FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 1/10 p. 13
  • Tsy mivadika na dia ao aza ny fandrarana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy mivadika na dia ao aza ny fandrarana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Mitovitovy Aminy
  • Omen’i Jehovah Valisoa Izay Mitandrina ny Lalany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2008
  • Manompoa An’i Jehovah Foana na dia Voarara aza Izany!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Andriamanitra Tsy Manadino “ny Fitiavana Nasehonareo ho An’ny Anarany”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 1/10 p. 13

Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana

Tsy mivadika na dia ao aza ny fandrarana

ANY amin’ny tany iray any Azia Atsimo Atsinanana, dia rarana hatramin’ny 11 taona ny fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny fisehoan-javatra tato anatin’izao taona faramparany izao anefa dia manome ho an’ny Vavolombelona, fahafahana hino fa ho tia ny hanatsara ny tarehin-javatra ny mpikambana sasany ao amin’ny fitondram-panjakana. Ny mpamporisika hanao izany fandaharam-pandrarana izany dia toa ireo fivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana izay manan-kery lehibe ao amin’ny fitondrana.

Nisy fotoana nanaraha-maso Vavolombelona, nisamborana azy ireny sy nakana am-bavany mafy azy. Norahonana haetry na hoterena hiala ireo mpiasam-panjakana raha tsy niditra ho anisan’ny antoko ara-politikam-pirenena. Nokapohina tamin-kalozana ny antoko-mpitory.

Toy izany koa, nesorina tamin’ny kristiana ny sasany tamin’ireo zony amin’ny maha-olom-pirenena, toy ny fangatahana fitsarana ambony ao amin’ireo tribonaly sivily sy ny fitarihana amin’ny fandevenana. (Manendry mpitondra fivavahana ny manam-pahefana amin’izany.) Ny toerana sasany dia tonga hatramin’ny fandavana ny hanoratan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fanambadiany!

Na dia tao aza izany rehetra izany, dia izao no tantarain’ireo tompon’andraikitra amin’ny asa ao amin’io tany io: “Hatrany hatrany, rehefa misetra fitsapana amim-pahasahiana ireo rahalahy ka manao fanambarana amim-panajana amin’ny fampiasana ny Baiboly, amin’ny farany dia atsahatra ny fanadinana azy ireny ary tsy arahi-maso loatra intsony izy, ka izany dia mahatonga azy ireny ho afaka handray indray ny asany fitoriana sy fanaovana mpianatra.” — Matio 28:19, 20.

Ohatra, rehefa nisy fakana am-bavany, dia nanontaniana ny vehivavy kristiana iray hoe taiza no nahitantsika ny anarana hoe Jehovah. Tamin-kerim-po no nanokafany ny Baiboliny tao amin’ny Eksodosy 15:3 izay ahitana an’io anarana io. Namaky tao amin’ny Baiboly izay novakiny ilay lehibe nanadina azy ka hoy izy: “Eny tokoa, ao amin’ny Baiboly izany.” Avy eo, dia niteny tamin’ilay pretra nandray anjara tamin’ny fakana ambavany koa izy ka nanontany azy hoe: “Nahoana no tsy miresaka ny amin’io anarana io ianareo?” Nanolotra izao fanaporofoan-kevitra tsy manjary izao ilay pretra: “Marina aloha fa ao amin’ny Testamenta Taloha io anarana io! Kanefa noho ny fahatapahan’ny fifandraisana ara-diplaomasia eo amin’Isiraely sy ny tanintsika, dia tsy ampiasainay izy io.” Nafahana avy hatrany ilay vehivavy kristiana.

Noho ny fiampangan’ny olona “tsara fikasa” iray, dia nasain’ny polisy nofoanana ny voalohany tamin’ireo fivoriamben’ny distrika telo, ny omalin’ny hanaovana azy. Maromaro tamin’ny polisy izay nanohana anay anefa no nanapaka ny fakana am-bavany nanaraka izany. Tsy nanan-tahotra ny Vavolombelona fa nanao ireo fivoriambe roa hafa.

Na dia ao aza ny fanoherana ara-pivavahana mafy mamely ao amin’io tany io, dia mbola misy olona tia ny rariny ihany any, indrindra fa ity mpampiasa izay, rehefa nahatsapa fa tsy nivadika tamin’ny fotopoto-pitsipiny sy ny zavatra inoany ny Vavolombelon’i Jehovah, dia matoky kokoa azy ireny izao. Omeny andraikitra lehibe kokoa izy ireny izao ao amin’ny asany.

Anamarihana toe-javatra sahala amin’izany eo amin’ny ankizy mbola mianatra. Midera azy ireny ireo mpampianatra tso-po noho ny fiorenany mafy amin’ny fiarovana ireo zavatra inoany.

Na dia somary mihatsara kely aza ny toeran’ireo rahalahintsika kristiana, dia manohy mamely matetika azy ireny ireo Fiangonana ary tsy mihemotra eo anoloan’ny zavatra rehetra mba hampitsaharana ny asa fanaovana fanambarana. Indraindray izy ireny dia manandrana mitera-pahavoazana ara-nofo ho an’ireo izay miara-mianatra ny Baiboly amin’ny Vavolombelona. Na dia ao aza izany rehetra izany, dia hita foana ny olona mirohotra manatona ny fandaminan’i Jehovah. Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ny renibe iray 70 taona mahery izay, rehefa avy nodidiana tamin’ny maso iray, dia nangataka ny ho mpitory maharitra mpanampy. Tamin’ny voalohany, dia nieritreritra izy fa noho ny taonany, dia nitaky be loatra taminy ny 60 ora fitoriana hotratrarina ao anatin’ny iray volana. Rehefa nanandrana anefa izy dia tsapany fa afaka nahatratra io zavatra hotratrarina iio izy. Raha lazaina ny zavatra rehetra, talohan’ny fahafolon’ny volana dia efa nandany 38 ora izy nitoriana, nizara boky roa, bokikely telo sy gazety roa tao amin’ny faritany sarotra iray, ary nanomboka fianarana ny Baiboly roa. Toy inona moa ny fifaliana tsapany!

Amin’ny ankapobeny, ny fitoriana dia azo atao ao anatin’ny toe-javatra tsara tokoa eo anivon’io tany io. Nanomboka tamin’ny fifidianana ankapobeny indrindra, dia afaka miasa ny kristiana amin’ny lafiny samihafa amin’ny fanompoana, ka izany dia tena nanafaingana ny fandrosoan’ny asa. Ny mpitory maharitra mandavantaona iray dia mitarika fampianarana ny Baiboly fito ka hatramin’ny folo. Teo aloha, ireo izay namoha varavarana anay dia nanahy aoka izany ny amin’ny hahafantarana hoe iza izahay, avy aiza izahay, sns. Ankehitriny, dia tsy ilainay loatra ny mitonona. Noana ny sakafo be ara-panahy ny olona. Tena vonona ho amin’ny fijinjana tokoa ny saha. — Matio 9:37, 38.

Tsy azo lavina fa tsy mivadika hatrany ao anatin’ny fitsapana ireo namantsika kristiana ao amin’io tany io ary, toy inona moa ny fifaliana fa nitombo 7% vao haingana ny isany! Manahaka an’i Davida izay, nilaza toy izao izy ireo: “Fa izaho kosa dia mandeha amin’ny fahamarinako [tsy fivadihako, MN ] aho.” — Salamo 26:11.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara