FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • uw toko 15 p. 117-124
  • Ahoana no Itarihan’i Jehovah ny Fandaminany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Itarihan’i Jehovah ny Fandaminany?
  • Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fahafantarana ilay tapany hita maso
  • Rafitra teokratika
  • Ahoana no Itarihan’i Jehovah ny Fandaminany?
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Ny fandaminan’Andriamanitra hita maso
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Ny tsi-fivadihana amin’ny fandaminan’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • “Tsarovy Ireo Mitarika eo Aminareo”
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
Hijery Hafa
Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
uw toko 15 p. 117-124

Toko 15

Ahoana no Itarihan’i Jehovah ny Fandaminany?

1. Fanazavana inona momba ny fandaminan’i Jehovah no ahariharin’ny Baiboly, ary nahoana izany no zava-dehibe amintsika?

AO AMIN’IREO Soratra azo tamin’ny tsindrimandry,  dia manome antsika fahitana momba ny fandaminany any an-danitra mahatalanjona, i Jehovah. (Isaia 6:2, 3; Ezek. 1:1, 4-28; Dan. 7:9, 10, 13, 14). Na dia tsy afaka mahita ireo zavaboary ara-panahy aza isika, dia mampahafantatra antsika ny amin’ireo vokatry ny asan’ny anjely masina eo amin’ireo mpivavaka marina eto an-tany, izy. (Gen. 28:12, 13; 2 Mpanj. 6:15-17; Sal. 34:7; Matio 13:41, 42; 25:31, 32). Milazalaza ny amin’ny tapany hita maso amin’ny fandaminan’i Jehovah koa ny Baiboly ary manampy antsika hahatakatra ny fomba itarihany antsika. Raha manana fahatakarana ara-panahy marina an’ireo zavatra ireo isika, izany dia hanampy antsika “handeha amin’ny fomba mendrika an’i Jehovah mba hanaovana izay sitrany amin’ny fomba feno”. — Kol. 1:9, 10, NW.

Fahafantarana ilay tapany hita maso

2. Iza no kongregasionan’Andriamanitra nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 am.f.i.?

2 Nandritra ny 1 545 taona dia kongregasionan’Andriamanitra ny firenen’ny Isiraely. Kanefa tsy nitandrina ny faneken’ny Lalàna izy ireo ary nanda ny Zanak’Andriamanitra mihitsy. Nahatonga kongregasiona vaovao iray hisy àry i Jehovah, ary nifanao fanekena vaovao taminy. Io kongregasiona io dia ampahafantarina ao amin’ny Soratra Masina ho toy ny ‘ampakarin’i Kristy’, voaforon’ireo 144 000 nofidin’Andriamanitra mba ho tafaray amin’ny Zanany any an-danitra. (Efes. 5:22-32, NW; Apok. 21:9, 10). Ny voalohany tamin’izy ireo dia voahosotra tamin’ny fanahy masina tamin’ny fotoan’ny Pentekosta, taona 33 am.f.i. Tamin’ny alalan’ny fanahy masina, dia nanome porofo tsy azo nolavina i Jehovah fa izao dia io no kongregasiona hampiasainy mba hanatanterahana ny fikasany. — Heb. 2:2-4.

3. Iza avy no voafaoka ao amin’ny fandaminan’i Jehovah hita maso amin’izao andro izao?

3 Amin’izao andro izao, dia vitsy monja amin’ireo 144 000 no sisa eto an-tany. Kanefa, ho fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly, dia misy olona betsaka amin’ny “ondry hafa” nampidirina ho ao amin’ny fifandraisana akaiky amin’izy ireo. I Jesosy Kristy, ilay Mpiandry Tsara, dia nampikambana ireo “ondry hafa” ireo tamin’ireo anisan’ny sisa amin’ireo mpanara-dia azy voahosotry ny fanahy mba hahaforona “andiany” iray ihany ka izy no ho ‘mpiandry iray ihany’ azy ireo. (Jaona 10:11, 16; Apok. 7:9, 10). Izy rehetra ireo dia mahaforona fandaminana tafaray iray, dia ny fandaminan’i Jehovah hita maso amin’izao andro izao.

Rafitra teokratika

4. Iza no mitarika ny fandaminana, ary amin’ny fomba ahoana?

4 Ilay teny ao amin’ny Soratra Masina hoe “kongregasionan’Andriamanitra velona” dia mampiharihary hoe iza no mitarika azy io. Teokratika, na hoe tapahin’Andriamanitra, ilay fandaminana. I Jehovah dia manome fitarihana ho an’ny vahoakany amin’ny alalan’ilay notendreny mba ho filoha tsy hita mason’ny kongregasiona, dia i Jesosy Kristy Tompo, ary koa amin’ny alalan’ny Teniny nomen’ny tenany tamin’ny tsindrimandry, dia ny Baiboly. — 1 Tim. 3:14, 15, NW; Efes. 1:22, 23, NW; 2 Tim. 3:16, 17.

