koa dia voatohin’izay vakiny ao amin’ny Soratra Masina momba ireo mpiara-mandova amin’i Kristy, kanefa tsy mitaky amin-kasahiana zavatra izay tsy natokan’Andriamanitra ho azy izy ireo. (Ampitahao amin’ny Nomery 16:1–17:5.) Manaiky ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany ho an’ny tany izy ireo ary miezaka amim-pankasitrahana mba hahazo izany.

Fandraisana anjara amim-pahamendrehana

11. Iza no manatrika ny fankalazana isan-taona ny nahafatesan’i Jesosy, ary nahoana?

11 Isan-taona, ny 14 Nisana, aorian’ny filentehan’ny masoandro, ireo mpanara-dia voahosotra an’i Jesosy Kristy any amin’ny faritra rehetra amin’ny tany dia mankalaza ny nahafatesany, mifanaraka amin’ireo toromarika nomeny ny apostoliny. (Lioka 22:19, 20). Manatrika izany koa ny “ondry hafa”, tsy amin’ny maha-mpandray anjara amin’ny mofo sy ny divay akory, fa amin’ny maha-mpitazana feno fanajana.

12. Tamin’ny fomba ahoana no tsy nanehoan’ny Kristiana sasany tany am-boalohany tany Korinto fankasitrahana araka ny tokony ho izy ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

12 Izany akory tsy fombafombam-pivavahana tsy misy dikany, fa feno heviny mahery kosa. Nanoratra toy izao ho an’ireo Kristiana tany Korinto, tany Grisia, tamin’ny taonjato voalohany, izay tsy naneho fankasitrahana araka ny tokony ho izy an’io fisehoan-javatra io, ny apostoly Paoly: “Na zovy na zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin’ny kapoaky ny Tompo [tsy amim-pahamendrehana, NW ] dia ho meloka ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo izy.” Inona no nahatonga azy ireo ho mpandray anjara ‘tsy mendrika’? Tsy niomana tao am-po sy tao an-tsaina araka ny tokony ho izy izy ireo. Nisy fisarahana tao amin’ny kongregasiona. Ankoatra izany, dia nisy nanaram-po tamin’ny hanina sy ny fisotro talohan’ilay fivoriana. Tsy niraika firy izy ireo raha ny amin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Tsy nahay nanavaka ny naha-zava-dehibe ny hevitr’ilay mofo sy ilay divay izy ireo. — 1 Korintiana 11:17-34.

13. Inona no hevitr’ilay mofo sy ilay divay aroso amin’ny Fahatsiarovana?

13 Inona moa izany heviny izany? Tsy ny fiovan’ilay mofo sy ilay divay amin’ny fomba mahagaga, araka ny lazain’ny olona, akory izany. Na amin’ny heviny ahoana na amin’ny heviny ahoana, i Kristy akory tsy averina atao sorona isaky ny fotoan’ny Fahatsiarovana. Manambara ny Soratra Masina fa ‘i Kristy dia natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ny maro’. (Heb. 9:28; 10:10; Rom. 6:9). Ilay mofo tsy misy masirasira sy ilay divay mena dia marika fotsiny mampiseho ny tenan’i Jesosy ara-bakiteny izay natolony ho sorona sy ny rany ara-bakiteny izay nalatsany. Toy inona anefa ny hasarobidin’iny tenany sy rany iny! Ny tena tsy nisy otan’i Jesosy tokoa mantsy dia nomena mba hahazoan’izao tontolo izaon’ny olombelona fahafahana hiaina mandrakizay. (Jaona 6:51). Ary ny ra nalatsany dia manan-java-kendrena roa sosona — ny fanadiovana ireo olombelona maneho finoana azy io ho afaka amin’ny fahotana, ary ny fanamafisana ilay fanekena vaovao eo amin’Andriamanitra sy ny kongregasionan’ny Isiraely ara-panahy, izay voaforon’ireo Kristiana voahosotry ny fanahy. (1 Jaona 1:7; 1 Kor. 11:25; Gal. 6:14-16). Ireo fanomezana sarobidy ireo no mahatonga hety ny fanamarinan’Andriamanitra ireo mpikambana ao amin’ny “andian’ondry vitsy”, toy ny hoe efa nomena fahatanterahan’olombelona sahady izy ireo. (Lioka 12:32, NW ). Izany no izy mba hahafahan’izy ireo hateraky ny fanahy masina ho zanak’Andriamanitra, ka hiaraka amin’i Kristy any amin’ny Fanjakany any an-danitra. Rehefa mandray anjara amin’ireo marika amin’ny Fahatsiarovana isan-taona izy ireo, ka manambara amin’izany ny fanantenany ho any an-danitra, dia mihavao sy mihalalina hatrany ny fankasitrahany amin’ny maha-anisan’ilay “fanekena vaovao” izay i Kristy no mpanalalana aminy, azy ireo. — Heb. 8:6-12.

