Hira 20
Hirao ny Hiran’ilay Fanjakana Mahafaly
1. Hirao ilay Fanjakana,
Ry olombelona.
’Lay Fanjakana niorina,
Torio ho fantatra.
Ny tongotry ny mpitory
Dia mahafinaritra!
Ambarany eran-tany:
‘Mamonjy Jehovah.’
2. Kaloy ilay Fanjakany,
Jehovah no derao.
Tompoy sy atahory izy,
Ny anarany hajao.
’Reo sampy tian’ny olona
Dia tsinontsinona.
Hotompointsika Jehovah,
Niavian’ny marina.
3. Hobio ilay Fanjakana:
“Mpanjaka Jehovah.”
Koa mifalia, ry lanitra,
Kristy no mitondra.
Ny tany hotsarain’i Jah
Amin’ny rariny,
Ka homeny fiadanana
Ireo mahatoky.