5. a) Ahoana no nihariharian’ny fitarihana ny kongregasiona avy tany an-danitra tamin’ny taonjato voalohany? b) Inona no mampiseho fa mbola lohan’ny kongregasiona i Jesosy?

5 Izany fitarihana teokratika izany dia tena hita niharihary tokoa rehefa nahazo fandrisihana mba hiasa avy tamin’ny fanahy masina ireo mpikambana voalohany tamin’ilay kongregasiona tamin’ny Pentekosta taona 33 am.f.i. (Asa. 2:1-4, 32, 33). Niharihary koa izany rehefa nitarika ireo fisehoan-javatra izay nitondra ho amin’ny fampielezana ny vaovao tsara tatsy Afrika ny anjelin’i Jehovah. (Asa. 8:26-39, NW ). Toy izany ihany koa no izy rehefa nanome toromarika ny feon’i Jesosy tamin’ny fotoan’ny fiovan’i Saoly avy tany Tarsosy, ary koa rehefa natomboka ny asa misionera tany amin’ny Jentilisa. (Asa. 9:3-7, 10-17; 10:9-16, 19-23; 11:12). Tsy nomena tamin’ny fomba niavaka toy izany foana anefa ny fitarihana nilaina. Tatỳ aoriana, dia tsy nisy feo re avy tany an-danitra intsony, tsy nisy anjely niseho tamin’ny olona intsony ary tsy nisy fahaizana mahagaga avy amin’ny fanahy intsony koa. Kanefa i Jesosy efa nampanantena an’ireo mpanara-dia azy mahatoky hoe: “Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao”, ary ny zava-misy dia mampiseho fa manao izany tokoa izy. (Matio 28:20; 1 Kor. 13:8). Tsy vitan’ny hoe manaiky ny maha-lohany azy ny Vavolombelon’i Jehovah, fa miharihary koa fa tsy ho afaka nanohy nanambara ny hafatra momba ilay Fanjakana teo anatrehan’ny fankahalana mahery vaika izy ireo raha tsy teo ny fanampiany.

6. a) Iza avy no mahaforona ny “mpanompo mahatoky sy malina”, ary nahoana? b) Asa inona no nanendreny io “mpanompo” io mba hataony?

6 Fotoana fohy talohan’ny nahafatesany, i Jesosy dia niresaka tamin’ireo mpianany momba ny “mpanompo mahatoky sy malina” izay anankinany andraikitra manokana amin’ny maha-Tompony azy. Izany “mpanompo” izany, araka ny filazalazan’i Jesosy, dia ho eo an-toerana rehefa ho any an-danitra ny Tompo, ary mbola ho velona ihany amin’ny fotoana hiverenan’i Kristy. Tsy mety hifanentana amin’ny olombelona iray ihany izany filazalazana izany. Mifanentana tsara amin’ny kongregasiona voahosotra sy mahatokin’i Kristy, raisina amin’ny fitambarany, kosa anefa izany. Fantatr’i Jesosy fa hividy azy ireo amin’ny rany izy, hany ka niresaka momba azy ireo mitambatra ho toy ny “mpanompony” izy. Nanome asa azy ireo mba hataony izy, tamin’ny fanirahana azy rehetra hanao mpianatra ary avy eo dia hamahana an’ireo ara-panahy tsikelikely, amin’ny fanomezana azy ireo “ny haniny [ara-panahy] amin’ny fotoana mety”. Nohamafisin’ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta taona 33 am.f.i. ny fanendrena azy ireo. — Matio 24:45-47, NW; 28:19, 20; 1 Kor. 6:19, 20; ampitahao amin’ny Isaia 43:10.

7. a) Andraikitra miitatra kokoa inona avy izao no ananan’io “mpanompo” io? b) Nahoana no zava-dehibe ny fihetsitsika eo anoloan’ny fampianarana omena amin’ny alalan’io fitaovana io?

7 Amin’ny fiverenan’ny Tompony, raha manao ny asany amim-pahatokiana ilay “mpanompo”, dia hanankinana andraikitra miitatra kokoa. Ireo taona hanaraka izany dia ho fotoana hanaovana fanambarana momba ilay Fanjakana maneran-tany, ary hisy “olona betsaka” hangonina mba ho voaro tsy ho faty amin’ny “fahoriana lehibe”. (Matio 24:14; Apok. 7:9, 10). Ireo koa dia hila hanina ara-panahy, ary haroson’ilay “mpanompo” voaforon’ny mpikambana maro, dia ireo mpanompon’i Kristy voahosotry ny fanahy, ho azy ireo izany. Mba hahazoana ny fankasitrahan’i Jehovah, dia mila ny manaiky ny fampianarana omeny amin’ny alalan’io fitaovana io isika ka manao zavatra mifanaraka tanteraka aminy.

8, 9. a) Tamin’ny taonjato voalohany, inona no fandaharana nisy mba handaminana zava-nanahirana momba ny foto-pampianarana sy mba hanomezana fitarihana nilaina momba ny fitoriana ny vaovao tsara? b) Fandaharana mitovy amin’izany inona no misy amin’izao andro izao?

8 Mazava ho azy fa indraindray dia mety hisy fanontaniana momba ny foto-pampianarana na ny fomba fanaovan-javatra hipoitra. Ahoana amin’izay? Ny toko faha-15 amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia milaza ny amin’ny fomba nandaminana ny raharaha iray momba ireo zavatra takina amin’ireo Jentilisa niova ho amin’ny kristianisma. Nentina tany amin’ireo apostoly sy loholona tany Jerosalema, izay nahaforona ny fitambara-mpitantana foibe iray, ilay izy. Tsy hoe tsy nety diso akory ireny loholona ireny; tsy hoe olona tsy nanao fahadisoana mihitsy izy ireny. (Ampitahao amin’ny Galatiana 2:11-14.) Kanefa dia nampiasa azy ireny Andriamanitra. Nandinika izay nolazain’ny Soratra Masina azo tamin’ny tsindrimandry momba ilay foto-kevitra nananana tamin’izay izy ireo, ary koa ny porofon’ny fiasan’ny fanahy masin’Andriamanitra tamin’ny fanokafana ny faritany jentilisa. Avy eo izy ireo dia nanome ny fanapahan-keviny. Nitahy izany fandaharana izany Andriamanitra. (Asa. 15:1-29; 16:4, 5). Avy tao amin’io fitantanana foibe io, dia nisy olona koa nalefa mba hanitatra ny fitoriana ny vaovao tsara nifanaraka tamin’izay nanomezan’ny Tompo lalana azy ireo hataony. — Asa. 8:14; Gal. 2:9.

9 Amin’izao androntsika izao, ny Fitambara-mpitantana dia voaforon’ny rahalahy voahosotry ny fanahy avy any amin’ny tany samihafa. Any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany no misy azy io. Mampandroso amim-pahatokiana ny tombontsoan’ny fanompoam-pivavahana madio eo ambanin’ny fitarihan’i Jesosy Kristy izy io. Ireo rahalahy ireo dia mitovy hevitra amin’ny apostoly Paoly, izay nanoratra toy izao rehefa nandefa torohevitra ara-panahy tany amin’ireo Kristiana namany: “Tsy mihambo ho tompon’ny finoanareo izahay, fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo, satria finoana no nitoeranareo.” — 2 Kor. 1:24.

10. a) Ahoana no hamantarana hoe iza no ho loholona na ho mpikarakara momba ny asa? b) Nahoana isika no tokony hiara-miasa akaiky amin’ireo voatendry ho amin’ireo toerana ireo?

10 Eken’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany io fandaharana teokratika io. Miara-miasa akaiky amin’izany ireo kongregasiona rehetra any amin’ny misy azy avy. Miantehitra amin’ny Fitambara-mpitantana izy ireo amin’ny fanendrena ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa mba hikarakara ny amin’ny fizotran’ireo kongregasiona amim-pilaminana. Miorina amin’inona ny fifidianana olona tendrena ho amin’izany? Voalaza mazava ao amin’ny Baiboly ireo fepetra takina amin’izy ireo. Ireo loholona manao ny fanolorana sy ireo loholona nahazo lalana hanao ny fanendrena dia manana andraikitra mavesatra eo anatrehan’Andriamanitra mba hifikitra amin’izany. (1 Tim. 3:1-10, 12, 13; 5:22; Tit. 1:5-9). Tsy misy fampielezan-kevitra na fifidianana eo anivon’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona. Mifanaraka amin’izay nataon’ireo apostoly momba ny fanendrena olona tamin’ny taonjato voalohany kosa, ireo mpiandraikitra tompon’andraikitra ny amin’ny fanaovana fanolorana sy ireo manao ny fanendrena dia manolotra vavaka mba hahazoana ny fanahin’Andriamanitra ary mitady fitarihana avy ao amin’ny Teniny azo tamin’ny tsindrimandry. (Asa. 6:2-4, 6; 14:23; ampitahao amin’ny Salamo 75:6, 7.) Amin’ny fihetsitsika eo anoloan’ny fitarihana omen’ireo loholona, isika dia afaka mampiseho ny fankasitrahantsika ny fandaharana feno fitiavana nataon’i Kristy ny amin’ireo “olona ho fanomezana” ireo mba hanampiana antsika hahatratra ny “firaisana ao amin’ny finoana”. — Efes. 4:8, 11-16, NW.

11. a) Fanompoana sarobidy inona avy no tontosain’ny vehivavy eo anivon’ny fandaharana teokratika? b) Rahoviana izy ireo no mila ny misaron-doha, ary nahoana?

11 Manome toromarika ny Soratra Masina fa ny raharaha fiandraiketana ao amin’ny kongregasiona dia tokony hosahanin’ny lehilahy. Izany akory tsy manambany ny vehivavy na oviana na oviana, satria maro amin’izy ireo no tafiditra ho anisan’ny mpandova ilay Fanjakana any an-danitra. Amin’ny fitondran-tena maotina sy madio ary amin’ny fikarakarana amim-pahazotoana ny fianakaviany, ireo vehivavy kristiana koa dia mandray anjara amin’ny fanomezana laza tsara dia tsara ho an’ny kongregasiona. (Tit. 2:3-5). Izy ireo matetika no manao ny ampahany lehibe amin’ny asa fitadiavana ireo olona liana sy amin’ny fampifandraisana azy ireo amin’ny fandaminana. (Sal. 68:11, NW ). Fa ny fampianarana ao anatin’ny kongregasiona kosa dia sahanina lehilahy izay notendrena ho amin’izany. (1 Tim. 2:12, 13). Ary raha tsy misy lehilahy mahafeno fepetra amin’ny fivoriana iray alamin’ny kongregasiona, amin’izay dia hisaron-doha ny vehivavy iray rehefa mitarika izany na rehefa mivavaka.a Amin’ny fanaovana izany, dia hampiseho fanajana ny fandaharan’Andriamanitra izy, araka ny ohatra navelan’i Jesosy ho an’ny rehetra tamin’ny fanekena ny Rainy. — 1 Kor. 11:3-16; Jaona 8:28, 29.

12. a) Fomba fihevitra inona no ampirisihan’ny Baiboly an’ireo loholona mba hananany momba ny toerany? b) Tombontsoa tsy hay tombanana inona no mety hananantsika rehetra?

12 Eo amin’izao tontolo izao, ny olona iray mitana toerana ambony dia heverina ho lehibe. Ao amin’ny fandaminan’Andriamanitra anefa dia izao no fitsipika arahina: “Izay mitondra tena toy ny kely indrindra eo aminareo, dia izy no lehibe.” (Lioka 9:46-48, NW; 22:24-26). Ny Soratra Masina àry dia manome torohevitra an’ireo loholona mba hitandrina mba tsy hanjakazaka amin’ireo izay lovan’Andriamanitra, fa mba ho ohatra ho an’ny andian’ondry kosa. (1 Pet. 5:2, 3, NW ). Tsy olom-bitsy nofantenana ihany, fa ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra, lehilahy sy vehivavy, no manana ny tombontsoa tsy hay tombanana ny hisolo tena ilay Tompom-piandrianana manerana izao rehetra izao, amin’ny firesahana amim-panetren-tena momba ny anarany sy amin’ny filazana amin’ny olona hatraiza hatraiza momba ny Fanjakany.

13. Amin’ny fampiasana ireo andinin-teny voatonona, dia diniho ireo fanontaniana voatanisa eo amin’ny faran’ity fehintsoratra ity.

13 Tsara ny hanontaniantsika tena hoe: “Moa ve isika mankasitraka marina ny fomba itarihan’i Jehovah ny fandaminany hita maso? Moa ve ny fihetsitsika, ny fitenintsika ary ny zavatra ataontsika manome taratr’izany?” Ny fanjohiana hevitra momba ireto hevitra manaraka ireto dia afaka manampy ny tsirairay avy amintsika hanao izany famakafakana izany:

Raha manaiky marina an’i Kristy ho lohan’ny kongregasiona isika, amin’izay, araka ireto andinin-teny manaraka ireto, dia inona no hataontsika? (Matio 24:14; 28:19, 20; Lioka 21:34-36; Jaona 13:34, 35).