“Mba handeha hiaraka aminareo izahay”

14. a) Nahoana ny “ondry hafa” no tsy mandray anjara amin’ireo marika amin’ny Fahatsiarovana, kanefa inona no andrasan’izy ireo amim-pifaliana? b) Ahoana no andraisan’izy ireo ny fifaneraserany amin’ny sisa amin’ireo mpandova ilay Fanjakana?

14 Nahita ny fomba nifampiraharahan’i Jehovah tamin’ireo voahosony ny “ondry hafa” ka niaraka tamin’izy ireo, tamin’ny filazana hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” (Zak. 8:23). Tsy vitan’ny hoe miara-mivory fotsiny izy ireo, fa miara-mandray anjara amin’ny fampahafantarana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’ny tany onenana manontolo koa. Tsy raisina ao amin’ilay “fanekena vaovao” miaraka amin’ny Isiraely ara-panahy anefa ny “ondry hafa”, sady tsy tafiditra koa ao amin’ilay “fanekena (...) ho amin’ny fanjakana” nataon’i Jesosy tamin’ireo voafidy mba hiaraka aminy any amin’ny fiainana any an-danitra. Noho izany, dia mety ny tsy handraisan’izy ireo anjara amin’ireo marika amin’ny Fahatsiarovana. (Lioka 22:10, 29). Kanefa, rehefa mahatanteraka ny zava-kendreny ilay “fanekena vaovao”, izany hoe ny fanangonana ireo mpikambana farany ao amin’ny “andian’ondry vitsy” ho any amin’ilay Fanjakana any an-danitra, dia takatry ny “ondry hafa” fa izany dia manondro fa mihantomotra ireo fitahiana horaisiny eto an-tany amin’ny alalan’io Fanjakana io. Raisin’izy ireo ho tombontsoa, mandritra izao “andro farany” izao, ny miara-manompo amim-piraisan-tsaina amin’ny sisa mahatoky amin’ireo mpandova ilay Fanjakana.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ireo andinin-teny voalohany ao amin’ny Romana, 1 sy 2 Korintiana, Efesiana, Filipiana, Kolosiana, Titosy, 1 sy 2 Petera; ary koa Galatiana 3:26-29, 1 Tesaloniana 2:12, 2 Tesaloniana 2:14, 2 Timoty 4:8, Hebreo 3:1, NW, Jakoba 1:18, 1 Jaona 3:1, 2 ary Joda 1.

Famerenana

● Nahoana no be dia be aoka izany ny teny ao amin’ny Soratra Grika Kristiana misarika ny saina ho amin’ny fanantenana ny ho any an-danitra?

● Ahoana no ahafantaran’ireo ateraka ho zanak’Andriamanitra ny maha-izany ny tenany? Inona no hevitr’ireo marika amin’ny Fahatsiarovana izay andraisany anjara?

● Ahoana no anehoan’ny “ondry hafa” fa tena tafaray marina amin’ny “andian’ondry vitsy” izy ireo?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara