Toko 16
Henoy ny Torohevitra, Ekeo ny Famaizana
1. a) Misy ve amintsika tsy mila torohevitra sy famaizana? b) Fanontaniana inona avy anefa no tsara ny handinihantsika azy?
MANAIKY tsy amim-pihambahambana izao lazain’ny Soratra Masina izao ny ankamaroantsika: “Tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra.” (Jak. 3:2). Tsy sarotra ny mieritreritra ireo fotoana tsy nisehoantsika ho ilay karazan’olona ampirisihan’ny Baiboly antsika sady irintsika. Manaiky àry isika fa marina ny Baiboly rehefa milaza amintsika hoe: “Henoy ny torohevitra, ary ekeo ny famaizana, mba ho hendry ianao amin’ny hoavinao.” (Ohab. 19:20, NW ). Fantatsika fa mila izany fanampiana izany isika. Tsy isalasalana fa nanao fanitsiana teo amin’ny fiainantsika isika mba hampifanarahana azy amin’izay nianarantsika tao amin’ny Baiboly. Manao ahoana anefa ny fihetsitsika raha manome torohevitra manokana antsika momba ny raharaha iray izay tsy nanehoantsika fahendrena, ny Kristiana namantsika iray? Na, ahoana raha manolotra fanipazan-kevitra fotsiny izy momba ny fomba mety hihatsarantsika amin’ny lafin-javatra iray?
2. a) Nahoana isika no tokony haneho fankasitrahana noho ny torohevitra omena antsika manokana? b) Fihetsika manao ahoana no tsy tokony hananantsika?
2 Na dia eo aza ny fironantsika avy hatrany amin’ny maha-olombelona tsy tanteraka antsika, dia tokony haneho fankasitrahana amim-pahatsorana isika noho ilay torohevitra ka hiezaka mba hampihatra azy. Afaka ny hitondra soa ho antsika ny vokatry ny fanaovana izany. (Heb. 12:11). Rehefa nomena torohevitra angamba anefa isika, dia nety ho nanandrana ny hanamarin-tena, ka nanamaivana ny halehiben’ilay tarehin-javatra na nanilika ny fahadisoana tamin’olon-kafa. Efa nampiseho fihetsika toy izany ve ianao? Rehefa mieritreritra ilay tarehin-javatra isika, moa ve isika mahatsapa fahatezerana amin’ilay nanome antsika ilay torohevitra? Moa ve isika mirona hamerimberina hilaza amin’ilay nanome torohevitra antsika ireo fahadisoany na ilay fomba nanomezany torohevitra antsika, toy ny hoe manala tsiny ny fahalemen’ny tenantsika izany? Afaka manampy ny olona iray handresy izany fironana izany ve ny Baiboly?
Ohatra noraketina an-tsoratra mba ho fananarana antsika
3. a) Inona no raketin’ny Baiboly ka afaka manampy antsika hamboly ny fomba fijery mety momba ny torohevitra sy ny famaizana? b) Ampiasao ireo fanontaniana omena etsy ambony mba hamakafakana ireo fihetsik’i Saoly sy i Ozia teo anoloan’ny torohevitra.
3 Ankoatra ny fananarana mivantana sesehena momba io foto-kevitra io, ny Tenin’Andriamanitra koa dia mirakitra zavatra tena nitranga tamin’olona izay nomena torohevitra. Matetika dia famaizana koa ilay torohevitra, satria ilay olona nandray azy dia nila ny niova fihetsika na fitondran-tena. Amin’ny fampiasana ireo fanontaniana eto ambany mba handinihana ny sasany amin’izany ohatra izany, dia ho hitanao fa misy zavatra betsaka azontsika rehetra andraisan-tsoa:
SAOLY, ZANAK’I KISY: Tsy nankatò an’i Jehovah tamin’ny fomba feno izy, satria, rehefa niady tamin’i Amaleka izy, dia tsy namono ny mpanjaka sy ny tsara indrindra tamin’ireo biby. (1 Sam. 15:1-11).
Tamin’ny fihetsik’i Saoly teo anoloan’ny torohevitra nanome tsiny avy tamin’i Samoela, inona no mampiseho fa nanandrana ny nanamaivana ilay tsy nety nataony izy? (1Sa 15 and. 20). Tamin’iza no nanandramany nanilihana ny fahadisoana? (1Sa 15 and. 21). Rehefa niaiky ilay tsy nety nataony izy tamin’ny farany, fialan-tsiny inona no nolazainy? (1Sa 15 and. 24). Inona no toa nahiny indrindra na dia tamin’io fotoana io aza? (1Sa 15 and. 25, 30).