Eo amin’ny ezaka ataony mba ho Kristiana mahita vokatra, tokony hanao ahoana moa ny fianteheran’ireo rehetra anisan’ny kongregasiona amin’Andriamanitra sy amin’i Kristy? (Jaona 15:5; 1 Kor. 3:5-7).

Rehefa miezaka ireo loholona mba hanitsy ny fomba fihevitry ny sasany mba hananany fomba fijery mifanaraka amin’ny an’ny mpikambana hafa rehetra ao amin’ny kongregasiona, ny fiahiana feno hatsaram-panahy avy amin’iza moa no tokony ho hitantsika amin’izany? (Efes. 4:7, 8, 11-13; 2 Kor. 13:11).

Rehefa manaiky amim-pankasitrahana ireo fandaharana ara-panahy azo amin’ny alalan’ny kilasin’ny “mpanompo” sy ny Fitambara-mpitantana ao aminy isika, iza no anehoantsika fanajana? Hanao ahoana anefa rehefa manao resaka manambany azy ireo isika? (Lioka 10:16; ampitahao amin’ny 3 Jaona 9, 10.)

Nahoana isika no tsy tokony hanakiana mafy ireo loholona voatendry? (Asa. 20:28, NW; Rom. 12:10).

14. a) Amin’ny fihetsitsika eo anoloan’ny fandaminana teokratika, inona moa no asehontsika? b) Amin’io lafiny io, fahafahana inona avy no ananantsika mba hanaporofoana fa mpandainga ny Devoly ary mba hampifaliana ny fon’i Jehovah?

14 Amin’ny alalan’ny fandaminany hita maso tarihin’i Kristy amin’ny maha-lohany azy, no ifampiraharahan’i Jehovah amintsika amin’izao androntsika izao. Ny fihetsitsika eo anoloan’io fandaminana io àry dia mampiseho amin’ny fomba azo tsapain-tanana ny toerana tanantsika eo amin’ilay raharaha momba ny fiandrianana. (Heb. 13:17). Milaza i Satana fa ny antony manosika antsika rehetra dia ny faniriana hahazo tombony manokana ho an’ny tenantsika, fa ny ahintsika voalohany indrindra dia ny tenantsika. Kanefa, raha faly sy vonona ny hanompo amin’izay fomba rehetra ilana antsika isika, ka tsy milaza na manao zavatra izay hisarika tsy araka ny tokony ho izy ny sain’ny hafa ho amintsika, dia manaporofo fa mpandainga ny Devoly. Raha tia sy manaja ireo izay ‘mitondra’ eo amintsika isika, ka manaraka ny finoany, fa mandà tsy ho ilay karazan’olona ‘mandoka ireo olo-malaza mba hahazoany zavatra’ kosa, dia mampifaly ny fon’i Jehovah. (Heb. 13:7; Joda 16, NW ). Amin’ny fambolena fanajana mahasoa ny fandaminan’i Jehovah sy amin’ny fanaovana amin’ny fo rehetra ilay asa tarihiny, dia manome porofo isika fa Andriamanitsika marina i Jehovah ary koa fa tafaray ao amin’ny fanompoam-pivavahana aminy isika. — 1 Kor. 15:58.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Tsy mila ny misaron-doha anefa izy rehefa mitory isan-trano, satria natao ho an’ny Kristiana rehetra ny andraikitra hitory ny vaovao tsara. Kanefa, raha mitaky ny hitarihany fampianarana Baiboly any an-tokantrano eo anatrehan’ny vadiny (izay lohany, na dia tsy Kristiana aza) ny toe-javatra, dia tokony hisaron-doha izy. Ankoatra izany, raha toa, amin’ny toe-javatra maningana, ka misy mpikambana ao amin’ny kongregasiona lahy vita fanoloran-tena manatrika eo rehefa mitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano efa nalamina mialoha izy, dia tokony hisaron-doha izy, fa ilay lehilahy kosa no tokony hanolotra ny vavaka.

Famerenana

● Inona moa no fandaminan’i Jehovah hita maso amin’izao andro izao? Inona no zava-kendren’izy io?

● Iza no lohan’ny kongregasiona notendren’Andriamanitra? Amin’ny alalan’ny fandaharana hita maso inona avy no anomezany antsika fitarihana amim-pitiavana?

● Fihetsika mahasoa inona avy eo anatrehan’ny andraikitra sy ny olona ao amin’ny fandaminana no tokony hambolentsika?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara