FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • uw toko 13 p. 103-109
  • Olona Betsaka eo Anoloan’ny Seza Fiandrianan’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Olona Betsaka eo Anoloan’ny Seza Fiandrianan’i Jehovah
  • Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fahafantarana ny “olona betsaka”
  • Tsapaina raha mendrika ny ho tafita velona
  • Ny fiainana ao amin’ny paradisa ara-panahy
  • Olona Betsaka eo Anoloan’ny Seza Fiandrianan’i Jehovah
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Vahoaka Be Tsy Tambo Isaina
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
  • Iza Ilay “Vahoaka Be”?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Olona Betsaka Manao Fanompoana Masina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
uw toko 13 p. 103-109

Toko 13

Olona Betsaka eo Anoloan’ny Seza Fiandrianan’i Jehovah

1. a) Alohan’ny handraisan’ireo mpanompon’Andriamanitra talohan’ny andro kristiana na ireo 144 000, ny valisoany, inona moa no tsy maintsy hitany? b) Kanefa inona no hety ho an’ny olona betsaka hiaina amin’ny fotoana hamelezan’ny “fahoriana lehibe”?

NA DIA nametraka ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra teo amin’ny toerana voalohany teo amin’ny fiainany aza ireo mpanompon’Andriamanitra nahatoky nanomboka tamin’i Abela ka hatramin’i Jaona Mpanao Batisa, dia samy tsy maintsy maty sy miandry ny fitsanganana amin’ny maty avokoa. Ireo 144 000 hiaraka amin’i Kristy ao amin’ny Fanjakany any an-danitra koa dia tsy maintsy maty alohan’ny handraisany ny valisoany. Mifanohitra amin’izany kosa, ny apostoly Jaona dia nomena fahitana iray fa hisy olona betsaka izay tena ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” ka tsy ho faty fa hanana fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay. — Apok. 7:9-17.

Fahafantarana ny “olona betsaka”

2. Inona no nitarika ho amin’ny fahatakarana mazava ny hoe iza ireo “olona betsaka” ao amin’ny Apokalypsy 7:9?

2 Nandritra ny taonjato maro, dia tsy fantatra hoe iza izany “olona betsaka” izany. Ny fahatakarana tsikelikely ireo faminaniana mifandray aminy anefa dia nanomana ny lalana. Tamin’ny 1923, dia takatra fa ny “ondry” ao amin’ny fanoharan’i Jesosy ao amin’ny Matio 25:31-46 sy ny “ondry hafa” resahina ao amin’ny Jaona 10:16 dia olona miaina ankehitriny ka hanana fahafahana ny honina mandrakizay eto an-tany. Tamin’ny 1931, dia fantatra fa ireo voalazalaza ao amin’ny Ezekiela 9:1-11 hoe nasian’ilay lehilahy nitondra fitoeran-dranomainty marika teo amin’ny handriny, dia mitovy amin’ireo “ondry” ao amin’ny Matio toko faha-25. Avy eo, tamin’ny 1935, ny “olona betsaka” ao amin’ny Apokalypsy 7:9-17 dia hita fa mitovy amin’ireo “ondry” ao amin’ny fanoharan’i Jesosy ny amin’ny ondry sy ny osy. Na dia efa takatra tany amin’ny 1923 tany aza fa efa nanomboka niseho ny olona oharina amin’ny ondry toy izany, dia tamin’ny 1935 vao nanomboka nitombo haingana ny isan’izy ireo. Amin’izao andro izao, dia olona an-tapitrisany maro ara-bakiteny no mikatsaka ny ho anisan’izany “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” manana ny fankasitrahan’Andriamanitra izany.

3. Nahoana ny ‘nitsanganany teo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra’ no tsy midika fa mahaforona kilasy ho any an-danitra izy ireo?

3 Ireo anisan’ny “olona betsaka” dia miavaka amin’ireo 144 000 mpikambana ao amin’ny Isiraely ara-panahy resahina eo aloha kokoa ao amin’io toko ao amin’ny Apokalypsy io ihany. Tao amin’ny fahitany, i Jaona dia tsy nahita izany “olona betsaka” izany tany an-danitra. Ny ‘nitsanganany teo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra’ (grika: e·noʹpi·on tou throʹnou, “teo imason’ny seza fiandrianana”) dia tsy nitaky ny naha-tany an-danitra azy ireo. Ny toerana nisy azy ireo dia ‘teo imason’Andriamanitra’, izay milaza amintsika fa mijery ny zanak’olombelona avy any an-danitra, fotsiny. (Apok. 7:9; Sal. 11:4; ampitahao amin’ny Salamo 100:1, 2, sy Lioka 1:74, 75 ary Asan’ny Apostoly 10:33, Kingdom Interlinear.) Mitovy amin’izany koa, tsy voatery ho any an-danitra ny “firenena rehetra” mba ho eo anatrehan’ny seza fiandrianan’i Kristy (ara-bakiteny hoe “eo anoloany”), araka ny voalazalaza ao amin’ny Matio 25:31, 32. Ny tsy maha-kilasy mankany an-danitra ny “olona betsaka tsy tambo isaina” dia hita avy amin’ny fampitahana io voalaza io amin’ny Apokalypsy 7:4-8 sy 14:1-4, izay ampiharihariana ny isa voafaritra tsaran’ireo alaina avy eto amin’ny tany mba ho any an-danitra.