OZIA: Niditra tao amin’ny tempolin’i Jehovah izy mba handoro ditin-kazo manitra, na dia ireo mpisorona ihany aza no nahazo lalana hanao izany. (2 Tant. 26:16-20).
Rehefa nanandrana ny hanakana an’i Ozia Mpanjaka ny mpisoronabe, nahoana ilay mpanjaka no nanana fihetsika feno fahatezerana? (Ampitahao amin’ny 2 Tant. andininy faha-16.) Inona no vokatr’izany? (2 Tant. and. 19-21).
4. a) Nahoana no sarotra tamin’i Saoly sy tamin’i Ozia ny nanaiky torohevitra? b) Nahoana no zava-manahirana lehibe koa izany amin’izao andro izao?
4 Amin’ny tsirairay avy amin’ireo fisehoan-javatra ireo, nahoana no sarotra tamin’ilay olona ny nanaiky fa nila torohevitra ny tenany? Ny zava-manahirana fototra dia ny hambom-po, ny fiheveran-tena ho zavatra. Olona maro amin’izao andro izao no mitondra fahoriana ho an’ny tenany noho io lafin-toetra io. Noho izy ireo nahatratra izay heveriny fa fahamboniana sasany, noho ny taonany na ny toerana tanany, dia tsy vonona ny handray torohevitra ny tenany. Toa mihevitra izy ireo fa izany dia milaza fa misy tsininy ao aminy, na hoe mandoto ny lazany izany. Kanefa ny tena mampiseho fahalemena dia ny hambom-po. Izy io dia tsy zavatra alan-tsiny fotsiny satria hoe fahita. Fandrika ampiasain’i Satana izy io mba hanamaizinana ny eritreritry ny olona iray ka hanoherany ny fanampiana feno fitiavana omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany hita maso. Mampitandrina toy izao i Jehovah: “Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.” — Ohab. 16:18; jereo koa Romana 12:3; Ohabolana 16:5.
5. Ampiasao ireo fanontaniana ao amin’ity fehintsoratra ity mba hahazoana antoka ny amin’ireo fianarana azo tsoahina avy amin’ny fitantarana momba an’i Mosesy sy i Davida.
5 Etsy an-danin’izany, dia misy ohatra tsara dia tsara ny amin’ny olona nanaiky torohevitra ao amin’ny Soratra Masina. Misy fianarana sarobidy azo tsoahina koa avy amin’izy ireny. Diniho ireto:
MOSESY: Nanome azy torohevitra azo nampiharina momba ny fomba handaminana ny andraikiny mavesatra ka tsy hanimbany ny fahasalamany ny rafozan-dahiny. Nihaino i Mosesy ary nampihatra izany avy hatrany. (Eks. 18:13-24, NW ).
Na dia nanana fahefana lehibe aza i Mosesy, nahoana izy no vonona aoka izany ny handray torohevitra mahasoa? (Ampitahao amin’ny Nomery 12:3, NW.) Zava-dehibe ve io toetra io amintsika? (Zef. 2:3).
DAVIDA: Meloka noho ny fakana vadin’olona izy, avy eo dia nanao tetika mba hampamono ny vadin-dravehivavy mba hahafahany hanambady azy ka hanafina amin’izany fomba izany ny otany. Volana vitsivitsy no lasa talohan’ny nanirahan’i Jehovah an’i Natana mba hanome tsiny an’i Davida. (2 Sam. 11:2–12:12).
Moa ve i Davida tezitra tamin’ilay fanomezan-tsiny, nanamaivana ilay ratsy nataony na nanandrana nanilika ny fahadisoana? (2 Sam. 12:13; Sal. 51:teny fampidirana sy and. 1-3). Moa ve ny naneken’Andriamanitra ny fibebahan’i Davida milaza fa afaka tamin’ny vokatra nampalahelon’ilay fitondran-tenany ratsy i Davida sy ny ankohonany? (2 Sam. 12:10, 11, 14; Eks. 34:6, 7).
6. a) Nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Davida tamin’ireo izay nanome azy torohevitra nahasoa? b) Inona no soa mety ho azontsika raha manaiky torohevitra toy izany an-tsitrapo isika? d) Inona no tsy tokony hohadinointsika raha mahazo famaizana mafy isika?
6 Fantatr’i Davida Mpanjaka tsara ny soa azo avy amin’ny fihainoana torohevitra mahasoa, ary nisy fotoana nisaorany an’Andriamanitra noho ilay olona nahazoany izany. (1 Sam. 25:32-35; jereo koa Ohabolana 9:8.) Mitovy amin’izany ve isika? Raha izany no izy, dia ho voaro isika mba tsy hilaza na hanao zavatra maro izay mety hanenenantsika. Kanefa raha tafiditra ao anatin’ny tarehin-javatra izay mitarika antsika hahazo famaizana mafy isika, toa an’i Davida fony izy nanota tamin’i Batseba, dia enga anie isika tsy hanadino fa ny famaizana dia porofon’ny fitiavan’i Jehovah, ho fitandroana ny fahasoavantsika mandrakizay. — Ohab. 3:11, 12; 4:13, NW.
Toetra tsara tsy hay tombanana tokony hambolena
7. Toetra tsara inona no nasehon’i Jesosy fa tsy maintsy ananan’ny olona mba hidirany ao amin’ilay Fanjakana?
7 Mba hananana fifandraisana tsara amin’i Jehovah sy ireo rahalahintsika kristiana, dia mila ny mamboly toetra tsara sasantsasany ny tenantsika. Nanasongadina ny iray tamin’izany i Jesosy rehefa nampitsangana ankizikely iray teo afovoan’ny mpianany ka nanao hoe: “Raha tsy miova hianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy hianareo. Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 18:3, 4). Nila ny niova ireo mpianatra ireo. Tsy maintsy nanaisotra ny avonavony sy namboly fanetren-tena izy ireo.
8. a) Eo anatrehan’iza isika no mila ny manetry tena, ary nahoana? b) Raha manao izany isika, hanao ahoana ny fihetsitsika eo anoloan’ny torohevitra?
8 Tatỳ aoriana ny apostoly Petera dia nanoratra toy izao ho an’ireo Kristiana namany: “Samia misikina fanetren-tena hianareo ka mifanompoa; fa Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena.” (1 Pet. 5:5). Fantatsika fa mila ny manetry tena eo anatrehan’Andriamanitra isika. Io andinin-teny io anefa dia milaza fa mila ny manetry tena, na hoe tsy manambony tena, koa isika eo amin’ny fifandraisantsika amin’ireo mpiray finoana amintsika. Raha manao izany isika, dia tsy ho tezitra amin-kadalana noho ireo fanipazan-kevitra mety hatolotr’izy ireo antsika. Samy ho vonona ny hianatra avy amin’ny hafa avy isika. (Ohab. 12:15). Ary raha hitan’ireo rahalahintsika fa ilaina ny hanomezany antsika torohevitra fanitsiana, amin’izay, amin’ny fanekena fa i Jehovah no mampiasa amim-pitiavana izany fomba izany mba hamolavolana antsika, dia tsy handa izany isika. — Sal. 141:5.
9. a) Toetra tsara lehibe inona no mifandray akaiky amin’ny fanetren-tena? b) Nahoana isika no tokony hiahy ny amin’ny vokatry ny fitondran-tenantsika eo amin’ny hafa?
9 Ny toetra tsara hafa iray, izay mifandray akaiky amin’ny fanetren-tena, dia ny fanehoana fiheverana amim-pahatsorana ny amin’izay hahasoa ny hafa. Tsy azontsika ialana ny hoe izay ataontsika dia misy vokany eo amin’ny hafa. Nanome torohevitra an’ireo Kristiana voalohany tany Korinto sy tany Roma ny apostoly Paoly mba hanehoan’izy ireo fiheverana ny feon’ny fieritreretan’ny hafa. Tsy nilaza akory izy tamin’izany fa tokony hanilika izay zavatra rehetra tian’ny tenany manokana izy ireo. Fa nampirisika azy ireo kosa izy mba tsy hanao na inona na inona izay mety hahatonga ny olon-kafa iray ho sahisahy hanao izay lazain’ny feon’ny fieritreretany fa tsy mety, ka hitondra fahavoazana ara-panahy ho azy. Nanambara mazava tsara ny fotopoto-pitsipika ankapobeny tokony harahin’izy ireo i Paoly ka nanoratra hoe: “Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany. (...) Koa amin’izany, na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany. Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan’Andriamanitra”. — 1 Kor. 10:24-33; 8:4-13; Rom. 14:13-23.
10. Inona no mety hampiseho raha toa isika ka nandray ho fahazarana ny fampiharana izany torohevitra araka ny Soratra Masina izany?
10 Moa ve ianao olona izay nandray ho fahazarana ny fametrahana ny fahasoavan’ny hafa alohan’ny zavatra tian’ny tenanao manokana? Misy fomba maro azo anehoana izany, kanefa diniho fotsiny ity ohatra iray ity: Amin’ny ankapobeny, ny fomba fiakanjo sy ny fihaingoana dia raharaha momba ny fitiavan’ny tsirairay zavatra manokana, raha mbola maotina sy milamina ary madio koa isika. Kanefa raha toa ka fantatrao fa, noho ny fanabeazana azony sy ny fiaviany, dia manakana an’ireo olona eo amin’ny manodidina anao tsy hihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana ny fomba fiakanjonao sy ny fihaingoanao, moa ve ianao hanao fanitsiana? Moa ve zava-dehibe kokoa noho ny fanaovana izay hahafaly ny tenanao ny ain’ny olon-kafa iray?
11. Inona no mampiseho fa zava-dehibe ny hambolentsika ireo toetra tsara ireo raha tena tiantsika ny ho Kristiana?
11 Rehefa tonga anisan’ny maha-isika antsika ireo toetra tsara noresahina teo aloha, izany dia manome porofo fa manomboka manana ny sain’i Kristy isika. Raha ny amin’ny fanetren-tena, dia nanome ny ohatra tanteraka i Jesosy. (Jaona 13:12-14; Fil. 2:5-8). Ary raha ny amin’ny fanehoana fiheverana ny hafa, dia tsy nanao izay hahafaly ny tenany izy, fa nanome fianarana tokony harahintsika kosa. — Rom. 15:2, 3.
Aza mandà ny famaizan’i Jehovah
12. a) Fiovana inona avy no ilaintsika rehetra atao mba hananana toetra ankasitrahan’Andriamanitra? b) Inona no hanampy antsika amin’izany?
12 Satria mpanota isika rehetra, dia takina amintsika ny hiovantsika fihetsika, fomba fiteny ary fitondran-tena mba hanomezana taratry ny maha-izy an’ilay Andriamanitsika. Mila ny mitafy ny “toetra vaovao” isika. (Kol. 3:5-14; Tit. 2:11-14). Ny torohevitra sy ny famaizana dia manampy antsika hamantatra hoe aiza no ilantsika hitondrana fanitsiana ary avy eo dia hahita ny fomba hanaovana izany.
13. a) Amin’ny alalan’inona no nanomezan’i Jehovah torohevitra sy famaizana antsika rehetra? b) Inona no tokony hataontsika momba azy io?
13 Ny loharano fototr’izany fampianarana izany dia ny Baiboly mihitsy. (2 Tim. 3:16, 17). Avy eo, amin’ny alalan’ny zavatra vita an-tsoratra sy ireo fivoriana ara-baiboly omen’ny fandaminany hita maso, dia manampy antsika i Jehovah mba hahita ny fomba hampiharana izany. Moa ve isika hanaiky amim-panetren-tena fa mila izany ny tenantsika — na dia efa rentsika taloha aza ilay izy — ka miezaka tsy tapaka ny hihatsara?
14. Fanampiana inona no omen’i Jehovah antsika tsirairay avy?
14 Tsy mamela antsika hiady irery momba ireo raharaha ireo, izay mety ho zava-manahirana manokana antsika, i Jehovah. Amim-piheverana feno fitiavana, dia manao fandaharana mba hanomezana fanampiana manokana izy. Olona an-tapitrisany maro no nandray soa avy amin’izany fanampiana izany tamin’ny alalan’ny fampianarana Baiboly tany an-tokantranony. Ireo ray aman-dreny dia manana andraikitra manokana hampihatra famaizana amin’ny zanany mba hiarovana azy ireo amin’ny fitondran-tena izay mety hitondra alahelo mafy any aoriana kokoa amin’ny fiainany. (Ohab. 6:20-35; 15:5). Eo anivon’ny kongregasiona koa, ireo izay mahafeno ny fepetra ara-panahy ilaina dia manana andraikitra hampiasa ny Soratra Masina mba hanarenana ny hafa rehefa hitany fa ilaina izany. Hanao izany amin’ny toe-tsaina feno halemem-panahy anefa izy ireo. (Gal. 6:1, 2, NW ). Amin’ireo fomba ireo no anomezan’i Jehovah torohevitra sy famaizana antsika mba hahafahantsika hanolotra fanompoam-pivavahana aminy amin’ny maha-vahoaka tafaray antsika.
Famerenana
● Ahoana no anampian’i Jehovah antsika amim-pitiavana mba hahita hoe aiza no ilàn’ny tenantsika manokana hanao fanitsiana?
● Nahoana no sarotra amin’ny olona maro ny manaiky torohevitra? Zava-dehibe ve izany?
● Toetra tsara tsy hay tombanana inona avy no hanampy antsika ho vonona handray torohevitra? Ahoana no namelan’i Jesosy ohatra ny amin’ireo?