4. a) Inona moa ilay “fahoriana lehibe” hahatafita velona azy ireo? b) Araka ny ambara ao amin’ny Apokalypsy 7:11, 12, iza no mandinika ny “olona betsaka” ka hiaraka amin’izy ireo ao amin’ny fanompoam-pivavahana?

4 Ho fampahafantarana ny “olona betsaka”, dia manoratra toy izao i Jaona: “Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe”. Tena ho ny fahoriana lehibe indrindra hita teto an-tany tokoa izany hahatafita velona azy ireo izany. (Apok. 7:13, 14; Matio 24:21). Ireo ho tafita velona amin’izany andro mahatahotr’i Jehovah izany dia tsy hisalasala mihitsy ny amin’ny hoe iza no nanafaka azy. Hilaza amim-pankasitrahana izy ireo fa Andriamanitra sy ny Zanak’ondry no tompon’andraikitra ny amin’ny famonjena azy. Amin’izay, araka ny fahitan’i Jaona, dia hiray feo aminy ireo zavaboary mahatoky any an-danitra ho fanolorana fanompoam-pivavahana ho an’ilay hany Andriamanitra marina ka hanao hoe: “Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie ho an’Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena.” — Apok. 7:11, 12.

Tsapaina raha mendrika ny ho tafita velona

5. a) Ahoana no ahafahantsika mamantatra izay takina mba ho anisan’ny “olona betsaka” izay ho voaro tsy ho faty? b) Amin’ny famaliana ireo fanontaniana eo amin’ny faran’ity fehintsoratra ity, hazavao izay takina mba hahatafitana velona amin’ny “fahoriana lehibe”.

5 Ny fiarovana ny “olona betsaka” tsy ho faty dia mifanaraka amin’ireo fari-pitsipika marin’i Jehovah. Misy filazana mazava tsara ny amin’ireo lafin-toetra ahafantarana izay hafahana, voarakitra ao amin’ireo firesahana ara-paminaniana momba azy ireo. Noho izany, dia azon’ireo tia fahamarinana atao ny manao zavatra dieny ankehitriny mba hahatafitana velona. Efa niresaka momba ireo andinin-teny hotononina manaraka isika. Kanefa izao dia fakafakao amim-pitandremana izy ireo, amin’ny alalan’ireo andinin-teny fanampiny omena, ary diniho izay tsy maintsy ataonao mba ho tafiditra amin’ireo filazalazana ara-paminaniana ireo ny tenanao.

Ny “ondry hafa” resahina ao amin’ny Jaona 10:16.

Midika ho inona ny hoe mihaino marina ny feon’i Jesosy? (Jaona 10:27; Matio 9:9; Efes. 4:17-24).

Ahoana no ahafahantsika mampiseho fa manaiky an’i Kristy ho ny ‘mpiandry iray ihany’ ho antsika isika? (Matio 23:10, 11).

Ny “ondry” ao amin’ny fanoharan’i Jesosy momba ny ondry sy ny osy. (Matio 25:31-46).

Iza moa ireo rahalahin’i Kristy asian’izy ireo soa? (Heb. 2:10, 11; 3:1).

Ao anatin’ny toe-javatra sarotra inona avy izy ireo no asaina hampahafantatra ny tenany ho rahalahin’i Kristy eto an-tany? Ary asa inona no anoloran’izy ireo ny fanampiany amim-pahatokiana? (Apok. 12:12, 17; Matio 24:14; 28:19, 20).

Ireo olona asian’ilay lehilahy nitondra fitoeran-dranomaintin’ny mpanoratra, marika mba ho tafita velona. (Ezek. 9:1-11).

Ahoana no ampisehoan’izy ireo fa tsy manaiky ireo fahavetavetana atao ao amin’izay mifanitsy amin’i Jerosalema, dia ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana, izy ireo? (Apok. 18:4, 5).

Inona no tafiditra ao amin’ilay “marika” mampiavaka azy ireo amin’ireo Kristiana anarana ka mahatonga azy ireo ho voaro tsy ho faty? (1 Pet. 3:21; Matio 7:21-27; Jaona 13:35).

6. Ahoana no anampian’ny filazalazan’i Jaona momba ny “olona betsaka” antsika hahatakatra hoe nahoana izy ireo no voaro tsy ho faty?

6 Manome tsipirian-javatra lehibe fanampiny ny filazalazana ny amin’ny “olona betsaka” hita ao amin’ny Apokalypsy 7:9-15 (NW ). Rehefa milaza amintsika ny amin’ny fisehoan’ny “olona betsaka” aorian’ny “fahoriana lehibe” ny Soratra Masina, dia misarika ny saina koa ho amin’ireo lafin-javatra izay nitarika ho amin’ny fiarovana azy ireo tsy ho faty.

7. Inona no nataon’izy ireo talohan’ny “fahoriana lehibe”, ary inona no milaza izany amintsika?

7 Na dia avy amin’ny firenena rehetra, ny fokom-pirenena, ny olona ary ny samy hafa fiteny aza izy ireo, dia aseho ho ‘mitsangana amim-piraisan-kina eo anoloan’ny seza fiandrianana’, maneho ny fanekeny an’i Jehovah, Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, ho ny Tompom-piandrianana manerana izao rehetra izao. Noporofoin’izy ireo tamin’ny fomba fiainany fa mpiaro mahatoky ny fanapahany izy ireo. Ny ‘nanasany sy namotsiany ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry’ dia mampiseho fa neken’izy ireo fa nila ny fahafahan’ny soron’i Kristy, ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra, mamela fahotana, ny tenany. (Jaona 1:29; 1 Jaona 2:2). Nanolo-tena tamim-pinoana ho an’Andriamanitra niorina tamin’izany sorona izany izy ireo, nanamarika izany tamin’ny fanekena haroboka tao anaty rano ary izao dia mitana toerana madio eo anatrehan’Andriamanitra, araka ny asehon’ny akanjony fotsy. Tsy niahotra ny nampahafantatra ampahibemaso ny finoany ny Zanak’Andriamanitra izy ireo. (Matio 10:32, 33). Mifanaraka tsara amin’izany rehetra izany, dia aseho ho ao amin’ny tempolin’Andriamanitra, dia ny tranony manerana izao rehetra izao atokana ho amin’ny fanompoam-pivavahana aminy, izy ireo, toy ny mpivavaka manolotra ho an’Andriamanitra ‘fanompoana masina andro aman’alina’. Araka izany, izy ireo dia manana tantaram-piainana miavaka amin’ny maha-mpiaro mahatoky ny fanompoam-pivavahana marina sady mpitory ny Fanjakany azy. — Isaia 2:2, 3.

8. Mba handraisantsika soa avy amin’izany fahalalana izany, inona no tsy maintsy ataontsika?

8 Moa ve mifanentana amin’ireo sary ara-paminaniana ireo ny tenanao? Misy fomba ilànao hampifanarahana ny fiainanao amin’ny fomba feno kokoa amin’ireo filazalazana ireo ve? Raha izany no izy, dia izao no fotoana hanaovana izany!

Ny fiainana ao amin’ny paradisa ara-panahy

9. Ahoana no ilazalazan’i Jaona ireo fitahiana ara-panahy ananan’ny “olona betsaka” dieny ankehitriny?

9 Moa ve ianao manantena ny ho anisan’ny “olona betsaka” ho tafita velona? Raha niaina nifanaraka tamin’ireo lalana marin’i Jehovah ianao, dia tsy isalasalana fa efa manomboka mankafy ireo toe-piainana nampanantenaina ka nantsoina tsara hoe paradisa ara-panahy. Nilazana toy izao ny apostoly Jaona: “Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy [intsony, NW ] ny masoandro na izay hafanana akory. Fa ny Zanak’ondry Izay eo afovoan’ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina; ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony.” (Apok. 7:16, 17). Hita fa marina teo aminao ve izany?

10. a) Amin’ny heviny ara-panahy, amin’ny ahoana no maha-marina ny hoe “tsy ho noana na hangetaheta intsony” ny “olona betsaka”? b) Nahatsapa izany ve ny tenanao?

10 Talohan’ny nahatongavanao teo ambanin’ny fiahiana feno fitiavan’i Jesosy Kristy, ilay Mpiandry Tsara, moa ve ianao noana sy nangetaheta ny fahamarinana? (Ampitahao amin’ny Matio 5:6.) Raha izany no izy, izay nirinao mafy dia zavatra izay ho azon’i Jehovah irery ihany omena amin’ny alalan’ny Zanany. Rehefa nianatra momba ireo lalana marin’i Jehovah ianao — ny fikasany handringana ny ratsy fanahy, kanefa koa ny hatsaram-panahiny ho an’izay tsy mendrika akory amin’ny fanaovana izay hahatonga ny famonjena ny taranak’i Adama hety — dia tsy isalasalana fa vao voalohany teo amin’ny fiainanao ianao no nahatsiaro tena ho afa-po marina. Ny hanina sy fisotro ara-panahy avy amin’ny Tenin’Andriamanitra, aroson’ny fandaminany, dia manohy mitondra fahafaham-po ho anao. (Isaia 65:13, 14). Ary raha nanolo-tena ho an’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy ianao, dia manana zava-kendrena marina eo amin’ny fiainana ankehitriny. (Ampitahao amin’ny Jaona 4:32-34.) Mivelatra eo anoloanao ny fahatsinjovana mahafaly ny hiaina mandrakizay eto an-tany tonga Paradisa, satria ny Zanak’ondry dia “hitondra [ny “olona betsaka”] ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina”.

11. a) Amin’ny fomba ahoana no maha-marina ny hoe “tsy haninona azy intsony ny masoandro na izay hafanana”? b) Heverinao ho zava-dehibe ve izany?

11 Toy ny “ondry” feno toky, ireo anisan’ny “olona betsaka” koa dia arovan’ilay Mpiandry Tsara sy tarihiny tsy amin’ahiahy. Izany no anton’ny hoe “tsy haninona azy intsony ny masoandro na izay hafanana”. Izany akory tsy milaza fa, amin’ny maha-anisan’ny “olona betsaka” anao, dia tsy hiharan’ny fanenjehana avy amin’izao tontolo izao ianao. Ny dikan’izany kosa dia hoe ho voaro amin’ny hafanana mivaivain’ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra ianao. Ary rehefa mampilatsaka ny fandringanany amin’ireo ratsy fanahy izy, dia tsy hahavoa anao izany. Io fifandraisana ahitan-tombontsoa io dia afaka ny hitohy mandrakizay. — Ezek. 38:22, 23; ampitahao amin’ny Salamo 11:6; 85:3, 4.

12. Amin’ny ahoana ny ranomaso no efa voafafa amin’ny masonao dieny ankehitriny?

12 Tena manana antony tokony hifaliana mahatalanjona tokoa ianao raha anisan’izany “olona betsaka” izany marina! Manana ny fanantenana mahatalanjona ny hahita ny ratsy fanahy hesorina tanteraka ary avy eo dia hahita ny sainao sy ny vatanao hafahana amin’ny vokatra rehetran’ny ota, ianao. Kanefa na dia ankehitriny aza, ny fahoriana hitan’ny olona noho izy ireo tsy mahalala an’Andriamanitra dia tsy mahazo anao. Amin’izay ianao dia manomboka mahatsapa ilay fifaliana izay tsy misy afa-tsy ireo olona manana an’i Jehovah ho Andriamaniny ihany no mahatsapa azy. (Sal. 144:15b). Amin’izany fomba izany ianao dia mahatsapa sahady ny fahatanterahan’ilay fampanantenana hoe: “Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony.”

13. Inona no hanampy an’ireo fifaliana ao amin’ny paradisa ara-panahy arakaraka ny handrosoan’ny fanjakana arivo taonan’i Kristy?

13 Toy ny hahatafitan’ny “olona betsaka” velona amin’ny faran’ity fandehan-javatra ity, dia ho toy izany koa ny paradisa ara-panahy. Raha iray amin’izy ireo ianao, dia hanohy hankafy sakafo fanasana ara-panahy misy zavatra matavy, arakaraka ny handrosoan’ny fanjakana arivo taonan’i Kristy. Hihalalina ny fahalalanao momba an’Andriamanitra mihitsy, arakaraka ny hahitanao ny fahatanterahana be voninahitry ny fikasan’Andriamanitra tsy hay tohaina. Hitombo ny fifalianao rehefa hiarahaba ireo olona hihamitombo isa hatrany hiverina ho amin’ny fiainana mba ho tafaray aminao ao amin’ny fanompoam-pivavahana marina. Ary ireo fitahiana ara-batana homena amin’izay dia ho sarobidy indrindra amin’ireo mpanompo mahatokin’Andriamanitra rehetra, satria ho hita fa fisehoan’ny fitiavan’i Jehovah mihitsy izany. — Isaia 25:6-9; Jak. 1:17.

Famerenana

● Fisehoan-javatra tsy misy ohatra izany inona no ampiarahin’ny Baiboly amin’ny “olona betsaka”, ary amin’ny fomba ahoana?

● Raha tena maniry ny ho anisan’izany “olona betsaka” mahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra izany isika, inona no tsy maintsy ataontsika dieny izao?

● Heverinao ho zava-dehibe ve ireo fitahiana avy amin’ny paradisa ara-panahy?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara